2023
Jesoa Kristy: Fiadanana eo anivon’ny tafiotra
Martsa 2023


“Jesoa Kristy: Fiadanana eo anivon’ny tafio-drivotra,” Ho zatovo mahery!, mar. 2023.

Avia hanaraka Ahy

Marka 4

Jesoa Kristy: Fiadanana eo anivon’ny tafio-drivotra

Mety mahatsiaro ho atopatopan’ny alon-dranon’ny tafio-driivotra ianao indraindray. Saingy i Jesoa Kristy dia manana hery hitondra fiadanana ho anao izay tsy ho hitanao na aiza na aiza.

Sary
Mandidy ny ranomasina ho tony i Jesoa Kristy.

Peace, Be Still [Mangina, mitsahara], nataon’i Yonsung Kim

Tamin’izaho teo an-tenantenan’ny kilasy famaranana dia nahazo fanomezana tsy nampoizina goavana. Voantso hiahy ny misiônan’i Uruguay Montévidéo ny ray aman-dreniko, nidika izany fa hifindra monina any amin’ny fara vazan-tany izy ireo miaraka amin’ireo zandriko efatra. Izaho efa niasa saina iny mikasika ny fanalana bakalôrea dia izao indray ho irery rehefa hianatra any amin’ny ambaratonga ambony, ka ny fianakaviako any amina kaontinanta hafa. Nivarahontsana aho.

Tena sarotra indrindra tamiko ny nifindrako avy ao amin’ny lycée nankany amin’ny fianarana ambaratonga ambony. Na dia nisy mpiray trano tsara fanahy maro aza nanodidina ahy, ary mpianatra an’arivony, dia tsy mbola nahatsiaro ho irery kokoa noho tamin’izany aho. Nanototra ireo zavatra tsy maintsy enjehina tamin’ny fianarana. Tsy fantatro izay fianarana tiako hatao ary hitako navesatra ireo taranja. Mbola nisedra ady mafy koa aho noho ny fiarahako tamin’ny olona iray izay nanararaotra ahy teo amin’ny lafiny fihetsaham-po, ka nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fahasalamako ara-tsaina. Resin’ny fahatahorana ny ho avy aho.

Vetivety dia lasa tena sarotra izany noho ny fahatsapako fahakiviana sy tahotra ary fanirery. Na ireo zavatra fanao mahazatra aza dia toa tsy hay ho vitaina. Indray maraina aho dia nangataka ny Ray any An-danitra hanome ahy tanjaka hamakivakiana io andro io. “Tsy vitako irery intsony ny manohy izao,” hoy aho nivavaka. Tamin’ny fotoana iray izay sambany mba sendra nazava ny saiko sy ny fihetseham-poko, dia tonga tao antsaiko ireo teny hoe “Tsy votery hisedra izany irery ianao.” Nanenika ny saiko ny fahatsapana fiadanana. Ary nitony ilay tafiodrivotra tato an-tsaiko.

Tsy mora ireo volana (sy taona) vitsivitsy taorian’izay. Tsy nisinda avy hatrany ny fahatsapako fahakiviana sy fanirery. Saingy izay no fotoana voalohany nahatakarako samirery ny dikan’izany hoe manana Mpamonjy izany. Nahafantatra aho fa takany ireo olana nananako sy ny fijaliako. Nahafantatra aho fa Izy no hany afaka nanampy ahy, ary nanampy Izy.

Taona maro taty aoriana, dia nahavita asa fitoriana aho, nahavita fianarana ambaratonga ambony ary nanana fanambadiana sambatra. Ary fantatro fa tsy ho nahatratra na iza na iza tamin’ireo tanjona ireo aho raha tsy nitoky tamin’ny Tompo.

Sary
zatovovavy iray

Sary avy amin’ny Getty Images

Mangina, mitsahara

Sondrian-tory i Jesoa tao anaty sambo niaraka tamin’ireo Apôstôliny rehefa tonga ny tafio-drivotra lehibe. Namoha an’i Jesoa izy ireo ary nilaza hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?” (Marka 4:38). Tamin’ny fotoana indrindra izay nahatsapany fa ho fatin’ny tafio-drivotra mandrava izy ireo no nitsangana i Jesoa ary: “niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” (Marka 4:39).

Im-piry teo amin’ny fiainanao ianao no nanontany tena hoe, “Tsy mampaninona anao va izao hahafatesako izao?” Tsotra fotsiny ny mahatsiaro ho manirery sy ho navela irery indraindray rehefa miaina olana sarotra ianao. Mety manontany tena ianao hoe nahoana ny Tompo no tsy mampitony ny tafio-drivotro? Toy ny hoe tsy ho tonga eo amin’ny fiainanao mihitsy izany “andro tony tsara” izay lazain’ny andininy faha 39 izany.

Na izany aza dia ampahany iray manan-danja ao anatin’ity tantara ity ny ny zavatra manaraka nampianarin’ny Tompo. Ho izy: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? tsy mbola manam-pinoana va ianareo?” (Marka 4:40). Tamin’ny fotoanan’ny tahotra sy ny fahadisoam-panantenan’ireo Apôstôly dia adinon’izy ireo hoe iza no niaraka taminy. Ilay Zanak’ Andriamanitra izay namorona ny tany mihitsy no natory tao anatin’ny sambokelin’izy ireo. Nahoana no tokony hatahotra izy ireo?

Mitovy amin’izany ihany, manana hery hampitony ny tafio-drivotra rehetra eo amin’ny fiainanao ny Mpamonjy. Afaka manasitrana ny fanaintainanao Izy sy manamaivana ny enta-mavesatrao ary mitondra fahazavana ho anao rehefa ao anaty haizina ianao. Ny anjaranao ao anatin’ity dingana ity dia ny mampihatra ny finoana lehibe an’i Jesoa Kristy.

Mitady hery ao amin’ny Tompo

Afaka mitondra kokoa ny herin’i Kristy eo amin’ny fiainanao ny fiainana finoana miha-mitombo hatrany. Raha teo am-pamitana ny taom-pianarany tamim-pahasarotana i Razafimalaza avy any Madagasikara dia maty ny nenitoany. Torovana izy. Lasa tena sarotra ho azy ny nifantoka nandritra ny fianarany. Nanomana ny hanao ny fanadinana famaranana amin’ny taom-pianarana izy. Nivavaka izy hoe, “Miangavy aho mba esory ny alaheloko ary omeo hery aho hiatrehako ny fanadinana rahampitso.” Nahatsiaro ho nahazo hery izy rehefa avy nivavaka. “Nahatsiaro ho toy ny adinoko ny alaheloko”, hoy izy. “Manome hery ahy hanaovako ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

Sary
zatovolahy

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa indraindray ny Tompo dia mampitony ny tafio-drivotra eo amin’ny fiainanao, ary indraindray Izy dia mampitony sy mankahery anao rehefa mifofofo ny tafio-drivotra. Rehefa manam-pinoana Azy ianao dia hahatoky ny sitrapony sy ny fandaharany. Mino ianao fa hanampy anao Izy na oviana na oviana no tonga ny fiadanana sy ny fahatonianao.

Mahatoky ny fandaharany.

Efa zatra miaina fahatsapana tahotra ny zatovovavy iray antsoina hoe Ann. “Miady amin’ny tebiteby mafy sy TDAH [fikorontanan’ny fifantohana sy tsy fitombenana amin’izay atao] kely aho,” hoy izy. “Indraindray izany dia mahatonga ahy mahatsapa ho tsy ho takatry ny hafa, ary sarotra ny mitazona fijery mandrakizay. Vao tsy ela aho no namaky tao amin’ny Genesisy mikasika an’i Sara izay niandry am-polony taona vao nahazo zaza. Nahatsapa aho fa mety mila miandry fotoana lava ihany koa mba ho sitrana. Fantatro fa tsy mandao ahy i Kristy rehefa miaina fahatsapana tahotra aho. Eo Izy hanampy ahy hamakivaky izany.”

Sary
zatovovavy iray

Ny fisafidianana hitoky amin’ny Tompo dia tsy midika fa mila tsy miraharaha ireo fahasarotana maro eo amin’ny fiainana ianao. Fa izany dia midika fa ianao dia tokony “hifantoka amin’ny halehibe sy hatsarana tsy manam-petra ary ny hery tanteraky ny Andriamani[trao], ny matoky Azy … amin’ny fo falifaly.”1 Rehefa manirery ianao sy malahelo ary mitebiteby, na miandry ireo fitahiana nampanantenaina dia tsarovy ity fanontaniana ity: Moa ve ianao miandry ny “andro tony tsara” amin’ny fo feno tahotra sa amin’ny fo falifaly?

Hamoaka printy