2023
Manatòna Azy
Martsa 2023


“Manatòna Azy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2023.

Andalana anampy andalana

Manatòna Azy

Manasa antsika ny Mpamonjy mba hametraha ny enta-mavesatra entitsika ho eo Aminy.

Sary
Jesoa Kristy

Sary nataon’i Annie Henrie Nader

Mankanesa atỳ Amiko

Afaka manatona ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fianarana ny filazantsarany sy ny fananana finoana azy, amin’ny fibebahana sy fanaovana ary fitandremana ny fanekempihavanana ary ny fanarahana ny ohatra nataony.

miasa fatratra … mavesatra entana

Mety mandreraka antsika ny asa sy ny vesatra ara-batana, fa toa izany koa ny ara-tsaina sy ny ara-pihetseham-po ary ny ara-panahy. Manolotra antsika ny fiadanany ny Tompo na toy inona na toy inona enta-mavesatra izay zakaintsika.

zioga

Ny zioga dia fitaovana fampiarahana biby roa mba hahafahan’izy ireo miara-mizaka entana toy ny angadin’omby na sarety. Mazàna ny zioga dia misy tsivalan-kazo mipetraka eo amin’ny soroky ny biby tsirairay mba hizaràna ny lanja.

mianatra

Afaka mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fampianarany sy ny ohatra nasehony, ary amin’ny fiezahana hanazaraka izany.

fitsaharana

Ny fiadanan’ny Mpamponjy no atao hoe fitsaharana izay mampitony sy saina amam-panahy. Manampy antsika handresy ireo tahotra eo amin’izao tontolo izao Izy ary manome hery ara-panahy antsika rehefa mahatsapa malemy.

entana … maivana

Ny hoe mitondra ny ziogan’ny Mpamonjy eo amintsika dia ny fifamatorantsika Aminy ao anatin’ny fanekempihavanana. Ny dikan’izany dia hoe manome ny fontsika ho Azy sy ho an’ny asany. Raha manao izany isika dia hiha-maivana ny enta-mavesatsika satria manampy antsika Izy.

Hamoaka printy