2023
Lasa tompon-daka tena izy
Martsa 2023


“Lasa tompondaka tena izy,” Ho zatovo mahery! Mar. 2023.

Lasa tompon-daka tena izy

Iray amin’ireo olona mendrika indrindra maneran-tany amin’ny haiady toy ny karate, judo ary ny haiady mifangaro i Felipe. Saingy ny manao asa fitoriana no laharana voalohany amin’ny laharam-pahamehany.

Sary
zatovolahy manao haiady

Sary nalain’ Shirley Brito

I Felipe F. avy any Pará Brésil, dia tsy ilay ankizy 18 taona toy ny rehetra. Efa nandray anjara tamina fifaninanana matihanina izy teo amin’ny haiady mifangaro (HAM) sy ny judo ary ny karate. Ary tena mamiratra izy amin’izay ataony. Nandresy tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena HAM Iron Man izy. Tompondakan’ny faritanin’i Pará in-droa izy, tompondaka lefitra an’i Brésil, ary tompondaka iraisam-pirenena eo amin’ny judo. Ary tompondakan’ny faritanin’i Pará im-polo izy, tompondakan’i Brésil im-polo, tompondakan’i Amerika Atsimo, tompondakan’i Amerika manontolo, ary in-telo tompondaka eran-tany eo amin’ny karate. Andray!

Sary
zatovolahy iray miaraka amin’ny amboara

Ny anton’ny fahombiazany

Nanomboka nanao fanazaran-tena izy hatramin’izy fito taona. Saingy mino izy fa ny antony lehibe indrindra nahatonga ny fahombiazany dia Andriamanitra. “Mivavaka mandrakariva aho mangataka ny fanampian’ny Tompo,” hoy izy.

Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Amerika manontolo nandraisany anjara farany teo tamin’ny karate, dia tsy dia natoky tena loatra i Felipe. Saingy nomen’ny dadany tsodranon’ny fisoronana izy noho ny avy eo. “Taorian’izay dia nihatsara ny tao an-tsaiko, ary izany no nanampy ahy handrombaka ny fiadiana ho tompondaka tamin’io andro. Tamin’ireo ady roa farany norombahako dia segondra iray ihany sisa no nananako. Nihevitra ny olona fa tsy afaka handresy intsony aho. Nisy fihetsika iray tsy nampoizina nataoko ka nanampy ahy handresy, ary ho ahy izany rehetra izany dia noho ny tsodrano nataon-draiko.”

Sary
zatovolahy mitsambikina sy mandaka manao haiady

Im-betsaka ny rainy no nanome tsodrano azy nandritra ny taona maro. Fantatr’i Felipe fa ny fandraisany tsodrano dia tsy midika hoe handresy foana izy, saingy mino izy fa afaka manampy azy ny Tompo hifantoka tsara hatrany sy hampivoatra ny talentany. “Manampy ahy hatoky tena kokoa izany,” hoy Felipe. “Fantatro fa na inona na inona ny vokatra, dia teo ny tanan’ny Tompo.”

Nanohana be ihany koa ny olona hafa tao amin’ny fianakaviany. Tamin’ny fifaninanana HAM anankiray, dia tazan’i Felipe teny amin’ny toeran’ny mpijery ny fianakaviany. “Teo izy rehetra nihorakoraka ny anarako. Tsy nahaloa-peo aho.” Nampiany hoe, “Feno fankasitrahana izay tsy izy aho noho ny ray sy reniko izay nanoro ahy ny lalana marina.”

Sary
Fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Mahatsapa i Felipe fa ny fanarahana izany lalana izany no nanampy azy tamin’ny fanatanjahan-tena. Hihomehy azy matetika ireo namany rehefa tsy nanao izay zavatra fanaon’izy ireo izy. Saingy tsy manenina amin’izany i Felipe. “Toy ny filazantsara izay mitondra fitahiana, ny fanatanjahan-tena ihany koa dia mitondra fahavitan-javatra iray! Ny tsy fandehanana any amin’ny fety miaraka amin’ireo namako sy ny fihinanana ireo zavatra izay tokony hohanina dia samy nisy fiantraikany tamin’ilay vokatra.”

Sary
fianakaviana eo am-pisakafoana

Tapa-kevitra hanao asa fitoriana

Ankehitriny feno 18 taona i Felipe ary manana fahafahana betsaka. Vao tsy ela izy no voasa hanao fanazaran-tena amina akademy tsara laza an’ny HAM, ary mahazo tolotra avy amin’ireo mpitantana mpilalao maneran-tany izy. Saingy te handeha hanompo izy aloha.

“Ho ahy dia safidy tsotra izany,” hoy izy. “Ny Tompo no eo amin’ny lohalaharana. Afaka miandry ny ambiny, satria mitahy anao mandrakariva Izy noho ianao mpankatò.”

I Junior zokilahin’i Felipe izay vao avy niverina avy nanao asa fitoriana no anisan’ny mampazoto azy. Nilaza tamin’i Felipe izy fa tsy misy zavatra tsara mihoatra noho ny asa fitoriana ary tokony handeha izy na dia miezaka ny handresy lahatra azy hijanona aza ny olona.

Ary tena nisy olona nilaza tamin’i Felipe mba hijanona. Maro amin’ireo havany alavitra no tsy mpikamban’ny Fiangonana. “Tsy takatr’izy ireo fa ny fandehanana manao asa fitoriana dia misy lanjany kokoa noho ny lasa mpanankarena sy malaza. Manandrana mampianatra ny filazantsara fotsiny aho rehefa mitranga ireny fotoana ireny,” hoy i Felipe. Ary nisy tamin’ireny fotoana ireny nitondra tamin’ny traikefa misiônera mahery vaika.

Maty vao tsy ela ny cousin an’i Felipe, ary nalahelo noho ny fahalasanan-janany ny dadatoan’i Felipe. Niresaka taminy mikasika ny drafitry ny famonjena i Felipe. Ary taty aoriana dia namihina azy sy niala tsiny taminy ny dadatoany noho ny fanakanany azy tsy handeha hanompo. “Nilaza tamiko izy fa nanana fanomezam-pahasoavana mikasika ireo fon’olona aho ary mila manompo,” mahatsiaro i Felipe. “Fotoana iray niavaka ho ahy raha nisy olona iray izay tsy nahafantatra na inona na inona mikasika ny asa fitoriana kanefa lasa nahatakatra ny tena tanjon’izany.”

Tena nisy fotoana tokoa tsy tena nahazo toky momba ny asa fitoriana i Felipe. “Novakiako isan’andro ny soratra masiko, ary indray alina dia nanana ahiahy maro mikasika ny safidiko aho. Nanomboka nieritreritra aho, ‘Tokony hijanona ve aho ary hanohy kely kokoa ny fifaninana?’ Saingy avy eo dia namaky tao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ireo Nefita izay nanomboka tsy nankasitraka sy nieboebo aho. Nampianatra azy ireo i Jakôba fa nila nametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana izy ireo. [Jereo ny Jakôba 2:12–21.] Nanomboka tamin’io fotoana io aho dia tsy nanana ahiahy mikasika ny safidiko intsony.”

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

“Ankehitriny dia fantatro ny zavatra tiako, ary fantatro fa hiverina hody avy any amin’ny asa fitoriana aho ary ho voatahy amin’ny fomba maro. Mety hoe hanao HAM na zavatra hafa, saingy fantatro fa manome izay zavatra ilaintsika Andriamanitra.”

Ny herin’ny andron’ny fiovam-po

Tsy hoe nahatsapa ho nientanentana sy nahatoky tena foana mikasika ny asa fitoriana i Felipe na mikasika ny Fiangonana. “Nisy fotoana teo amin’ny fiainako izay tsy nampatanjaka ahy tao amin’ny filazantsara, ary tsapa toy ny misy banga lalandava izany,” hoy izy. “Fantatrao ilay olona izay mankany am-piangonana fotsiny ary tsy manao zavatra hafa? Izaho izany.” Rehefa avy niresaka tamin’ny rahalahiny sy ny evekany mikasika ny asa fitoriana izy dia nanapa-kevitra ny hanomboka hivavaka sy hamaky ny soratra masiny isan’andro.

“Mieritreritra aho fa ny zavatra nanampy ahy dia ny fiovam-poko isan’andro. Lehibe tato amin’ny Fiangonana aho, ary nisy fotoana tsy nikatsahako fiovam-po satria lehibe tao anatin’ny tokan-trano izay ninoako sy neritreretiko fa efa nety tsara. Saingy ankehitriny aho dia mikatsaka fijoroana vavolombelona isan’andro.”

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny mpanazatra haiady

Tompondaka satria teo ny Tompo

Fantatr’i Felipe fa ny hoe misafdy ny tsara dia tsy midika fa handresy lalandava izy na hanana ny zava-drehetra hizotra arak’izay tiany. “Tsaroako aho nandeha tamina fifaninana sady nieritreritra fa efa vonona, ary resy tamin’ny fihodinana voalohany aho. Tamin’ny fotoana hafa, naratra tao an-trano aho. Tsaroako aho nifoha maraina, nandinika ny tafon-trano ary nanontany tena raha toa ka mendrika natao avokoa izany rehetra izany. Indraindray aho te hiodina fotsiny ary hiverina hatory, saingy niarina aho ary nandeha nanao fanazaran-tena. Ny hoe tompon-daka dia mihoatra noho ny fotoana handresena. Olona iray mila mandresy isan’andro izany, mandresy ireo tsy fahombiazana ary mandresy ireo fitsapana.”

Ny Mpamonjy no mampahazoto an’i Felipe handresy eo amin’ny lafim-piainany rehetra. “Raha toa isika te ho tonga tahaka Azy, dia mila manao izay nataony, miezaka mijoro ho mafy orina hatrany, mampahery ny tenantsika, ary mieritreritra izay ho ataony. Izany no manainga fanahy ahy amin’ny asako isanandro, dia ny ho toa Azy. Rehefa mahita zavatra hahafahako miova aho dia mivavaka sy mangataka famelan-keloka ary miezaka ny ho tsara kokoa hatrany. Ny tompondaka marina dia ny olona izay mianjera im-betsaka ary miarina sy manohy na dia eo anivon’ny tebiteby aza.”

“Tompondaka aho satria teo ny Tompo,” hoy i Felipe. “Raha tsy ho Azy izany dia tsy azoko onona hoe aiza no hisy ahy. Saingy azoko antoka fa tsy ho nanana ny zavatra rehetra ananako amin’izao fotoana izao aho. Ny fiainana ny filazantsara no nahatonga ahy ho tompondaka eo amin’ny fiainana sy eo amin’ny fanatanjahan-tena.”

Hamoaka printy