2023
Fitsipika ankapobeny, Safidy manokana
Martsa 2023


“Fitsipika ankapobeny, Safidy manokana,” Ho zatovo mahery!, Mar. 2023.

Fitsipika ankapobeny, Safidy manokana

Ahoana no hampiharanao fitsipika ankapobeny eo amin’ireo toe-javatra manokana amin’ny fiainanao?

Sary
zatovovavy eo ambany lopy

Sary nataon’ i Josh Talbot

Ireto misy teny telo nambara avy amina mpaminany telo samihafa. Vitanao ve ny mahita lohahevitra hitovizan’ireo?

“Ô, mba hendry; inona no azoko lazaina ankoatra izany?”

“Ary farany, izaho dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo.”

“Fitsipika marina no ampianariko azy ireo, dia izy ireo ihany no mifehy ny tenany.”

Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007), 248.

Toa manome antsika ny fitsipiky ny flazantsaran’ny Tompo ireo mpaminany ary avelany hoe isika no hiaina azy ireny. Tsy omen’izy ireo antsika ny antsipiriany tsirairay. Noho izany, ahoana no handraisantsika ny fampianaran’izy ireo sy ny hampiharantsika izany?

Ahoana ny fomba hampiharanao ny fampianaran’ireo Mpaminany?

Manome antsika ireo didy avy any amin’ny Tompo ny Mpaminany. Mampianatra antsika ireo fitsipika sy torolalana ihany koa izy ireo, izay manampy antsika hampihatra ireo fahamarinana sy didy mandrakizay —ohatra amin’izany ny ao amin’ny torolalana ao amin’ny Jeunes Soyez Forts .

Kanefa ireo mpikamban’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany indraindray dia manontany tena mikasika ireo antsipiriany, dia ireo zavatra manokana tokony ataontsika mba hahafahana miaina tsara ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo didy. Ohatra, mety manontany tena ny olona hoe karazana akanjo toy ny ahoana marina no tena maneho fanajana ny vatana. Na koa manontany tena izy ireo hoe inona marina no tokony ataony amin’ny andro Sabata mba hitandremana izany ho masina.

Mety azo ampiharin’olona samihafa amin’ny fomba samihafa ireo fitsipika ankapobeny, saingy afaka mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo isika rehefa manao ny safidintsika manokana mba ho lasa akaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Lamina mety hanampy

Nanazava ny fomba nanaovany ny safidiny ny Filoha Russell M. Nelson indray mandeha mikasika ny fitandremana ny andro Sabata ho masina:

“Nianatra avy tamin’ny soratra masina aho fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: ‘Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?’ Izany fanontaniana izany dia nampisafidy ahy mazava tsara mikasika ny andro Sabata” (fihaonambe maneran-tany, apr 2015 [Liahona, mey 2015, 130]).

Io fomba nametrahan’ny Filoha Nelson an’io fanontaniana manokana io dia afaka maneho amintsika ny lamina ankapobeny amin’ny fanaovana safidy mikasika ireo didy sy torolalana. Ity misy fomba iray hahafahanao maneho izany:

Azonao arahina io lamina io amin’ny didy na torolalana rehetra—toy ny Tenin’ny fahendrena, haino aman-jery sy fialamboly, ny mozika, ny fahadiovam-pitondran-tena, na dia ny fahafolonkarena aza. Mitaky ezaka be izany saingy mahaleo ny sarany.

Rehefa mandalina ireo zavatra ireo ianao dia afaka mamaky ny zavatra voalazan’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina mikasika izany sy mandalina ary mivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Avy eo ny Fanahy Masina no hanampy sy hanainga anao hanao safidy tsara.

Ary ahoana ny mikasika ny safidy ataon’ny hafa?

Mariho fa tsy nilaza tamintsika mikasika ny safidy manokana nataony mikasika ny andro Sabata ny Filoha Nelson. Naneho tamintsika ny fomba hanaovantsika ny safidintsika manokana izy. Mety hoe afaka manao safidy maro mitovy amin’izay nataony ianao. Saingy ny tanjona dia ny fiezahana hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo safidintsika.

Raha toa ianao mahatsikaritra olon-kafa ato am-piangonana izay tsy manao mitovy tanteraka amin’ny fanaovanao izany, dia aza miasa saina ny hanitsy azy ireo. Araka ny voalazan’i Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana teo aloha indray mandeha hoe, “Ndeha isika hanaraka ny lalan’ny Mpamonjy sy hampitombo ny fangorahantsika, hanena ny fironana any amin’ny fitsaratsarana, ary hitsahatra tsy ho mpidikiditra amin’ny fiainam-panahin’ny hafa” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany Ôkt. 2019 [ Liahona, nôv. 2019, 58]).

Afaka manaiky ireo fitsipika marina nampianarin’ireo mpaminany ianao. Afaka mampitodika ireo hafa ianao mankany amin’ny Mpamonjy, ny fitiavany sy ny fitserany ary ireo didiny. Afaka mamaky ny torolalana ao amin’ny Jeunes Soyez Forts ianao. Afaka miezaka ny hiaina fiainana mahatoky ianao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao, meteza ho ohatra tsara ary zarao ny traikefa ara-panahinao.

Raha toa ianao mifantoka amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa, dia hotarihina hanao safidy tsara ianao izay manampy anao sy manampy ny hafa ho sambatra.

Hamoaka printy