2023
Milòka ny namako. Fantatro fa tsy mety izany. Ahoana no ahafahako manazava izany amin’izy ireo?
Martsa 2023


“Milòka ireo namako. Fantatro fa tsy mety izany. Ahoana no hahafahako manazava izany amin’izy ireo?,” Ho zatovo mahery! mar. 2023.

Valiny fohy sy mivantana

Milòka ireo namako. Fantatro fa tsy mety izany. Ahoana no ahafahako manazava izany amin’izy ireo?

Sary
finday misy application filokana fanatanjahan-tena

Ny filokana dia midika hoe manao vivery vola amin’ny lalao kisendrasendra na mametraka fanamby amin’ny vokatry ny lalao. “Manohatra sy manoro hevitra ny tsy hanaovana filokana amin’ny endriny rehetra ny Fiangonana. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fanamby amin’ny resaka fanatanjahan-tena sy ny lôtô karakarain’ny fanjakana, ao amin’ny (General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 38.8.17, ChurchofJesusChrist.org).

Misoroka ny filokana isika noho ny antony maro. Tsy mandany fotoana sy vola fotsiny izany fa mety mampahantra ny fiainan’ny olona. Lasa miteraka tsy fahaiza-mionona izany ary indrindra fiankinan-doha.

Ny filokana koa dia mampianatra fa afaka mahazo zavatra tsy nisasarana ianao. Zava-doza izany ary fampahafantarana diso. Kely ny vintana handresena amin’ny filokana ary tsy azo ianteherana. Manome fahafaham-po lavitra kokoa ny fahombiazana izay niezahanao notratrarina sy azo ianteherana ary maharitra ela.

Raha toa ianao manana namana miloka dia afaka manandrana manampy azy ireo. Azonao resahana izy ireo—ary indrindra azonao haseho aminy—fa misy fomba tsara kokoa handanianao ny fotoananao sy ny volanao. Azonao aseho amin’izy ireo fa tsara kokoa ny fiainana rehefa tsy manao vivery ny volanao sy ny fanananao amin’ny fahazarana izay mitondra amin’ny fikorontanana sy ny fahantrana amin’olona marobe.

Hamoaka printy