Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 1: Miaina sy mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy


Traikefa amin’ny fianarana 1

Miaina sy mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mampianatra, andraikitrareo lehibe

  • Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe

  • Miaina sy mampianatra araka ny nataon’ny Mpamonjy

Sary
kilasin’ny seminera

Ireo hevi-dehibe

Tongasoa eto amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara (S&I). Ao anatin’ny fandaharana seminera sy institiota manerana izao tontolo izao dia mpampianatra sy mpitarika aman’alina no manampy ny zatovo sy ny tanora ato amin’ny Fiangonana hianatra sy hampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Feno fankasitrahana izahay ny amin’ny fanirianareo hanompo ny Tompo ato amin’izany asa ampanaovina manan-danja izay.

Ny andraikitra lehibe amin’ny fampianarana ny zanak’ Andriamanitra

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny andraikitra momba ny fampianarana ny zanak’ Andriamanitra:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Izahay dia tena feno fankasitrahana ho an’ireo rehetra izay mampianatra. Tianay ianareo ary tsy hainay lazaina ny fankasitrahanay anareo. Matoky anareo tanteraka izahay. Mitaky asa tokoa ny mampianatra amim-pahombiazana sy mahatsapa fa mahomby ianareo. Kanefa tsy hanenenana izany. Tsy afaka hahazo ‘antso lehibe kokoa’ isika [Teaching—No Greater Call (resource materials for teacher improvement, 1978)]. …

“Ho an’ny tsirairay amintsika, ny ‘hanatona an’i Kristy’ [F&F 20:59], ny hitandrina ireo didiny sy hanaraka ny ohatra nasehony hiverenana any amin’ny Ray no azo antoka fa tanjona avo indrindra sy masina indrindra hisian’ny olombelona. Ny hanampy ny hafa hanao toy izany koa—mba hampianatra sy handresy lahatra ary hitarika azy ireo ombam-bavaka handeha amin’izany lalan’ny fanavotana izany ihany koa—azo antoka fa tsy maintsy izany no asa atao faharoa manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Izany angamba no antony nilazan’ny Filoha David O. McKay indray mandeha hoe: ‘Tsy misy andraikitra lehibe kokoa hiantsorohan’ny lehilahy iray [na vehivavy iray] na iza izy na iza mihoatra ny ho mpampianatra ny zanak’ Andriamanitra’ [David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1916, 57]” (“A Teacher Come from God,” Ensign, mey 1998, 25).

Sary
I Kristy mampianatra tao amin’ny synagôga

Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe

Hahazo fanampiana avy any an-danitra ianareo rehefa mikatsaka ny hitombo sy hivoatra amin’ny maha-mpampianatra ny zanak’ Andriamanitra anareo ka miezaka ny hampifanaraka ny fiainanareo sy ny fampianaranareo araka ny an’ny Mpamonjy.

Makà fotoana fohy hijerena ny horonantsary “The Master Teacher” (3:51), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’izany horonantsary izany, ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamariparitra ny sasany amin’ny fisehon’ny fampianarana ny filazantsara.

Rehefa mijery ilay horonantsary ianareo dia henoy ireo antony manan-danja tsy maintsy hiainanareo sy hampianaranareo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanareo na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanareo izany ny hevitrareo sy ny fahatsapanareo ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminareo izany.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa atao ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Mikasika ny Mpamonjy amin’ny maha-maodely fototra ho an’ny mpampianatra Azy, ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Inona indray moa no maodely tsara kokoa ho hitantsika? Inona indray moa no fandalinana tsara kokoa azontsika atomboka mihoatra noho ny fandalinana ireo fenitra tsara indrindra sy tanjona ary fomba fiasantsika ary mampitaha azy ireo amin’ny nataon’i Jesoa Kristy?” (Teach Ye Diligently, rev. ed. [1991], 22).

Izao asa atao manaraka izao dia hanampy anareo hampitombo ny fahatakaranareo ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy sy nitaomany ny hafa ary ny fomba nanampiany azy ireo hianatra sy hitombo ara-panahy ary hiova fo ho an’ny filazantsarany.

Halalino ny sasinteny ao amin’ny pejy v–vii ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012). Ataovy misongadina na asio tsipika ireo teny milaza asa izay mamariparitra ireo karazana fomba nampianaran’ny Mpamonjy sy nanompoany.

Rehefa avy mandalina ireo pejy ireo ianareo ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, dia raketo an-tsoratra eo amin’ny sisin’ny pejin’ny boky torolalanareo ireo valinteninareo ny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Amporisihana ianareo mba hanoratra eny amin’ny sisin’ny boky torolalanareo mandritra ireto lesona ireto.)

  • Inona no zavatra tsikaritrareo momba ny fomba fiainana sy fampianarana ary fitarihan’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no nanampiany ny hafa hianatra sy hivoatra ara-panahy ary hiova fo ho an’ny filazantsarany?

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Tsy misy andraikitra lehibe kokoa hiantsorohan’ny olona iray na iza izy na iza mihoatra ny ho mpampianatra ny zanak’ Andriamanitra.

  • I Kristy no ilay Mpampianatra Lehibe. Tokony hiezaka ny hiaina sy hampianatra tahaka ny nataony isika.

  • Mampianatra ny maha-izy antsika isika, izay midika fa ny maha-mpianatra antsika, ny toetrantsika, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, ary ny fanolorantenantsika dia afaka mitaona ny hafa tahaka ny tenintsika.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fanomezam-pahasoavana hampianatra dia tsy maintsy azo avy amin’ny finiavana, ary rehefa azo izany dia tsy maintsy karakaraina raha tiana ho tazonina” (Boyd K. Packer, Teach Ye Diligently, 345).

“Dia inona no tohiny?”

Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia fantatra fa nanontany hoe: “Dia inona no tohiny?” rehefa nifarana ireo fivoriana niarahana tamin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy entina hitaomana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahana mampihatra ilay lohahevitra mba hanovana ny fiainan’ny olona (jereo ny Jeffrey R. Holland, “Therefore, What?” [CES Conference on the New Testament, 8 aog. 2000], si.churchofjesuschrist.org). Rehefa mifarana ny traikefa amin’ny fianarana tsirairay dia manontania ny tenanareo hoe: “Dia inona no tohiny?” ary mieritrereta momba ny fomba ahafahanareo mampihatra manokana ireo lohahevitra sy fitsipika nifanakalozana hevitra.

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonareo araka ireo fitsipika izay nianaranareo androany.

Hamoaka printy