Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 5: Miaina ny lamim-pianarana


Traikefa amin’ny fianarana 5

Miaina ny lamim-pianarana

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mampahafantatra lamim-pianarana iray

  • Mitondra ny filazantsara ho latsa-paka ao am-pon’ny mpianatra.

  • Mahatakatra ny lamim-pianarana

  • Mampihatra ny lamim-pianarana ao amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ireo hevi-dehibe

Ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany dia naniraka ireo mpampianatra ao amin’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara mba hampianatra ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra ary hampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ny Soratra Masina ary ny tenin’ireo mpaminany. Nampianatra ny Filoha J. Reuben Clark Jr. (1871–1961) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany mikasika izany iraka izany hoe:

Sary
Ny Filoha J. Reuben Clark

“Ianareo dia natao hampianatra ity filazantsara ity, ka hampiasa ho loharano sy fahefana, ireo soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana sy ny tenin’ireo izay nantsoin’ Andriamanitra hitarika ny vahoakany amin’izao andro farany izao” (The Charted Course of the Church in Education, rev. ed. [1994], 10).

Sary
famakiana ny soratra masina

Mampahafantatra lamim-pianarana iray

Rehefa mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka ny hita ao anatin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ny mpianatra dia manan-danja ny hahatonga ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ho lalim-paka ao am-pon’izy ireo. Mba hitrangan’izany lamina izany, ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia nanamafy lamim-pianarana fototra iray izay mamela ny mpampianatra sy ny mpianatra hahita sy hahatakatra ary hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ity lamina ity dia ahitana ireto fotopampianarana fototra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra.

  • Mamantatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

  • Mahatakatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

  • Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

  • Mampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

Arakaraky ny hahatakaranao sy hampiasanao ireo fotopampianarana fototra ireo eo amin’ny fandalinanao manokana ny filazantsara no hahafahanao manampy bebe kokoa ny mpianatra hiaina sy hampihatra izany.

Ny tanjon’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia ny hanolotra topimaso ny amin’ireo fotopampianarana fototra dimy ao amin’ny lamim-pianarana. Ny fotopampianarana fototra tsirairay dia horesahina amin’ny antsipirihany kokoa ao amin’ny traikefa amin’ny fianarana 6–8.

Jereo ny horonantsary “The Parable of the Gems” (6:47), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia manontania tena hoe: “Ahoana no ahafahana mampitaha ny fandalinana sy fianarana avy ao amin’ny soratra masina amin’ny fikarohana sy fahitana vatosoa?”

Rehefa avy mijery ilay horonantsary ianao dia raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Ampiharo ny fanoharana momba ny lamim-pianarana

Ny fanoharana momba ny vatosoa dia manampy antsika hahatakatra ireo fotopampianarana fototra momba ny lamim-pianarana. Vakio ireto famaritana eto ambany ireto mba hianarana bebe kokoa momba ny fotopampianarana fototra tsirairay.

Sary
tanana, mamaky ny soratra masina

Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra:Ilay zatovovavy iray izay mitady vatosoa ao amin’ny fasika dia maneho ny mpianatra iray izay mikaroka ireo fahamarinana maharitra mandrakizay ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo fampianaran’ireo mpampinany. Ny fasika dia maneho ireo antsipirihan-javatra ao amin’ny soratra masina na fampianarana—ny fizotry ny tantara voarakitra, ny olona, ny toerana, ny daty, sy ny sisa. Ilay zatovovavy izay manivana ny fasika mba hahitana vatosoa dia tahaka ny mpianatra iray izay manivana ireo antsipirihan-javatra ao amin’ny soratra masina hitadiavana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ary ireo fahamarinana fototra hafa. Izany dingana izany dia fantatra amin’ny hoe fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny.

Sary
tanana sy vatosoa, manisy marika ao amin’ny soratra masina

Mamantatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika:Ilay zatovavy izay mahita ireo vatosoa ao amin’ny fasika dia maneho ny dingan’ny famantarana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny tenin’ireo mpaminany. Tahaka ireo vatosoa izay mipetraka ety ambonin’ny tany sy ny hafa izay hita lalina kokoa ao anaty fasika, dia mora hita ireo fahamarinana maharitra mandrakizay sasany raha toa ka mitaky ezaka bebe kokoa ny hahitana ny hafa.

Sary
mitady vatosoa, soratra masina ao amin’ny finday

Mahatakatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika:Ilay zatovovavy izay mamakafaka amim-pitandremana ny vatosoa tsirairay dia maneho ny mpianatra iray izay mandalina amim-pahazotoana mba hahatakatra lalina kokoa ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

Sary
zatovovavy

Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy ireo fitsipika:Ilay zatovovavy izay mahatsapa fankasitrahana noho ny maha-miavaka sy manan-danja ny vatosoa tsirairay dia azo ampitahaina amin’ny mpianatra iray izay mahatsapa ny fahamarinana sy lanjan’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika hita ao amin’ny Soratra Masina ary ny tenin’ireo mpaminany.

Sary
olona roa eny amin’ny tora-pasika, mizara karatra kely

Mampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika:Tahaka ny eritreritr’ilay zatovovavy izay nitodika tamin’ireo fomba miavaka hampiasana ny vatosoa tsirairay, ny mpianatra ihany koa dia tokony hisaintsaina ny fomba hampifanarahana sy hampiharana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika rehefa manome torolalana ho an’ny tena manokana ao an-tsainy sy ao am-pony ny Fanahy.

Sary
kilasin’ny seminera

Mampihatra ny lamim-pianarana ao amin’ny fandalinana ny filazantsara

Ireto teny nambara manaraka ireto dia ohatra ny amin’ny fomba hanampian’izany lamim-pianarana izany ny mpianatra amin’izao fotoana izao mba hampiasa ny soratra masina hahitana sy hahatakarana ary hampiharana ireo fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo:

  • “Mahatakatra bebe kokoa ny soratra masina aho. Haiko ny fomba fametrahana fanontaniana sy hahitana valiny. Izao aho dia mamaky hahitako fahamarinana sy fahatakarana tsara kokoa momba ny fihetsika tokony asehoko.”

  • “Tsy mbola nipetraka irery namaky ny soratra masina manokana aho, kanefa izaho aho dia mizatra manao izany isak’alina. Mahafinaritra tokoa ny mahita sy mahatakatra ireo fahamarinana izay mikasika anao ka mankao am-ponao avy hatrany.”

  • “Nisy fotoana aho tsy namaky matetika ny soratra masina satria tsy takatro izy ireny. Ankehitriny anefa dia fantatro fa feno fitsipika izy ireny ary afaka mikaroka izany aho hahitako valinteny. Nanao izany mihoatra noho ny nataoko nandritra ny fiainako iray manontolo aho tamin’ity taona ity.”

  • “Ny zavatra iray izay nanampian’ny seminera ahy saika ho mihoatra ny zavatra hafa rehetra dia ny mihalehibe mba ho tia sy hahatakatra ny soratra masina. Betsaka tamin’ireo vavaka nataoko no voavaly. Nampantanjaka ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjiko koa aho, ary tena feno fankasitrahana aho noho izany. Ahoana no ahafahako mangataka mihoatra noho izany?

  • “Tena nianarako tokoa ny fomba fandalinana tsara kokoa ny soratra masina, ary ankehitriny dia toa tsy mankaleo ahy intsony izy ireny. Raha ny marina dia te handalina avy ao aho ka hisaintsaina momba ny fomba tokony hiainako mba hiverenana any amin’ny Raiko any An-danitra.”

  • “Indraindray, rehefa mamaky izany aho, dia toa tsy hoe mahatsapa ho heniky ny fitiavana sy hafanana fotsiny aho fa saika ho miredareda fahalalana ireo pejy sy fitambaran’izany.”

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Amin’ny maha-mpampianatra ao amin’ny seminera sy institiota anao dia nirahiana ianao mba hampianatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

  • Ny mpampianatra sy ny mpianatra dia tsy maintsy mianatra ny fomba hitondrana ny filazantsara avy ao amin’ireo pejin’ny soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany ho lalim-paka ao am-pon’izy ireo.

  • Ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia nanamafy lamim-pianarana fototra iray izay mamela ny mpampianatra sy ny mpianatra hahita sy hahatakatra ary hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Arakaraky ny hahatakaranao sy hampiasanao ireo fotopampianarana fototry ny lamim-pianarana ireo eo amin’ny fandalinanao manokana ny filazantsara no hahafahanao manampy bebe kokoa ny mpianatra hiaina sy hampihatra izany.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Mifanohitra amin’ireo toeram-pampianaran’izao tontolo izao izay mampianatra antsika hahafantatra zavatra iray, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manao fanamby amintsika mba ho tonga manan’ny maha-izy azy” (Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy