Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 14: Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana


“Traikefa amin’ny fianarana 14: Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana,” Loharanom-pitaovana fanofanana mpampianatra vaovao: Fivoaran’ny mpampianatra ho fanampin’ny Boky Torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara (2016)

“Traikefa amin’ny fianarana 14,” Loharanom-pitaovana fanofanana mpampianatra vaovao

Traikefa amin’ny fianarana 14

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny tanjona sy ny vokatra irina ho azo avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana

  • Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny Fifehezana fotopampianarana

  • Mifehy ilay fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • Manatontosa ny Fifehezana fotopampianarana ao an-dakilasy

Fanamarihana: Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia manome topimaso momba ireo fitsipika mifehy sy fampiharana ny fifehezana fotopampianarana. Mba handalinana misimisy kokoa dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, ny taratasy zaraina “Topimaso momba ny Fifehezana fotopampianarana”, ary ny doctrinalmastery.churchofjesuschrist.org.

Ireo foto-kevi-dehibe

Nahoana no novokarina ny Fifehezana Fotopampianarana?

Amin’ny maha-mpampianatra ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara antsika dia mikatsaka ny hanampy ny mpianatra isika mba hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra, hino, ary hiaina araka ny fotopampianarany (jereo ny Helamàna 5:12). Ankehitriny anefa dia samy miatrika olana lehibe ny mpampianatra sy ny mpianatra rehefa mampiorina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Mieritrereta ohatra vitsivitsy amin’ireo olana ireo eo amin’ny fiainanareo sy eo amin’ny fiainan’ireo mpianatrareo. Namariparitra ny sasany amin’ireo toe-javatra tena manahirana izay atrehan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fiarovana ireo mpianatra amin’ny olona manenjika ny Fiangonana. …

“… tsy ny mpianatrareo rehetra no manana ny finoana ilaina hiatrehana ireo olana hiseho. …

“[Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny vaninandro] izay ahafahan’ireo mpianatra mahita vetivety saika ny momba ny zava-drehetra mikasika ny Fiangonana avy amin’ny fomba fijery rehetra azo eritreretina. Ankehitriny ny zavatra hitan’izy ireo amin’ireo fitaovana elektrônika entina mandehandeha dia sady mety hizaha toetra ny finoany no hampitombo izany. …

“Eo anatrehan’ireo olana ireo, dia nanaiky ny famoahana tetikasa iray ao amin’ny seminera izay antsoina hoe Fifehezana Fotopampianarana ny Filankevitry ny Fampianarana vao haingana. … Ity tetikasa vaovao ity dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. …

Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ny tanorantsika izany” (M. Russell Ballard, “Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 26 feb. 2016]).

Inona no atao hoe Fifehezana fotopampianarana?

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny tetikasa Fifehezana fotopampianarana dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Inona no atao hoe Fifehezana fotopampianarana?” (3:53), hita ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny Fifehezana fotopampianarana no tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ho an’ny tanora amin’izao fotoana izao?

  • Inona no vokatra irina ho azo avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana?

Ireo vokatra irina ho azo avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana

Sary
Ampahany fototra amin’ny kisary maneho ny fifehezana fotopampianarana

Mifototra amin’ny vokatra roa ny fifehezana fotopampianarana:

  • Fianarana sy fampiharana ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy

  • Fahavitana mifehy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo andalan-tsoratra masina izay nampianarana izany fotopampianarana izany

Ireo vokatra roa ireo dia mifameno ary afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Rehefa mahatratra ireo tanjona ireo ny mpianatra dia mampitombo ny fiovampony ary afaka mifanampy mba hanao izany koa.

Ato anatin’ity fianarana ity isika dia hamakafaka amin’ny antsipiriany bebe kokoa ny vokatra tsirairay avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana, hijery ny fomba hanatontosana izany ao an-dakilasy, ary hahatakatra bebe kokoa ny fomba hahafahan’ny mpianatra hahazo fitahiana bebe kokoa avy amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany.

Mahazo fahalalana ara-panahy

Ny vokatra voalohany dia ny hanampy ny mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy. Mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra ary loharanon’ny fahamarinana rehetra. Koa satria tiany isika, dia te hanampy antsika Izy mba hahita ny fahamarinana rehefa miezaka ny hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarany isika sy rehefa mikatsaka ny valin’ny fanontaniana sy ny olantsika.

Rehefa manomana ity fizarana ity ianao dia eritrereto ny sasany amin’ireo fanontaniana sy ireo olona mety hananan’ny mpianatrao, toy ny hoe: “Fa maninona no misy fahoriana be toy izao eto amin’izao tontolo izao? “Nanao fanambadiana maro ve i Joseph Smith?” ary “Tia ahy ve Andriamanitra?”

Sary
Ampahany mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny kisary maneho ny fifehezana fotopampianarana

Ireto fitsipika telo manaraka hahazoana fahalalana ara-panahy ireto dia afaka sady mitarika ny mpampianatra no mitarika ny mpianatra eo am-pikatsahan’izy ireo ny hianatra sy hahatakatra fahamarinana mandrakizay, hamaly ireo fanontaniana sy hamaha ireo olana, ary handray fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainan’izy ireo andavan’andro:

  • Manao asa amim-pinoana

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Ny tsirairay amin’ireo fitsipika ireo dia hazavaina sy haseho bebe kokoa ato amin’ireto fizarana manaraka ireto.

Manao asa amim-pinoana

Rehefa manao asa amim-pinoana isika dia matoky an’ Andriamanitra ary mitodika any Aminy voalohany indrindra amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo sy ny fandalinana ary ny fankatoavana. Miantehitra amin’izay zavatra efa fantatsika fa marina isika ary manohy mitady valin-teny. Matoky isika fa ireo fanontaniana sy ny olantsika dia hovaliana sy hovahana amin’ny fotoan’ny Tompo.

Jereo ilay horonan-tsary “Manao asa amim-pinoana: ilay mpandrafi-bato” (4:58), izay hita ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Rehefa mijery ity horonan-tsary ity ianao dia jereo ny fomba azo hamaliana ny fanontaniana sy ny olantsika rehefa mandeha ny fotoana amin’ny alalan’ny fitozoana amin’ny fanaovana asa amim-pinoana.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Rehefa mamakafaka fanontaniana, olana, olana ara-piarahamonina, ary zavatra mitranga eo amin’ny tantara ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy isika dia manasa ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hahita ny zava-misy araka ny fahitan’ny Tompo azy. Mifantoka amin’ny lafiny manan-danja amin’ny filazantsara isika ary tsy variana amin’ny antsipirian-javatra tsy dia manan-danja firy.

Jereo ilay horonan-tsary Examiner les questions avec une perspective éternelle”2:56), izay hita ao amin’ny churchofjesuschrist.org Rehefa mijery io horonan-tsary io ianao dia jereo ny fomba ahafahanao mamerina mandrafitra ireo fanontaniana sy olana (na hijery izany amin’ny fomba hafa) sy handinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny fahatakarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra sy ny fotopampianarany no manampy ireo mpianatrao handinika ny fanontaniany sy ny olany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny valinteninao amin’io fanontaniana io dia zarao amin’ireo mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana izany.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Rehefa mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra isika dia mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny soratra masina, ny mpaminany, ny ray aman-dreny, ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo loharanom-pahalalana hafa izay azo itokisana. Rehefa mianatra avy amin’ireo loharanom-pahalalana ireo isika dia mianatra mamantatra sy manavaka ny marina amin’ny diso.

Eritrereto ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay mety ho ampiasainao sy ny mpianatrao mba hikatsahana fahatakarana bebe kokoa, toy ny soratra masina sy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Eritrereto ihany koa ny loharanom-pahalalana azo itokisana hafa izay azonao ampiasaina, tahaka ireo loharanom-pahalalana ao amin’ny “Lohahevitra mikasika ny filazantsara, lahatsoratra, ary loharanom-pitaovana hafa” ao amin’ny doctrinalmastery.churchofjesuschrist.org.

Atrikasa Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana

Halalino ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana mba hianarana sy hahafantarana tsara ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Avereno jerena ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy izay tanisaina ao amin’io fizarana io, ary tsipiho ireo lafin-javatra manan-danja amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Mifehy ny fotopampianarana

Ny vokatra faharoa avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana dia ny fifehezana ilay fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mifehy ilay fotopampianarana ny mpianatra dia afaka ny hahay hampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny fitadiavan’izy ireo ny fahamarinana.

Sary
Ampahany fifehezana ny fotopampianarana amin’ny kisary maneho ny fifehezana fotopampianarana

Ireto manaraka ireto dia singa telo manan-danja amin’ny fifehezana ny fotopampianarana:

  • Mahatakatra ireo lohahevitra ara-potopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana

  • Mahafantatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

  • Manazava sy mampihatra fotopampianarana

Mahatakatra ireo lohahevitra ara-potopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana

Ankoatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy, ny mpianatra dia handalina lohahevitra ara-potopampianarana miisa sivy. Ny lohahevitra ara-potopampianarana tsirairay dia ahitana ireo fehezan-teny milaza fotopampianarana izay manan-danja amin’ny mpianatra ny hahatakatra sy hino ary hampihatra izany. Ny sasany amin’ireo fehezan-teny milaza fotopampianarana avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana dia antsoina hoe fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana. Ireo fehezan-teny manan-danja ireo dia mifandray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay manampy amin’ny fampianarana ny lafin-javatra sasany amin’ilay fehezan-teny milaza fotopampianarana.

Mahafantatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Misy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 25 ho an’ny taranja tsirairay avy (andalan-tsoratra masina 100 ny fitambarany). Ireo andalan-tsoratra masina ireo dia manampy amin’ny fampianarana ireo lafin-javatra amin’ireo fehezan-teny manan-danja mifandray amin’ny lohahevitra ara-potopampianarana. Ohatra, ity fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana manaraka ity dia mifandray amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray avy amin’ilay lohahevitra ara-potopampianarana “ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy”: “Tombontsoa ho antsika tsirairay ny sorona nataon[’i Jesoa Kristy] ary maneho ny lanja tsy manam-petran’ny zanaky ny Ray any An-danitra (jereo ny FF 18:10–11)” (Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2016], 8). Ny fanampiana ny mpianatra hahatsiaro ireo andalan-tsoratra masina ireo, hahita ireo andalan-tsoratra masina, ary hahatakatra ny fomba ampianaran’ireo andinin-tsoratra masina ny fotopampianaran’ny Mpamonjy dia ampahany manan-danja amin’ny asanao amin’ny maha-mpampianatra anao.

Manazava sy mampihatra fotopampianarana

Ampahany iray manan-danja amin’ny fifehezana ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahafahana manazava mazava tsara ny fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana tsirairay sy ny fahatakarana ny fomba hanohanan’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny fampianarana ireo fehezan-teny fototra ireo. Rehefa mahatakatra fotopampianarana ny mpianatra ary afaka mahita sy mahatadidy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fehezan-teny milaza fotopampianarana fototra miaraka amin’izany, dia afaka mampihatra tsaratsara kokoa ilay fotopampianarana sy manazava izany amin’ny hafa izy ireo. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “Ny fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova ny toetra sy ny fitondrantena” (“Little Children,” Ensign, Nov. 1986, 17).

Atrikasa Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana

Vakio vetivety ireo lohahevitra ara-potopampianarana sivy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana mba hahitana ny fomba nandaminana izany. Halalino ny andiam-pehezan-teny voalohany eo ambanin’ny lohahevitra ara-potopampianarana 3, “Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy,” ary tadiavo ny fomba nampidirana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ireo lohahevitra ara-potopampianarana sy ny fomba hanohanan’izany ny fampianarana ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana izay hita avy hatrany mialoha azy ireo. Eritrereto ny fomba hahafahan’izany fotopampianarana izany manampy an’ireo mpianatra hampiorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy hanomboka hamaly ny fanontanian’izy ireo sy ny olany toy ny hoe “Tia ahy ve Andriamanitra?”

Fifehezana fotopampianarana ao an-dakilasy

Sary
Ampahany farany amin’ny kisary maneho ny fifehezana fotopampianarana

Rehefa takatrao amin’izay ary ireo vokatra azo avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana sy ny fomba hahafahan’izany manampy ny mpianatra hampiorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy dia hofakafakaintsika ny fomba tokony hampiasana sy hampianarana izany ao an-dakilasy.

Ny fandaharam-pampianarana Fifehezana fotopampianarana dia manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fitsipika mifandray amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireo lohahevitra ara-potopampianarana sivy. Ireo votoatin-kevitra fototra ao amin’ilay fandaharam-pampianarana dia ahitana ny:

  • Manakatra ny fotopampianarana: Andiana atrikasa fianarana na fizarana izay manampy ny mpianatra hampitombo fahatakarana bebe kokoa ny lohahevitra ara-potopampianarana tsirairay sy ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana miaraka amin’izany, ary ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’izany.

  • Fampiharana: Fampiharana izay ahitana fandalinana trangan-javatra, filalaovana an-tsehatra, toe-javatra, ary fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ilay fotopampianarana amin’ny toe-javatra miseho amin’izao vavinanandro maoderina izao sy ireo fanontaniana mifandraika amin’izany.

  • Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Asa atao izay manampy ny mpianatra hahita, hitadidy, ary hifehy ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana sy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’izany.

Asa atao ao amin’ny Fifehezana fotopampianarana: fitaovana ho an’ny mpampianatra

Mba hahitana hoe toy ny ahoana ny Fifehezana fotopampianarana ao an-dakilasy dia sokafy ao amin’ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy” ny Fifehezana fotopampianarana: fitaovana ho an’ny mpampianatra anao manokana. Fakafakao ao amin’ilay lesona ireto fampiharana ao an-dakilasy ireto: (1) manakatra ny fotopampianarana, (2) fampiharana, ary ny (3) famerenana ny fifehezana fotopampianarana. Fantaro fa ao amin’ilay fampiharana manakatra ny fotopampianarana dia nosoratana amin’ny soratra matavy ny fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana ary miaraka amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampiana ny mpianatra hifehy ilay fotopampianarana. Fantaro fa ao amin’ireo fampiharana, ny mpianatra dia asaina hanazava sy hampihatra fotopampianarana amin’ireo fanontaniana sy olana avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny fiainan’ny hafa. Rehefa mandray anjara amin’ireo fampiharana ny mpianatra dia zava-dehibe ny mampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Farany dia fantaro fa ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahita, hitadidy, ary hifehy ireo fehezan-teny manan-danja milaza fotopampianarana sy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifandray amin’izany.

Asa atao ao amin’ny Fifehezana fotopampianarana: fitaovana ho an’ny mpampianatra

Mba hahitanao hoe ahoana no azo hampiasana ny Fifehezana fotopampianarana ao an-dakilasy dia sokafy ao amin’ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy” ny Fifehezana fotopampianarana: fitaovana ho an’ny mpampianatra anao manokana. Manaova fampiharana iray. Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety hataon’ireo mpianatrao sy ho tsapany mandritra ny fotoam-pianarana sy ny fomba hampiasany ny zavatra efa nianarany momba ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ary ireo singa fifehezana ilay fotopampianarana. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny Fifehezana fotopampianarana manampy ny mpianatra hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy sy hahatakatra ny fotopampianarany?

  • Ahoana no hahafahan’ny Fifehezana fotopampianarana mamaly bebe kokoa ny fanontaniana sy ny olan’ny mpianatra (amin’ity tranga iray ity hoe “Tia ahy ve Andriamanitra?”)?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo dia zarao amin’ireo mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana izany.

Hotahiana ireo mpianatrao rehefa mampiditra ireo fitsipika sy fampiharana ny Fifehezana fotopampianarana mandritra ny androm-piainany izy ireo.

Jereo ilay horonan-tsary “Mahazo fahalalana ara-panahy: Tantaran’i Madison” (8:36), izay hita ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’io horonan-tsary io dia mampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny zatovovavy iray antsoina hoe Madison mba handray ny valin’ny fanontaniany sy hampianatra sy hanampy ny hafa hahafantatra ny marina. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny Fifehezana fotopampianarana manampy ny mpianatrao hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy anao hitarika ny mpianatra iray hianatra fahamarinana sy hahita ny valin’ny fanontaniany?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika momba ny Fifehezana fotopampianarana manampy ny mpianatra amin’ny fanampiana ny hafa hahazo fahalalana ara-panahy?

Hevitra fanampiny momba ny Fifehezana fotopampianarana

Ireto hevitra manaraka ireto dia hanampy anao hampiasa tsaratsara kokoa ny Fifehezana fotopampianarana ao an-dakilasy. Katsaho ny fanampian’ny Tompo sy ny fitarihan’ny mpandrindra ao amin’ny toerana misy anao mba hamantarana ny fomba tsara indrindra hanatontosana ny Fifehezana fotopampianarana amin’ny asa nampandraiketina anao sy ho an’ireo mpianatrao.

  • Ampiasao ny taratasy zaraina “Topimaso momba ny fifehezana fotopampianarana” izay nomena ao amin’ny tovana ato amin’ity boky torolalana ity mba hamerenana sy hitadidiana ny zavatra tsirairay izay hita ao amin’ny Fifehezana fotopampianarana sy ny fomba hamenoan’ny votoatiny tsirairay ireo hafa.

  • Misaraka sy miavaka tsara ny Fifehezana fotopampianarana sy ny fandalinana ny soratra masina manaraka ny fizarana, ary samy singa manan-danja amin’ny traikefa ho an’ny mpianatra ao amin’ny seminera izy ireo. Mba hampianarana amim-pahombiazana azy roa ireo dia ho ilainao ny hanomana tsara ny lesonao amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fandaminana fotoana izay natolotra, izay ampifandanjalanjana amin’ny zavatra ilainao eo an-toerana.

  • Ireo hevi-dehibe sy fitsipika momba ny Fifehezana fotopampianarana anefa dia mbola azo ampiharina hatrany mandritra ireo lesona manaraka ny fizarana na amin’ny sehatra hafa mandritra ny taona rehefa misy fanontaniana na olana mipoitra ao an-dakilasy. Ny fanantitranterana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa sendra izany ianao ao amin’ny fandalinanao ny soratra masina manaraka ny fizarana dia hanampy ny mpianatrao hahazo fahatakarana bebe kokoa momba ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andininy tsirairay, ary hanantitrantitra ihany koa ny lanjan’ireo fahamarinana ampianarin’ny andininy tsirairay.

  • Ny Fifehezana fotopampianarana dia manamafy sy manolo ny fandaharanasa fifehezana ny soratra masina. Ny votoatin’ireo fifehezana soratra masina izay navoaka teo aloha dia tokony hosoloina atrikasa sy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Mba hahazoana hevitra sy fitarihana misimisy kokoa dia tsidiho ny doctrinalmastery.churchofjesuschrist.org.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ny Fifehezana fotopampianarana dia tetikasa iray avy amin’ny fitaomam-panahy mba hitahiana ny mpianatsika rehefa mandroso sy miatrika olana sarotra izy ireo.

  • Ny Fifehezana Fotopampianarana dia mifantoka amin’ny vokatra roa: (1) fianarana sy fampiharana ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy (2) fifehezana ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo andalan-tsoratra masina izay nampianarana izany fotopampianarana izany.

  • Ny fanampiana ny mpianatra hahazo ny vokatra avy amin’ny Fifehezana fotopampianarana dia hanampy azy ireo hanorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy rehefa lasa mahatakatra sy mino ary miaina araka ny fotopampianarany izy ireo.

Sary
Loholona Kim B. Clark

“Ny Fifehezana fotopampianarana dia lamina ao amin’ny seminera izay mirakitra tanjona miisa telo: voalohany, hanampy ny mpianatsika hianatra ny fomba fahazoana fahalalana ara-panahy; faharoa, hanampy ny mpianatsika hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianaran’ny Mpamonjy—izany dia midika hoe sady mahafantatra ny fotopampianarana marina ao an-tsainy no mahatakatra ny fotopampianarana marina ao am-pony, ary tiantsika ho lalim-paka ao am-pony izany; ary fahatelo, hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana eo amin’ny fiainany, sady miaina izany eo amin’ny fiainany no mampiasa izany mba hamaliana ny fanontaniana mety hananan’ny namany na hampianarana sy hanampiana ny hafa hahafantatra ny fahamarinana” (Kim B. Clark, “Fifehezana fotopampianarana sy fianarana lalina” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 17 feb. 2017]).

Dia inona no tohiny?

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy