Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 9: Fanomanana ny Lesona: Fanapahan-kevitra ny amin’izay hampianarina


Traikefa amin’ny fianarana 9

Fanomanana ny Lesona: Fanapahan-kevitra ny amin’izay hampianarina

Topimaso

Fanamarihana: Ireto traikefa amin’ny fianarana dimy manaraka ireto dia natao mba hanampiana anao hianatra ny fomba hanomanana lesona iray. Ireo traikefa amin’ny fianarana 9—10 dia mifantoka amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’izay hampianarina, ary ireo traikefa amin’ny fianarana 11—13 dia mifantoka amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana.

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Mampianatra soratra masina araka ny fizarazarany

  • Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina sy ny fomba hampianarana izany

  • Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina

Ireo foto-kevi-dehibe

Matetika ireo mpampianatra vao nantsoina no mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-samihafa ny fampianarana seminera amin`ireo fampianarana hafa toy ny Fotopampianaran’ny filazantsara, ny Fikambanana Ifanampiana, ny kolejin’ny loholona, sy ny sisa?

  • Ahoana no fomba hanomanako ny lesona iray?

  • Hafiriana ny fotoana tokony holaniko amin’ny fisafidianana ny zavatra izay hampianarina sy ny fomba hampianarana izany?

  • Ahoana no hanapahako hevitra momba ny zavatra izay ho ampianarina?

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia hanampy hamaly ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto.

Mandalina sy mampianatra soratra masina araka ny fizarazarany

Ao amin’ireo taranjan’ny seminera sy institota izay mifantoka amin’ireo soratra masina nankatoavina dia ampianarina araka ny fizarazarana isehoany ao amin’ny soratra masina ireo boky sy toko avy ao amin’ny soratra masina. Ireo lesona dia narindra araka ny andian-tsoratra masina fa tsy araka ny lohahevitra. Ny andian-tsoratra masina tsirairay dia mety ahitana toko, fitsipika, ary lohahevitra maromaro izay azonao hamafisina. Ity fomba iray ity dia miavaka amin’ireo taranja ao amin’ny institota izay ampianarina araka ny lohahevitra.

Jereo ny horonantsary “Studying the Scriptures Sequentially” (0:46), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ireo voka-tsoa avy amin’ny fandalinana ny soratra masina araka ny fizarazarany.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa atao ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Vakio ny ny fampidirana ny toko 3 ao amin’ny pejy 38–39 ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012) hanampiana anao hahatakatra ny antony mahatonga ireo taranja ao amin’ny seminera sy institota izay mifantoka amin’ireo soratra masina nankatoavina ho misahana ny soratra masina araka ny fizarazarany. Rehefa mamaky io fizarana io ianao dia mariho ao amin’ny boky torolalanao ny fomba izay maneho fa ny fandalinana ny soratra masina araka ny fizarazarany dia hitahy anao sy ireo mpianatrao.

Rehefa mampianatra andian-tsoratra masina iray araka ny fizarazarany ianao dia hampianatra fitsipika maro ao anatin’ny lesona iray. Ny fitsipika tsirairay dia afaka mandray dingam-panamafisana samihafa avy.

Jereo ny horonantsary “Teaching the Scriptures Sequentially” (4:28), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ity horonantsary ity dia maneho foto-kevitra manan-danja maro izay mila saintsainana rehefa manao drafitra ny hampianatra andian-tsoratra masina araka ny fizarazarany.

Ahoana sy amin’ny fomba ahoana: Fandanjalanjana ny fanomananao

Mandritra ny fanomanana ny lesona dia zava-dehibe ny mampifandanja ny ezaka ataonao amin’ny fanapahan-kevitra ny amin’izay hampianarina sy ny fomba hampianarana.

Fiomanana tsy voalanjalanja

Sary
fandanjana tsy mifandanja, inona
  1. Inona

    Raha toa ka diso mandany fotoana sy ezaka be loatra amin’ny fisafidianana hoe inona no hampianarina ny mpampianatra iray, dia tsy hanana fotoana ampy hisaintsainana ny fomba hanampiany ireo mpianatra mba handray anjara amin’ny fianarana izy. Matetika izany dia hiteraka lesona izay mankaleo sy mifantoka be loatra amin’ny mpampianatra.

Sary
fandanjana tsy mifandanja, amin’ny fomba ahoana
  1. Amin’ny fomba ahoana

    Raha toa ka diso mandany fotoana be loatra amin’ny hoe amin’ny fomba ahoana no hampianarana ny mpampianatra iray, dia mety ho tsy hanana tanjona sy hery ireo lesona. Eto amin’ity tranga ity, ireo mpianatra dia mety hahatsiaro ny fomba fampianarana mihoatra lavitra noho ireo hafatra mitaona fanahy avy amin’ny soratra masina.

Fiomanana voalanjalanja

Sary
fandanjana mitovy tsara

“Rehefa manomana lesona iray ny mpampianatra rehetra dia tsy maintsy manapa-kevitra hoe: ‘Inona no ho ampianariko?’ ary ‘Amin’ny fomba ahoana no ampianarako izany?’” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 52). Vao avy nianatra ny zavatra mitranga rehefa tsy mifandanja ny inona sy ny amin‘ny fomba ahoana ao amin‘ny fiomananao ianao. Vakio ireto fizarana manaraka ireto ary mariho ireo toetoetry ny fanomanana rehefa mifandanja ny inona sy ny amin‘ny fomba ahoana .

  1. Inona

    Ny fanomanana ny hoe inona no hampianarina dia ahitana ny:

    • Fahatakarana ny sahan-kevitra (fototra niaviana, kolontsaina, ary ny toerana).

    • Fahatakarana ny votoatiny (fizotry ny tantara, ny olona, ny zava-tranga, ny toriteny, ary ireo fanazavana netanim-panahy).

    • Famantarana ireo fotopampianarana na fitsipika manan-danja.

  2. Amin’ny fomba ahoana

    Ny fanomanana ny hoe ahoana no fomba hampianarana dia mifototra amin’ny famantarana ireo fomba fampianarana, sy fitarihana ny fampianarana ary ireo asa atao izay hampiasainao mba hanampiana ireo mpianatra hianatra (ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, ireo fanontaniana, ireo loharano avy amin’ny haino aman-jery, ireo asa atao an-tsoratra sy ny sisa).

Ho fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny fizarana 4.3.2 (“Tapaho izay tokony ho ampianarina sy ny fomba ampianarina azy”) ao amin’ny pejy 52 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara .

Ny ahiahin’ny mpampianatra vaovao

Jereo ny horonantsary “Obtain the Word” (8:54), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, i Leah Muray dia renim-pianakaviana sahiran-dava izay voantso ho lasa mpampianatra seminera. Tahaka ireo mpampianatra vaovao rehetra, dia nahatsapa tahotra izy amin’ny fitadiavana fotoana hanomanana ireo lesona sy hampianatra isan’andro. Tsy hainy akory aza hoe aiza no hanombohana. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo hoe iza no natoniny rehefa nila fanampiana tamin’ny antsony. Tadiavo ihany koa ny toro-hevitra izay nomena azy momba ny toerana manan-danja indrindra hanombohana ny fanomanana ny lesona.

Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina: Dingana efatra

Rehefa manomana lesona ianao dia ,araho ireto dingana efatra manaraka ireto mba hanampiana anao hanapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina. Ireto dingana ireto dia hazavaina ao amin’ny boky torolalalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara , fizarana 4.3.3 (Tapaho hoe inona no ampianarina), ao amin’ny pejy 52–55.

  1. Mirotsaha ao amin’ny soratra masina mba hahatakaranao ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina.

  2. Fantaro sy katsaho ny hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

  3. Manapaha hevitra hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatrao sy ho ampihariny.

  4. Manapa-kevitra mikasika ny halehiben’ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

Ity asa atao manaraka ity dia hifantoka amin’ireo dingana efatra momba ny fanapahan-kevitra ny amin’izay ho ampianarina. Ho an’ireo ampahany efatra ao amin’ny asa atao tsirairay, dia jereo ny horonantsary maneho ny fomba famenoana ireo dingana tsirairay. Avy eo dia ampiharo ny zavatra izay nianaranao amin’ny famoronana fanamarihana ho an’ny lesona eo am-pamintinana ny Môsià 27.

Asa atao amin’ny fanomanana lesona

Sary
vehivavy roa izay mandalina eo ambony latabatra

Dingana 1: Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andian-tsoratra masina

Ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia manome sosokevitra efatra izay tokony hosaintsainina rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina iray:

  • Mirotsaha ao amin’ilay andian-tsoratra masina mandra-pahatongan’ilay votoatiny ho mazava sy hay tsara

  • Mariho ireo fiatoana voajanahary ao amin’ny andian-tsoratra masina izay hisehoan’ny fiovan’ny lohahevitra na ny zava-mitranga.

  • Zarazarao ho lasa kantsana kely na vondron’andinin-tsoratra masina mifototra amin’ilay fiatoana voajanahary ilay andian-tsoratra masina.Fanamarihana: Ho ampiasainao ireo kantsana kely ireo mba handrindrana ny fizotran’ny lesona sy hanomezana fifantohana ihany farafahakeliny amin’ireo votoatin’ny zavatra rehetra hita ao amin’ny andian-tsoratra masina.

  • Fintino ny zavatra nitranga ao amin’ny kantsan’andinin-tsoratra masina tsirairay.

Jereo ny horonantsary “Lesson Preparation: Verse Segments and Summary Statements” (5:08), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Wilson dia maneho ireo dingana ireo.

Mamorona taratasy tsy misy soratra tahaka ny hitanao tao amin’ny horonantsary, na ampiasao ilay taratasy zaraina antsoina hoe “Mamantatra izay ho ampianarina” izay nomena ao amin’ny tovana ao amin’ity boky torolalana ity. Fantaro avy eo ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina amin’ny fanaovana izao manaraka izao:

  1. Halalino ilay andian-tsoratra masina (Môsià 27) mba hahafantaranao ny sahan-kevitra sy ny votoatiny.

  2. Mariho ireo fiatoana voajanahary ao amin’ilay andian-tsoratra masina ka hisehoan’ny fiovan’ny lohahevitra na ny zava-mitranga izay miseho.

  3. Zarazarao ho lasa vondron’andinin-tsoratra masina mifototra amin’ireo fiatoana voajanahary ireo ilay andian-tsoratra masina.

  4. Soraty eo amin’ilay taratasy tsy misy soratraireo teny famintinana izay mamaritra ny zavatra nitranga tao amin’ny kantsan’andininy tsirairay.

Sary
taratasy zaraina, Mamantatra izay ho ampianarina
Sary
tanana manoratra eo amin’ny taratasy

Dingana 2: Mamantatra sy mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Rehefa avy namintina ireo kantsan’andinin-tsoratra masina ianao dia hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny tsirairay amin’izy ireo. Avy eo dia hanoratra fanambarana mazava sy tsotra izay mamintina ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hitanao ianao.

Jereo ny horonantsary “Lesson Preparation: Identifying Doctrine and Principles” (2:57), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Wilson dia maneho ny fomba nahafantarany ireo fotopampianarana sy fitsipika, sy namintinany izany tamin’ny fomba tsotra, ary nanoratany izany tao amin’ny famintinana ny lesona ho ampianariny.

Hivereno ny fanamarihana nataonao momba ny lesona ho an’ny Môsià 27 ary ataovy izao manaraka izao:

  1. Fantaro ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny kantsan’andinin-tsoratra masina tsirairay.

  2. Soraty eo amin’ny taratasinao ny fotopampianarana na fitsipika tsirairay ka mampiasà fanambarana mazava sy tsotra.

Sary
tanana manoratra eo amin’ny taratasy

Dingana 3: Manapa-kevitra hoe inona ireo fotopampianarana sy fitsipika izay manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatra sy ho ampihariny.

Matetika ireo andian-tsoratra masina no ahitana zavatra betsaka kokoa izay azo resahina ao an-dakilasy. Saintsaino ireto teboka manaraka ireto rehefa manapa-kevitra momba ny hoe inona ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja indrindra tokony hianaran’ireo mpianatrao ho ampihariny:

  • Ireo bitsiky ny Fanahy Masina

  • Ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy

  • Ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika izay afaka manova

  • Ireo zavatra ilaina sy fahaiza-manaon’ny mpianatrao

Jereo ny horonantsary “Lesson Preparation: Decide Which Principles to Emphasize” (5:07), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Wilson dia maneho ny fomba nanapahany hevitra momba ny hoe inona ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja indrindra tokony hianaran’ireo mpianany ho ampihariny:

Hivereno ny fanamarihana nataonao momba ny lesona ho an’ny Môsià 27 ary ataovy izao manaraka izao:

  1. Manapaha hevitra hoe inona amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hitanao no manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatra sy ho ampihariny. Rehefa manao izany ianao dia saintsaino izao manaraka izao:

    • Ireo bitsiky ny Fanahy Masina

    • Ny tanjon’ilay mpanoratra nentanim-panahy

    • Ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika izay afaka manova

    • Ireo zavatra ilaina sy fahaiza-manaon’ny mpianatra

  2. Ao amin’ilay taratasinao, ataovy anaty faribolana na asio marika eo akaikin’ny fotopampianarana sy fitsipika izay hitanao ho manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatra sy ho ampihariny.

Sary
tanana manondro ny taratasy

Dingana 4: Manapa-kevitra mikasika ny halehiben’ny fifantohana tokony homena ny kantsana tsirairay ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

Rehefa voafariparitra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatra sy ho ampihariny, ny dingana manaraka dia ny manapa-kevitra hoe kantsan’andian-tsoratra masina inona ao amin’ilay andian-tsoratra masina no tokony hamafisina indrindra mandritra ny lesona. Ireo kantsana mirakitra ireo fahamarinana izay hitanao ho manan-danja indrindra no no hohamafisina be indrindra amin’ny ankapobeny.

Mba hanampiana anao hanapa-kevitra momba ny halehiben’ny fanamafisana tokony homena ireo kantsan’andinin-tsoratra masina tsirairay dia azonao atao ny mametraka ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana ireto amin’ny tenanao manokana, izay mifandraika amin’ny lamim-pianarana. Ao amin’ity kantsan’andinin-tsoratra masina ity, moa ve aho hanampy ireo mpianatro:

  • Hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra?

  • Hamantatra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika manan-danja?

  • Hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika?

  • Hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo?

  • Hampihatra ireo fahamarinana eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Jereo ny horonantsary “Lesson Preparation: Determine the Emphasis Level of Each Verse Segment” (6:57), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Wilson dia mampiseho ny fomba nampiasany ny lamim-pianarana mba hahafahany manapa-kevitra momba ny halehiben’ny fanamafisana tokony homena ireo kantsan’andininy tsirairay ao amin’ny andian-tsoratra masina.

Hivereno ny fanamarihana nataonao momba ny lesona ho an’ny Môsià 27 ary vitao ireto asa atao manaraka ireto:

  1. Rehefa mijery ireo kantsan’andinin-tsoratra masina eo amin’ny taratasinao ianao, dia saintsaino ny halehiben’ny fanamafisana homena ny kantsana tsirairay amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka avy ao amin’ny lamim-pianarana ireto. Ao amin’ity kantsan’andinin-tsoratra masina ity, moa ve aho hanampy ireo mpianatro:

    • Hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra?

    • Hamantatra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika manan-danja?

    • Hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika?

    • Hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo?

    • Hampihatra ireo fahamarinana eo amin’ny fiainan’izy ireo?

  2. Soraty ao amin’ny fanamarihana ho an’ny lesona ny halehiben’ny fanamafisana nosafidianao ho an’ny kantsana tsirairay.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ao amin’ireo taranjan’ny seminera sy institota izay mifantoka amin’ireo soratra masina nankatoavina, ireo fotopampianarana sy fitsipika dia tokony hampianarina araka ny fizarazarana isehoany ao amin’ny soratra masina.

  • Ny fandanjalanjana ny zavatra izay ho ampianarina sy ny fomba hampianarana izany rehefa manomana lesona iray dia manome antoka ny hananana traikefa amin’ny fianarana mahery vaika sy misy tanjona bebe kokoa.

  • Rehefa manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina dia:

    1. Mirotsaha ao amin’ny soratra masina mba hahatakarana ny zava-miseho ao anatin’ny andian-tsoratra masina sy ny votoatiny.

    2. Fantaro sy katsaho ny hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

    3. Manapaha hevitra hoe inona ireo fitsipika sy fotopampianarana izay manan-danja indrindra tokony hianaran’ny mpianatrao sy hampihariny.

    4. Manapaha hevitra mikasika ny halehiben’ny fanamafisana tokony homena kantsana tsirairay ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Farito, araka ny fahaizan’ny tsirairay sy ny zavatra ilain’ireo mpianatra, izay laharam-pahamehana indrindra. Raha takatra ireo fitsipika manan-danja, tafalatsaka anaty ary tafiditra ao amin’ny boky torolalam-piainan’ireo mpianatra, dia tanteraka izany ilay tanjona manan-danja indrindra” (Richard G. Scott, “To Understand and Live Truth” [takariva niarahana tamin’ny Loholona Richard G. Scott, 4 Feb. 2005], 2–3, si.churchofjesuschrist.org).

“Noho izany dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy