Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 4: Mandrindra toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona


Traikefa amin’ny fianarana 4

Mandrindra toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny hery mitaona ananan’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy

  • Mandrindra tontolo hanjakan’ny fitiavana sy ny fanajana

  • Mametraka ny fahatsapana te-hanatratra tanjona ao an-dakilasy

Ireo hevi-dehibe

Sary
Fonon’ny boky torolalana

“Mivoatra ny fianarana rehefa tia sy manaja ny Tompo, mifankatia sy mifanaja, ary tia sy manaja ny tenin’ Andriamanitra ireo mpampianatra sy ireo mpianatra. Ny fahatsapana iraisana te-hanatratra tanjona dia mampifantoka ireo ezaka sy ireo fanantenana amin’ny traifekan’ny iray kilasy ka manome torolalana amin’izany” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 13).

Fitiavana tahaka ny an’i Kristy: Mpitaona amin’ny fanaovana ny tsara

Mihatsara sy mihafeno ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fitaoman’ireo olona tsirairay izay miaina araka an’i Kristy . Rehefa mandinika ny fiainantsika isika, isika tsirairay dia afaka mamantatra ireo fihetsika feno hatsaram-panahy amin’ny fikarakarana nasehon’ireo olona izay nitaona antsika tamin’ny tsara.

Sary
kilasin’ny seminera

Mieritrereta mpampianatra iray, na mpitarika iray, na olona iray hafa izay nampiseho fitiavana tahaka ny an’i Kristy ka nanova ny fiainanao. Nahatonga anao hahatsapa inona izy, ary inona no anton’izany? Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Tahaka ny nitaoman’io olona izay neritreretinao io anao tamin’ny tsara dia afaka manova ny fiainan’ireo mpianatsika isika amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institiota antsika. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fandrindrana tontolo hanjakan’ny fitiavana sy ny fanajana ao an-dakilasy.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Izao asa atao manaraka izao dia hampatanjaka ny fahatakaranao mikasika ny ilàna ny fandrindrana toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fanajana sy ny fomba hamoronana izany tontolo izany.

Vakio ny fizarana 2.2.1 (“Fitiavana sy fanajana”) ao amin’ny pejy 13-14 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy hampatanjaka ny fahatakaranao ny (1) antony maha-manan-danja ny fananana toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fanajana sy (2) ny fomba hikolokoana izany tontolo izany.

Mandrindra toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona: Nahoana sy amin’ny fomba ahoana

Ireto horonantsary manaraka ireto dia maneho fitsipika sy fampiharana maro izay hita ao amin’ny fizarana 2.2.1 (“Fitiavana sy fanajana”) ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara . Jereo ireo horonantsary ireo ary saintsaino ireo valinteninao amin’ireo fanontaniana izay manaraka ireto fampahalalana momba ny horonantsary eto ambany ireto.

Jereo ny horonantsary “Teaching with Charity” (1:44), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ato anatin’ity horonantsary ity, ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manambara fa manan-danja ny hahatonga ny mpampianatra ho heniky ny fitiavana madion’i Kristy. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo ny fomba nanehoan’ny Tompo fitiavana ho an’ireo izay nampianariny.

Rehefa avy nijery ilay horonantsary ianao dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteny fohy amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba nampisehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany an’ireo izay nampianariny?

  • Ahoana no fomba ahafahako maneho fitiavana sy fanajana ho an’ireo izay ampianariko?

Jereo ny horonantsary “Sister Egan’s Class” (2:17), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia maneho ny fomba handrindrana amim-pahombiazana ny toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona ny Rahavavy Egan, izay nantsoina ho mpampianatra seminera. Tadiavo ny fomba nifampitsinjovany sy ny mpianany ka namoronana tontolo toy izany.

Rehefa avy nijery ilay horonantsary ianao dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteny fohy amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataon’ny Rahavavy Egan sy ireo mpianany mba handrindrana tontolo hanjakan’ny fitiavana sy fifanajana?

  • Inona no azoko atao mba handrindrako toeram-pianarana hanjakan’ny fitiavana sy fifanajana ao amin’ny lakilasiko?

Manolo-tanana ho an’ny mpianatra rehetra

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Raha toa ka tsy miova ireo [mpianatra] ireo dia angamba tsy afaka ny hampianatra azy ireo avy hatrany ianao fa afaka kosa mitia azy ireo. Ary raha tianao izy ireo androany dia angamba azonao ampianarina izy ireo rahampitso”(“Teaching and Learning in the Church,” Ensign, jona 2007, 102).

Mety ho sahirana amin’ny olana samihafa ny mpianatra: savorovoro ao amin’ny fianakaviana, aretina, fahasahiranana eo amin’ny fianarana, fahasembanana ara-batana, sy ny sisa. Fantaro tsara ny zavatra iainan’ny tsirairay sy ny zavatra ilain’izy ireo. Tsy hamaly avy hatrany ireo ezaka ataonao mba handrindrana tontolo hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ny mpianatra rehetra. Izao horonantsary manaraka izao dia maneho ny fomba ahafahan’ny mpampianatra manolo-tanana mba hitaona ireo mpianatra izay misy fotoana mety ho toa tsy maneho hevitra ao an-dakilasy.

Jereo ny horonantsary “Reaching the Individual” (1:28), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo hoe manasa ny fiovana ao am-pon’ny mpianatra amin’ny fomba ahoana ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy ny hatsaram-panahin’ny mpampianatra iray.

Mikolokolo fahatsapana hanatratra tanjona

Sary
Fonon’ny boky torolalana

“Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona izay samy ananan’ny mpampianatra sy mpianatra dia afaka mampitombo ny finoana sy manome fitarihana sy lanja ny zavatra iainana ao am-pianarana. Tokony hahatakatra ireo mpianatra fa manatrika ny fianarana izy ireo mba hahafahany mahafantatra ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary mba hivoarany mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara, 15).

Manan-danja ho an’ny mpampianatra ny mikolokolo fahatsapana te-hanatratra tanjona ao anatin’ny lakilasy, tahaka ny handrindran’izy ireo tontolo iray hanjakan’ny fitiavana sy ny fanajana.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Izao asa ampanaoviana manaraka izao dia hanampy anao hahatakatra ny maha-manan-danja ny fikolokoloana fahatsapana te-hanatratra tanjona ao an-dakilasy.

Vakio ny fizarana 2.2.2 (“Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona”) ao amin’ny pejy 15 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Ao anatin’ny boky torolalanao dia asio tsipika ireo teny na andian-teny izay mampatanjaka ny fahatakaranao momba:

  • Ny dikan’ny hoe mizara ny fahatsapana te-hanatratra tanjona ho anao sy ireo mpianatrao.

  • Ny fomba ahafahanao sy ireo mpianatrao mikolokolo izany tontolo izany ao an-dakilasy.

Ireo fampiharana izay manampy hikolokoana fahatsapana te-hanatratra tanjona

Jereo ny horonantsary “A Sense of Purpose” (8:32), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara ireo fampiharana izay manampy mba hikolokoloana fahatsapana te-hanatratra tanjona ao anatin’ny efitrano fianarana ny mpampianatra sy ny mpianatra maro. Rehefa mijery izany horonantsary izany ianao dia tadiavo ireo fomba hikolokoloana fahatsapana te-hanatratra tanjona ao amin’ny lakilasinao.

Fanontaniana mba hanampiana ny mpampianatra hikolokolo tontolo hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona

Ny fisaintsainana matetika ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mampianatra ireo mpianatrao ianao dia hanampy anao hikolokolo tontolo hanjakan’ny fitiavana, sy ny fanajana, ary ny tanjona:

  • Fantatry ny mpianatro ve fa tia azy ireo aho?

  • Rehefa hitako fa sarotra ny miahiahy ny hafa dia moa ve aho mivavaka mba ho heniky ny fiantrana, dia ny fitiavana madion’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:47–48)?

  • Amin’ny fomba ahoana avy no mitaona ny fomba hifandraisako amin’ny mpianatro sy ny fomba hifandraisan’ny samy mpianatra ireo fampianarana sy ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

  • Inona ireo fihetsika tsotra ataoko mba hanompoana sy hitahiana ary hivavahako tsy tapaka ho an’ireo mpianatro?

  • Takatry ny mpianatro ve fa ny tanjon’ny kilasinay dia ny hanatanteraka ny Tanjon’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara—dia ny hanampy azy ireo hahatakatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Moa ve ireo asa ampanaovina enti-mianatra izay safidiako dia manampy mba hahatontosa ny tanjonay ka tsy misarika anay hiala ny fanatanterahana ny Tanjon’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara?

  • Naka fotoana handalinana sy hahatakarana ilay andian-tsoratra masina mba hahitana ny mahatonga ny Mpamonjy ho ivon’ny lesona ve aho?

  • Vonona hanolotra fifantohana araka ny tokony ho izy ho an’ny mpianatra ve aho manomboka amin’ny fotoana ahatongavan’izy ireo ka hatramin’ny fotoana handaozan’izy ireo ny lakilasy?

  • Amin’ny fomba ahoana avy no hanofanako sy hanasako tsy tapaka ny mpianatro mba hanatanteraka ny anjara andraikiny eo amin’ny fianarana ara-panahy?

Sary
mpampianatra mandalina

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Mivoatra ny fianarana rehefa tia sy manaja ny Tompo, sy mifankatia sy mifanaja ary tia sy manaja ny tenin’ Andriamanitra ianao sy ireo mpianatrao.

  • Afaka mikolokolo fitiavana ho an’ireo mpianatrao ianao amin’ny alalan’ny fikatsahana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny alalan’ny vavaka atao amin-kitsimpo, araka ny nampianarin’i Môrmôna mpaminany (jereo ny Môrônia 7:47–48).

  • Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona izay samy anananao sy ny mpianatrao dia afaka mampitombo ny finoana ary manome fitarihana sy lanja ny zavatra iainana ao am-pianarana.

  • Ny fahatsapana te-hanatratra tanjona dia azo kolokoloina rehefa takatrao sy ireo mpianatrao fa manatrika ny fianarana izy ireo mba hahafahany mahafantatra ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary mba hivoarany mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Eritrereto ny fitiavana tsy misy pentina indrindra, fitiavana mahalevona ny zavatra rehetra izay azonao alaina sary an-tsaina. Izao dia ampitomboy amin’ny isa tsy misy fiafarany izany fitiavana izany—izany no refin’ny fitiavan’ Andriamanitra anao” (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 22).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy