Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny Fianarana 12: Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Mametraka fanontaniana mahomby


Traikefa amin’ny fianarana 12

Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Mametraka fanontaniana mahomby

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny maha-manan-danja ny fanontaniana

  • Mamelabelatra fanontaniana hahazoana vokatra miavaka

  • Mametraka fanontaniana mahomby

Ireo foto-kevi-dehibe

Mahatakatra ny maha-manan-danja ny fanontaniana

Maro ireo fomba fampianarana mahomby izay azonao ampiasaina ao an-dakilasinao, anisan’izany ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy, famelabelarana ataon’ny mpampianatra, ary ny famoronan-dahatsoratra. Ireo fomba fampianarana rehetra ireo dia manatsara ny fizotry ny fampianarana sy ny fianarana, saingy misy fomba iray izay tena lehibe kokoa noho ny hafa. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana dia eo amin’ny ivon’ny fianarana sy fampianarana rehetra” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva niarahana tamin’ny Loholona Henry B. Eyring, 6 feb. 1998], 5–6, si.churchofjesuschrist.org; nampiana fanamafisana).

Mitaky ezaka, fotoana, ary fampiharana ny fianarana mamelabelatra fanontaniana tsara. Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia hanampy anao hametraka fanontaniana izay afaka hanana fiantraikany lalina eo amin’ireo mpianatrao.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions” (2:42), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao, dia tadiavo ireo hevi-baovao mikasika ny maha-manan-danja ny fametrahana fanontaniana mahomby.

Asa atao ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara

Sary
fonon’ny boky torolalana

Vakio ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny fizarana 5.1 (“Fanontaniana”) ao amin’ny pejy 72-73 ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012). Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana mahomby.

Amin’ny fomba ahoana no maha “ivon’ny fianarana sy ny fampianarana rehetra” ny fametrahana sy famaliana fanontaniana? Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Sary
vehivavy mampianatra ny zatovo

Famelabelarana fanontaniana misy tanjona

Ireo fanontaniana izay apetrakao dia tokony hanasa ireo mpianatra hampihatra ireo singa ao amin’ny dingan’ny fianarana. Satria ny singa tsirairay avy dia mitarika mankany amin’ny vokatra samihafa, ny karazana fanontaniana izay apetrakao dia hiovaova miankina amin’ny tanjona tiana ho tratrarina.

Ohatra, raha ny hanampy ireo mpianatrao hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina no tanjonao, dia mametraha fanontaniana momba ny olona, ny fizotry ny tantara, ary ny zava-nisy ara-kolontsaina. Na izany aza, raha toa ka ny hanampy ireo mpianatra mba hampihatra fotopampianarana na fitsipika iray no tanjonao dia mametraha fanontaniana izay hamporisika ireo mpianatra hieritreritra ireo fomba hahafahan’izy ireo mampiditra fotopampianarana na fitsipika iray eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ireo fototry ny fianarana sy ireo fanontaniana mahazatra

Ireto manaraka ireto dia ohatra ny amin’ireo fanontaniana azonao apetraka amin’ireo mpianatra izay mifandray amin’ny fototry ny fianarana tsirairay. Mariho ny fomba fifandraisan’ireo fanontaniana tsirairay avy, manomboka amin’ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny mankany amin’ny fampiharana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika.

  • Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra

    • Iza avy ireo olona tafiditra ato amin’ity tantara ity?

    • Inona no mitranga eto amin ity andalan-tsoratra masina ity?

    • Taiza no no nisehoan’ireo zava-nitranga ireo?

  • Mamantatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika

    • Inona ireo fotopampianarana ary fitsipika hitanao?

    • Inona no soatoavina na votoatin’ny tantara?

    • Araka ny hevitrao dia inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

  • Mahatakatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika

    • Inona no zavatra fantatrao momba ity fitsipika ity?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika amin’izao fotoana izao io fitsipika io ?

    • Ahoana no hanazavanao io fitsipika io amin’ny olona iray?

    • Inona ireo fitondrantena sy toetra mety ho hitanao eny amin’ny olona iray izay miaina io fitsipika io?

  • Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy ireo fitsipika

    • Oviana no nahatsapanao ny fahamarinan’io fitsipika io?

    • Ahoana no ahafantaranao fa fitsipika marina io?

    • Oviana ianao no notahiana noho ny fankatoavana io fitsipika io?

  • Mampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika

    • Inona ny zavatra izay ho ataonao noho ny zavatra izay tsapanao androany?

    • Inona ireo fiovana azonao atao mba hampiharana io fitsipika io eo amin’ny fiainanao?

Sary
vehivavy mampianatra ny zatovo

Mametraka fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina iray, dia mametraha fanontaniana izay hitarika ireo mpianatra hikaroka fampahalalana momba ny zavatra izay vakian’izy ireo ary hanampy azy ireo hamakafaka ny zavatra izay hitan’izy ireo.

Fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hikaroka fampahalalana

Rehefa manampy ireo mpianatra mba hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina iray, dia mametraha fanontaniana izay mamporisika azy ireo hikaroka fampahalalana momba ny olona, ny fizotry ny tantara, ny zava-niseho ara-kolontsaina, ary ireo antsipirian-javatra hafa. Ny valin’ireo fanontaniana ireo matetika dia hita mivantana ao amin’ilay andinin-tsoratra masina na ao amin’ireo fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina toy ny fanamarihana eo ambanin’ny pejy, ny Bible dictionary, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ireo sarin-tany sy sary ao amin’ny soratra masina, sy ny sisa. Ireo loharano fanovozan-kevitra ireo dia tokony hanampy ireo mpianatra hahatakatra ireo antsipirihan-javatra miavaka momba ilay andian-tsoratra masina. Ohatra, azonao atao ny mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Nefia 3:1–4, iza no nandidy an’i Nefia mba handeha any amin’i Labana ary haka ireo rakitsoratra?

  • Jereo ao amin’ny 1 Nefia 16:10. Ohatra ny ahoana ny endrik’ilay Liahona?

  • Jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny teny hoe Apostoly. Inona no dikan’io teny io? (Azonao atao ny mametraka ity fanontaniana ity rehefa avy namaky ny Lioka 6:13ireo mpianatra.)

Vakio ny fizarana 5.1.1 ao amin’ny pejy 74 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Eo am-pamakianao izany dia mariho ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra hoe ahoana no afaka manampy ny mpianatra hahita ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andian-tsoratra masina ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra mba hikaroka fampahalalana.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Searching for Information” (1:36), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny mpampianatra seminera iray dia mamorona fanontaniana izay hanampy ireo mpianany hikaroka fampahalalana manan-danja mikasika ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–4

Asa fampiharana

Halalino ny Lioka 5:1–11 ary manorata fanontaniana roa izay manasa ireo mpianatra hikaroka fampahalalana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ireo andininy ireo.

Matetika no manomboka amin’ireto teny ireto ireo fanontaniana miavaka mba hanampiana ireo mpianatra hikaroka fampahalalana:

  • Araka io andininy io, iza ?

  • Rehefa mijery ity andininy ity, inona ?

  • Ao amin’ity andininy ity, aiza ?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ireo fanontaniana roa nosoratanao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao ireo fanontaniana izany.

Fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hamakafaka ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Rehefa mifankazatra amin’ny antsipirian-javatra fototra ao amin’ny andian-tsoratra masina iray ireo mpianatra, dia mametraha fanontaniana izay manasa azy ireo hamakafaka ireo antsipirian’ny fizotry ny tantara, ny olona sy ny toe-javatra nisy, sy ny sisa.

Ohatra, rehefa mandalina ny Lioka 5:1—11 ireo mpianatra dia hianatra fa nanjono nandritra ny alina manontolo i Petera kanefa tsy nahita fahombiazana. Mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka lalina kokoa io andalana io, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisalasala ny hiverina hanjono indray i Petera?

  • Nahoana araka ny hevitrao no nanao io fangatahana io tamin’i Petera ny Mpamonjy?

Halalino ireo andiam-pehezan-teny eo ambanin’ny lohatenikely “Manampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny tantara ao amin’ny soratra masina sy ny votoatiny” ao amin’ny fizarana 5.1.2 ao amin’ny pejy 75 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Mariho ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra hoe amin’ny fomba ahoana no hahatonga ny fahatakaran’ireo mpianatra ny soratra masina ho lalim-paka sy mihatsara ny fametrahana ireo fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hamakafaka ny sahan-kevitra sy votoatin’ny soratra masina.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Analyzing Context and Content” (1:45), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny mpampianatra seminera iray dia mametraka fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra handalina ny votoatin-kevitra sy ny sahan-kevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1—4.

Asa fampiharana

Avy amin’ireo fampahalalana nangoninao avy tao amin’ny Lioka 5:1—11 dia manorata fanontaniana roa izay hanasa ireo mpianatra hamakafaka ny dikan’ilay andalan-tsoratra masina.

Matetika dia manomboka amin’ireto teny ireto ireo fanontaniana miavaka mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka ny sahan-kevitra sy ny votoatiny:

  • Nahoana araka ny hevitrao no ?

  • Nahoana no ?

  • Ahoana no ?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ireo fanontaniana roa nosoratanao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Sary
vehivavy manoratra eo amin’ny solaitrabe

Mametraka fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Rehefa mametraka fanontanina izay hanampy ireo mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ianao dia manasa azy ireo hahita sy hilaza mazava tsara ireo fahamarinana manan-danja izay nianaran’izy ireo.

Ohatra, rehefa avy nandalina ny tantaran’i Nefia izay naka ireo takela-barahina ianareo dia azonao atao ny manontany hoe: “Inona no fitsipika naseho tamin’ny fahombiazan’i Nefia teo amin’ny fahazoana ireo takela-barahina na dia teo aza ny olana lehibe?” Izany dia mamporisika ireo mpianatra hamantatra sy hilaza fotopampianarana na fitsipika iray amin’ny tenin’izy ireo manokana, tahaka ny hoe Afaka manatanteraka zavatra goavana aho rehefa manao izay angatahin’ny Tompo amiko.

Halalino ireo andiam-pehezan-teny eo ambanin’ny lohatenikely “Manampy ireo mpianatra hamantatra ireo fitsipika sy fampianaran’ny filazantsara” ao amin’ny fizarana 5.1.2 ao amin’ny pejy 75 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy manazava ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Identifying Doctrine and Principles” (0:42), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny kilasy iray dia miresaka momba ny Eksodosy 17, izay mirakitra ny tantaran’i Mosesy nanandratra ny tanany mba hahafahan’ireo tafika Isiraelita mandresy amin’ny ady. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia tadiavo ny fomba nangatahan’ilay mpampianatra ny mpianatra mba hamantatra fitsipika iray avy ao amin’ilay tantara.

Asa fampiharana

Halalino ny Lioka 5:1–11 ary manorata fanontaniana iray izay hanasa ireo mpianatra hamantatra fitsipika na fotopampianarana iray.

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ireo fanontaniana miavaka izay mamporisika ireo mpianatra hamaritra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika:

  • Inona ny fitsipika aseho ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity?

  • Inona no soatoavina na votoatin’ny tantara?

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny fanontanianao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Mametraka fanontaniana izay manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Rehefa mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray ireo mpianatra dia mametraha fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra hahatakatra (1) ny dikan’ilay fotopampianarana na ilay fitsipika ary (2) amin’ny fomba ahoana no ilàna io fotopampianarana na fitsipika io ankehitriny. Ohatra, rehefa hitan’ny mpianatra ilay fitsipika hoe Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra (Lioka 1:37), dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe tsy hisy tsy ho tanteraka?” ary “Nahoana araka ny hevitrao no mila mahatakatra io fitsipika io isika ankehitriny?”

Halalino ireo andian-tsoratra eo ambanin’ny lohatenikely “Manampy ireo mpianatra hanana fahatakarana lalindalina kokoa mikasika ireo fitsipika sy fotopampianarana” ao amin’ny pejy 76 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Asio marika ireo teny na andian-teny izay manazava ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Understanding Doctrine and Principles” (0:41), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny mpampianatra institiota iray dia manolotra fitsipika iray amin’ny mpianany ary mametraka fanontaniana iray izay manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa izany fitsipika izany.

Asa fampiharana

Halalino ny Lioka 5:1–11 ary manorata fanontaniana roa izay hanampy ireo mpianatra hanamafy orina ny fahatakarany ity fitsipika manaraka ity: Raha manao izay angatahin’ny Tompo amintsika isika eny fa na dia tsy takatsika aza ny antony dia afaka mandrotsaka fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho antenaintsika Izy.

Matetika dia manomboka amin’ireto teny ireto ireo fanontaniana miavaka mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy reo fitsipika:

  • Inona araka ny eritreritrao no tiana hambara amin’ny hoe ?

  • Nahoana araka ny hevitrao no ?

  • Ahoana no hanazavanao ?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ireo fanontaniana roa nosoratanao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Sary
zazavavy miresaka

Mametraka fanontaniana izay manampy ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika

Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa manokana ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fitsipika iray ianao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manasa azy ireo hizara ny zavatra niainany sy ny fijoroana ho vavolombelona izay ananan’izy ireo. Ary koa, mora ho an’ireo mpianatra sasany ny mandray ireo fitsipika rehefa avy nijoro ho vavolombelona momba ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainany ireo mpianatra hafa.

Ohatra, rehefa avy nampitombo ny fahatakarany ny fitsipika Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra (Lioka 1:37) ireo mpianatrao, dia azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity: “Mieritrereta fotoana iray izay nanampian’ Andriamanitra anao na ny olona iray izay fantatrao tamin’ny fanaovana zavatra iray izay noheverina fa tsy ho tanteraka velively. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’io traikefa io nampitombo ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny herin’ Andriamanitra”?

Halalino ny fizarana 5.1.3 ao amin’ny pejy 76 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Asio marika ireo teny na andian-teny izay manazava ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Inviting Feelings and Testimony” (0:48), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horontsary ity, ny kilasy iray dia miresaka momba ny fitsipika avy ao amin’ny Almà 7. Mariho ny fomba nametrahan’ilay mpampianatra fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ilay fitsipika.

Asa fampiharana

Halalino ny Lioka 5:1–11 ary manorata fanontaniana roa izay hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ity fitsipika manaraka ity: Raha manao izay angatahin’ny Tompo amintsika isika eny fa na dia tsy takatsika aza ny antony dia afaka mandrotsaka fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho antenaintsika Izy.

Matetika dia manomboka amin’ny toy izao ireo fanontaniana miavaka mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika:

  • Oviana no nahitanao ?

  • Oviana ianao no nahatsapa ?

  • Ahoana no ahafantaranao ?

  • Inona no niova teo amin’ny fiainanao vokatry ny ?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ireo fanontaniana roa nosoratanao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Sary
lehilahy iray eo alohan’ny solaitrabe

Mametraka fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Na dia efa mahatakatra sy mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fitsipika iray aza ireo mpianatra dia tsy maintsy mbola mampihatra izany eo amin’ny fiainany izy ireo. Ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny mametraka ireo fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny toe-javatra mitranga misy azy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy. Ohatra, rehefa avy niresaka momba ilay fitsipika Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra (Lioka 1:37) ireo mpianatra, dia azonao atao ny manontany hoe: “Amin’ny fomba ahoana no hametrahanao ny fitokisanao amin’ Andriamanitra rehefa miatrika zavatra iray izay toa tsy ho vita velively?”

Satria mety ho azy ireo manokana na mora mampihetsi-po ny valintenin’ireo mpianatra dia azonao atao ny mampanoratra ny valinteny ho an’ny karazana fanontaniana toy ity ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ka tsy hangataka azy ireo hizara izany amin’ireo mpiara-mianatra aminy kosa.

Halalino ny fizarana 5.1.4 ao amin’ny pejy 77 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Asio marika ireo teny na andian-teny izay manazava ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ireo mpianatra hampihatra ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Jereo ny horonantsary “Asking Questions: Encouraging Application” (0:50), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horontsary ity, ny kilasy iray dia miresaka momba ny fitsipika iray avy ao amin’ny Lioka 5:25—26. Mariho ny fomba nametrahan’ilay mpampianatra fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hampiharan’izy ireo ilay fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Asa fampiharana

Halalino ny Lioka 5:1–11 ary manorata fanontaniana iray izay hanampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hampiharan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny fiainany: Raha manao izay angatahin’ny Tompo amintsika isika eny fa na dia tsy takatsika aza ny antony dia afaka mandrotsaka fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho antenaintsika Izy.

Matetika dia manomboka toy izao ireo fanontaniana miavaka mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika:

  • Inona ireo fiovana azonao atao mba … tsara kokoa ?

  • Inona no zavatra ho ataonao satria ?

  • Ahoana no … ?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ilay fanontaniana nosoratanao ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Mampiasa ireo fanontaniana avy ao amin’ny Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra

Anisan’ireo loharano lehibe indrindra ahitanao ohatra ny amin’ireo fanontaniana mahomby ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra. Ny lesona tsirairay dia mirakitra sosokevi-panontaniana izay azonao ampiasaina mandritra ireo lesona ampianarinao. Fanontaniana maro ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra no natao mba hanampiana ireo mpianatra mba hampihatra ny singa ao amin’ny dingan’ny fianarana.

Rehefa mikatsaka ny hanatsara ny fahaizana mametraka fanontaniana ianao dia ho hitanao fa mampianatra ny famerenana mamaky ireo fanontaniana ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra mba hahatakarana bebe kokoa ny endrikendrik’ireo fanontaniana tsara rafitra.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ivon’ny fianarana sy ny fampianarana rehetra ny fametrahana sy famaliana fanontaniana.

  • Anisan’ireo fahaiza-manao manan-danja indrindra azonao hatsaraina amin’ny maha-mpampianatra anao ny fametrahana fanontaniana mahomby.

  • Ny fampiasana tsara ireo fanontaniana tsara rafitra dia hanampy anao sy ireo mpianatrao hahavita tanjona miavaka sy araka ny faniriana.

  • Mitaky ezaka, fotoana, ary fampiharana ny fianarana mamelabelatra fanontaniana tsara.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Mametraha fanontaniana voarafitra tsara izay miteraka fampiasana ny saina. Eny fa na dia ireo valinteny aza dia tsy tonga lafatra, ireo mpianatra dia hampitombo ny fiheveran’izy ireo hanan-danja ny lesona izay hianarana” (Richard G. Scott, “To Understand and Live Truth” [takariva iarahana amin’ny Loholona Richard G. Scott, 4 feb. 2005], 3, si.churchofjesuschrist.org).

“Noho izany, inona no tohiny?”

Ho famaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy