Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 3: Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.


Traikefa amin’ny fianarana 3

Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fampianarana sy fianarana

  • Mahatakatra ireo zavatra ilain’ny mpianatra, na ny hita maso na ny tsy hita maso

  • Manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina

Ireo hevi-dehibe

Ny anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fampianarana sy fianarana

“Ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia miseho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. … Amin’ny alalan’ny fampianarana sy fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ihany no ahafahan’ireo mpianatra mahatakatra sy miantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin’ny fomba izay ahafahan’izy ireo ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky torolalana iray ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara [2012], 10).

Nahoana no mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Nampianatra seminera isan’andro tao Redding, Californie nandritra ny dimy taona ny Rahavavy Christine Park ka mikatsaka lalandava ny hahatakatra ireo zavatra manokana ilain’ny mpianany sy ny toe-javatra iainan’izy ireo izy. Jereo ny horonantsary “Students’ Needs” (1:35), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Park dia mizara ireo fanantenany ho an’ny mpianany ary koa ny zavatra izay manindry ny fony sy ny sainy rehefa mikatsaka ny hanampy ny mpianany hiaina fiovam-po lalim-paka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
kilasin’ny seminera

Tahaka ny hananan’ny Rahavavy Park mpianatra izay manana filàna sy olana samihafa dia hanana izany koa ianao. Ireto ohatra manaraka ireto dia maneho ny sasany amin’ireo toe-javatra mazàna iainanan’ny mpianatra. Eritrereto hoe mety hiantraika manao ahoana amin’ny fomba hitarihan’ny Fanahy ny fampianaranao ny toe-javatra iainan’ny mpianatrao.

  • “Indraindray dia mandany fotoana betsaka any an-tsekoly aho. Betsaka ireo zavatra tsy maintsy ataoko ao amin’ireo kilasiko hafa.”

  • “Manantena aho fa afaka hifantoka amin’ny kilasy anio. Tsy tena mahay mamaky teny aho, ary sahirana amin’ny fifantohana aho.”

  • “Voahodidina olona marobe aho kanefa mbola mahatsiaro ho manirery ihany.”

  • “Tiako ny ato amin’ny seminera—hay misy toerana hahatsapako fa misy olona tia ahy ihany.”

  • “Tsy haiko raha tokony ho eto aho anio. Nanao zavatra izay mahamenatra ahy aho.”

  • “Tsapako ho toa izaho irery no tsy manana fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny fianakaviako.”

Raha toa ka miantehitra samirery amin’ny fahafahantsika manokana isika dia tsy ho afaka hiresaka momba ireo zavatra rehetra manokana ilain’ny mpianatsika. Raha toa ka niomana anefa isika ka manaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina dia hotarihina hampianatra amin’ny fomba izay hahatonga ny fiovam-pon’ny mpianatsika ho lalim-paka ary hanampy amin’ny fahatakarana ireo zavatra ilainy izay hita maso sy izay tsy hita maso.

Jereo ny horonantsary “Teaching by the Spirit” (1:39), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara ny maha-manan-danja ny fananana ny Fanahy mitarika azy rehefa mampianatra ny Rahavavy Park.

Avy eo dia jereo ny horonantsary “The Lord Knows Every Need” (0:45), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia nohazavain’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitarika anao hamaha izay manahirana ny mpianatrao

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa atao ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

“Mitranga ny fampianarana sy fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy rehefa manao ny anjara asany na ny andraikiny miaraka amin’ireo mpampianatra sy mpianatra na miaraka amin’izy roa ny Fanahy Masina” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 10).

Ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia manampy mba hanazava sy hanamafy bebe kokoa ny fahatakarantsika ny antony tsy maintsy hampianarana sy hianaran’ny mpampianatra sy ny mpianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Halalino ny fizarana 2.1 (“Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy”) ao amin’ny pejy 10 ka hatramin’ny faran’ilay lisitra miantomboka amin’ny teboka ao amin’ny pejy 11.

Mariho ao amin’ny boky torolalanao ireo fitsipika sy fampiharana manan-danja izay hanampy anao hanao izao manaraka izao:

  • Hamantatra fa ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia mitranga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany.

  • Manamafy ny fahatakaranao ny anjara asa sy ny andraikitry ny Fanahy Masina ao amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara.

Hazavao ao anatin’ny diarinao hoe hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fanomananao ireo lesona sy hampianaranao ireo mpianatrao amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana sy finoana ny anjara asan’ny Fanahy Masina.

Manasa ny Fanahy hanatanteraka ny anjara asany

Rehefa takatsika ny anjara asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanasana Azy hanatanteraka ny anjara asany eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, fizarana 2.1 [“Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy”], pejy 11).

Afaka manao izao manaraka izao ny mpampianatra mba hanasana ny Fanahy hanatanteraka ny anjara asany:

  • Miezaka hiaina amim-pahamendrehana.

  • Manolotra “vavaka amim-pinoana” (F&F 42:14).

  • Mikatsaka ny ho niomana tanteraka amin’ny lesona tsirairay.

  • Mitsakaka ny hifantoka amin’ny traikefa amin’ny fianarana an’ireo mpianany.

  • Mikatsaka fihatoniana fa tsy tezitra na sorena momba ny zavatra hafa.

  • Manana ny fanahin’ny fikatsahan-javatra amim-panetrentena.

  • Mamporisika ireo mpianatra hanasa ny Fanahy Masina ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana ananan’izy ireo.

Jereo ny horonantsary “Inviting the Spirit: Teachers” (2:47), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanasana ny Fanahy ho ao am-pony sy ho ao amin’ny efitrano fianarana ny mpampianatra. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia raiso an-tsoratra ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny Filazantsara ny momba ireo fampiharana manan-danja izay tianao hotsaroana.

Afaka manao izao manaraka izao ireo mpampianatra sy mpianatra mba hanasana ny Fanahy hanatanteraka ny anjara asany:

  • Mamaky sy mampianatra avy ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

  • Mifantoka amin’ireo ohatra sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny Mpamonjy sy mijoro ho vavolombelona momba Azy.

  • Milaza fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mazava.

  • Maka fotoana hisaintsainana lalina mandritra ireo fotoam-pahanginana tena tsara.

  • Mizara ny zavatra niainan’ny tena manokana araka ny tokony ho izy sy mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipika.

  • Mifaneho fitiavana sy fankasitrahana sy maneho fitiavana ho an’ny Tompo.

Jereo ny horonantsary “Inviting the Spirit: Teachers and Students” (2:23), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanasana ny Fanahy ho ao am-pony sy ho ao amin’ny efitrano fianarana ny mpampianatra sy ny mpianatra. Rehefa mijery ilay horonantsary ianao dia raiso an-tsoratra ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny Filazantsara ny momba ireo fampiharana manan-danja izay tianao hotsaroana.

Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diarinao ny fahatsapana vitsivitsy na ireo zavatra ho atao izay tonga ao an-tsainao rehefa nisaintsaina ny fomba ahafahanao na ny mpianatrao manasa ny Fanahy Masina hanatanteraka ny anjara asany ao amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara.

Jereo ao amin’ny tovana ho an’ity boky torolalana ity ilay taratasy zaraina “Manasa ny Fanahy Masina hanatanteraka ny anjara asany ao amin’ny fampianarana sy fianarana ny Filazantsara,” izay mitanisa ireo fomba ahafahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra manasa ny Fanahy hanatanteraka ny anjara asany.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • “Mitranga ny fampianarana sy fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy rehefa manao ny anjara asany na ny andraikiny miaraka amin’ireo mpampianatra sy mpianatra na miaraka amin’izy roa ny Fanahy Masina” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, 10).

  • Rehefa mihaino tsara ireo bitsika manginan’ny Fanahy ianao dia afaka ny hotarihina mba hanampy amin’ny fahatakarana ireo zavatra hita maso sy tsy hita maso ilain’ny mpianatra.

  • Raha vao mahatakatra ny anjara asa manan-danja tanterahin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fianarana ara-panahy ianao sy ireo mpianatrao dia hanao izay azonareo hatao mba hanasana ny Fanahy hanatanteraka ireo anjara asany ireo ianareo.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Tsy misy fianarana maharitra mandrakizay izay afaka mitranga raha tsy misy izany famelombeloman’ny Fanahy avy any an-danitra izany. … Noho izany antony izany no tokony hampianaranareo ny filazantsara ‘amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ilay Mpampionona izay nalefa hampianatra ny fahamarinana’ [F&F 50:14]” (Dieter F. Uchtdorf, “A Teacher of God’s Children” [takariva niarahana tamin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, 28 jan 2011], 7, si.churchofjesuschrist.org).

Dia inona no tohiny?

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy