Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 10: Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina: Mampiasa ny soratra masina sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra


Traikefa amin’ny fianarana 10

Manapa-kevitra ny amin’izay ho ampianarina: Mampiasa ny soratra masina sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Teny fanolorana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

  • Manangana sy mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana

  • Mampiasa ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra sy ny soratra masina mba hanomanana ny lesona

Sary
vehivavy mamaky soratra masina

Ireo foto-kevi-dehibe

Nankafizin’ny Rahavavy Murray ny fampianarana in-droa isam-bolana ny kilasy Fotopampianaran’ny Filazantsara tao amin’ny paroasiny . Na dia eo aza ny hafaliany ny amin’ny maha-mpampianatra seminera vao nantsoina azy dia manontany tena ny amin’ny fomba hanomanany lesona mahomby isan’andro izy: “Toa fanolorantena goavana ny fanomanana sy fampianarana ny lesona isan’andro. Inona ireo loharanom-pampianarana misy mba hanampy ahy?”

Teny fanolorana ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Mety ho toa asa sarotra sy mandany fotoana betsaka ny fanomanana lesona iray isaky ny andro fianarana.

Jereo ny horonantsary “Introduction to the Teacher Manual” (4:01), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Hianatra ny fomba hampiasana ny soratra masina sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra mba hanomanana lesona mivaingana sy mahomby.

Fanamarihana: Raha toa ka tsy mbola nahazo ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ianao dia ampahafantaro ny mpitarika anao izany. Ireo boky torolalana rehetra dia afaka hitanao ao amin’ny churchofjesuschrist.org/manual/institute ho an’ny boky torolalana ho an’ny institota ary churchofjesuschrist.org/manual/seminary ho an’ny boky torolalana ho an’ny seminera.

Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra momba ireo atrik’asa

Fanamarihana: Ny lesona tsirairay ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera sy institota dia narindra mba hanampianana anao mba hiomanana amim-pahombiazana. Tsy nalamina na narindra amin’izany fomba izany avokoa anefa ireo boky torolalana ho an’ny mpampianatra rehetra saingy misy fampianarana mitovy izay hita ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra rehetra. Ireo atrik’asa ato amin’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mifototra amin’ireo boky torolalana ho an’ny seminera nivoaka farany.

Sokafy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ao amin’ny lesona izay tianao na ampiasao ilay taratasy zaraina antsoina hoe “Lesona atao ohatra—3 Nefia 11:1–17” izay nomena ao amin’ny tovana ho an’ity torolalana ity.

Vakio daholo ilay lesona ary tadiavo ireto singa manaraka ireto. Rehefa hitanao ireo singa tsirairay, dia asio marika izany eto amin’ity lisitra manaraka ity:

  • Lohatenin’ny lesona

    Ny lohatenin’ny lesona dia milaza ireo tokon’ny soratra masina resahina ao amin’ny lesona.

  • Teny fanolorana ny andian-tsoratra masina

    Ny fampahafantarana ny andian-tsoratra masina ho alalinina dia manome famintinana fohy ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andian-tsoratra masina.

  • Fampivondronana ireo andinin-tsoratra masina sy teny enti-mamintina ny zava-niseho

    Ny fampivondronana andian-tsoratra masina dia milaza ampahan’andinin-tsoratra masina miavaka izay mifantoka amin’ny lohahevitra na zava-mitranga iray. Ireto teny enti-mamintina ny zava-niseho dia mamintina ireo zava-nitranga na ireo fampianarana ao amin’ny vondron’andinin-tsoratra masina iray.

  • Ny Vataben’ny lesona

  • Fanambarana ireo fotopampianarana na fitsipika

    Ny fanambarana ireo fotopampianarana na fitsipika dia filazana fohy ireo fahamarianana ao amin’ny soratra masina.

  • Ny fampahalalana ny zava-niseho sy ireo hevitra fanampiny amin’ny fampianarana (tsy voatery ho hita ao anatin’ny lesona rehetra ireo)

    Ny fampahalalana ny zava-niseho sy ireo hevitra fanampiny amin’ny fampianarana dia manolotra teny nindramina sy fanazavana fanampiny momba ny sahan-kevitra ara-tantara na momba ireo andalan-tsoratra masina. Ireo sosokevitra hoenti-mampianatra fanampiny dia manolotra sosokevitra ho fampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika izay mety tsy voalaza na tsy nasogadina tao amin’ny vataben’ny lesona. Mety hanome sosokevitra mba hampiasa ny horonantsary, toy ny horonantsary ao anaty DVD na ireo horonantsary hita ao amin’ny churchofjesuschrist.org izany.

Ireo fototry ny Fampianarana sy ny Fianarana ny Filazantsara ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera sy institiota dia natao hanampiana anao hampiditra ireo Fototry ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara rehefa manomana sy mampianatra ny lesona tsirairay ianao.

Jereo ny horonantsary “The Fundamentals in the Curriculum” (2:15), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia tadiavo ny fomba hanampian’ireo boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera sy institiota ireo mpampianatra hampiditra ireo Fototry ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ao amin’ny lesona tsirairay.

Manangana sy mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fomba tokony ampiasan’ireo mpampianatra ireo fandaharam-pampianarana seminera sy institota:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Manangana aloha isika izay vao mampifanaraka. Raha toa isika ka miorina tsara ao amin’ilay lesona izay voatondro omentsika, dia afaka manaraka ny Fanahy avy eo mba hampifanaraka izany amin’izay ilaina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny filazantsara, 7 aôg, 2012], si.churchofjesuschrist.org).

Amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institota antsika dia manangana ny fandaharam-pampianarana ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra isika ka mampifanaraka izany mba hifandray amin’ny zavatra ilain’ny mpianatsika.

Manangana

Mampifanaraka

Ny hoe manangana ny fandaharam-pampianarana dia midika hoe mamaky ary mandrotsaka ny tenanao ao amin’ny soratra masina sy ny lesona voafaritra ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra. Ny fandaharam-pampianarana dia manampy anao hahatakatra ireo soratra masina, ny tanjon’ireo mpanoratra nentanim-panahy, ireo fitsipika mampiova fo sy ireo fotopampianarana fototra. Manàna fahatokisana momba ny votoatin-kevitra ary ampiasao ao amin’ny kilasinao izany.

Ny hoe mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana dia midika fa manamboamboatra ny lesona araka izay hitarihan’ny Fanahy ianao mba hifanaraka amin’ny zavatra izay ilain’ny mpianatra tsirairay sy hanampy azy ireo hahomby.

Mampiasa ny soratra masina sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra mba hanomanana ny lesona

Rehefa ampiasainao amin’ny fomba mahomby ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra, dia afaka manomana lesona mampahatanjaka ny fanahy izay tsy mitaky ora fanomanana maro ianao.

Jereo ny horonantsary “Curriculum Overview” (4:45), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ity horonantsary ity dia mamintina ny fomba hahafahan’ny fampiasana miaraka ny soratra masina sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra manampy anao hanomana lesona mahomby ho an’ny mpianatrao.

Jereo ny horonantsary “Using the Scriptures and the Teacher Manual” (5:11), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara toro-hevitra manan-danja momba ny fampiasana miaraka ny soratra masina sy ny fandaharam-pampianaranana rehefa manomana lesona ny Rahavavy Wilson. Rehefa mijery izany ianao dia tadiavo ireo hevi-dehibe hotadidiana rehefa manomana ireo lesona hataonao ianao.

Asa atao amin’ny fanomanana lesona

Izao dia anjaranao ny mampiasa ny soratra masinao sy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ho fampiharana ny fanomanana lesona. Sokafy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ao amin’ny lesona izay tianao na ampiasao ilay taratasy zaraina antsoina hoe “Lesona atao ohatra—3 Nefia 11:1–17” izay nomena ao amin’ny tovana ho an’ity torolalana ity.

Rehefa manatontosa ireto dingana manaraka ireto ianao, dia mariho izany mba hanehoana fa vitanao io ampahan’ny fiomananao io.

  • Vakio ny lohatenin’ny lesona ary jereo ao amin’ny soratra masinao ilay andian-tsoratra masina.

  • Vakio ny teny fanolorana ny andian-tsoratra masina

  • Mirotsaha ao amin’ny andian-tsoratra masinao amin’ny alalan’ny famakiana, fandalinana, fisaintsainana, ary ny fivavahana mba hahazoana fitaomam-panahy.

  • Halalino ny vataben’ny lesona, diniho tsara ireo fanambarana ny fotopampianarana sy ny fitsipika.

  • Saintsaino ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ary manapaha-hevitra ny amin’ireo fitsipika izay ilain’izy ireo indrindra.

  • Farito hoe tahaka ny ahoana ny fanamafisana izay hapetrakao amin’ireo fitsipika samihafa, mifototra amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

  • Vakio ireo fitaovana fanampiny izay nomena ao amin’ny lesona ary saintsaino ny fomba hahafahanao mampiasa io fitaovana io ao amin’ny lesonao.

Mivonòna hiresaka momba ity traikefa ity amin’ireo mpitarika na vondrona mpiara-miofana aminao.

Famintinana sy fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

Ny soratra masina no loharano hampiasainao ho fitaovam-pampianarana, ary ny boky fampianarana ho an’ny mpampianatra no loharano hampiasainao ho fanomanana ny lesona hataonao.

  • Ny fandaharam-pampianarana dia narindra amin’ny fomba entina hanampiana anao hanomana lesona mivaingana sy mahomby.

  • Azonao atao ny manangana sy mampifanaraka fandaharam-pampianarana mba hifandray amin’izay ilain’ny mpianatra.

  • Rehefa mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana ianao, dia saintsaino tsara ireo zavatra ilain’ireo mpianatrao sy ireo bitsiky ny Fanahy Masina.

  • Afaka hahita ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao rehefa manomana ireo lesona amin’ny fampiasana amim-pahombiazana ny fandaharam-pampianarana .

Sary
Loholona Henry B. Eyring

“Ireo izay antsoin’ny mpaminany mba hiantoka ny fahamarinan’ny fotopampianarana izay ampianarina ao am-piangonana dia mandinika ny teny tsirairay sy ny sary tsirairay ary ny kisary tsirairay ao amin’izany fandaharam-pampianarana voarainareo izany. Afaka mamoha ny hery entin’ izany fandaharam-pampianarana izany isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny finoantsika fa avy amin’ Andriamanitra izany. …

“Ny fanarahana ny votoatin’ny boky fampianarana ary koa ny filaharany dia hamaha ireo fahazai-mampianatra miavaka ananantsika fa tsy hampihena izany” (Henry B. Eyring, “The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva niarahana tamin’ny Elder Henry B. Eyring, 6 feb. 1998], 4, 5, si.churchofjesuschrist.org).

“Noho izany dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy