Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny Fianarana 11: Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny


Traikefa amin’ny fianarana 11

Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Mamaritra ny fomba hampianarana

  • Mahatakatra ny anjara andraikitr’ireo mpianatra amin’ny fianarana

  • Manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny

Sary
fandanjana mitovy tsara

Ireo foto-kevi-dehibe

Rehefa manomana lesona ianao dia zava-dehibe ny mampifandanja ny famaritana ny zavatra ho ampianarina sy ny fomba hampianarana.

Nianatra ny fomba hampiasana ny fandaharam-pampianarana rehefa mana-pakevitra momba ny zavatra ho ampianarina ao amin’ny andian-tsoratra masina ianao tao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana 10. Vonona ianao izao ny hamaritra ny fomba hampianarana ireo mpianatrao.

Ny anjara andraikitry ny mpianatra ao anatin’ny dingan’ny fianarana

Raha tian’ireo mpianatra ny hiaina fitomboana ara-panahy, dia mila mahatakatra ny anjara andraikiny ao amin’ny dingan’ny fianarana ianao ary manomana ireo atrik’asa enti-mianatra izay hanampy azy ireo hanatanteraka amim-pahavitrihana ny anjara andraikiny.

Mandritra ity traikefa amin’ny fianarana ity dia raketo an-tsoratra ireo aingam-panahy na hevitra raisinao ho fanampiana ireo mpianatrao hanatontosa ny anjara andraikiny ao amin’ny dingan’ny fianarana.

Asa atao ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara

Sary
fonon’ny boky torolalana

Halalino ny fizarana 1.3.3 (pejy 8) ary ny andian-tsoratra telo voalohany ao amin’ny fizarana 4.3.4 (pejy 68) ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012). Eo am-pamakianao izany, dia karohy ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no anjara andraikitry ny mpianatra ao anatin’ny dingan’ny fianarana?

  • Inona ireo zavatra tsapanao fa zavatra manan-danja indrindra azonao atao mba hanampiana ireo mpianatrao hanatontosa ny anjara andraikitr’izy ireo?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ary zarao amin’ireo mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana ny valinteninao momba ireo fanontaniana ireo.

Torohevitra avy amin’ny mpaminany momba ny anjara andraikitry mpianatra

Manampahefana Ambony maro no nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny ao amin’ny dingan’ny fianarana.

Jereo ny horonantsary “Prophetic Teaching about the Student’s Role in Learning” (4:14), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, dia Mpitarika maro ato amin’ny Fiangonana no mijoro vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny anjara andraikitr’ireo mpianatra eo amin’ny dingan’ny fianarana.

Fandinihan’ny tena manokana

Mieritrereta fotoana iray ka nanomana atrik’asa izay manasa anao handray anjara mavitrika ao amin’ny dingan’ny fianarana ny mpampianatra ny kilasy iray izay natrehanao. Izao dia eritrereto ny fotoana iray ka tsy mavitrika tamin’ny fampandraisana anjara ireo olana ao amin’ny kilasy. Ampitahao sy sy ampifanohary ireo traikefa roa ireo.

  • Inona no fahasamihafana nisy rehefa nasaina ianao sy ny hafa mba handray anjara ao amin’ny dingan’ny fianarana?

  • Inona no nataon’ilay mpampianatra mba hanampy anao hanatanteraka ny andraikitrao amin’ny maha-mpianatra anao?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ary zarao amin’ireo mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao ny valinteninao momba ireo fanontaniana ireo.

Sary
mpianatra ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana

Manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny

Afaka manatanteraka ny anjara asany ao amin’ny fianarana ny filazantsara ireo mpianatra rehefa asainao izy ireo mba hanazava, hizara, ary hijoro vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara. Ny fanazavana sy fizarana ary fijoroana ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara dia manazava ny fahatakaran’ny mpianatra, manatsara ny fahaizany mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa, ary manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo zavatra izay lazain’izy ireo. (Jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, fizarana 2.6 [pejy 39].)

  • Ireo mpianatra dia afaka manazava andalan-tsoratra masina iray na fitsipika iray amin’ny tenin’izy ireo manokana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanazava tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, amin’ny kilasy iray manontolo, amin’ny alalan’ny filalaovana izany an-tsehatra na amin’ny alalan’ny fanoratana izany.

  • Ireo mpianatra dia afaka mizara hevi-baovao, na traikefa, na fahatsapana mifandraika amin’ny soratra masina iray na fitsipika iray. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hizara ny fahatsapany na ireo zavatra niainany manokana mikasika ny fotopampianarana na fitsipika iray ka azo zaraina izany. Afaka mitantara ireo zava-nitranga izay hitany teo amin’ny fiainan’ny hafa koa izy ireo. Azo atao am-bava na an-tsoratra izany.

  • Ireo mpianatra dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipika izay fantatr’izy ireo fa marina. Azonao atao ny manasa azy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra tsapan’izy ireo sy fantatr’izy ireo fa marina ary ny fahasamihafana nentin’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy voatery hanomboka amin’ny hoe “Te-hizara ny fijoroako ho vavolombelona” na ny hoe “Fantatro” izany. Ny fanaovana fanambarana izay hinoana na ny teny ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny fahamarinana dia manorina ny fijoroana ho vavolombelona.

Ny fandraisana anjara dia manatsara ny fianarana

Jereo ny horonantsary “Explain, Share and Testify: Students’ Testimonies” (2:28), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ireo mpianatra dia miresaka momba ny fanatontosana ny anjara andraikitr’izy ireo rehefa manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona ao amin’ny seminera.

Fotoam-pampianarana mifantoka amin’ny mpianatra

Jereo ny horonantsary “A Student-Centered Classroom: An Example” (6:51), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Weller dia manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikitr’izy ireo amin’ny fianarana avy ao amin’ny soratra masina. Jereo ny fomba nanatontosany io tanjona io.

Jereo ny horonantsary “A Student-Centered Classroom: An Teacher’s Reflections” (3:01), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahavavy Weller dia miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanampiana ireo mpianatra mba handray anjara eo amin’ny dingan’ny fianarana.

Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra momba ireo atrik’asa

Ny lesona tsirairay ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia misy fanontaniana, atrik’asa, ary fomba fampianarana afaka manampy ireo mpianatrao mba handray anjara mavitrika eo am-pianarana avy ao amin’ny soratra masina. Sokafy ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ao amin’ny lesona izay tianao na ampiasao ilay taratasy zaraina antsoina hoe “Lesona atao ohatra—3 Nefia 11:1–17” izay nomena ao amin’ny tovana ho an’ity torolalana ity. Tadiavo ireo fanontaniana, sy atrik’asa, ary fomba fampianarana izay azonao ampiasaina mba hanasana ireo mpianatra hanatontosa ny anjara andraikiny eo amin’ny dingan’ny fianarany.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny fanontaniana vitsivitsy, na atrik’asa, na fomba fampianarana izay hitanao ary zarao amin’ireo mpitarikao na ny vondrona mpiara-miasa .

Mampianatra an’ireo mpianatra ny anjara andraikiny

Handray anjara bebe kokoa ireo mpianatra rehefa takatr’izy ireo ny anjara andraikiny ao amin’ny fianarana ny filazantsara. Ny iray amin’ireo lesona voalohany amin’ny ankamaroan’ireo boky torolalana ho an’ny mpampianatra rehetra dia manome ireo fampahalalana momba ny fampianarana ireo mpianatra ny anjara andraikiny. Hivereno vetivety ny lesona 1, “Ny Andraikitry ny Mpianatra,” ao amin’ny Bokin’i Mormona: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera ary saintsaino ny fomba hahafahanao mampiasa ireo fitsipika avy amin’ilay lesona ao rehefa mampianatra ireo mpianatrao momba ny anjara andraikitr’izy ireo eo amin’ny dingan’ny fianarana ianao.

Jereo ny horonantsary “Teaching Students Their Role” (6:27), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahalahy Howell dia mampianatra ireo mpianany hanatontosa ny anjara andraikitr’izy ireo eo amin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana.

Raiketo an-tsoratra ireo hevitra sasany izay tianao ampiasaina rehefa ampianarinao ireo mpianatrao ny momba ny anjara andraikitr’izy ireo eo amin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana sy mandritra izany. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ireo hevitrao ary zarao amin’ireo mpitarika na ny vondrona miara-miofana aminao izany.

Famintinana sy fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Azonao atao ny manampy ireo mpianatrao mba hahatakatra, sy hanaiky ary hanatontosa ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara.

  • Zava-dehibe ho anao ny mampianatra ireo mpianatrao momba ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara any amin’ny fiantombohan’ny taom-pianarana sy mandritra ny taom-pianarana.

  • Afaka manampy ireo mpianatra hanatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny dingan’ny fianarana ianao amin’ny alalan’ny famporisihina azy ireo hanazava, hizara, ary hijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika.

  • Ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia afaka mananpy anao hanomana atrik’asa izay hamporisika ireo mpianatrao amin’ny dingan’ny fianarana.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fanapahan-kevitr’[ireo mpianatra] handray anjara dia fampiasana ny fahafahana misafidy izay mamela ny Fanahy Masina hampita hafatra mivantana ho an’ny tena manokana izay mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny tenan’izy ireo tsirairay. Ny fandrindrana tontolo ahafahana mandray anjara dia mampitombo ny fahafahan’ny Fanahy hampianatra ireo lesona manan-danja kokoa izay azonao ampitaina.

“Io fandraisana anjara io dia hitondra ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo” (Richard G. Scott, “To Learn and to Teach More Effectively” [Herinandro fampaherezam-panahy ho an’ny fampianarana, 21 aog, 2007], 4–5, speeches.byu.edu)

“Noho izany dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy