Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 2: Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara


Traikefa amin’ny fianarana 2

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara

  • Mahatakatra ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao

  • Manampy ny mpianatra hiova fo marina

Ireo hevi-dehibe

Mahatakatra ny tanjonao

Mba hampifantohana ireo ezaka ataontsika rehefa manampy ao amin’ny asan’ny Tompo isika dia nomena tanjona mazava ireo mpampianatra ao amin’ny S&I. Izany tanjona izany dia antsoina hoe Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara. Manan-danja ny fikololokoanao fahatakarana lalim-paka momba izany tanjona izany sy ny fomba ahafahan’izany mitarika ny asa ataonao isan’andro amin’ny maha-mpampianatra anao.

Inona no tanjontsika?

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], x).

Jereo ny horonantsary “Our Purpose” (1:32), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’izany horonantsary izany dia mpampianatra marobe no mitanisa ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara.

Rehefa avy mijery ilay horonantsary ianao dia raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Mitondra ny filazantsara hilatsa-paka ao am-pon’ny mpianatra

Nandritra ny fampitana ny faha-zato taonan’ny seminera tamin’ny 2012, ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara fahatsapana sasantsasany mikasika ny fiandohan’ny seminera sy ireo tanjon’izany.

Jereo ny horonantsary “A Foundation of Faith: 100 Years of Seminary” (7:36), ampahan’ny lahateny nataon’ny Filoha Eyring, azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Rehefa mijery izany ianao dia mitadiava porofo momba ny fomba hanampian’ny seminera amin’ny fitondrana ny filazantsara hilatsa-paka ao am-pon’ny mpianatra.

Rehefa avy mijery ilay horonantsary ianao dia raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa atao ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Vakio ny fizarana 1.1 (“Our Purpose”) ao amin’ny pejy 1–2 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao ato amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara.

Rehefa vitanao ny vakinteny dia raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ny fahatakarana mazava momba ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia hitarika antsika amin’ny asa ataontsika isan’andro amin’ny maha-mpampianatra antsika.

  • Ny fampianarana mahomby dia afaka manampy ny filazantsara ho latsa-paka ao am-pon’ny mpianatra.

  • Ny tanjontsika dia tsy maintsy ny hanampy ireo mpianatsika hiaina fiovam-po marina ho an’ny filazantsara.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Rehefa mampianatra ny tanorantsika hitia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy isika dia ho tonga mpanara-dia marin’ilay Mpampianatra izy ireo. Izany dingana izany dia hanomana azy ireo ho … mpitarika fianakaviana mandrakizay. Ho lasa ampahan-javatra mahazatra sy manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo ny tempoly. (Dieter F. Uchtdorf, “A Teacher of God’s Children” [takariva niarahana tamin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, 28 jan. 2011], 5, si.churchofjesuschrist.org).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy