Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 7: Mamantatra fotopampianarana sy fitsipika


Traikefa amin’ny fianarana 7

Mamantatra fotopampianarana sy fitsipika

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voalaza

  • Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

  • Manoratra teny manambara fitsipika

Ireo hevi-dehibe

Ny lamim-pianarana nalototra tao amin’ny traikefa amin’ny fianarana 5 dia manome fotopampianarana fototra izay manampy mba hampidirana ny filazantsara ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Hiresaka momba ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika isika ato anatin’ity traikefa amin’ny fianarana ity.

Ny tanjon’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia ny hanolotra fampahafantarana fohy momba ny endrik’ilay lamim-pianarana. Rehefa manompo amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institiota anareo ianareo dia hanana fahafahana marobe hianatra momba ireo fahaiza-manao ireo sy hampihatra izany.

Mamantatra fotopampianarana sy fitsipika

Sary
tanana sy vatosoa

Nanofy mikasika ny fahitana vatosoa sarobidy tokoa ilay zatovovavy tao anatin’ilay fanoharana momba ny vatosoa.

Sary
soratra masina sy pensilihazo

Mitovy amin’izany koa, rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mahita vatosoa ao amin’ny soratra masina izay afaka mitahy ny fiainantsika.

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Ry rahalahiko sy anabaviko, manolotra diamondra ara-potopampianarana marobe ho antsika ny soratra masina. Ary rehefa mikasika ny endrika marobe ao amin’izy ireo ny hazavan’ny Fanahy dia mamiratra hazavana selestialy izy ireo ka manazava ny lalana izay tokony harahina” (“According to the Desires of [Our] Hearts,” Ensign, nôv. 1996, 21).

Ireo vatosoa ao anaty fasika dia maneho ireo fotopampianarana ilaina sy ireo fitsipika manan-danja feno fahamarinana izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Halalino ireo andalana efatra voalohany ao amin’ny fizarana 1.3.1 (“Mampianatra”) ao amin’ny pejy 5 sy ny andalana efatra voalohany ao amin’ny fizarana 2.5 (“Mamantatra, mahatsapa ny fahamarinana sy ny lanja, ary mampihatra ireo fotopampianatra sy fitsipiky ny filazantsara”) ao amin’ny pejy 26 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara . Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy anao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no atao hoe fotopampianarana?

  • Inona no atao hoe fitsipika ?

  • Nahoana no manan-danja ireo fotopampianarana sy fitsipika?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao mikasika ny maha-manan-danja ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Fotopampianarana sy fitsipika: Nambara ampitahaina amin’ny voafono

Mikatsaka ny hahita vatosoa sarobidy ilay zatovovavy tao anatin’ilay fanoharana momba ny vatosoa. Rehefa nikaroka izy dia nahita sasantsasany teo ambonin’ny fasika ary ny hafa lalina kokoa tao anatin’ilay fasika. Mitovy amin’izany koa, ho hitanao fa ny fotopampianarana sy fitsipika sasany dia voalaza mazava ao amin’ny soratra masina ka mora fantarina. Ny hafa dia tsy voalaza mivantana ao amin’ny Soratra Masina fa voafono kosa. Mitaky ezaka bebe kokoa ny hahitana azy ireo.

Ireo fotopampianarana sy fitsipika voalaza

Ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

Ireo fotopampianarana sy fitsipika izay voalaza mazava sy mivantana ao amin’ny lahatsoratra ao amin’ny soratra masina.

Ireo fotopampianarana sy fitsipika izay tsy voalazan’ny mpanoratra ny soratra masina mivantana kanefa voafono kosa ao anatin’ny lahatsoratra.

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha niresaka momba ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika nanao hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Tadiavo ireo fitsipika. Saraho amim-pitandremana amin’ireo antsipirihany entina manazava azy ireo izy ireny” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, nôv. 1993, 86).

Ny ambin’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia hanampy amin’ny fikolokoloana ny fahafahanao mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika na voalaza na voafono ao anatin’ny fandalinanao. (Jereo ihany koa ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 27.)

Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voalaza

Ireo fotopampianarana sy fitsipikavoalaza dia ireo izay nambara mazava sy mivantana ao anatin’ny lahatsoratra ao amin’ny soratra masina.

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto mba hahitana ohatra momba ny fotopampianarana sy fitsipika voalaza mazava (nohamafisina amin’ny soratra matavy)

  • Jaona 15:10—“Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako; tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.”

  • Genesisy 1:27—“Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny, tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.”

  • Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23—“Nefa ianaro fa izay manao ny asan’ ny fahamarinana dia handray ny valisoany, dia fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy.

  • Helamàna 3:27—“Toy izany no ahazoantsika mahita fa ny Tompo dia feno famindram-po amin’ ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin’ ny fahatsoran’ ny fony.

  • Joba 36:5—“Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mamingavinga, lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy.

Asa atao momba ny soratra masina: Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voalaza

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary asio marika na soraty ao amin’ny soratra masinao ny fotopampianarana sy fitsipika voalaza tsirairay.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao mikasika ny maha-manan-danja ny fotopampianarana sy ireo fitsipika tsirairay izay nasianao marika tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika vofono

Sary
vehivavy mikosoka ny fasika hiala amin’ny vatosoa

Tsy nionona fotsiny tamin’ny fahitana ireo vatosoa teo ambanin’ny tampon’ny fasika ilay zatovovavy tao anatin’ilay fanoharana momba ny vatosoa. Nianatra izy fa afaka hahita vatosoa hafa sarobidy tokoa amin’ny alalan’ny fangadiana lalina ao amin’ny fasika sy ny fanivanana amim-pitandremana izany.

Sary
manisy marika ao amin’ny soratra masina

Mitovy amin’izany koa, rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia afaka mianatra ny “mangady” sy “manivana” ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina mba hahitana ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono. Matetika ireo no ireo fahitana sarobidy sy manan-danja indrindra izay hataonao amin’ny fandalinana ny soratra masinao. Mitaky fotoana sy fandinihana tsara ny fitadiavana ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Vakio ny fizarana 2.5.1 (“Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika”) ao amin’ny pejy 27 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara , manomboka eo amin’ny andalana fahafito, izay manomboka amin’ny hoe: “Maro ireo fitsipika izay tsy voalaza mivantana …” ka hatreo amin’ny andalana faharoa ao amin’ny pejy 28. Asio tsipika ireo teny na andian-teny izay manampy ny fahatakaranao ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono ho lalim-paka sy ny fomba hamantarana azy ireo ao amin’ny fandalinanao.

Araka ny zavatra izay nasianao tsipika dia raketo an-tsoratra ny fomba hanazavanao amin’ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao ny atao hoe fahamarinana voafono sy ny fomba ahafahana mamantatra azy ireny. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Sosokevitra amin’ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

Ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia manome ireto sosokevitra manaraka ireto mba hanampiana ny mpampianatra sy ny mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono:

  1. Tadiavo ny fifandraisan’ny hoe antony sy ny vokany.

    “Hiharihary kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny alalan’ny fanadihadiana ireo asa ataon’ny olona tsirairay na vondron’olona ao amin’ny soratra masina ary ny toe-tsainy, ny fihetsiny [ireo antony], sy amin’ny alalan’ny famantarana ireo fitahiana na vokatra naterak’izany [ireo vokatra]” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara, 27).

    Sary
    lehilahy iray mamaky boky

    “Rehefa namaky ny Matio 4:1–11aho dia nanomboka nifantoka tamin’ireo asa nataon’ny Mpamonjy sy ny fomba nifadiany haniana sy nivavahany mba hiezahana ‘miaraka amin’ Andriamanitra.’ Dia hitako avy eo ny fomba nampiasany ny soratra masina mba hialana amin’ireo fakam-panahy nataon’ny fahavalo Taminy. Ny fifadian-kanina nataony, ny vavaka nataony, ary ny fampiasany ny soratra masina (antony) dia nanolotra tanjaka ara-panahy ampy mba handresena ny fakam-panahhy (vokatra). Rehefa nahita izany aho dia nanoratra izao fitsipika tsotra izao tao anatin’ny diariko: Rehefa mivavaka sy mifady hanina ary mahatakatra ny soratra masina isika dia manana tanjaka ara-panahy lehibe kokoa mba handresena ny fakam-panahy.

    Sary
    vehivavy iray mamaky soratra masina

    “Nahita fitsipika voafono lehibe iray aho tao amin’ny 1 Nefia 18:3. Niakatra ‘tao an-tendrombohitra sy nivavaka matetika tamin’ny Tompo’ i Nefia.’ Vokatr’izany dia nampiseho zavatra goavana taminy ny Tompo. Rehefa nandinika izany hafatra izany aho dia nanoratra izao fitsipika manaraka izao teo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masiko: Arakaraky ny hikatsahako bebe kokoa ny hifandray amin’ny Tompo ao anatin’ny vavaka ataoko manokana no hanambarany zavatra goavana amiko.

  2. Mametraha fanontaniana

    Ireo fitsipika voafono dia azo fantarina ihany koa amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao:

    • Inona no soatoavina, na votoatin’ilay tantara?

    • Nahoana no nampidirin’ny mpanoratra ao ireo zava-nitranga na andinin-tsoratra ireo?

    • Inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

    • Inona ireo fahamarinana fototra sasantsasany ampianarin’ity andinin-tsoratra ity?

    Sary
    lehilahy iray mamaky boky

    “Rehefa namaky ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 9, izay mirakitra ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery, izay tsy nahomby tamin’ny fiezahana manampy handika ny Bokin’i Môrmôna aho dia nanontany hoe: ‘Inona no soatoavina na votoatin’ity tantara ity?’ Ny fitsipika voafono izay tonga tato an-tsaiko dia hoe Mitaky ezaka avy amintsika ny fahazoana sy famantarana fanambarana.

    Sary
    vehivavy iray mamaky soratra masina

    “Namaky aho tao amin’ny Almà 17–18momba an’i Amôna izay nanompo ny Mpanjaka Lamônia ka tsy nieritreritra valisoa sy ny Lamônia izay talanjona tamin’ny fahatokian’i Amôna. Nanontany tena aho teo hoe: ‘Nahoana no nampidirin’ny mpanoratra ao amin’ireo toko ireo ireo antsipirihan-javatra ireo?’ Ho valin’izany fanontaniana izany dia nanoratra izao fitsipika manaraka izao aho: Rehefa manompo ny hafa amim-pahatokiana isika dia afaka manampy azy ireo hiomana handray ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

  3. Milaza ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny fomba mazava sy tsotra.

    Ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia mampianatra fa ny “famantarana ireo [fotopampianarana sy] fitsipika voafono dia ahitana ny fahafantarana ireo fahamarinana izay aseho ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina ary ny filazana azy ireo amin’ny fomba mazava sy fohy” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara, 27). Ny fanoratana fotopampianarana sy fitsipika mazava sy feno dia manampy antsika hanambara ny eritreritsika sy hahazo hafatra avy ao amin’ny soratra masina izay tian’ny Tompo homena antsika.

    Nampianatra ny Loholona B. H. Roberts (1857–1933) tao amin’ny Fitopololahy hoe:

    Sary
    Loholona B. H. Roberts

    “Mba hahafantarana azy dia tsy maintsy lazaina ilay fahamarinana ary rehefa voalaza amin’ny fomba mazava kokoa sy feno bebe kokoa izany dia hanana fahafahana tsara kokoa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’ny fanahin’ny olombelona fa marina ity asa ity” (New Witnesses for God, boky miisa 3 [1909], 2:vii, nindramina tao amin’ny James E. Faust, “What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, mey 1996, 41).

    Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

    Sary
    Loholona Richard G. Scott

    “Mendrika ny hanaovana ezaka lehibe ny fandaminana ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, nôv. 1993, 86).

Rehefa manao araka ny soso-kevitry ny Loholona Scott ianao—“[mandamina] ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra”—dia ho hitanareo fa ny filazana fotopampianarana sy fitsipika tena manampy indrindra dia samy ahitana ireto toetra manaraka ireto:

  • Filazana feno izy ireo.

  • Tsotra sy mazava ary mivantana izy ireo.

  • Fototra sy tsy miova ary tsy manam-petra ireo fahamarinana lazain’izy ireo.

  • Matetika izy ireo no manome sosokevitra hanao asa, torak’izany koa ireo vokatra mifanaraka amin’izany.

  • Tena manan-danja ho an’ny tena manokana izy ireo.

Iza amin’ireo toetra ireo no hitanao ao amin’ny tsirairay amin’ireo filazana fotopampianarana na fitsipika manaraka ireto?

  • Arakaraky ny hikatsahako bebe kokoa ny hifandray amin’ny Tompo ao anatin’ny vavaka ataoko manokana no hanambarany zavatra goavana amiko.

  • Rehefa mivavaka sy mifady hanina ary mahatakatra ny soratra masina isika dia manana tanjaka ara-panahy lehibe kokoa mba handresena ny fakam-panahy.

  • Nijaly noho ny fahotako i Jesoa Kristy.

  • Mitaky ezaka avy amintsika ny fandraisana sy famantarana fanambarana.

  • Rehefa manompo ny hafa amim-pahatokiana isika dia afaka manampy azy ireo isika hiomana handray ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Jereo ny horonantsary “Identifying Doctrine and Principles” (7:09), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ato anatin’ity horonantsary ity dia mifanakalo hevitra momba ny ezaka nataon’izy ireo mba hamantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny Lioka 5:1–11 ny mpampianatra telo ka nampiasa ireo sosokevitra notanisaina tetsy ambony.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitra roa na telo izay nanaitra anao tao amin’ilay horonantsary ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Asa atao momba ny soratra masina arahina torolalana: Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

Handeha isika hampihatra ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono. Halalino ny Enôsa 1:1–8, ka tadiavo ireo fotopampianarana sy fitsipika izay manana lanja mandrakizay.

  1. Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

    Mialoha ny hitadiavana ireo fotopampianarana sy fanekempihavanana dia ezaho takarina aloha ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ilay andinin-tsoratra masina. Mety hanampy ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

    • Inona no atao hoe “tolona”? (Jereo ny andininy 2.)

    • Inona marina no tafalatsaka lalim-paka tao am-pon’i Enôsa? (Jereo ny andininy 3.)

    • Inona ny no nataon’i Enôsa, ary nandritra ny hafiriana? (Jereo ny andininy 4.)

    • Inona no dikan’ ny teny hoe: fitalahoana ? (Jereo ny andininy 4.)

    • Inona no resaka nifanaovan’ny Tompo sy Enôsa ao amin’ireo andininy ireo? (Jereo ny andininy 5–8.)

  2. Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

    Rehefa mikatsaka ny hamantatra ireo fotopampianarana na fitsipika ao amin’ny Enôsa 1:1–8ianao dia saintsaino ny hametraka ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no fifandraisan’ny antony sy ny vokatra izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

    • Inona no soatoavina na votoatin’ny tantara?

    • Inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

    • Inona ireo fahamarinana fototra sasantsasany ampianarin’ity andinin-tsoratra ity?

  3. Milaza ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny fomba mazava sy tsotra.

    Rehefa mahita ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny Enôsa 1:1–8ianao dia miezaha milaza izany amin’ny fomba mazava sy tsotra. Raha mila fanampiana ianao amin’ny fanaovana izany dia miezaha mampiasa ny iray amin’ireto manaraka ireto:

    • Raha (antony), dia (vokany).

    • Ary dia toy izany no ahitantsika fa.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny filazana fotopampianarana na fitsipika nataonao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Asa atao momba ny soratra masina: Mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono

Izao dia hampiharo ny fahaiza-manaonao manokana izay nianaranao hatreto tato anatin’ity traikefa amin’ny fianarana ity.

Vakio ny Lioka 5:12–26 ary ataovy izao manaraka izao:

  • Avereno jerena ny saha-kevitra sy ny votoatin’ilay andinin-tsoratra masina

  • Fantaro izay mety ho fotopampianarana sy fitsipika nampianarina ao amin’ireo andininy ireo.

  • Manorata filazana mazava sy tsotra ho an’ny fotopampianarana na fitsipika tsirairay izay hitanao.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny filazana soratra masina na fitsipika nataonao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Ny fiantraikan’ny famantanarana ireo fotopampianarana sy fitsipika

Jereo ny horonantsary “Identifying Doctrine and Principles: Students’ Testimonies” (2:39), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao anatin’ity horonantsary ity dia mizara ny fiantraikan’ny fianarana mamantatra fotopampianarana sy fitsipika eo amin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina ny mpianatra seminera sy institiota vitsivitsy. Rehefa mijery izany ianao dia eritrereto ny fiantraikan’izany fahaiza-manao izany eo amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina sy eo amin’ny fampianarana sy fianarana izay mitranga ao amin’ny kilasinao.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ny iray amin’ireo tanjona fototry ny soratra masina dia ny hampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Nyfotopampianarana dia ahitana ireo fahamarinana fototra sy tsy miovan’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.

  • Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra na lalàna azon’ny olona tsirairay ampiasaina mba hitarika azy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

  • Ireo fotopampianarana sy fitsipika sasany dia voalaza mazava sy mivantana ao amin’ny lahatsoratra ao amin’ny soratra masina, raha toa ka voafono fotsiny ihany ireo hafa.

  • Ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika voafono dia ahitana ny filazana azy ireo amin’ny fomba mazava sy mivantana.

  • Ny famantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina dia mitaky ezaka sy fampiharana.

Sary
Filoha Marion G. Romney

“Tsy afaka tena mandalina marina tokoa ny filazantsara ny olona iray raha tsy mianatra ireo fitsipiky ny filazantsara satria nosoratana mba hitahiry ireo fitsipika ho an’ny tombontsoantsika ny soratra masina” (Marion G. Romney, “The Message of the Old Testament” [Fihaonamben’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana mikasika ny Testamenta Taloha, 17 aog 1979], 3, si.churchofjesuschrist.org).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy