Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 8: Mahatakatra sy mahatsapa ary mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika


Traikefa amin’ny fianarana 8

Mahatakatra sy mahatsapa ary mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mitondra ny filazantsara ho ao am-pontsika.

  • Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

  • Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika

  • Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

Ireo hevi-dehibe

Ilay lamim-pianarana dia manolotra ireo fotopampianarana fototra izay manampy mba hampidirana ny filazantsara ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Ato anatin’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia horesahantsika ny fahatakarana sy fahatsapana ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ary mampihatra izany.

Ny tanjon’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia ny hanolotra fampahafantarana fohy momba ny endrik’ilay lamim-pianarana. Rehefa manompo amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institiota anareo ianao dia hanana fahafahana marobe hianatra momba ireo fahaiza-manao ireo sy hampihatra izany.

Mahatakatra, sy mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ary mampihatra izany

Ny fanoharana momba ny vatosoa dia sariohatra ho an’ny fandalinana ny soratra masina. Ireto singa telo manaraka ireto dia manampy antsika hahatakatra ny zavatra azontsika atao ao amin’ny fandalinantsika rehefa avy hitantsika ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara.

  1. Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Sary
    mitady vatosoa

    Nofakafakan’ilay zatovovavy ny vatosoa tsirairay izay hitany, ka nojereny tamim-pitandremana ny bika sy ny endrik’izany.

    Sary
    soratra masina ao amin’ny finday

    Rehefa mahita vatosoan’ny fahamarinana amin’ny endrika fotopampianarana sy fitsipika isika dia afaka mandalina amim-pitandremana ny tsirairay amin’izy ireny mba hahatakarana ny dikany sy ny lanjany.

  2. Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Sary
    zatovovavy iray

    Nahatsapa fankasitrahana nitombo tao anatiny ilay zatovovavy noho ny vatosoa tsirairay.

    Sary
    zatovovavy iray

    Rehefa mahazo fahatakarana lalim-paka kokoa momba ireo fahamarinana izay hitantsika isika dia mahatsapa ny maha-manan-danja sy ny mampiavaka ary ny maha-maika azy ireo.

  3. Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Sary
    olona roa eny amin’ny tora-pasika

    Nanasa ilay zatovovavy hieritreritra izay mety ho ataony amin’ireo vatosoa izay hitany ny rainy.

    Sary
    mizara karatra kely

    Rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona sy fankasitrahana momba ny fotopampianarana na fitsipika iray isika dia tokony hieritreritra ireo fomba ahafahantsika mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Sarina vehivavy, soratra masina

Nohamafisin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny andro farany ny maha-manan-danja ny fitondrana ny filazantsara ho lalim-paka ao am-pontsika. Fanombohana tsara mba hahazoana fahalalana momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina mba hamantarana ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danja ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny zavatra fantatsika ho latsa-paka lalina ao am-pontsika anefa dia matetika no betsaka ny zavatra tsy maintsy ataontsika. Tsy maintsy mikatsaka ny:

  1. Hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hitantsika isika.

  2. Hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’izy ireny.

  3. Hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.

Ireo singa telo amin’ny lamim-pianarana ireo dia miara-miasa mba hanasana ny Fanahy Masina, izay manampy antsika hitondra ny filazantsara ho latsa-paka ao am-pontsika.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

NyFampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012) dia ahitana fampahalalana manan-danja momba ny tsirairay amin’ireo endriky ny lamim-pianarana ireo. Halalino izay ampianarin’ny boky torolalana amin’ny alalan’ny famakiana ireo fizarana voatondro ao amin’ny boky torolalana sy amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana mifanaraka amin’izany.

  1. Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Vakio ny fizarana 2.5.2 (“Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika”) ao amin’ny pejy 28-29 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Eo am-pandalinanao dia mitadiava valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no dikan’ny hoe “mahatakatra fotopampianarana na fitsipika iray”?

    • Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahatakarako momba ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hitako?

  2. Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Vakio ny fizarana 2.5.3 (“Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika”) ao amin’ny pejy 29-30 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Eo am-pandalinanao dia mitadiava valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana no manan-danja ho ahy ny mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana na ny fitsipika iray izay hitako?

    • Inona no azoko atao amin’ny maha-mpianatra ahy mba hanasako ny fitaoman’ny Fanahy hanampy ahy hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana na ny fitsipika iray izay hitako?

    • Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’izany dingana izany?

  3. Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Vakio ny fizarana 2.5.4 (“Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika”) ao amin’ny pejy 30-31 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara . Eo am-pandalinanao dia mitadiava valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafantarako fa mampihatra ny fitsipiky ny filazantsara izay nianarako aho?

    • Inona no zavatra hitranga eo amin’ny fiainako rehefa mikatsaka ny hampihatra ny fotopampianarana na fitsipika iray izay hitako aho?

    • Inona no azoko atao ao amin’ny fandalinako manokana mba hifantohako bebe kokoa amin’ny fampiharana ireo fahamarinana izay nianarako?

Amin’ireo fampianarana rehetra izay vao nohalalininao tao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia handeha isika hifantoka amin’ny sosokevitra telo manan-danja. Ato anatin’izao lisitra manaraka izao, ny singa tsirairay dia nampiarahana amin’ny asa iray izay azonao atao rehefa mikatsaka ny hahatakatra sy hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’ ireo fahamarinana izay nianaranao tao amin’ny soratra masina ka hampihatra izany ianao.

  1. Mahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Fakafakao ny dikan’ilay fotopampianarana na fitsipika amin’ny fametrahana fanontaniana sy fitadiavana valiny.

  2. Mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Eritrereto ny fiantraikan’ilay fitsipika teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa.

  3. Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika

    Eritrereto ny asa manokana izay tokony hataonao mba hampiharana ny fotopampianarana na fitsipika iray eo amin’ny fiainanao.

Mampihatra ny lamim-pianarana

Jereo ny horonantsary “Understand, Feel, and Apply Principles” (7:12), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ato anatin’ity horonantsary ity dia miresaka momba ny ezaka ataon’izy ireo mba hahatakatra sy hahatsapa ny fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny Lioka 5:1-11ka hampihatra izany ny mpampianatra telo.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitra roa na telo izay nanaitra anao rehefa nijery izany fifanakalozan-kevitra izany ianao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Asa fampiharana arahina torolalana

Sary
sambofiara eny ambony ranomasina

Mamaky isika ao amin’ny Etera 6:1–12fa nibaiko ny rivotra hitarika ireo sambofiaran’ny Jaredita hankany amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo. Fitsipika iray izay azontsika fantarina ao anatin’izany andalan-tsoratra masina izany izao manaraka izao: Hitarika ny dian-tsika eo amin’ny fiainantsika ny Tompo rehefa mahatoky Azy sy manao ny sitrapony isika. Araho ireto dingana eto ambany ireto hiezahana mahatakatra sy mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-manan-danja izany fitsipika izany ka hampiharana izany. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteny sy ny eritreritrao.

  1. Mampitombo ny fahatakaranao momba ilay fitsipika

    Fakafakao ny dikan’ilay fitsipika amin’ny fametrahana fanontaniana toy izao manaraka izao sy fitadiavana valiny:

    • Inona no atao hoe mahatoky?

    • Inona no dikan’ny hoe mahatoky ny Tompo?

    • Nahoana ny Tompo no afaka mitarika ny fiainan’ireo izay mahatoky Azy?

    • Ahoana no hitarihan’ny Tompo ny dian’ny olona iray eo amin’ny fiainany?

  2. Mikatsaka ny hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an’ilay fitsipika

    Eritrereto ny fiantraikan’ilay fitsipika teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa, ka anisan’izany ireo olona ao amin’ny soratra masina na tantaran’ny Fiangonana.

    • Amin’ny fomba ahoana avy no mampiseho ny fahamarinan’io fitsipika io ny fiainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

    • Tamin’ny fomba ahoana avy no nampiseho ny fahamarinan’io fitsipika io ny fiainana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny olona hafa izay noeritreretinao?

  3. Ampiharo ilay fitsipika

    Eritrereto ny asa manokana izay tokony hataonao mba hampiharana ny fotopampianarana na fitsipika iray eo amin’ny fiainanao.

Asa fampiharana ho an’ny tena manokana

Sary
Kristy manasitrana lehilahy iray mararin’ny paralysisa

Misafidiana fitsipika iray izay hitanao tao amin’ny fandalinanao ny Lioka 5:12–26 ao amin’ny traikefa amin’ny fianarana 7 na misafidiana fitsipika iray izay hitanao tao amin’ny fizarana 3.2 (“Lioka 5: Ohatra iray”) ao amin’ny pejy 42–46 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara . Avy eo dia ataovy izao manaraka izao:

  1. Ampitomboy ny fahatakaranao momba ilay fitsipika.

    Fakafakao ny dikan’ilay fotopampianarana na fitsipika amin’ny fametrahana fanontaniana sy fitadiavana valiny.

  2. Katsaho ny hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ilay fitsipika.

    Eritrereto ny fiantraikan’ilay fitsipika teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa.

  3. Ampiharo ilay fitsipika.

    Eritrereto ny asa manokana izay tokony hataonao mba hampiharana ny fotopampianarana na fitsipika iray eo amin’ny fiainanao.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ny tanjon’ny fianarana ny filazantsara dia ny hanasa ny Fanahy Masina hanampy antsika hitondra ireo fotopampianarana sy fitsipika avy ao an-tsaintsika hankao am-pontsika.

  • Ny fahatakarana ny fotopampianarana na fitsipika iray dia ahitana ny fahafantarana tsy ny dikan’izany ihany fa ny fomba fiantraikan’izany eo amin’ny fiainantsika ihany koa.

  • Ny fahatakarana mazava ny fotopampianarana na fitsipika iray dia manomana antsika hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe izany.

  • Ny fahatsapana ny fahamarinan’ilay fitsipika na fotopampianarana iray sy ny maha-zava-dehibe azy dia mampitombo ny faniriantsika hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika.

  • Miseho ny fampiharana rehefa miteny, misaintsaina, ary miaina arak’ireo fitsipika izay nianarantsika isika.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny tena mpampianatra marina, rehefa avy nampianatra ny zava-miseho [ao amin’ny filazantsara], … dia mitondra [ireo mpianatra] hiroso hanao dingana mba hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy sy fahatakarana ao am-pon’izy ireo izay miteraka andraikitra tokony ho raisina sy fanaovana izany” (Robert D. Hales, “Teaching by Faith” [takariva niarahana tamin’ny Loholona Robert D. Hales, 1 feb. 2002], 5, si.churchofjesuschrist.org).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy