Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 13: Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Mampihatra Finoana


Traikefa amin’ny fianarana 13

Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hampianarana: Mampihatra Finoana

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto foto-kevitra manaraka ireto:

  • Matoky ny herin’ny tenin’ Andriamanitra

  • Mampihatra finoana ny Tompo sy ny Fanahy.

  • Matoky ireo mpianatra.

Ireo foto-kevi-dehibe

Zavatra inoana tena manan-danja miisa telo

Ny andiam-pehezan-teny misy ny hoe “mampianatra” ao amin’ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia milaza fa: “Ampianarintsika amin’ny mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina ary ny tenin’ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy fiorenana mafy. Manampy ny mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy manomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara,: Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara [2012], x).

Io andiam-pehezan-teny io dia midika fa ny fihetsiky ny mpampianatra mahomby dia maneho zavatra inoana tena manan-danja miisa telo:

  1. Afaka manana fahatokiana amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra isika

  2. Afaka mampihatra Finoana ny Tompo sy ny Fanahy isika.

  3. Afaka mahatoky ireo mpianatra isika.

Mandritra ity traikefa amin’ny fianarana ity, ianao dia hianatra foto-kevi-dehibe izay natao hanamafy orina ny fahatakaranao sy ny finoanao ny tsirairay amin’ireo singa telo ireo.

Sary
sezabory manana tongotra telo

Tahaka ireo tongotra tsirairain’ilay sezabory manana tongotra telo, ny tsirairay amin’ireo fototra telon’ny finoana dia manan-danja avokoa. Mora kokoa ho an’ireo mpampianatra ny hiaina fahombiazana rehefa mampifanaraka ny fomba fampianarany amin’ireo fototra telon’ny finoana ireo izy.

Sary
sezabory manana tongotra telo

Na izany aza, indraindray ny fomba fampianaran’ireo mpampianatra dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra izay hinoan’izy ireo ao am-pony. Tahaka ilay sezabory manana tongotra telo izay tsy ho afaka mijoro tsara raha toa ka simba na tsy ampy ny tongotra iray, ny boky Torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia milaza fa rehefa tsy mahomby ireo mpampianatra, izany matetika dia noho ny tsy fahampian’ny iray amin’ireto singa ireto:

  1. Fahatokiana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra

  2. Finoana ny Tompo sy ny Fanahy

  3. Fahatokisana ireo mpianatra

Jereo ny horonantsary “Three Core Beliefs” (1:47), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, i Chad Webb, mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, dia miresaka momba ny fotoana iray izay nahatsapany fa ny fomba fampianarany dia tsy nifanaraka tamin’ny zavatra inoany tena manan-danja. Mariho ny fanapaha-kevitra noraisiny noho ity traikefa ity.

Fahatokiana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra

Vakio ireo andiam-pehezan-teny eo ambanin’ny lohatenikely “Fahatokiana ny tenin’ Andriamanitra” ao amin’ny fizarana 4.1.3 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara (pejy 58). Avy eo dia vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Eo am-pamakiana avy amin’ny boky torolalana sy ny soratra masina, dia ataovy izao manaraka izao:

  • Mitadiava teny na andian-teny izay maneho ireo fitahiana izay hoentin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao sy ny fiainan’ireo mpianatrao.

  • Eritrereto ireo traikefa izay niainanao ka nitahy ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa ny soratra masina. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Ao amin’ireo kilasy izay misy mpampianatra sy mpianatra izay manana fahatokiana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra, ny soratra masina dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana. Jereo ny horonantsary “Scripture-Centered Teaching” (3:20), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ao amin’ity horonantsary ity, ny Rahalahy Webb dia manazava ny mety ho endriky ny kilasy iray sy ny antony maha-manan-danja izany. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ho hitanao ao amin’ny kilasy iray izay ny soratra masina no ivon’ny fampianarana sy fianarana?

  • Fa nahoana no zava-dehibe ho an’ireo mpampianatra ny mametraka ny soratra masina ho ivon’ny zavatra iainan’ny mpianatra ao an-dakilasy?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany .

Finoana ny Tompo sy ny Fanahy

Vakio ireo andiam-pehezan-teny roa eo ambanin’ny lohatenikely “Finoana ny Tompo sy ny Fanahy” ao amin’ny fizarana 4.1.3 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara (pejy 58). Eo am-pamakianao izany, dia tadiavo hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiharana ny finoana ny Tompo sy ny Fanahy mampisy fiovana eo amin’ny fiainan’ireo mpianatrao.

Jereo ny horonantsary “The Lord Knows Every Need” (0:45), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ity horonantsary ity dia hanampy hanamafy orina ny fahatakaranao ny fomba hitahiana anao sy ireo mpianatrao noho ny fampiharana ny finoana ny Tompo sy ny Fanahy. Eo am-pijerenao ny horonantsary,dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny maha-mpampianatra anao dia inona avy ireo fomba sasany hahafahanao mampiseho finoana ny Tompo sy ny Fanahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ho fitahiana ho an’ny mpianatrao ny fahatokisanao ny Tompo sy ny Fanahy.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany .

Mahatoky ireo mpianatra

Vakio ireo andiam-pehezan-teny efatra voalohany eo ambanin’ny lohatenikely “Mahatoky ireo mpianatra” ao amin’ny fizarana 4.1.3 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara (pejy 58). Eo am-pamakinao izany, dia tadiavo ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny antony ahafahanao mahatoky ny fahafahan’ny mpianatrao mianatra, sy mampianatra, ary mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

Jereo ny horonantsary “Expecting More From Your Students” (2:21), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ity horonantsary ity dia mampiseho ny fomba nahafahan’ny zavatra andrasan’ny mpampianatra iray sy ny fahatokiany ny mpianany hanampy azy ireo “hahatsapa ny bitsiky ny Fanahy” (Bonnie L. Oscarson, “Greater Expectations” [fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 5 aog 2014], churchofjesuschrist.org/broadcasts) ary hisy fiantraikany eo amn’ny fiovam-pon’izy ireo. Eo am-pijerenao ny horonantsary, dia ataovy ao an-tsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-samihafa ny kilasy iray izay misy mpampianatra manana fahatokiana amin’ny fahafahan’ny mpianany mianatra, sy mampianatra, ary miaina ny filazantsara amin’ny kilasy iray izay misy mpampianatra tsy ampy fahatokisana na kely ny zavatra andrasany avy amin’ny mpianany?

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny valinteninao momba io fanontaniana io ary zarao amin’ny mpitarika na ny vondrona mpiara-miofana aminao izany.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

Mba hahafahana mampianatra amim-pahombiazana, ny fomba fampianaranao dia tokony mifanaraka amin’ireto fototra telon’ny finoana ireto:

  1. Afaka manana fahatokiana amin’ny herin’ny tenin’ Andriamanitra isika

  2. Afaka mampihatra ny finoana ny Tompo sy ny Fanahy isika.

  3. Afaka matoky ireo mpianatra isika.

Tsindraindray dia afaka manampy ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenanao manokana hoe ahoana no maneho ny fampiharana ireo fototra telon’ny finoana ireo ny fomba fampianaranao sy ny fihetsikao ao an-dakilasy .

Sary
Loholona Henry B. Eyring

“Miangavy anareo aho, ho anareo manokana sy ireo mpianatra, mba hanana finoana fa te-hamaky [ny Bokin’i Mormona] izy ireo, ary tsy mila manery azy ireo hanatona izany ianareo, fa izany ihany no hisintona azy ireo ho eny aminy” (Henry B.Eyring, “The Book of Mormon Will Change Your Life” [CES symposium on the Book of Mormon, Aug. 17, 1990], 2, si.churchofjesuschrist.org).

“Noho izany, inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy