Fanampiana fanampiny ho fampivoarana ny mpampianatra
Traikefa amin’ny fianarana 6: Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny


Traikefa amin’ny fianarana 6

Fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Topimaso

Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia mahafaoka ireto hevitra manaraka ireto:

  • Mahatakatra ny dikan’ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra

  • Mahatakatra ny maha-manan-danja ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra

  • Mahita ny saha-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina

Ireo hevi-dehibe

Ato anatin’ireo traikefa amin’ny fianarana vitsivitsy manaraka dia hojerentsika tsirairay akaiky kokoa ireo mpandrafitra tsirairain’ilay lamim-pianarana. Ilay lamim-pianarana dia manolotra rafitra iray ahitana ireo fotopampianarana fotoana izay manampy mba hampidirana ny filazantsara ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. Hianatra momba ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra isika ato anatin’ity traikefa amin’ny fianarana ity.

Ny tanjon’ity traikefa amin’ny fianarana ity dia ny hanolotra fanolorana fohy ny amin’ireo endrik’ilay lamim-pianarana. Rehefa manompo amin’ny maha-mpampianatra seminera sy institiota anareo ianareo dia hanana fahafahana marobe hianatra momba ireo fahaiza-manao ireo sy hampihatra izany.

Mianatra avy amin’ny Soratra Masina: Mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra

Sary
tanana

Nanofy mikasika ny fitadiavana vatosoa tao anaty fasika ilay zatovovavy tao anatin’ilay fanoharana momba ny vatosoa. Ny fikarohany dia maneho ny mpianatra iray izay mikaroka ireo fahamarinana maharitra mandrakizay ao amin’ny soratra masina. Ny fasika dia maneho ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina—ny olona, ny toerana, ny zava-mitranga, ny fizotry ny tantara, ny fampianarana, sy ny sisa—izay afaka ahitana ireo fahamarinan’ny filazantsara ao anatin’izany.

Sary
soratra masina

Rehefa mitady ireo fahamarinana maharitra mandrakizay ao amin’ny soratra masina isika dia tokony hanomboka amin’ny fiezahana ny hahatakatra ny zava-nisy sy ireo antsipirihan-javatra fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina izay vakiantsika. Ny fikatsahana hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina dia hamela antsika hahita avy hatrany bebe kokoa ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara.

Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara Asa ampanaovina ao amin’ny boky torolalana

Sary
Fonon’ny boky torolalana

Vakio ny fizarana 2.4.1 (“Sahan-kevitra”) sy 2.4.2 (“Votoatiny”) ao amin’ny pejy 24–25 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara . Ampisongadino ireo teny na andian-teny ao amin’ireo fizarana ireo izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe sahan-kevitra sy votoatin’ny soratra masina sy ny antony maha-manan-danja azy ireny ao amin’ny fandalinantsika.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitrao sy ny fahatsapanao ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

Ny dikan’ny hoe sahan-kevitra sy votoatiny sy ny maha-manan-danja izany

Avereno jerena izao tabilao manaraka izao mba hahatakarana bebe kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatiny:

Sahan-kevitra

Votoatiny

Inona no atao hoe sahan-kevitra?

Ahitana ireo toe-javatra miseho manodidina na manome fampahalalana izay mifandray amin’ilay andinin-tsoratra masina manokana, na zava-nitranga na tantara iray ny sahan-kevitra. Ny sahan-kevitra dia ahitana ny toe-java-misy ara-tantara, ara-kolotsaina, ary ara-jeôgrafika; ireo fanontaniana izay mipoitra avy ao amin’ireo tranga ao amin’ny soratra masina; sy ny sisa.

Inona no atao hoe votoatiny?

Ny votoatiny dia ny mombamomba ny tantara, ny olona, ny zava-nitranga, ny toriteny ary ny fanazavana nentanim-panahy izay mandrafitra ny lahatsoratra ara-tsoratra masina. Ny famantarana ny votoatin-kevitra dia ahitana ny fianarana ny dikan’ireo teny sy andian-teny sarotra, ary koa ny dikan’ireo fanoharana, sariohatra sy ny sisa.

Nahoana no manan-danja ny sahan-kevitra?

Ny sahan-kevitra dia manazava sy mitondra fahatakarana lalina ireo tantara,fampianarana, fotopampianarana, ary fitsipika ao amin’ny lahatsoratra ara-tsoratra masina.

Nahoana no manan-danja ny votoatiny?

Ny votoatiny dia manome aina sy lanja an’ny fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

Sary
mpampianatra mandalina

Mametraka fanontaniana

Mba hahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina, dia katsaho aloha ny hifankahazatra amin’ireo antsipirihan-javatra fototra ao amin’ilay andian-tsoratra masina dia fakafakao ireo antsipirihan-javatra ireo hahazoana fahatakarana bebe kokoa. Afaka manao izany ianao amin’ny alalan’ny fianarana mametraka fanontaniana momba ny olona, sy toerana, ny zava-nitranga, sy ny sisa ao amin’ilay andian-tsoratra masina izay vakianao, ary hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo avy eo amin’ny alalan’ny fampiasana loharano manampy sy azo itokisana.

Ny fanontaniana tahaka izao manaraka izao dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny sahan-kevitra sy votoatin’ny andian-tsoratra masina izay halalininareo:

  • Inona no fampahalalana fantatra momba ilay andian-tsoratra masina?

  • Inona no zava-nitranga ara-tantara sy ara-kolotsaina ary ara-jeôgrafika?

  • Iza no mpanoratra?

  • Iza ireo olona ao anatin’ilay andian-tsoratra masina? Inona no ataon’izy ireo na lazainy, ary nahoana?

  • Inona no zava-mitranga? Ahoana no fizotry ny tantara?

  • Inona no dikan’ireo teny na andian-teny na fomba fiteny tsy mahazatra?

  • Inona no lanjan’ireo fomba amam-panao izay voafariparitra?

Sary
fandalinana ny soratra masina

Mikatsaka valiny

Ireto manaraka ireto dia sasany amin’ireo loharano tsara indrindra sy azo itokisana indrindra azonao ampiasaina mba hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontanianao:

  • Ireo fanampiana hoenti-mandalina ny soratra masina toy ny lohatenin’ny toko sy fizarana, ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy ny Bible Dictionary, ny lisitr’ireo lohahevitra nalahatra araka ny abidia, ny Torolalana ho an’ny soratra masina, ny tovana ao amin’ny triptika, ny sarintany, sy ny sisa.

  • Ireo andinin-tsoratra masina mifandray

  • Ireo tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona (indrindra ireo izay hita ao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana)

  • Ireo fitaovana ampiasaina ao amin’ny fandaharam-pianarana ny soratra masina ao amin’ny seminera sy institiota (ka anisan’izany ireo boky torolalana ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra)

  • Rakibolana

Rehefa takatrao ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina dia ho afaka ny hahafantatra bebe kokoa momba ny tontolon’ilay vahoaka, ireo toerana, ireo zava-nitranga ary ireo fampianarana izay vakianao ianao ka hahita ny zavatra araka ny nahitan’ny mpanoratra azy ireny. Izany dia hanampy amin’ny fanokafana ny varavarana hahitana ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara.

Mahazo fanampiana avy any an-danitra amin’ny fampianarana ny filazantsara

Jereo ny horonantsary “Understanding Context and Content” (7:39), azo jerena ao amin’ny churchofjesuschrist.org. Ato anatin’ity horonantsary ity dia mifanakalo hevitra momba ny ezaka ataon’izy ireo mba hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny ny mpampianatra telo.

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ny hevitra roa na telo izay nianaranao tao amin’ilay horonantsary ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany.

asa atao momba ny soratra masina

Izao no fotoana hampiharana ny famantarana ny saha-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina.

Vakio ny Lioka 5:12–26, ka atombohy eo amin’ny fotoana nijanonan’ireo mpampianatra ao amin’ilay horonantsary “Understanding Context and Content”. Ataovy ny lisitr’ireo fanontaniana momba ny olona, ny toerana, ny zava-nitranga, ary ireo antsipirihan-javatra hafa izay mety manampy anao hahatakatra misimisy kokoa ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ireo andinin-tsoratra masina. Dia mandania minitra vitsivitsy hitadiavana valiny ho an’ireo fanontanianao.

Rehefa vitanao ilay asa atao dia manorata famintinana ny zavatra niainanao ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny toerana hafa izay afaka hahitanao izany ary zarao amin’ny mpitarika na vondrona miara-miofana aminao izany. Ampidiro ao (1) ireo zavatra sasany izay nianaranao momba ny lanjan’ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny fandalinana ny filazantsara sy (2) ny sasany amin’ireo hevi-baovao izay azonao momba ny olona sy ny toerana ary ny zava-nitranga tao amin’ny Lioka 5:12–26.

Famintinana sy Fampiharana

Ireo fitsipika hotsaroana

  • Ny sahan-kevitra dia manazava sy mitondra fahatakarana lalina ireo tantara, ireo fampianarana, ireo fotopampianarana, ary ireo fitsipika ao amin’ny lahatsoratra ara-tsoratra masina.

  • Ny votoatiny dia manome aina sy lanja an’ireo fotopampianarana sy fitsipika izay hita ao amin’ny soratra masina.

  • Ny fahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina dia manome fahafahana hahafantatra ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny filazantsara.

  • Mba hahatakarana ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny soratra masina dia tsy maintsy mametraka fanontaniana isika ary mizaha ireo loharano azo antoka hahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Fantaro ireo lesona ampianarin’ny soratra masina. Hianaro ny fampahalalana sy ny toe-javatra manodidina ireo fanoharana nataon’ilay Mpampianatra sy ireo fampitandreman’ireo mpaminany. Ianaro izany tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy, satria izany tokoa no fahamarinana” (Thomas S. Monson, “Be Your Best Self,” Ensign na Liahona, mey 2009, 68).

“Dia inona no tohiny?”

Hamaranana ity traikefa amin’ny fianarana ity dia soraty ireo zavatra sasantsasany izay hataonao araka ireo fitsipika izay nianaranao androany.

Hamoaka printy