Tahirim-pitaovana
Lesona 1: Ny Anjara Andraikitry ny Mpianatra


Lesona 1

Ny Anjara Andraikitry ny Mpianatra

Fampidirana

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ireo mpianatra mba hanatanterahany ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ny filazantsara. Mieritreritra ireo mpianatra indraindray fa miankina ireny ihany amin’ny mpampianatra ny andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Niresaka mikasika ny tokony hikatsahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manao hoe:

“Tena kely ireo olana sy fakam-panahy natrehin’ireo mpianatsika ireo vao dimy taona lasa izay raha mitaha amin’izay hitantsika amin’izao fotoana izao, ary mbola sarotra kokoa noho izany aza no miandry ao aloha ao. Tsapako fa … tsy ho ampy ny zavatra nataontsika sy ataontsika. Mila hery lehibe kokoa isika mba hahalatsa-paka ny filazantsara ao am-po sy ao amin’ny fiainan’ireo mpianatsika. …

“Tsy maintsy manana ny Fanahy ho namanao mandrakariva ianao mba hampianarana amin-kery, ary tsy ho ela velona ara-panahy ny mpianatrao raha tsy manana ny Fanahy miaraka aminy” (“The Spirit Must Be Our Constant Companion” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra eo anivon’ny DFF, ny 7 Febroary 2003], 1, si.lds.org).

Afaka manampy ireo mpianatra hiova fo tanteraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ianao rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina sy manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’izany hery izany. Mety mila mamerina hatrany hatrany ireo fitsipika nampianarina tao amin’ity lesona ity ianao ho fampahatsiahivana ireo mpianatra ny andraikitr’izy ireo ao an-dakilasy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny andraikitry ny tsirairay hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana

Asao ho eny aloha ny mpianatra iray. Hazavao fa tianao ny hanampy ilay mpianatra ho tonga matanjaka kokoa ara-batana. Aorian’izay dia manasà mpianatra iray faharoa ho eny aloha ary hanao pompe dimy.

Rehefa vitan’ilay mpianatra faharoa ireo pompe dimy dia anontanio ilay mpianatra voalohany hoe:

  • Nahatonga anao ho matanjaka kokoa ve ilay pompe teo?

Anontanio ireo mpianatra:

  • Inona no ifandraisan’ilay ohatra ara-panatanjahantena teo amin’ny andraikitrareo hianatra ny filazantsara? Iza no tompon’andraikitra amin’ny fianaranareo ny filazantsara?

Asao hamaky mafy ny F&F 88:118 ny mpianatra iray.

  • Araka ny hevitrao, midika inona aminao ny hoe “katsahonareo ny fianarana … amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana”? (Ampahatsiahivo fa mitaky ny ezaky ny tsirairay ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana.)

Sary
Loholona David A. Bednar

Nilaza mikasika ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Amporisiho handray an-tsoratra ity fanambarana ity any amin’izay hanaovany azy ireo mpianatra (mety ho ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy izany) mba hahafahan’izy ireo manovo fahalalana avy amin’izany matetika mandritra ny taom-pianaran’ny seminera:

“Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. … Tsy maintsy mampiasa finoana sy manao asa ny mpianatra iray mba hahafahany mahazo fahalalana ho an’ny tenany” (“Chercher la Connaissance par la Foi” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 03 Feb 2006], 3, si.lds.org).

Fandalinana manokana ny soratra masina isan’andro

Hazavao fa lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fikatsahana ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana ny fandalinana manokana ny soratra masina isan’andro.

Asao hamaky mafy ny Helamàna 3:29–30 ny mpianatra iray.

  • Araka ny eritreritrao, inona no maha samy hafa ny mamaky tsotra fotsiny ny Soratra masina sy ny “mihazona ny tenin’Andriamanitra”?

  • Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fihazonana ny tenin’Andriamanitra araka izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona avy ireo fitahiana hafa azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro?

  • Oviana ianao no nahazo fitahiana avy amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina isan’andro?

Rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, dia ataovy izay ahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa ny fandalinana ny soratra masina isan’andro dia mampatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona, sy manasa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika, ary manampy antsika hianatra ny filazantsara.

Asao hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina ny mpianatra :

  • Ahoana no ahazoanao manatsara ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity?

  • Inona no fiantraikan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fahatsapanao mikasika an’i Jesoa Kristy?

Asao mba hametraka tanjona handalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity ny mpianatra. Asao ihany koa izy ireo hametraka tanjona hamaky hatramin’ny farany ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny taona ianarana seminera. Afaka manolo-kevitra ianao ny mba hanoratany ireo tanjona ireo ao anatin’ny diary fandalinany Soratra masina. Ampahatsiahivo azy ireo fa afaka manampy azy amin’ireo zavatra takiana amin’ny Devoir Envers Dieu sy ny Mon Progrès Personnel ireo tanjona ireo.

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity. Aza mbola asiana soratra aloha eo amin’ilay kisary. Hosoratanao eo izany arakaraka ny handrosoan’ ny lesona.

Sary
Triangle Diagram

Asao hamaky mafy ny F&F 50:17–18 ny mpianatra iray.

  • Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, inona no takian’ny Tompo amin’ny mpampianatra ny filazantsara? (Hitory ny tenin’ny fahamarinana araka ny Fanahin’ny fahamarinana.)

Soraty eo amin’ny kisary ny hoe Fanahy Masina sy Mpampianatra, araka izay hita eo ambony. Zarao izay hevitrao mikasika ny fikatsahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mampianatra ianao. Ampio ireo mpianatra hahalala fa manao ezaka avy amin’ny fo mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy ianao mandritra ny fanomananao sy ny fampianaranao.

Asaivo asian’ireo mpianatra marika famantarana pejy ao amin’ny F&F 50 (satria mbola hiverina any amin’io andalana io ihany izy afaka kelikely). Asao hamaky mafy ny 2 Nefia 33:1 ny mpianatra iray.

  • Inona no ataon’ny Fanahy Masina ho an’ireo mpianatra mandritra ny fampianarana ny filazantsara?

Hazavao fa tsy maintsy manaiky ny handray andraikitra hianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mianatra ny filazantsara amin’ny fomban’ny Tompo. Asao hamaky amim-pahanginana ny F&F 50:19–21 ireo mpianatra.

  • Inona no tokony hosoratantsika eo amin’ny zoro ankavanana ambanin’ilay telozoro? (Asio soratra hoe Mpianatra.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe mandray ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy?

Mety ilainao ny hampianatra fitsipika vitsivitsy mikasika ny fahaiza-mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ampio ireo mpianatra mba hahafantatra fa mazàna ny Fanahy dia mifandray amintsika amim-pahatoniana amin’ny alalan’ny fahatsapantsika sy ny saintsika (jereo 1 Nefia 17:45; F&F 8:2–3). Ny Fanahy Masina ihany koa dia mitondra fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fahalemem-panahy, finoana, ary fanantenana (jereo Galatiana 5:22–23; F&F 11:12).

  • Inona no azonao atao ao amin’ny seminera mba hanomananao ny tenanao hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra ao anatin’izany fifanakalozan-kevitra izany fa fomba iray lehibe hianarana amin’ny alalan’ny Fanahy ny fahavononantsika hifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Ny Loholona Richard G. Scott

“Rehefa manambara ny tenin’ny fahamarinana ireo mpianatra, dia hamafisina ao anaty fanahiny izany [fahamarinana izany] ary manamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona manokana” (“To Understand and Live Truth” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra eo anivon’ny DFF, 04 Feb. 2005], 3, si.lds.org).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa Devoir Envers Dieu sy ny Mon Progrès Personnel ireo sosokevitra entina hizarana amin’ny hafa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Amporisiho izy ireo hizara ny traikefany ao amin’ny kilasin’ny seminera, ao amin’ny kôlejy na ao amin’ny kilasy fianarana any am-piangonana, ary mandritra ireo fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ireo namany. Hamafiso fa hampitombo ny fahafahan’izy ireo hifanakalo hevitra momba ny filazantsara amin’ny hafa Andriamanitra rehefa miezaka manazava, mizara, ary mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izy ireo.

Miverena indray eo amin’ilay kisary eo amin’ny solaitrabe. Asaivo mamaky mafy ny F&F 50:14, 22 ny mpianatra iray.

  • Ahoana no hamintinan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny anjara andraikitry ny Fanahy Masina, sy ny mpampianatra, ary ny mpianatra amin’ny fianarana ny filazantsara? (Hazavao fa mampianatra ny fahamarinana ny Fanahy Masina, izay antsoina ihany koa hoe ny Fanahy sy ilay Mpampionona eto amin’ity andininy ity. Tokony hampianatra amin’ny herin’ny Fanahy ny mpampianatra, ary tokony hianatra amin’ny alalan’izany hery izany ihany koa ny mpianatra.)

  • Inona no mitranga rehefa mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny mpianatra ary mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny mpampianatra? (Hazavao fa ny mahazo hery dia midika hoe mampitombo, mampatanjaka, manazava, na manatsara.)

Ohatra tamin’ny fianarana tamin’ny alalan’ny Fanahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Enôsa sy i Almà. Asao hamaky amim-pahanginana ny Enôsa 1:4–10 sy Almà 5:45–47 ireo mpianatra. (Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina ireto.) Avy eo dia mametraha fanontaniana hoe:

  • Inona no nataon’i Enôsa (na Almà) mba hianarany tamin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona no nataon’ny Fanahy ho an’i Enôsa (na Almà)?

Asao hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Bednar manaraka eto ity ny mpianatra iray:

“Mila mahatsiaro mandrakariva isika fa ny Fanahy Masina no mpampianatra izay afaka miditra ao am-pon’ny mpianatra, rehefa nasaina marina ho ao Izy” (“Chercher la Connaissance par la Foi,” 4).

  • Ahoana no ampiharana ireo zavatra nianarantsika hatreto, amin’ny andraikitrao manokana amin’ny maha mpianatra anao ato amin’ity kilasy ity? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia ataovy izay ahazoana antoka fa mahatakatra izy ireo hoe hanampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny Fanahy Masina rehefa sokafantsika ny fontsika ary mangataka amin’Andriamanitra amin’ny finoana isika.)

Apetraho ity fanontaniana ity hanampiana ireo mpianatra hikaroka fomba hoentin’izy ireo mifanampy mba hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy:

  • Inona avy ireo asa azontsika atao mba hanasantsika ny Fanahy ho ato amin’ny efitra fianarantsika? (Mety ho tafiditra ao anatin’ireo valinteny ny fihirana ny hira fanokafana, ny fitondrana soratra masina ao an-dakilasy sy ny fampiasana izany isan’andro, ny fahavononana hamaly fanontaniana sy hizara traikefa, ny fifampitondrana am-bavaka, ary ny fangatahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina.)

Apetraho izao fanontaniana manaraka izao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fanaovana zavatra ratsy dia afaka mitaona ihany koa ny mpiara-mianatra hafa:

  • Inona avy ireo karazan-toetra na fitondrantena izay manafintohina ny Fanahy ao amin’ny kilasin’ny seminera iray?

Asao ireo mpianatra mba hihevitra ny maha sarobidy ny fananana ny Fanahy Masina tahaka ny mpampianatra azy.

  • Oviana ianao no nahatsapa ny niasan’ny Fanahy amin’ny maha mpampianatra Azy?

Farano amin’ny fanasana ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana rehefa mianatra ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny seminera amin’ity taona ity ny lesona. Mety ilainao ny hanara-maso ireo mpianatra mandritra ny taona mba hamporisihana azy ireo hanohy izany ezaka izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Fandalinana ny soratra masina isan’andro

“Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanoro hevitra antsika handalina ny soratra masina isan’andro, dia ilay fandalinana ataon’ny tena manokana izany sy ilay atao miaraka amin’ny fianakaviana. Namporisika antsika izy ireo, tahaka ny namporisihan’i Nefia ireo rahalahiny, mba hampihatra amin’ny tenantsika ny soratra masina, hikaroka fomba izay azo ampiharana ireo tantara masina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny (jereo ny 1 Nefia 19:23–24). Mamporisika antsika ‘handinika ny soratra masina’ (Jaona 5:39) sy ‘hivoky amin’ ny tenin’ i Kristy’ izy ireo (2 Nefia 32:3).

“Hahazo tombon-tsoa lehibe amin’ny fanarahana ity torohevitra ity ianao. Manampy anao ho mora handray ny bitsiky ny Fanahy Masina ny fandalinana soratra masina amim-pahamatorana sy isan’andro. Manorina ny finoanao izany, mampatanjaka anao amin’ny fanoherana ny fakam-panahy ary manampy anao hanatona akaikikaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahy Malalany.

“Manaova drafitra ho an’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Manokana fotoana isan’andro handalinana ny soratra masina. Mandritra izany fotoana izany dia mamakia tsara ary aoka ianao hihaino izay bitsiky ny Fanahy. Angataho ny Raintsika any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra tiany hianaranao sy hataonao.

“Tohizo ny famakiana ny soratra masina mandritra ny androm-piainanao manontolo, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Hiverina hahita hatrany hatrany ireo harena sarobidy ao amin’ny soratra masina ianao, ary hahita hevitra sy fampiharana vaovao ao amin’izy ireo rehefa mandalina azy ireo ao anatin’ny ambaratongam-piainana samihafa” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], “Soratra masina,” 156).

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Raha tsy dia raharahaintsika loatra ny fandalinana ny soratra masina, dia lasa tsy dia raharahaintsika loatra ny vavaka ataontsika.

“Mety tsy hitsahatra ny hivavaka isika, saingy ho lasa famerimberenana teny, sy atao tsy am-piheverana, ary tsy misy finiavana marina ny vavaka ataontsika. Tsy afaka ny hanakaiky Andriamanitra izay tsy fantatsika ny fontsika, ary ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona no manampy antsika ahafantatra Azy” (“Prayer,” Ensign, nôv. 2001, 17).

2 Nefia 33:1. Manokatra ny fontsika amin’ny Fanahy Masina

Vakio mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonareo mikasika ny 2 Nefia 33:1, ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Nampianatra antsika i Nefia hoe: ‘Fa rehefa miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ ny Fanahy Masina dia mitondra ny hafatra hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona’ (2 Nefia 33:1). Mba jereo hoe ahoana no fomba hitondran’ny herin’ny Fanahy ny hafatra hankany amin’ny fa tsy voatery hoe ao anatin’ny fo. Afaka manazava, maneho an-tsary, mandresy lahatra, ary mijoro ho vavolombelona ny mpampianatra iray, ary manao izany amin’ny alalan’ny hery ara-panahy lehibe sy ny fahaiza-manao ananany. Amin’ny farany anefa, dia rehefa mamela azy ireo hiditra ny mpandray vao miditra ao am-po ny votoatin’ny hafatra sy ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy Masina. …

“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina—ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony izay manamafy” (“Chercher la Connaissance par la Foi” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 03 Feb 2006], 1, 3, si.lds.org).

Hamoaka printy