Tahirim-pitaovana
Lesona 24: 2 Nefia 2 (Fizarana 2)


Lesona 24

2 Nefia 2 (Fizarana 2)

Fampidirana

Nifantoka tamin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny lesona teo aloha tao amin’ny 2 Nefia 2. Mifantoka amin’ny fampianaran’i Lehia mikasika ny fotopampianaran’ny safidy malalaka ity lesona ity ka tafiditra ao anatin’izany ilay fahamarinana fa manana fahalalahana hisafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Hanana fahafahana hifampianatra ny mpianatra ao anatin’ity lesona ity. Manomàna taratasy zaraina izay ahitana ireo torolalana ao anatin’ity lesona ity alohan’ny fotoam-pianarana. Fantaro tsara ny andian-torolalana tsirairay mba hahafahanao manampy ny mpianatra rehefa miomana ny hampianatra izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 2:11–18, 25–30

Mampianatra mikasika ny safidy malalaka sy ny vokatry ny safidintsika i Lehia

Ampahatsiahivo fohifohy an’ireo mpianatra fa tany amin’ny lesona teo aloha dia nandalina ireo fampianaran’i Lehia tao amin’ny 2 Nefia 2 mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo. Nanome fahafahana antsika ho tonga ety an-tany ny safidin’i Adama sy i Eva (jereo ny 2 Nefia 2:25), izay toerana iainantsika alahelo sy fanaintainana ary fahafatesana. Manavotra antsika amin’ny Fahalavoana sy manolotra fanavotana amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana (jereo ny 2 Nefia 2:26). Afaka ny hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay isika na ny fahababoana sy ny fahafatesana noho ny Sorompanavotana (jereo ny 2 Nefia 2:27).

Hazavao amin’ny mpianatra fa hanana fahafahana ny hifampianatra ireo fitsipiky ny safidy malalaka izay nohazavain’i Lehia tamin’i Jakôba zanany lahy izy ireo rehefa manohy ny fandalinany ny 2 Nefia 2 ao amin’ity lesona ity. Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra. Omeo ny iray amin’ireto andian-torolalana manaraka ireto ny vondrona tsirairay mba hanampiana azy ireo hampianatra (manomàna taratasy zaraina ahitana ireo torolalana ireo alohan’ny fotoam-pianarana). Raha toa ka latsaky ny efatra ny mpianatra dia omeo andian-torolalana iray ny mpianatra tsirairay ary ampianaro ny fampahalalana hita ao amin’ireo andiany ambiny.

Ahitana asa ampanaovina dimy ao anatin’ny andian-torolalana tsirairay. Amporisiho ny mpianatra rehetra mba handray anjara amin’ny alalan’ny fanaovana izay ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona tsirairay asa ampanaovina iray. Afaka mizara ny asa ampanaovina ny mpianatra raha toa ka mihoatra ny dimy ny ao anatin’ny vondrona. Mila manao asa ampanaovina mihoatra ny iray ny olona sasany ao anatin’ny vondrona izay ahitana mpianatra latsaky ny dimy. Ampahafantaro ny mpianatra fa hanana eo amin’ny telo minitra eo izy ireo hiomanana ary ny vondrona tsirairay dia hanana eo amin’ny dimy minitra eo hampianarana.

Vondrona 1: Noharian’Andriamanitra isika mba hanao asa

  1. Mijoroa eny aloha dia tazony ambony ny vato iray. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 2:14. Alohan’ny hamakiana dia angataho ny mpianatra mba hitady ny famaritan’i Lehia karazan-javatra roa izay noharian’Andriamanitra tany an-danitra sy teto an-tany. (“Zava-mihetsika sy zavatra hetsehina.”) Anontanio hoe: Inona no ifandraisan’izany andinin-tsoratra izany amintsika sy ilay vato? (Nohariana isika mba hihetsika ary nohariana ny vato mba hetsehina. Tsy afaka manetsi-tena toy ireo zavatra maro hafa nohariana ny vato.)

  2. Mangataha mpianatra iray mba hamaky ny fehezanteny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 2:16. Anontanio ny mpianatra hoe: Nahoana no zava-dehibe ny mihetsika ho an’ny tenantsika araka ny eritreritrao ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra? Rehefa avy namaly ny mpianatra dia anontanio hoe: Ahoana no fisehon’ny hoe, indraindray isika miandry hetsehina fa tsy manetsika ny tenantsika?

  3. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe F&F 58:26–28. Asao ny mpianatra mba hijery io andinin-tsoratra masina io. Tariho izy ireo mba hiaraka hamaky izany mafy.

  4. Anontanio hoe: Inona no ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28 mikasika ny hoe manetsika ny tenantsika? Inona avy ireo fomba sasantsasany izay azontsika katsahana mba hirotsahana amim-pientanentanana amin’ny fampahatongavana fahamarinana fatratra? Oviana no nahitanao fa nahatonga fahamarinana fatratra ny fahazotoanao? (Afaka mizara ny zavatra iray niainanao koa ianao rehefa avy namaly ny mpianatra iray na roa.)

  5. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny lanjan’ny fanetsehana ny tenantsika sy ny fikatsahana ny hahatonga fahamarinana fatratra.

Vondrona 2: Fitaomana ratsy sy fitaomana tsara

  1. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny fehezanteny faharoa ao amin’ny 2 Nefia 2:16. Anontanio ny mpianatra hoe: Inona no dikan’ilay teny hoe mitaona? (Manasa, mandresy lahatra na misarika.)

  2. Anontanio ny mpianatra hoe: Inona avy ireo fomba sasantsasany hitaoman’ny Ray any an-danitra antsika hanao ny tsara? (Mety hilaza ny mpianatra hoe bitsiky ny Fanahy Masina, fitahiana nampanantenaina noho ny fankatoavana ny didy ary fampianaran’ireo mpaminany.)

  3. Vakio mafy ny 2 Nefia 2:17–18 ary asao ny mpianatra hanaraka ao anatin’ny soratra masiny. Angataho izy ireo mba hitady ny zavatra katsahin’ny devoly amintsika rehetra. (Tiany ho fadiranovana isika.)

  4. Anontanio hoe: Ahoana no ahafahanao mahafantatra izay fitaomana avy amin’Andriamanitra sy izay fitaomana avy amin’ny devoly? (Azonao atao ny mampiasa ny Môrônia 7:16–17 ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity.) Rehefa avy namaly ny mpianatra dia anontanio hoe: Inona avy ireo ohatra sasantsasany maneho ireo zavatra izay mitaona ny olona hanao ratsy ary mitondra any amin’ny fahoriana?

  5. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fitaoman’Andriamanitra izay mitondra hatsarana sy fifaliana ary ny fitaoman’ny devoly izay mitondra faharatsiana sy fahoriana. Azonao atao ao anatin’ny fijoroanao ho vavolombelona ny mizara zavatra niainana iray izay maneho fa marina izany.

Vondrona 3: Tompon’andraikitra amin’ny safidintsika isika

  1. Vakio amin’ny mpianatra ity fanambarana ity:

    “Manana fahafahana hisafidy sy hanao zavatra ianao, kanefa tsy manana fahafahana hisafidy ny vokatry ny zavatra nataonao. Mety tsy tonga dia hitranga eo no ho eo ihany ny vokany, saingy hitranga foana izany” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra momba ny Filazantsara [2004], 12).

    Anontanio hoe: Inona avy ireo ohatra sasantsasany ahitana voka-javatra izay mety tsy tonga dia hitranga eo no ho eo ihany fa mety hitranga? (Ny ohatra azo omena dia ny hoe vokatry ny fifohana sigara ny homamiadana.)

  2. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 2:26–27 ary hitady ireo teny sy andian-teny izay mampiseho ny vokatry ny safidy ataontsika ankehitriny rehefa any aoriana any. Angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany. (Mety ahitana izao ny valiny “famaizan’ny lalàna amin’ny andro lehibe sady farany,” “fahafahana,” “fiainana mandrakizay,” “fahafatesana,” ary “fahababoana.”) Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.

  3. Anontanio hoe: Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra ny vokatr’ireo safidy ataontsika eto amin’ity fiainana ity? Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia anontanio hoe: Ahoana no ahafahan’ireo vokany ireo mamporisika antsika mba hanao safidy tsara?

  4. Hazavao fa afaka “hifidy ny fahafahana” isika araka ny nolazain’i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 2:27. Anontanio hoe: Araka ny zavatra efa niainanao dia ahoana no fomba hanampian’ny safidy tsara antsika mba hananana fahafahana malalaka hisafidy foana? Afaka manome ohatra momba izany ve ianao? (Miomàna mba hizara ohatra iray avy aminao.)

  5. Mijoroa ho vavolombelona fa tompon’andraikitra amin’ny safidintsika isika ary miseho aorian’ny safidintsika foana ny vokany.

Vondrona 4: Misafidy ny anjara tsara

  1. Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny 2 Nefia 2:28. Angataho ny mpianatra mba hitady zavatra efatra izay nirian’i Lehia mba hataon’ny zanany. Rehefa voavaky ilay andinin-tsoratra masina dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  2. Anontanio hoe: Inona avy ireo fomba azontsika alain-tahaka avy amin’ilay Mpanalalana Lehibe, Jesoa Kristy, mba hanampiana antsika hanao safidy tsara?

  3. Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 2:29. Anontanio ny mpianatra hoe: Ahoana no ahafahan’ireo safidy ataontsika manome hery ny devoly mba hambabo antsika? Lazao mandritra io fifanakalozan-kevitra io fa ny ankamaroan’ny fakam-panahin’i Satana dia miompana amin’ny “sitrapon’ny nofo,” sy ny filantsika ara-batana. Rehefa tafalatsaka ao anatin’ireo fakam-panahy ireo ny olona dia lasa manana fahazaran-dratsy handray zavatra manimba sy haneho fihetsika manimba.Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

    “Mety hiteraka toe-javatra hiverimberina na dia toa jerena tsy manan-danja aza ny fanandraman-javatra voalohany. Miteraka fahazarana ny fitsapana. Miteraka fianteherana amin-javatra ny fahazarana. Miteraka fiankinan-doha ratsy ny fianteherana amin-javatra. Tena mandady tsikelikely ny famatorany. Kely loatra ny fahatsapana ireo rojo mangejan’ny fahazarana ka rehefa lasa mafy loatra izy ireo vao hita fa tsy hay tapahina intsony. … Gejain’ny fiankinan-doha ratsy aty aoriana ny fahafahana misafidy” (“Addiction or Freedom,” Ensign, Nôv. 1988, 6–7).

    Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan-toetra izay mitondra fahafahana amin’ny fahazarana sy fiankinan-doha manimba.

  4. Vakio amin’ny mpianatra ny 2 Nefia 2:30. Eo am-panarahany izany dia asao izy ireo hifantoka amin’ireto teny ireto: “Efa nifidy ny anjara tsara aho.” Anontanio hoe: Inona no ampianarin’izany fanambarana izany momba an’i Lehia?

  5. Angataho ny mpianatra mba hifantoka amin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Iza araka ny eritreritrareo no “nifidy ny anjara tsara” toa an’i Lehia? Amin’ny fomba ahoana no tianareo hanarahana ny ohatra nasehon’io olona io? Rehefa nanana fotoana nisaintsainana ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray na roa mba hizara izay eritreriny. Dia zarao avy eo izay eritreritrao.

Fanamarihana ho an’ny mpampianatra: Hamaranana azy dia asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe moa ve ny safidiny mitondra azy ireo any amin’ny fahafahana sy fiainana mandrakizay sa any amin’ny fahababoana sy fahafatesana ara-panahy ary fahoriana. Omeo toky ny mpianatra fa izay safidy ratsy efa nataony dia azo resena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny fahafahany manome hery anao ao anatin’ny ezaka ataonao mba hanao safidy izay hitondra fifaliana sy fiainana mandrakizay.

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 2:27

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny 2 Nefia 2:27, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay toy izao manaraka izao: N i d a n o a n n; a o a n z r i i n o. A a i n h n f s n f m a a I M l o n h n f s n f a n f s n f d; s k n h n o h o t a (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika amin’ny fomba miavaka an’io andinin-tsoratra masina io mba hahafahan’izy ireo mahita izany haingana.)

Asaivo miaraka mitanisa ny 2 Nefia 2:27 ny mpianatra (azony ampiasaina araka izay ilany azy ny soratra masiny) mandrapahavitan’izy ireo mitanisa ilay andininy iray manontolo amin’ny alalan’ny fampiasana ny tarehintsoratra voalohany monja mba hanampiana azy ireo. Dia vonoy ny ankamaroan’ireo tarehintsoratra ary asaivo miaraka mitanisa indray ilay soratra masina izy ireo. Tohizo izany fomba arahina izany mandra-pialan’ireo tarehintsoratra rehetra ary mandra-pahafahan’ny mpianatra mitanisa avy ao an-tsainy ilay andinin-tsoratra masina iray manontolo. Azonao atao ao anatin’ity asa atao ity ny mitanisa ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ny soratra masina anankiray notadidiana dia lasa namana maharitra izay tsy mety lefin’ny fotoana mandalo” (“The Power of Scripture,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 6).

Fanamarihana: Mety hanana fotoana hanaovana ity asa ity ianao mandritra ny lesona. Raha tsy manana fotoana ianao dia ampiasao any amin’ny lesona hafa izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 2:29. “Ny sitrapon’ny nofo sy ilay ratsy izay ao anatiny”

Tsy midika io andininy io hoe mifono faharatsiana ny vatantsika. Fa mamaritra kosa ny endrika irain’ilay toetry ny fahalavoantsika izany. Ny Miorim-paka amin’ny Finoana dia ahitana ity fanazavana ity: “Ao anatin’io toetry ny fahalavoana io dia ahitana fisafotofotoana ao anatintsika. Fanahy zanak’ Andriamanitra isika ary manana fahafahana ny ‘ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra’ (2 Petera 1:4). Kanefa, ‘tsy mendrika eo anoloan’[Andriamanitra isika]; noho ny fahalavoana dia efa zary ratsy lalandava ny toetrantsika’ (Etera 3:2). Mila miezaka hatrany isika mba handresy ireo firehetampo sy faniriana” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra momba ny Filazantsara [2004], 57).

Hamoaka printy