Tahirim-pitaovana
Môrmôna


FAMPAHAFANTARANA Ny Bokin’i Môrmôna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Eo am-pandalinana ity boky ity dia hianatra lesona manan-danja avy amin’i Môrmôna ireo mpianatra, izay mpianatr’i Jesoa Kristy niaina tamim-pahatokiana na dia voahodidin’ny “sarin’ ny faharatsiana sy ny fahavetavetana mandrakariva” (Môrmôna 2:18) aza izy nandritra ny androm-piainany. Hahazo tombontsoa koa ireo mpianatra avy amin’ny fandalinana ny tenin’i Môrônia, izay nijoro ho vavolombelona amin’ireo mpandalina amin’ny andro farany fa “efa nasehon’ i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo” (Môrmôna 8:35). Eo am-pamakian’ireo mpianatra mikasika ny faharavana izay vokatry ny faharatsian-toetran’ireo Nefita dia hianatra ny maha zava-dehibe ny fiainana mifanaraka amin’ireo didy sy fanekempihavanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nanoratra ireo toko fito voalohany ao amin’ity boky ity ho toy ny famintinana ny tantaran’ny faharatsiana sy ady teo anivon’ny Nefita sy Lamanita tamin’ny androny i Môrmôna. Nirakitra feno ny tantaran’ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany tao amin’ny takelaka lehiben’i Nefia koa izy (jereo ny Môrmôna 2:18; 5:9). Fony 10 taona i Môrmôna dia nomen’i Amarôna mpihazona rakitsoratra andraikitra ny hihazona ny rakitsoratra masina izy rehefa tonga taona. Nasaina nirakitra ny zava-drehetra efa nodinihiny mikasika ny vahoaka izy (jereo ny Môrmôna 1:4). “Novangian’ ny Tompo sy nanandrana ary nahafantatra ny amin’ ny hatsaram-pon’ i Jesoa” i Môrmôna teo amin’ny faha 15 taonany (Môrmôna 1:15). Tamin’io taona io ihany koa no nanendren’ny Nefita an’i Môrmôna ho mpitari-tafika (jereo ny Môrmôna 2:1). Vokatry ny fankatoavany ny torohevitr’i Amarôna dia nahazo ny takelaka lehiben’i Nefia izy taty aoriana ary nanomboka nirakitra ny tantara. Nanambatra ireo takelaka lehiben’i Nefia koa izy, izay ahitana ny rakitsoratr’ireo mpaminany sy mpihazona rakitsoratra hatramin’ny andron’i Lehia ka hatramin’ny andron’i Amarôna ary nanatsofoka ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ilay famintinana. Nametraka ireo rakitsoratra rehetra tao amin’ny Havoan’i Komôrà i Môrmôna tamin’ny faramparan’ny andro niainany, ankoatr’ireo takelaka vitsy izay nomeny an’i Môrônia zanany lahy (jereo ny Môrmôna 6:6). Nitarika ny Nefita tamin’ny ady farany nataony tamin’ny Lamanita izy avy eo. Nilaza tamin’i Môrônia i Môrmôna talohan’ny nahafatesany mba hamarana ny rakitsorany. I Môrônia no nampiditra ireo teny izay nahazoana ny toko faha 8–9 an’ity boky ity.

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

Nanoratra ho an’ireo Jentilisa sy mpikambana ao amin’ny taranak’i Isiraely amin’ny andro farany, mba hahafahany “mandresy lahatra anareo rehetra faran’ ny tany mba hibebaka sy hiomana ny hijoro eo anoloan’ ny toeram-pitsaran’ i Kristy” (Môrmôna 3:22) i Môrmôna. Rehefa namarana ny bokin-drainy i Môrônia dia niresaka mivantana amin’ireo izay hamaky ny teniny. Nananatranatra azy ireo ny amin’ny vokatry ny otany sy nanasa azy ireo “[h]anatona ny Tompo amin’ny fo[ny] manontolo” (Môrmôna 9:27) izy.

Oviana ary taiza no fotoana nanoratana azy?

Nanoratra ny toko 1–7 an’ity boky ity tokony ho manodidididina ny taona 345 taorian’i J.K sy 401 taorian’i J.K i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 2:15–17; 8:5–6). Namarana ny rakitsorany izy taorian’ny ady farany nifanandrinan’ny Nefita sy ny Lamanita teo Komôrà tamin’ny 385 taorian’i J.K 385 (jereo ny Môrmôna 6:10–15; 7:1). Mety ho nanoratra ny toko faha 8–9 teo amin’ny manodidididina ny taona 401 taorian’i J.K sy 421 taorian’i J.K i Môrônia nandritra ny fivezivezeny “mba tsy hamongorana ny ainy” (jereo ny Môrmôna 8:4–6; Môrônia 1:1–3).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Maneho ny fahatanterahan’ny faminanin’i Nefia, Almà, Samoela ilay Lamanita ary i Jesoa Kristy mahakasika ny faharavan’ny Nefita ity boky ity (jereo ny 1 Nefia 12:19; Almà 45:9–14; Helamàna 13:8–10; 3 Nefia 27:32). Nolazain’i Môrmôna fa “rakitsoratro momba ny famongorana ny […] vahoakako” ireo rakitsoratra sasantsasany (Môrmôna 6:1). Nampiseho izy fa vokatry ny faharatsiany no nahatonga ny faharavan’ny Nefita (jereo ny Môrmôna 4:12; 6:15–18).

Topimaso ankapobeny

Môrmôna 1 Namepetra an’i Môrmôna mba hihazona rakitsoratra ho an’ny vahoaka tamin’ny androny i Amarôna. Nandresy ny Lamanita tamin’ny ady ny Nefita. Nihanaka nanerana ny tany ny faharatsiana, nitsahatra tsy niasa teo anivon’ny vahoaka ireo Nefita telo lahy ary nosintonina tamin’ny toe-javatra rehetra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Na izany aza anefa dia “novangian’ny Tompo” i Môrmôna.

Môrmôna 2–3 Nanendry an’i Môrmôna ho mpitari-tafika ireo Nefita. Nitarika azy ireo tamin’ny ady natao tamin’ny Lamanita nandritra ny 30 taona izy. Na dia teo aza ny faharavana sy fijaliana goavana dia nandà ny tsy hibebaka ny Nefita. Nalain’i Môrmôna tao amin’ny havoana antsoina hoe Sîma ireo takelak’i Nefia ary nanomboka nanoratra izy. Taorian’ny fandresena maromaro dia nanomboka nirehareha tamin’ny tanjany manokana ny vahoaka ary nianiana hanao valifaty amin’ireo Lamanita. Tsy nanaiky ny hitarika azy ireo intsony i Môrmôna. Nanoratra izy mba handresena lahatra ny vahoaka rehetra amin’ny andro farany mba hiomana ny hijoro manoloana ny sezam-pitsaran’i Kristy.

Môrmôna 4 Nitohy nifanandrina tamin’ny Lamanita ireo Nefita na dia tsy nitarika intsony aza i Môrmôna. An’arivony no maty teo amin’ny ankolafy roa. Tanatin’ny faharatsiana bebe kokoa mihoatra ny teo amin’ny tantarany rehetra ireo taranak’i Lehia, ary nanomboka nandringana ireo Nefita ny Lamanita. Nihazona ireo rakitsoratry ny Nefita i Môrmôna ary namindra azy ireo avy tany amin’ny havoana Sîma nankany amin’ny havoana Komôrà.

Môrmôna 5–7 Niverina nitarika ny tafika Nefita i Môrmôna na dia fantany aza fa ho rava izany. Naminany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna izy. Namory ireo Nefita teo Komôrà mba hifanandrina amin’ireo Lamanita amin’ny ady farany izy. Nitomany ny faharavan’ny vahoakany izy taorian’ilay ady. Nanoratra i Môrmôna mba handresy lahatra ireo taranaka Lamanita hino an’i Jesoa Kristy sy hatao batisa.

Môrmôna 8–9 Nanohy nanoratra tamin’ny rakitsoratra i Môrônia taorian’ny fahafatesan’i Môrmôna. Naminany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ao anatin’ny andron’ny tsy finoana sy faharatsiana izy. Nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy izy ary nampianatra fa hitondra fahagagana sy famantarana ny fametrahana finoana Aminy. Manentana ireo izay mamaky ny teniny izy mba hanatona ny Tompo ary ho voavonjy.

Hamoaka printy