Tahirim-pitaovana
Lesona 43: Jakôba 1–Jakôba 2:11


Lesona 43

Jakôba 1Jakôba 2:11

Fampidirana

Taorian’ny nahafatesan’i Nefia dia nanomboka “somary nanaram-po ihany tamin’ ny fomba ratsy” ny Nefita nandritra ny fitondran’ny mpanjaka iray vaovao (Jakôba 1:15). I Jakôba sy i Josefa rahalahiny dia nohosoran’i Nefia ho mpisorona sy mpampianatra ho an’ny vahoaka, ary niasa tamim-pahazotoana tokoa izy ireo handresena lahatra ny vahoaka hibebaka sy hanatona an’i Kristy. Nankatoavin’i Jakôba ny didin’i Nefia mikasika ny tokony hiraketana an-tsoratra ireo fampianarana sy fanambarana ary faminaniana masina ho ao amin’ireo takelaka kely.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 1:1–8

Nirakitra ireo fahamarinana masina i Jakôba ary niasa mafy mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy

Angataho ireo mpianatra mba hanome ohatra maromaro amin’ireo karazana mpitarika misy ao amin’ny fisoronana. (Mety ahitana ireto ny valiny: mpaminany sy apôstôly, Manampahefana Ambony, filohan’ny tsatòka, eveka, ary filohan’ny kôlejy.) Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara fohifohy ny fomba sasantsasany nahazoan’izy ireo fitahiana teo amin’ny fiainany noho ny asa fanompoan’ny fisoronana nataon’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

Hazavao fa nohosoran’i Nefia ho mpisorona sy mpampianatra eo anivon’ny vahoaka i Jakôba sy Josefa zandriny lahy (jereo ny 2 Nefia 5:26; Jakôba 1:18). Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny androm-piainan’i Nefia dia nampandraiketiny an’i Jakôba ireo takelaka izay nirakitra ny rakitsoratry ny vahoakany.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Jakôba 1:1–4. Asaivo fantarin’izy ireo hoe inona no nodidian’i Nefia mba horaketin’i Jakôba ao amin’ireo takelaka, ary noho ny antony inona. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ireo torolalana nomen’i Nefia an’i Jakôba.) Rehefa avy nahazo fotoana ampy ireo mpianatra nahafahany namaky dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hilaza amin’ny iray kilasy izay zavatra hitan’izy ireo.

Raha toa ka tsy nomarihan’ireo mpianatra dia mariho manokana ny fehezanteny farany ao amin’ny Jakôba 1:4—hoe “noho ny amin’ny olonay.”

  • Inona no hevitr’ilay fehezanteny hoe “noho ny amin’ny olonay”? (Ho an’ny tombotsoan’izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 1:5–6. Angataho ny iray kilasy mba hamantatra hoe inona no zavatra izay nambaran’ny Tompo tamin’i Jakôba sy i Josefa fa hanampy azy ireo hampianatra ny vahoakany. (Azonao hazavaina fa ny hoe “fanahiana lehibe” dia milaza ny fanahiana lehibe nananan’izy ireo mikasika ny vahoaka.)

  • Inona no zavatra nambaran’ny Tompo tamin’i Jakôba sy i Josefa? (Nasehony azy ireo izay zavatra hanjo an’ireo Nefita amin’ny ho avy, ary nanambara antsipiriany koa Izy mikasika ny fiavian’i Kristy.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nahafahan’i Jakôba sy i Josefa nahazo fanampiana entina mampianatra ny vahoakany noho ny fahafantarana ireo zavatra ireo?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe mandresy lahatra. Asaivo mamaky amim-pahanginana ny Jakôba 1:7–8 ireo mpianatra, sady mitady izay zavatra tian’i Jakôba sy i Josefa handresena lahatra ny vahoaka mba ho ataony. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika izay zavatra hitan’izy ireo.) Mangataha mpianatra maromaro mba ho eny amin’ny solaitrabe hanoratra zavatra anankiray izay hitany tamin’izany.

Angataho ireo mpianatra hanondro ny fehezanteny iray na roa avy ao amin’ny lisitra eo amin’ny solaitrabe izay tian’izy ireo mba ho takatra bebe kokoa. Rehefa misy mpianatra manondro ireo fehezanteny ireo dia anontanio sao dia misy mpianatra hafa afaka manampy hanazava izany. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra dia mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

“Hiditra ao amin’ny fitsaharany”—Ny hoe miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo dia midika hoe miaina fiadanana mandritra ity fiainana ity ary mandray ny “fahafenoan’ny voninahi[tr’ Andriamanitra]” any amin’ilay fiainan-ko avy (F&F 84:24).

“Hibanjina ny fahafatesan[’ i Kristy]”—ny famaritana iray ny hoe mibanjina dia ny mijery na ny mandinika amim-pitandremana. Tamin’i Jakôba nanoratra fa hoe maniry ny handresy lahatra ny olona izy mba “hino an’ i Kristy ary hibanjina ny fahafatesany,” ny mety ho niriany dia ny mba handinihan’izy ireo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amim-pitandremana, ny hahatonga saina azy ireo ny maha zava-dehibe azy io, ary ny hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana mikasika izany.

“Hiaritra ny hazofijaliany”—Ity andian-teny ity dia miresaka momba ny finiavantsika handà ireo toetra tsy araka an’Andriamanitra sy ireo filàna arak’izao tontolo izao ary hitandrina ireo didin’ny Tompo (jereo ny Dikatenin’i Joseph Smith, Matio 16:26; Lioka 9:23; 2 Nefia 9:18). Izy io koa dia miresaka momba ny finiavantsika haharitra ary hanao sorona eo am-panarahantsika ny Mpamonjy.

“Hizaka ny henatr’izao tontolo izao”—Ity andian-teny ity dia miresaka momba ny fitandremana ny didy na dia eo aza ny faneren’izao tontolo izao, sy ny fandrabirabiana, ary ny fanoherana izay tonga matetika amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Asaivo fintinin’ireo mpianatra izay zavatra nianarany avy tao amin’ny Jakôba 1:1–8 mikasika ny andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia antitrantero fa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia miasa amim-pahazotoana mba hanampiana antsika hanatona an’i Kristy. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no fomba fiasan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanampiana antsika hanatona an’i Kristy?

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hanoratana ao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ireo fomba izay nanampian’ireo mpaminany na mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana azy ireo teo amin’ny sehatra iray na roa amin’ireo sehatra izay hitan’izy ireo tao amin’ny Jakôba 1:7–8. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara izay zavatra nosoratany. (Ampahatsiahivo izy ireo fa tsy ilaina ny hizaran’izy ireo zavatra izay tena mikasika loatra ny tena manokana.)

Jakôba 1:9–2:11

Nampitandreman’i Jakôba ny vahoaka mikasika ny faharatsian’izy ireo

Amporosiho ireo mpianatra handinika ity fanontaniana manaraka ity mandritra ny fotoana sisa amin’ity lesona ity:

  • Nahoana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no mampitandrina antsika amin’ny fahotana?

Noraketin’i Jakôba fa taorian’ny nahafatesan’i Nefia rahalahiny, dia nanomboka nanaram-po tamin’ny fomba ratsy sasantsasany ny vahoaka. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Jakôba 1:15–16. Asao izy ireo hitady sehatra telo izay nanahiran-tsaina an’i Jakôba. (Raha vao misy mpianatra mamaly dia azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe tsy fahadiovam-pitondrantena, fiainana araka izao tontolo izao, ary avonavona.)

Asaovy mamaky amim-pahanginana ny Jakôba 1:17–19 ireo mpianatra, sady mitady izay zavatra nataon’i Jakôba sy i Josefa mba hanampiana ny vahoakany. Asaivo manao tatitra izay zavatra hitany izy ireo. Manasà ankizy iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mahazo “fanendrena […] avy [a]min’ny Tompo”? (Jakôba 1:17). (Mianatra izay tian’ny Tompo hataontsika.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ireo fomba hitadiavan’ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana izay fanendrena avy amin’ny Tompo ho azy ireo (izay zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo) rehefa miomana hampianatra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Angamba efa fantatrareo (fa raha tsy fantatrareo dia tokony ho fantarinareo) fa tsy misy lehilahy na vehivavy izay mandray fitenenana [amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana] ka omena lohahevitra iray ho resahany, fa tena mahalana vao misy an’izany. Tsy maintsy mifady hanina sy mivavaka ny tsirairay ary mandalina sy mikaroka, mamerimberina manoratra ny lahateniny mandra-pahazoan’izy ireo toky fa amin’ity fihaonambe ity sy amin’ity fotoana ity, ny lohahevitr’izy ireo no tian’ny Tompo hozarainy na inona na inona fanirian’izy ireo manokana na zavatra tian’izy ireo horesahina. … Samy nitomany ny tsirairay ary niahiahy sy nitady mafy ny fitarihan’ny Tompo mba hitantana ny eritreriny sy ny teniny.” (“Faneva ho an’ireo Firenena,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 111).

  • Inona no ataon’ireo mpandahateny amin’ny fihaonambe mba hikatsahana ny zavatra izay anirahan’ny Tompo azy ireo?

  • Fa nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mikatsaka ny hampianatra antsika izay tian’ny Tompo ho fantatsika? Inona no mety ho fiantraikan’ny fitadidiana izany ao an-tsaina eo amin’ny toe-panahintsika rehefa mihaino azy ireo mampianatra?

  • Araka ny Jakôba 1:19, dia inona no andraikitr’i Jakôba sy i Josefa? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa manana andraikitra nomen’Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hampianatra ny tenin’Andriamanitra sy hampitandrina mikasika ny fahotana. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Fa nahoana no fitahiana ny fananana ray aman-dreny sy mpiarika ao amin’ny Fiangonana izay mampitandrina antsika mikasika ireo toe-tsaina sy fihetsika izay miendrika fahotana?

  • Inona no teny nampiasain’i Jakôba hamariparitana ny fomba tokony hampianaran’izy ireo? Inona no ho vokany raha toa izy ireo ka tsy nanatontosa ny andraikitr’izy ireo?

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra mikasika izay mety ho fahatsapana hananany raha toa izy ireo ka manana antso ho mpitarika toa an’i Jakôba, ary entanin’ny Fanahy hiantso ny vahoaka hibebaka noho ny fahalotoam-pitondrantena, sy ny fanarahana an’izao tontolo izao ary ny avonavona. Zarazarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ireo izay tafaraka hifandimby hifamaky ny ao amin’ny Jakôba 2:1–3, 6–7, 10–11. Asao izy ireo hamantatra ireo andian-teny izay milaza ny fandraisan’i Jakôba ny asany hoe miantso ny olona hibebaka. Rehefa avy nanome fotoana ampy nanaovana izany dia asao ny mpianatra maromaro hizara izay zavatra hitany amin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy.

  • Inona no avohitr’ireo andian-teny ireo mikasika ny fandraisan’i Jakôba ny fiantsoana ny vahoaka hibebaka? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa na dia hitan’i Jakôba aza fa sarotra ny andraikiny, dia novitainy izany satria niasa saina mikasika ireo olona ireo izy ary satria naniry ny hitandrina ny didin’Andriamanitra izy.)

Ho famaranana dia asaivo soratan’ireo mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny mikasika ny hoe (1) inona no zavatra nampianarin’ireo Mpitarika ao amin’ny Fiangonana vao tsy ela ary ahoana no fomba hampiaran’izy ireo an’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo na (2) ahoana no fomba azo hampiharana izay zavatra nianaran’izy ireo androany eo amin’ny antson’izy ireo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na ny kilasy iray, eo amin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha mpampianatra isan-tokantrano azy na mandritra ny fotoana hafa ahafahana mitarika. (Azonao atao ny manoratra ireo torolalana ireo eo amin’ny solaitrabe.) Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny torohevitr’ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana. Farano amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakôba 1:18. “Natokana ho mpisorona sy ho mpampianatra”

Nohazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith ny hevitry ny andian-teny hoe “mpisorona sy mpampianatra” ao amin’ny Jakôba 1:18:

“Nanompo tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka ireo Nefita nanomboka tamin’ny andron’i Lehia ka hatramin’ny nisehoan’ny Mpamonjy teo anivon’izy ireo. Marina fa ‘nanokana an’i Jakôba sy i Jôsefa’ i Nefia mba ho mpisorona sy mpampianatra teo amin’ireo Nefita, saingy ny nampiasana teny maneho olona maromaro amin’ny teny anglisy priests and teachers dia maneho fa tsy ilay anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana no resahana eto, fa fanendrena ankapobeny kosa hampianatra sy hitarika ary hampitandrina ny vahoaka” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 1:124).

Jakôba 1:19. “Ary dia nandrianinay ny adidinay ho an’ ny Tompo”

Nohazavain’ny Filoha Thomas S. Monson ny hevitry ny hoe manandriana antso:

“Inona no hevitry ny hoe manandriana antso? Izany dia midika hoe mampitombo ilay antso mba ho mendrika sy hanan-danja, manao izay hahatonga azy ho mendri-kaja sy ho azo antoka eo imason’ny olon-drehetra, mampivelatra azy sy mampatanjaka azy, mamela ny fitaoman’ny lanitra ho hitan’ny olon-kafa amin’ny alalan’ny antsontsika.

“Ary ahoana no fomba fanandrianana antso? Amin’ny alalan’ny fanatanterahana tsotra izao ny asa mifanaraka amin’io antso io. Ny loholona iray dia manandriana ny antso nanendrena azy ho loholona amin’ny alalan’ny fianarana ireo andraikiny amin’ny maha loholona azy ary avy eo manatanteraka azy ireo. Raha izany ny amin’ny loholona, dia torak’izany koa ho an’ny diakona, ny mpampianatra, ny mpisorona, ny eveka sy ny tsirairay izay mihazona anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana” (“The Sacred Call of Service,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 54).

Jakôba 1:19; 2:2. “[Mamaly] ny fahotan’ ny olona eo ambony lohanay”

Ireo izay manana andraikitra hitarika ato amin’ny Fiangonana dia mihazona andraikitra maha hentitra. Nampianarin’i Jakôba fa rehefa hamaivanin’ireo mpitarika ny mampianatra ny tenin’ Andriamanitra an’ireo olona izay niantsoana azy ireo mba hotarihiny, dia lasa tompon’andraikitra amin’ny ampahany izy ireo amin’ny fahotan’ny vahoaka. Raha niresaka tamin’ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana ny Filoha John Taylor dia nofakafakainy ny andraikitra izay nofariparitan’i Jakôba:

“Raha tsy manandriana ny antsonareo ianareo dia horaisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ireo izay mety ho voavonjinareo raha toa ka mba manao ny andraikitrareo ianareo” (Enseignement des Présidents de l’Eglise: John Taylor [2001], 164).

Taty aoriana dia nanao fanamarihana mikasika io filazan’ny Filoha John Taylor io ny Filoha Hugh B. Brown tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, nanao hoe:

“Filazana miteraka fanamby io filazana io. Raha toa aho ka hamery izay mety ho tokony ho azoko any ankoatra, noho ny fahotana niniako natao na noho ny fahotana avy amin’ny tsy fahavitana zavatra iray, dia izaho mihitsy no tsy maintsy hijaly, ary tsy iadian-kevitra fa ireo izay lalaiko koa dia hiara-hijaly amiko. Fa raha toa kosa aho ka tsy mahavita ny andraikitro amin’ny maha eveka ahy, na amin’ny maha filohan’ny tsatòka ahy, na amin’ny maha filohan’ny misiona ahy, na amin’ny maha Manampahefana Ambony ahy ato amin’ny Fiangonana—na iza na iza amintsika, raha toa ka tsy mahavita mampianatra sy mitarika sy manoro, ary manampy mba hamonjena ireo izay eo ambany fiadidiantsika, dia horaisin’ny Tompo ho tompon’andraikitra isika raha toa ka very izy ireo noho ny tsy fahavitantsika ny andraikintsika” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1962, 84).

Jakôba 2:8. Ny “teny … izay an’ Andriamanitra … dia … manasitrana ny fanahy maratra”

Rehefa mampikorontana na manahiran-tsaina an’ireo izay mianatra ny filazantsara ny fampahalalana iray vaovao, dia tsara kokoa ho azy ireo ny mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra, izay mahafantatra ny zava-drehetra, toy izay manao fikarohana faobe ao amin’ny Internet na mitodika mankany amin’ireo fitaovana vokarin’ireo mpanenjika ny Môrmôna. Ny fitodihana mivantana amin’ Andriamanitra mba hahazoana valiny dia maneho ny finoantsika Azy ary hahafahantsika mandray valiny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tokony hitodika any amin’ny soratra masina ihany koa isika sy any amin’ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminanin’ny andro farany, izay afaka mamaly ireo fanontaniana saro-baliana sy manasitrana ny ratra. Ireto soratra masina manaraka ireto dia mampianatra antsika hoe aiza no tokony hitodika ary inona no tokony hataontsika raha manana fanontaniana na olana sarotra isika:

Jakôba 2:8— Ny “teny … izay an’ Andriamanitra … dia … manasitrana ny fanahy maratra.”

Jakoba 1:5–6—“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, … ary dia homena azy izany. Nefa aoka angataka amin’ ny finoana izy.”

Môrônia 10:5—“ Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra.”

Hamoaka printy