Tahirim-pitaovana
Lesona 52: Môsià 2


Lesona 52

Môsià 2

Fampidirana

Rehefa nanakaiky ny andro nahafatesan’i Benjamina Mpanjaka dia naniry ny hanao lahateny iray farany tamin’ny olony izy. Ny lahateny nataony, izay voarakitra ao amin’ny Môsià 2–5, no horesahina mandritra ity lesona ity sy ny lesona 53–55. Tamin’ny fiandohan’ilay lahateny dia niresaka mikasika ny asa fanompoana nataony teo anivon’ny vahoaka izy, ary nanamafy fa manompo an’Andriamanitra isika rehefa manompo ny hafa. Nijoro ho vavolombelona ihany koa izy mikasika ny maha sambatra ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fanamarihana: Mety hanampy ity famintinana manaraka ity raha mifidy ny hanao topimaso ankapobeny mikasika ny lahateny nataon’i Benjamina Mpanjaka ianao any am-piandohan’ity lesona ity.

Rehefa nanakaiky ny andro hahafatesan’i Benjamina Mpanjaka dia niresaka tamin’ny olona tao amin’ny fanjakany izy teo akaikin’ny tempoly tao Zarahemlà. Nanao tatitra tamin’ny olony izy mikasika ny fanompoany sy ny eritreriny madio eo anatrehan’Andriamanitra, ary nampahafantatra an’i Môsià zanany lahy izay mpanjaka vaovao ho an’ireo vahoaka. Tao anatin’ity lahateny farany ity, izay hita ao amin’ny Môsià 2–5, dia nizara hafatra mikasika ny zavatra maro i Benjamina Mpanjaka, anisan’izany ny maha zava-dehibe ny fanompoana ny hafa, ny maha raiki-trosa mandrakizay antsika amin’ny Raintsika any an-danitra, ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany sy ny Sorompanavotany, ny filana ny fialana amin’ny maha olon’ny nofo, ny finoana an’Andriamanitra mba ho voavonjy, ny fizarana izay ananana hamonjena ny mahantra, ny fihazonana ny famelan-keloka mandrakariva, ary ny ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanaovana asa tsara mandrakariva. Tsara ho marihana manokana, ny Môsià 3 dia ahitana hafatra iray izay azon’i Benjamina Mpanjaka avy amin’ny anjely iray.

Môsià 2:1–9

Nifamory ireo fianakaviana ary niomana ny handray ny tenin’i Benjamina Mpanjaka

Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Iza? Aiza? Inona? Nahoana?

Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 2:1–6 ka hitady ireo antsipiriany izay mamaly ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy mamaky izy ireo, dia manasà mpianatra maromaro hanoratra antsipiriany betsaka araka izay tratrany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay. (Azonao atao ny manazava fa niomana ny handray ny tenin’i Benjamina Mpanjaka ireo olona tamin’ny alalan’ny fanaovana sorona araka ny lalàn’i Mosesy. Naneho fankasitrahana an’Andriamanitra ireo olona ireo tamin’ny fanaovana ireo sorona ireo, ary nanolo-tena ho Azy.)

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 2:9 ka hikaroka teny izay milaza ny zavatra izay tian’i Benjamina Mpanjaka ho ataon’ny olona rehefa nihaino ny teniny izy ireo.

  • Avy amin’ireo teny na andianteny izay hitanareo, manao ahoana araka ny hevitrareo ny fahatsapan’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny hafatra nentiny?

  • Araka ny voalaza ao amin’ilay tapany farany amin’ny Môsià 2:9, inona no ninoan’i Benjamina Mpanjaka fa hiseho raha toa ka manokatra ny sofiny sy ny fony amin’ny hafatra nozarainy ny vahoaka?

  • Inona araka ny hevitrareo no dikan’ny hoe manokatra ny sofintsika sy ny fontsika amin’ireo izay voantso hampianatra?

Amporisiho ireo mpianatra hitadidy ny fanasana nataon’i Benjamina Mpanjaka rehefa mandalina ny hafatra nomeny sy rehefa mihaino ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany izy ireo.

Môsià 2:10–28

Nampianatra mikasika ny maha zava-dehibe ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fifanompoan’ny rehetra, ary mikasika ny maha raiki-trosa antsika mandrakizay amin’Andriamanitra i Benjamina Mpanjaka

Sary
King Benjamin Addresses His People

Asehoy ny mpianatra ilay sary mitondra ny lohateny hoe Miresaka amin’ny Olony i Benjamina Mpanjaka (62298; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 74). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa niantso ny vahoaka hivory i Benjamina Mpanjaka mba hanambarany fa i Môsià zanany lahy no handimby ny toerany amin’ny maha mpanjaka azy ary hanomezany azy ireo “anarana … fa amin’ izany no hahazoana manavaka azy ho ambonin’ ny vahoaka rehetra izay efa nentin’ ny Tompo Andriamanitra niala ny tanin’ i Jerosalema” (jereo ny Môsià 1:9–12).

Vakio mafy amin’ny mpianatra ny Môsià 2:10–15. Asao ny mpianatra hitady teny izay maneho ny fijeren’i Benjamina Mpanjaka akaiky ny fanompoana ny olony fa tsy ny toerany eo amin’ny fiarahamonina na ny lazany. Asao izy ireo hanangan-tanana isaky ny maheno iray amin’ireo fehezanteny ireo. Rehefa manangan-tanana izy ireo dia atsaharo ny famakiana, ary asaivo hazavain’izy ireo ny zavatra hitany sy ny zavatra ampahafantarin’izany mikasika an’i Benjamina Mpanjaka.

Mandritra izany fifanakalozan-kevitra izany dia zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity:

“Aza miahiahy be loatra amin’ny toerana misy eo amin’ny fiarahamonina. … Zava-dehibe ny hoe misy mpitia. Fa tokony ho amin’ny fahamarinana kosa no hifantohantsika fa tsy amin’ny fankasitrahana; amin’ny fanompoana fa tsy amin’ny toerana misy eo amin’ny fiarahamonina” (“To the Women of the Church,” Ensign, Nôv. 1992, 96).

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsia 2:16–17 sy hamantatra ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka ianaran’ny olony. Ampio izy ireo hahita fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity. Mariho fa ny Môsià 2:17 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany andinin-tsoratra masina izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny toerana misy izany.

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana nanompoany olona hafa.

  • Rehefa nanao izany asa fanompoana izany tamin’ny hafa ianao, tamin’ny fomba ahoana no nanompoanao ihany koa an’Andriamanitra?

  • Oviana no nahazoanao fitahiana teo amin’ny fiainana noho ny asa fanompoana nataon’olona hafa? Tamin’izy ireo nanampy anao, tamin’ny fomba ahoana no nanompoan’izy ireo ihany koa an’Andriamanitra?

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Môsià 2:18–24, 34.

  • Nahoana i Benjamina Mpanjaka no niresaka momba ny tenany sy ny olony ho toy ny “mpanompo tsy mahasoa”? (Azonao atao ny manazava fa mahazo tombony ny olona rehefa mandray mihoatra noho izay omeny. Mpanompo tsy mahasoa isika ho an’ny Raintsika any an-danitra satria ny lanjan’ny fitahiana omeny antsika dia hihoatra be dia be hatrany ny lanjan’ny asa fanompoana voarainy avy amintsika.)

  • Inona avy ireo fitahiana noraisinareo izay hahatsapanareo fa raiki-trosa amin’Andriamanitra ianareo?

  • Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa “raiki-trosa mandrakizay” amin’Andriamanitra isika? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe rehefa mahafantatra isika fa raiki-trosa amin’Andriamanitra dia mitombo ny fankasitrahantsika, maniry ny hitandrina ny didy isika, ary te hanompo bebe kokoa ny hafa.)

Hazavao fa ao amin’ny Môsià 2:34, ny teny hoe hamerina dia midika hoe manome na manolotra. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo “hamerina [amin’ny Ray any an-danitra] izay rehetra ananany sy ny maha [izy azy ireo].” Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra isika ary mikatsaka ny hanao asa fanompoana amin-kitsim-po dia mitahy antsika Izy.

Môsià 2:29–41

Mitaona ny olony i Benjamina Mpanjaka hankatò an’Andriamanitra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe MITANDREMA. Asao ireo mpianatra hitantara mikasika ny fotoana nahitan’izy ireo fampahafantarana izay mampiasa ity teny ity na mampita io hevitra io. Asehoy azy ireo fa ny fampitandremana toy izany dia afaka miaro antsika na manavotra ny aintsika.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 2:32–33, 36–38 ka hikaroka ny zavatra nasain’i Benjamina Mpanjaka hotandreman’ny olony. Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny Môsià 2:33, ny teny hoe loza dia entina ilazana alahelo sy fahoriana.

  • Inona no fampitandremana nomen’i Benjamina Mpanjaka ny vahoakany?

  • Ahoana no hahafahantsika mahalala raha toa ka manomboka manaraka ny fanahy ratsy isika? Nahoana no zava-dehibe ny mamanfantatra izany mialoha?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsia 2:38, inona no zavatra mitranga amin’ireo izay maty ao anatin’ny fahotany?

Azonao atao ny manantitrantitra ny fampianarana ao amin’ny Môsià 2:36 izay milaza fa ny olona iray, noho ny fitondrantenany, dia mety mihataka amin’ny Fanahin’ny Tompo. Nanao fanamarihana mikasika ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny fotoana mety hisintahantsika amin’ny Fanahy ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Tokony … hiezaka isika hamantatra ny fotoana ’ampiatahan[tsika] ny tenan[tsika] amin’ ny Fanahin’ ny Tompo, hany ka tsy mety hanana toerana ao amin[tsika] Izy mba hitarika an[tsika] amin’ ny làlan’ ny fahendrena hahazoana mitahy sy mampiroborobo ary mitsimbina an[tsika]’ (Môsià 2:36). …

“… Raha toa misy zavatra eritreretintsika, na hitantsika, na rentsika, na ataontsika ka mampisaraka antsika amin’ny Fanahy Masina, dia tokony hitsahatra ny hieritreritra na hijery na handre na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa misy zavatra iray izay natao hampiala voly antsika, ohatra, kanefa mampisaraka antsika amin’ny Fanahy Masina, dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany io karazam-pialamboly io. Koa satria ny Fanahy dia tsy afaka mitoetra eo amin’ny zavatra kivalavala, tsy mahalala fomba na tsy maotina, dia mazava fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany. Koa satria manalavitra ny Fanahin’ny Tompo isika rehefa manao zavatra izay fantatsika fa tokony halavirintsika, dia tsy natao ho antsika mihitsy izany ny zavatra toy izany” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 30).

  • Inona no nolazain’ny Loholona Bednar fa hampisaraka antsika amin’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no hahafahantsika mahalala fa nihataka tamin’ny Fanahy Masina isika?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe TSAROVY sy ny hoe SAINTSAINO eo akaikin’ny hoe MITANDREMA.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 2:40–41. Asao ireo mpianatra hamantatra ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka hosaintsainin’ny olony sy ny zavatra tiany hotsaroan’izy ireo. Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manamafy ny fampianaran’i Benjamina Mpanjaka amin’ny alalan’ny fanoratana ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Raha mitandrina ny didy isika dia hotahiana amin’ny ara-nofo sy ara-panahy.

  • Oviana ianareo no nahita na niaina ny hasambarana izay azo avy amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ireo zavatra izay nifanakalozan’ny mpianatra hevitra androany. Farano ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra hametraka tanjona mazava, mba ho mpankatò kokoa amin’ny sehatra iray izay sarotra ho azy ireo, na hikatsaka ny hihatsara amin’ny sehatra iray voalaza ao amin’ny Mon Progrès Personnel (ho an’ny zatovovavy) na ny Devoir envers Dieu (ho an’ny zatovolahy).

Soratra Masina Fehezina—Môsià 2:17

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 2:17, sy ny Matio 22:36–40, ary ny Matio 25:40. Ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Matio ireo dia manampy amin’ny fanazavana ny fotopampianarana, sy manokatra ny fahatakarana, ary manazava ny dikan’ny Môsià 2:17. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanao tohivakan-tsoratra masina amin’ny fanoratana ny Matio 22:36–40 eo akaikin’ny Môsià 2:17, ny Matio 25:40 eo akaikin’ny Matio 22:36–40, ary ny Môsià 2:17 eo akaikin’ny Matio 25:40.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hitantara mikasika ny fotoana nahatsapan’izy ireo fa nanompo an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoana olona hafa izy ireo.

Asao ny mpianatra hanompo olona iray alohan’ny fotoam-pianarana seminera manaraka. Toroy hevitra izy ireo hiomana hizara ny zavatra niainany tamin’izany asa nampanaovina izany (kanefa ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tsy voatery hizara zavatra izay tena mikasika loatra ny tena manokana).

Azonao atao ihany koa ny mampanao fanamby ireo mpianatra hanao tsianjery ny Môsià 2:17 alohan’ny fotoana manaraka hihaonanareo amin’ny seminera.

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manompo ny hafa amin-kitsimpo isika dia manompo ny Tompo.

Fanamarihana: Noho ny karazan’ ity lesona ity sy ny halavany dia azonao atao ny mampiasa ity fianarana soratra masina fehezina ity amin’ny andro hafa rehefa manana fotoana mihoatra ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 2:33, 38–39. “Famaizana maharitra mandrakizay,” “afo tsy mety maty,” ary “fijaliana tsy miafara na oviana na oviana”

Ao anatin’ny fampitandremana nataon’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny vokatry ny fikomiana amin’ Andriamanitra dia nampiasainy ny teny hoe “famaizana maharitra mandrakizay” (Môsia 2:33), “afo tsy mety maty” (Môsià 2:38), ary “fijaliana tsy miafara na oviana na oviana” (Môsià 2:39). Mba hananana fahatakarana tsaratsara kokoa momba ireo teny ireo dia jereo ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6–12.

Hamoaka printy