Tahirim-pitaovana
Lesona 6: 1 Nefia 1


Lesona 6

1 Nefia 1

Fampidirana

Manomboka amin’ny fitantarana an’i Lehia manatanteraka amim-pahatokiana ny anjara andraikiny amin’ny maha mpaminany azy ny Bokin’i Môrmôna. Iray amin’ireo “mpaminany maro tonga naminany tamin’ ny vahoaka ny tsy maintsy hibebahany” i Lehia (1 Nefia 1:4). Maro ireo olona naneso azy sy nikasa hamono azy rehefa naminany mikasika ny faharavan’i Jerosalema sy nijoro ho vavolombelona mikasika ny fanavotana avy amin’ny alalan’i Mesia izy. Na izany aza anefa, dia nifaly tamin’ny famindram-pon’ny Tompo sy ny herin’ny fanafahany i Lehia. Afaka mampitombo ny fahatakarany mikasika ny anjara andraikitr’ireo mpaminany amin’izao fotoana izao ireo mpianatra rehefa mianatra mikasika ny asa fanompoan’i Lehia. Hihalalina ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra rehefa mikaroka ny porofon’ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny maha liana an’Andriamanitra amin’ny fiainany ireo mpianatra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 1:1–3

Nanomboka ny rakitsorany i Nefia

Asao hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 1:1–3 ireo mpianatra. Asaivo mamantatra ny antony nanoratan’i Nefia ny rakitsorany izy ireo.

  • Inona avy ireo antony nolazain’i Nefia fa nanaovany rakitsoratra mikasika ireo traikefany?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana i Nefia no nahatsapa fa “nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo” na dia niaina “fahoriana betsaka” aza izy?

1 Nefia 1:4–20

Nahita fahitana i Lehia ary nampitandrina ny olona fa horavana i Jerosalema.

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nampitandreman’ny ray aman-drenin’izy ireo azy ireo tamin’ny loza.

  • Nahoana ireo ray aman-dreninareo no nampitandrina anareo tamin’ny loza?

  • Amin’ny fomba ahoana no hampitandreman’Andriamanitra ireo zanany?

Hazavao fa manomboka amin’ny fotoana naha ratsy fanahy ny mponina maro tao Jerosalema ny tantara voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asao hamaky ny 1 Nefia 1:4 ny mpianatra iray. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny fomba nampitandreman’ny Tompo ny mponina tao Jerosalema.

Hazavao fa i Lehia, rain’i Nefia, dia niaraka tamin’ireo “mpaminany maro” izay voalaza ao amin’ity andininy ity. Nampitandrina ny olona izy fa tsy maintsy mibebaka izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ireo fampitandremana sy fampianaran’i Lehia, dia ampiaraho tsiroaroa izy ireo ary asaivo mamaky ny 1 Nefia 1:5–13 ny vondron’olon-droa tsirairay avy. Asaivo mamantatra izay hitan’i Lehia tamin’ny fahitana izy ireo, na amin’ny alalan’ny fanisian’izy ireo marika ao amin’ny soratra masina na amin’ny fanaovana lisitra amin’ny taratasy. Omeo minitra vitsy hifanakalozan-kevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ireo vondron’olon-droa. (Azonao atao ny manoratra ity fanontaniana ity eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no mety ho tsapanao raha toa ka hitanao amin’ny fahitana fa horavana ny tanàna misy anao?

Rehefa vita izany, dia asao ireo mpianatra handinika am-pahanginana ny 1 Nefia 1:15, hikaroka izay tsapan’i Lehia taorian’izany fahitana izany.

  • Inona no fihetsika nasetrin’i Lehia ireo zavatra hitany?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 1:14–15 ny mpianatra iray. Amporisiho ireo mpianatra hikaroka ireo antony naharavoravo an’i Lehia. (Azonao atao ny manazava fa na dia nahafantatra aza i Lehia fa horavana i Jerosalema, dia nahita ihany koa izy fa tsy hopotehina ireo izay mahatoky an’Andriamanitra.)

  • Oviana ianao no afaka nidera an’Andriamanitra, na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza teo amin’ny fiainanao?

  • Inona avy ireo fitahiana azo noho ny fankasitrahana ny “hatsarana sy ny famindram-pon’ny Tompo” ao anatin’ny fotoan-tsarotra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity:

“Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany toy ireo mpaminany fahiny ireo mpaminany ankehitriny. Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tena toetoetrany marina izy ireo. Miteny amim-pahasahiana sy mazava izy ireo, ary manameloka ny ota sy mampitandrina ny amin’izay ho vokatr’izany. Indraindray, dia mety hahazo fitaomana haminany mikasika ireo zavatra hitranga amin’ny ho avy izy ireo mba ho tombon-tsoantsika” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 129).

Hamafiso fa i Lehia dia ohatra maneho ilay fahamarinana hoe mampitandrina amin’ny fahotana sy mampianatra ny famonjena avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mpaminany. (Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 1:19–20.

  • Inona no nampianarin’i Lehia?

  • Ahoana no fihetsik’ireo olona tamin’ny fampianaran’i Lehia?

  • Nahoana ny olona sasany amin’izao vaninandro hiainantsika izao no mandà ireo hafatra avy amin’ireo mpaminanin’ny Tompo?

  • Oviana ianao no notahiana na narovana noho ny fanarahanao ny mpaminany?

1 Nefia 1:20

Mijoro ho vavolombelona mikasika ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo i Nefia

Hamafiso fa mampiato ny fitantarany i Nefia eo amin’ny fehezanteny faharoa ao amin’ny 1 Nefia 1:20, mba hizara hafatra ho an’ireo izay mamaky ny teniny. Asaivo mamaky tsirairay ny 1 Nefia 1:20 ireo mpianatra, hikaroka ireo hafatra tian’i Nefia ho hitantsika. Ampifantohy, araka izay ilaina, any amin’ilay fehezanteny nampiasain’i Nefia hampidirana ilay hafatra ny eritreritr’izy ireo (“Izaho Nefia dia haneho aminareo …”).

  • Ahoana no hanampian’ny fifantohana misimisy kokoa amin’ny karazan’andian-teny tahaka an’io anao amin’ny fandalinanao manokana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no tian’i Nefia naseho antsika?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 1:20 ny mpianatra iray. Manasà mpianatra iray hafa hamaky ny Môrônia 10:3. Asaivo mikaroka ireo foto-kevitra mitovy ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra.

  • Inona ny hevitra mitovy tian’i Nefia sy i Môrônia ho tsikaritr’ireo mpamaky ny Bokin’i Môrmôna?

Ampio hamantatra ity fitsipika ity ireo mpianatra: Ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra izay mino Azy. (Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe.)

Zarao amin’ireo mpianatra ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ho fanampiana azy ireo hahatakatra hoe inona avy ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo ary ahoana no hahafantarany azy ireny eo amin’ny fiainany:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia ireo fitahiana ho an’ny tena manokana sy ho an’ny tsirairay avy, ny hery, ny fiarovana, ny fahatokian-tena, ny fitarihana, ny hatsaram-panahy feno fitiavana, ny fampiononana, ny fanohanana, ary ireo fanomezana ara-panahy izay azontsika avy Aminy sy noho Izy ary amin’ny alalan’ny Tompo Jesoa Kristy. …

“… Tsy amin’ny fomba kisendrasendra na fifanandrifian-javatra ihany no hisehoan’ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo. Manampy antsika hahazo ireo fanomezana lehibe ireo ny fahatokiana sy ny fankatoavana ary, manampy antsika hamantatra azy ireo ny fotoana hanehoan’ny Tompo azy.

“Tsy tokony ho hamaivanina na atao tsinontsinona ny herin’ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 99–100).

  • Ahoana no fomba nanazavan’ny Loholona Bednar ny andian-teny hoe “ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo”?

  • Inona avy ireo ohatry ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo izay hitanao teo aminao na tamin’ny olona fantatrao?

Rehefa avy nomena fotoana hamaliana ireo fanontaniana ireo ny mpianatra, dia asao izy ireo hitady fomba ahafantarany tsaratsara kokoa ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hahatsapa bebe kokoa ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’izy ireo. Azonao atao ny manipy teny amin’izy ireo ny hiraketany an-tsoratra ao anatin’ny diarin’ny tenany manokana ireo traikefany momba ny halehiben’ny famindram-po. Omeo fotoana hanoratany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahie ao an-dakilasy izy ireo mikasika ny fomba iray na roa nanehoan’ny Tompo ny halehiben’ny famindram-pony tamin’izy ireo vao haingana.

Farano amin’ny alalan’ny famerenana ny fijoroan’i Nefia ho vavolombelona ao amin’ny 1 Nefia 1:20 mikasika ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo izany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fisian’ireo fitahiana sy fiahian’ny Tompo ny tsirairay. Amporisiho ireo mpianatra hikaroka ny ohatr’ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ao anatin’ny Bokin’ny Môrmôna iray manontolo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 1:2. “Ny fitenin’ny Egyptiana”

Nilaza i Nefia fa nanao ny rakitsorany tamin’ny “fitenin’ny Egyptiana” (1 Nefia 1:2) izy. Teo amin’ny 470 taona taorian’izay, dia nampianatra “ny fitenin’ny Egyptiana” tamin’ireo zanany lahy ny Mpanjaka Benjamina (Môsia 1:1–4). Ny anarana hoe “Egyptiana nohavaozina” dia mipoitra ao amin’ny Môrmôna 9:32. Nilaza i Môrônia fa tamin’ny fotoan’androny, teo ho eo amin’ny 1.000 taona taorian’ny fotoana niainan’i Lehia sy i Nefia, dia novain’ny olona ny Egyptiana sy ny Hebreo izay nampiasain’ i Lehia sy i Nefia.

1 Nefia 1:4. “Mpaminany maro”

Nilaza i Nefia fa nisy “mpaminany maro” tonga teo anivon’ireo mponina tao Jerosalema. Fantatsika fa mpaminany fahiny izay nijoro ho vavolombelona tao amin’ny Fanjakan’i Joda avokoa i Jeremia, i Obadia, i Nahôma, i Habakoka, ary i Zefania. Ao amin’ny Jeremia 35:15 dia hahitana fanazavana mitovy amin’izany mikasika ireo mpaminany maro izay nalefan’ny Tompo mba hampitandrina ny olona (jereo koa ny 2 Tantara 36:15–16).

Mpaminany mahery tamin’ny andron’i Lehia sy i Nefia i Jeremia ary voatonona ao amin’ny 1 Nefia 5:13 sy 7:14 izy. Nanao asa fanompoana teo anivon’ny Jiosy izy nanomboka tamin’ny 626 Talohan’i J.K. ka hatramin’ny 586 Talohan’i J.K. Tsy toa an’i Lehia, i Jeremia dia nijanona tao Jerosalema ary nanohy niantso ny olona ho amin’ny fibebahana (jereo ny Bible Dictionary, “Jeremiah”). Nampidirina am-ponja i Jeremia taorian’ny nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema. Nanoratra ny bokin’ny Fitomaniana izy, fony tao am-ponja, ary hita ao anatin’izany ny nitomaniany ny faharavan’i Jerosalema sy ny tsy nibebahan’ny olona.

Hamoaka printy