Tahirim-pitaovana
Lesona 125: 3 Nefia 15–16


Lesona 125

3 Nefia 15–16

Fampidirana

Rehefa nanohy nampianatra ny vahoaka tao amin’ny tempoly tany an-tanin’i Soafeno i Jesoa Kristy, dia nanambara Izy fa tanteraka ny lalàn’i Mosesy ary Izy no fahazavana sy lalàna izay tokony hitodihan’ny vahoaka. Avy eo Izy dia nanazava tamin’ireo mpianatra roambinifolo fa ny vahoaka any Amerika no ireo “ondry hafa” izay noresahiny tany Jerosalema (jereo ny Jaona 10:14–16). Nampanantena ihany koa Izy fa ireo izay mibebaka sy miverina any Aminy dia hataony ho isan’ireo vahoakan’ny fanekempihavanany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 15:1–10

Nanambara ny Mpamonjy fa nahatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy

Alohan’ny hiatombohan’ny lesona dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona no antony handoavana ny fahafolonkarena? Inona no antony hitandremana ny andro Sabata ho masina? Inona no antony hanajanao ireo ray aman-dreninao?

Mba hanombohana ny lesona dia tondroy ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:

  • Mety manontany tena ny olona sasany hoe nahoana ny Tompo no manome didy. Ahoana no mety ho fomba hanazavanao ny tanjon’ireo didy?

Lazao amin’ireo mpianatra fa rehefa nanome torolalana ireo Nefita i Jesoa Kristy, dia nampianatra azy ireo Izy fa ny tanjona iray nanomezany ireo didy dia ny hampitodika ireo olona any Aminy. Asao ireo mpianatra hitady izany tanjona izany rehefa mandalina ny 3 Nefia 15.

Hazavao fa rehefa niresaka tamin’ny valalabemandry ny Mpamonjy, dia nahita Izy fa nanana fanontaniana ny sasany tamin’izy ireo. Angataho ireo mpianatra hamaky haingankaingana ny 3 Nefia 15:1–2 mba hahitana izay zavatra tian’ireo olona ireo ho fantatra. (Nanontany tena izy ireo hoe inona no tian’ny Mpamonjy hataony “momba ny lalàn’i Mosesy.” Niorina teo amin’ny lalàn’i Mosesy ny fomba fivavahan’ireo Nefita sy ny fombafombany ary ny rafitry ny Fiangonany mba hanomanana ny vahoaka ho amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy, sy mba hanampiana azy ireo hiandrandra ny Sorompanavotany. Raha ny fijery azy dia sahiran-tsaina ny sasany tamin’izy ireo mikasika ny zavatra tokony hataony ho solon’ny fitandremany ny lalàn’i Mosesy.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 15:3–5, 9. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hamaky ary hitady ireo fehezanteny ao amin’ny fanazavan’ny Mpamonjy, izay mety ho nanome toky an’ireo Nefita fa tsy mila ovaina ny finoan’izy ireo. Asaivo mizara ny fehezanteny hitany ny mpianatra vitsivitsy. Asao izy ireo hanazava ny antony hiheverany fa mety ho nanampy ireo Nefita ireo fehezanteny ireo.

  • Inona araka ny hevitrao no nampianarin’i Jesoa rehefa nanambara Izy fa Izy no “lalàna”? (3 Nefia 15:9).

Mety hanome valinteny isan-karazany ireo mpianatra. Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita ireto fahamarinana manaraka ireto (soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana ireo): I Jesoa Kristy no loharanon’ny lalàna. Ny lalàna rehetra ao amin’ny filazantsara dia mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Raha manaraka ireo didiny isika, dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ho an’ireo Nefita ny nahatakatra ireo fahamarinana ireo tamin’izany fotoana izany? (Azonao atao ny manamafy fa tahaka ny lalàn’i Mosesy dia manondro ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ilay lalàna vaovao. Na dia hiova aza ny sasany amin’ireo fomba fitsaohan’ny vahoaka, dia mbola hanohy hampiasa ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany izy ireo ary hitsaoka ny Ray any an-danitra amin’ny anarany.)

Fintino ny 3 Nefia 15:6–8 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanome toky ny vahoaka fa tahaka ny maha tanteraka ao Aminy izay voalazan’ireo mpaminany momba ny Mpanalalana no hitrangan’ireo faminanian’izy ireo mikasika ny zavatra ho avy. Nanazava ihany koa Izy fa ilay fanekempihavanana izay nataony tamin’ny vahoakany dia mbola manan-kery ary hotanterahina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 15:9–10. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary hitady izay tian’ny Mpamonjy ho ataon’ny vahoakany amin’ireo fahamarinana fantatr’izy ireo, dia ireo fahamarinana voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Midika inona aminao ny hoe “mijery” any amin’i Kristy?

Angataho ireo mpianatra hamerina hijery indray ny 3 Nefia 15:9–10 ary hamintina ny fomba tian’ny Tompo hanamboarantsika ny fomba hiainantsika ny filazantsara sy ny fitahiana izay azo vokatr’izany. (Mety hamintina io andinin-tsoratra masina io amin’ny fomba maro ireo mpianatra, kanefa tokony hahitana izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’izy ireo: Raha mijery any amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny fitandremana ireo didiny sy maharitra hatramin’ny farany, dia hanome antsika fiainana mandrakizay Izy.)

  • Azo atao ve ny manaraka an’i Jesoa Kristy kanefa tsy mitandrina ireo didiny? Fa maninona moa?

Asao ireo mpianatra hijery ireo fanontaniana nosoratanao teny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana.

  • Azon’ny olona iray atao ve ny mitandrina ireo didy ety ivelany kanefa tsy mijery any amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo antony vitsivitsy mety hitandreman’ny olona iray ireo didy ety ivelany kanefa tsy mijery any amin’i Jesoa Kristy izy? (Mety ho hita ao amin’ny valinteny ny adidy, ny fahatahorana famaizana, ny faniriana mba hitovy amin’ny rehetra na hanatsarana ny endrika ivelany, na ny fitiavana manara-pitsipika.)

  • Inona no tokony ho antony mahatonga antsika hankatò ireo didy? (Tokony hitandrina ireo didy isika satria tiantsika ny Tompo, maniry ny hanao izay sitrany isika, ary te hanatona Azy.)

  • Ahoana no nahazoanao fitahiana rehefa nitandrina ireo didy tamin’ny finiavana marina ianao?

Asao ireo mpianatra hieritreritra didy iray na fitsipiky ny filazantsara iray izay sarotra tamin’izy ireo ny nahatakatra sy nanaraka azy. Asao izy ireo hijery hoe ahoana no mety hampiova ny fahatsapany momba izany didy na fitsipika izany raha toa ka ny fitiavany ny Tompo no lasa antony hankatoavany ilay didy. Amporisiho izy ireo hankatò ireo didy noho ny fitiavana ny Tompo. Zarao ireo fomba nanampian’ireo didy anao hanakaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy.

3 Nefia 15:11–16:5

Miresaka amin’ireo mpianany momba ireo ondriny hafa i Jesoa Kristy

Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toy izy ireo ka efa nahatsapa fa tsy manan-danja kokoa noho ny olona iray hafa. Asaivo mieritreritra izy ireo raha efa nahatsiaro tena ho adino na irery na efa nanontany tena raha mahafantatra azy ireo ny Ray any an-danitra.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezanteny manaraka izao: Miraharaha ny zanany rehetra Andriamanitra, ary maneho ny Tenany amin’izy ireo Izy. Omeo toky ireo mpianatra fa marina io teny io, ary asao izy ireo hitady ny porofo manamarina izany rehefa mandalina ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 15 sy ny fiantombohan’ny 3 Nefia 16.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 15:11–17, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny vahoaka tany Jerosalema momba ny vahoakany any Amerika. Azonao atao ihany koa ny mangataka ireo mpianatra hamaky ny Jaona 10:14–16. (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny “ondry hafa” dia entina ilazana ireo hafa izay mpanara-dia ilay Mpiandry ondry dia i Jesoa Kristy. Ny teny hoe vala dia mety hilazana toerana mifefy hitoeran’ny ondry, kanefa milaza vondron’olona mitovy finoana ihany koa izany.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 15:17, ahoana no fomba nampanantenain’ny Tompo fa hanehoany ny tenany tamin’ireo ondriny hafa, na mpanara-dia Azy? (Handre ny feony izy ireo.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 15:18–19. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary hitady ny antony nandidian’ny Ray any an-danitra an’i Jesoa Kristy mba tsy hampahafantatra ny ondriny hafa amin’ny vahoaka any Jerosalema. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’izany? (Tokony ahitana izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra: Arakaraky ny finoanatsika sy ny fankatoavantsika no hanomezan’Andriamanitra antsika fahalalana sy fahamarinana.)

Fintino ny 3 Nefia 15:21–23 amin’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza tamin’ireo Nefita fa izy ireo no ireo ondry hafa izay noresahiny; kanefa ireo Jiosy tany Jerosalema dia nieritreritra fa ny Jentilisa, na ireo tsy Isiraelita, no noresahiny. Tsy takatr’izy ireo fa ny Jentilisa dia tsy haheno mivantana ny feony.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 15:24, ary angataho ny rehetra hihaino ny fomba nanomezan’ny Tompo toky an’ireo Nefita fa miraharaha ny momba azy ireo Izy. Azonao atao ny manontany ireo mpianatra izay mety ho fahatsapany raha toy izy ireo ka mandre ny Tompo milaza ireo teny ireo aminy.

Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 16:1–3 ary hitady hoe iza koa no handre ny feon’ny Mpamonjy. Hazavao fa tsy ananantsika ny rakitsoratra momba ireo toerana hafa sy vahoaka hafa izay novangian’ny Mpamonjy, kanefa mazava tsara fa namangy vondrona hafa na “vala” hafa Izy.

Mba ampahafantarana ilay hevitra hoe maneho ny tenany amin’ny olona izay tsy mandre ny feony ihany koa ny Mpamonjy, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny hanasana ireo mpianatra hikaroka ny valiny ao amin’ny soratra masina:

  • Ahoana ny amin’ireo izay tsy handre ny feon’ny Mpamonjy? Ahoana no hanehoany amin’izy ireo fa miraharaha azy ireo Izy?

Asao ireo mpianatra mba handalina ny 3 Nefia 15:22–23 sy 3 Nefia 16:4, ary hitady ny fomba nilazan’i Jesoa Kristy fa hanehoany ny tenany amin’ny Jentilisa (amin’ny alalan’ny fitoriana ataon’ny hafa, sy amin’ny alalan’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona, ary amin’ny alalan’ny zavatra nosoratan’ireo mpaminany).

  • Ahoana no ahitana amin’ireo fomba fanehoana ireo fa miraharaha ny zanany rehetra Andriamanitra?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Tompo ny tenany taminao sy ny fianakavianao?

  • Ahoana no ahafahanao mitondra fanampiana amin’ny ezaka ataon’ny Tompo haneho ny tenany amin’ny vahoakany rehetra?

3 Nefia 16:6–20

Nanambara fitahiana sy fampitandremana ho an’ireo Jentilisa izay handray ny filazantsarany amin’ny andro farany i Jesoa Kristy

Anontanio ireo mpianatra raha efa naniry ny hiditra ao amin’ny tarika iray, na fikambanana iray, na ekipa iray izy ireo. Anontanio hoe inona avy ireo fepetra notakiana mba hidirana tao amin’ilay vondrona tian’izy ireo hidirana. Ambarao fa ny vondrona tsara indrindra azontsika hidirana ho mpikambana dia ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 16:6–7. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hamaky ary hitady izay nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany noho ny finoan’ny Jentilisa Azy sy ny tsy finoan’ny mpianakavin’i Isiraely Azy. (Azonao atao ny manazava fa ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampiasa ny teny hoe Jentilisa mba hilazana ireo olona izay tsy avy any amin’ny Tanàna Masina. Noho izany dia mety entina milaza ny mpikamban’ny Fiangonana izany teny izany ary hilazana koa ireo tsy mpino sy ireo olona hafa finoana.) Rehefa avy mamaly ireo mpianatra, dia fintino ny 3 Nefia 16:8–9 amin’ny fanazavana fa i Jesoa Kristy dia naminany fa hisy koa ireo Jentilisa tsy mino amin’ny andro farany izay hanaparitaka sy hampijaly ireo mpianakavin’i Isiraely. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 16:10. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady izay zavatra hitranga amin’ireo Jentilisa tsy mino ireo.

  • Inona no nambaran’ny Tompo fa tsy ho eo am-pelatanan’ny Jentilisa tsy mpino intsony?

  • Ahoana no hampiharana izany amin’ireo izay mahafantatra ny fahamarinana kanefa lasa manandra-tena amin’ny avonavona?

Hazavao fa ny Tompo dia nampanantena fa hanaja ny fanekempihavanana nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny fitondrana ny filazantsara amin’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 16:11–12). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 16:13. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra tadiana amin’ny olona iray mba hahatonga azy ho mpikambana ao amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny manaraka izao: “Raha toa isika ka … , dia …isika.” Angataho ny mpianatra hampiasa ny 3 Nefia 16:13 mba hamenoana io teny io. Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ireo mpianatra: Raha toa isika ka mibebaka sy miverina any amin’i Jesoa Kristy dia horaisina ho isan’ny olony isika.

  • Nahoana no fitahiana ny hoe raisina ho isan’ny olon’ny Tompo?

Farano amin’ny fizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nampianarina nandritra ny lesona androany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 15:1–2. “Efa lasana ny zavatra taloha, ary … tonga vaovao ny zavatra rehetra”

Tamin’ny vanim-potoana nanaovan’ny Mpamonjy ny asa fanompoany tety an-tany dia ny lalàn’i Mosesy no fototra nijoroan’ny fivavahana Isiraelita sy ny fiainam-piarahamonina nandritra ny zato taona mahery. Nanana ireo rakitsoratra momba ny lalàna teo amin’ireo takela-barahana ireo Nefita ary nampianatra sy nanaja ny lalàna ireo mpaminany. Rehefa nitsidika ireo Nefita ny Mpamonjy dia nampianatra azy ireo Izy fa tanteraka manontolo ao Aminy ny lalàna. Na izany aza dia tsy tokony hieritreritra izy ireo fa ny lalàn’i Mosesy dia rava na “foana” (3 Nefia 12:17–18). Nahoana ny Mpamonjy no “nanatanteraka” fa tsy “nandrava” ny lalàn’i Mosesy? Ny lalàn’i Mosesy dia sady ahitana lafiny araka ny fitsipi-pitondrantena no ahitana lafiny araka ny fombafomba.

Ny lafiny araka ny fitsipi-pitondrantena dia ahitana ny didy toy ny hoe “Aza mamono olona” sy “Aza mijangajanga.” Nampianatra ireo Nefita i Jesoa Kristy fa tsy ny famonoana olona sy ny fijangajangana ihany no tokony hialan’izy ireo fa ny fahatezerana sy ny fanirian-dratsy koa—toetry ny fo izay mitarika amin’ny famonoana olona sy ny fijangajangana (jereo ny 3 Nefia 12:21–30). Araka izany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manatanteraka ny lalàna satria mampivelatra ireo lafiny araka ny fitsipi-pitondrantena ao amin’ny lalàn’i Mosesy ho tonga lalàna ambonimbony kokoa izany; ahitana ireo fitsipi-pitondrantena takiana ao amin’ny lalàn’i Mosesy izany ary mametraka azy ireny ao amin’ny sehatra iray misy fitsipiky ny filazantsara mivelatra kokoa izay mitaky fiovam-po.

Ny lafiny araka ny fombafomba ao amin’ny lalàn’i Mosesy dia ahitana ireo didy mikasika ireo biby atao sorona sy ny fanatitra odorana—izay antsoin’i Abinadia hoe “fombam-pivavahana” sy “ôrdônansy” (Môsià 13:30). Ireo mpaminany Nefita dia nahatakatra fa ireo ampahany amin’ny lalàn’i Mosesy dia natao hanampiana ny olona hiandrandra ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 25:24; Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 4:5; Môsià 16:14–15). Noho izany, rehefa tanteraka ny asa nanirahana ny Mpamonjy ety an-tany, ireo ôrdônansy mampiandrandra zavatra ho avy ireo dia tsy afaka intsony ny hibanjina zavatra hitranga amin’ny ho avy—efa nitranga ilay zavatra. Araka izany dia nampianatra ireo Nefita ny Mpamonjy fa ireo biby atao sorona sy ireo fanatitra odorana dia tokony “hitsahatra” ary ho solon’izany, ireo mpanara-dia Azy dia tokony hanatitra ho “sorona” ny “fo torotoro sy fanahy manenina” (3 Nefia 9:19–20). Ho solon’ireo ôrdônansy izay niandrandra ny Sorompanavotana dia nampiorina ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy, izay ôrdônansy fahatsiarovana, mba hitodihana miverina any amin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 18:1–11).

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nilaza hoe: “I Jesoa dia tonga hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara izay efa nananan’ny olona talohan’ny andron’i Mosesy, talohan’ny lamina ambanimbany kokoa. Mazava fa tsy tonga handrava intsony izay efa nambarany Izy tenany tamin’i Mosesy Izy tahaka ny tsy handravan’ny mpampianatra any amin’ny oniversite ny aritmetika rehefa milaza ireo fitsipiky ny fikajiana ny intégrale amin’ireo mpianany izy. Tonga hanohy ny fanorenana eo ambonin’ny fototra napetrak’i Mosesy i Jesoa. Amin’ny alalan’ny famerenany amin’ny laoniny ny filazantsara dia notanterahiny ny ilàna ny fankatoavana ireo fitsipika sy fepetra izay nilaina amin’ilay filazantsara fiomanana. Tsy mila mandeha amin’ny fahazavan’ny volana intsony ny olona, satria ny masoandro dia efa niposaka amin’ny hatsarany rehetra” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:219–20; jereo koa ny Stephen E. Robinson, “The Law after Christ,” Ensign, Sept. 1983, 69–73).

3 Nefia 15:1–10. Nanome sy nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy i Jesoa Kristy

Ireo mpaminany tany aloha ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra fa ny lalàn’i Mosesy dia ho tanteraka any am-parany any. I Nefia sy i Jakôba ary i Abinadia dia samy nanomana ny vahoakany hanaiky ny fiafaran’ny lalàn’i Mosesy any am-parany any. Ny loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireo antony nahafahan’ireo Nefita namoy ilay lalàna taloha sy nandray ilay lalàna vaovao:

“Mazava fa ireo Nefita dia nahatakatra mora kokoa ity zavatra ity noho ireo Jiosy, amin’ny ampahany dia satria ireo mpaminany Nefita dia nahay nitandrina ka nampianatra ny toetra mandalon’ilay lalàna. Nilaza i Abinadia hoe: ‘Ilaina aloha izao ny hitandremanareo ny lalàn’i Mosesy nefa lazaiko aminareo, fa ho avy ny fotoana izay tsy ilana intsony ny hitandremana ny lalàn’i Mosesy’ [Môsià 13:27; nampiana soramandry.] Tamin’izay fomba fisainana izay ihany no nanantitranteran’i Nefia hoe ‘Miresaka ny amin’ny lalàna isika mba hahalalan’ny zanatsika ny fahafatesan’ny lalàna; ary ny fahalalany ny fahafatesan’ny lalàna no hahazoany miandrandra ny fiainana izay ao amin’i Kristy sy mahafantatra ny zava-kinendry tamin’ny nanomezana ny lalàna. Ary rehefa tanteraka ao amin’ i Kristy ny lalàna, dia tsy ilaina ny hanamafisany ny fony Aminy rehefa tsy maintsy hofoanana ny lalàna.’ [2 Nefia 25:27; nampiana soramandry.]

“Izany karazana fampianarana izany—fampitandremana mba tsy hanamafy fo amin’i Kristy noho ny fiarovana amin’ny tsy fahalalana ny lalàn’i Mosesy—dia mety ho nanampy (sy nanavotra) olona maro tao amin’ny Tontolo Taloha tamin’izany fotoana izany ary olona maneran-tany amin’izao fotoana izao” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 156–57).

3 Nefia 15:5–8. Tsy tanteraka avokoa ny fanekempihavanana

Inona no tian’i Jesoa ambara rehefa niteny Izy hoe: “Ny fanekempihavanana izay efa nataoko tamin’ny oloko dia tsy tanteraka avokoa”? (3 Nefia 15:8). Nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama i Jehovah fahiny. Nampanantenaina an’i Abrahama (1) ny taranaka mandrakizay, (2) ny tany mba ho lovany, ary (3) ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra. Ireo fampanantenana ireo koa dia omena ireo taranak’i Abrahama (jereo ny F&F 132:30–31) ary ho tanteraka amin’ny hoavy.

Hamoaka printy