Tahirim-pitaovana
Fandalinana ho an’ny Mpianatra any an-trano Fizarana 11


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any an-trano

Tenin’i MôrmônaMôsià 6 (Fizarana 11)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any an-trano Isan’andro

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika nianaran’ireo mpianatra ity, rehefa nandalina ny Tenin’i Môrmôna–Môsià 6 (fizarana 11) izy ireo, dia tsy natao ho ampianarina mandritra ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka amin’ny vitsivitsy ihany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (Tenin’i MôrmônaMôsià 2)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’i Môrmôna tamin’ny fanarahany ny Fanahy sy ny fampidirany ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ny raki-tsorany no nianaran’ireo mpianatra fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo. Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa raha toa ny Nefita ka tsy nanana soratra masina dia efa ho nihemotra tao amin’ny tsy finoana izy ireo ary ny fandalinana ny soratra masina dia manampy antsika hahafantatra ny didy sy hitandrina izany. Nampianariny ny vahoakany ireo fitsipika manan-danja toy ny hoe: Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’Andriamanitra. Rehefa mahatsapa ho raiki-trosa amin’Andriamanitra isika dia te hanompo ny hafa ary mitombo ny fankasitrahantsika. Rehefa mitandrina ny didy isika dia hotahiana eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy.

Andro 2 (Môsià 3)

Notantarain’i Benjamina Mpanjaka ny tenin’ny anjely iray, izay nitondra “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” mikasika ny fiavian’ny Tompo eto an-tany. Ireo mpianatra dia nianatra fa efa fantatra mialoha mihoatra ny 100 taona talohan’ny nitrangan’izany zavatra izany fa i Jesoa Kristy dia hijaly mba hahafahana mamonjy antsika amin’ny fahotantsika. Afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotantsika isika rehefa mino an’i Jesoa Kristy sy mibebaka. Rehefa mankatò ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia afaka mandresy ny maha olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Andro 3 (Môsià 4)

Nahatonga ireo olony ho heniky ny fanahin’ny Tompo ny hafatra nambaran’i Benjamina Mpanjaka. Nianaran’ireo mpianatra fa rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika sy mibebaka amin-kitsim-po, dia mahazo ny famelana ny fahotantsika. Nampianatra ny olony i Benjamina Mpanjaka fa rehefa manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika ary miezaka ny hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia afaka mitana ny famelana ny fahotantsika.

Andro 4 (Môsià 5–6)

Rehefa namaky mikasika ny fiovana izay niseho tamin’ireo olon’i Benjamina Mpanjaka ireo mpianatra dia nianatra fa rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika ary mandray ny Fanahy Masina, dia afaka mahatsapa fiovam-po mahery vaika. Nanao fanekempihavanana ny hanao ny sitrapon’ny Tompo sy hitandrina ny didiny ireo olon’i Benjamina Mpanjaka, izay maneho fa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika isika rehefa manao fanekempihavanana sy mitandrina izany.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fampianaran’i Benjamina Mpanjaka an’ireo zanany lahy sy ny olony telo taona talohan’ny nahafatesany. Nampianarin’ i Benjamina Mpanjaka tamin’ny olony ny fomba hahazoana sy hitazonana ny famelana ny fahotan’izy ireo amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Tenin’i Môrmôna

Nanambara ny fahatokiany an’Andriamanitra i Nefia sy i Môrmôna

Asao ny mpianatra iray hamaky ny 1 Nefia 9:2–3 mba hampahatsiahy amin’ireo mpianatra fa nodidiana hanao takelaka roa karazana i Nefia. Ampio izy ireo hahatakatra fa ao amin’io andinin-tsoratra masina io, ny teny hoe “ireto takelaka ireto” dia entina hilazana ny takelaka kelin’i Nefia, izay nirakitra raki-tsoratra mikasika indrindra ny zavatra masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 9:4. Asao ireo mpianatra hikaroka ny antony nanaovana ireo takelaka lehibe (tantaran’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary ny fifandiran’ny olona).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa namintina ireo takelaka lehibe an’i Nefia i Môrmôna dia nahita ireo takelaka kely teo anivon’ireo rakitsoratra hafa. Notaomin’ny Fanahy Masina izy hampiditra izay hitany tao amin’ireo takelaka kely ho ao amin’ny famintinany, na dia tsy fantany aza ny antony hanaovana izany (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:7).

Asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ao amin’ny 1 Nefia 9:5–6 ny antony nandidiana an’i Nefia hanao ireo takelaka kely. Asao ny antsasany hafa hitady ao amin’ny Tenin’i Môrmôna 1:6–7 ny antony nanapahan’i Môrmôna hevitra hampiditra ireo takelaka kely ao amin’ny famintinany. Rehefa avy manao tatitra izy ireo dia asao mba hilaza ny zavatra ampianarin’ireo andininy ao amin’ny Nefia sy ny Môrmôna ireo mikasika ny Tompo. (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo.)

  • Inona ilay “fikasana hendry” amin’ny hoavy izay resahin’i Nefia sy i Môrmôna? (Fantatry ny Tompo fa amin’ny 1828 dia ireo takelaka kely no hisolo toerana ireo takila 116 very tamin’ny Bokin’i Môrmôna soratanana voadika. Jereo ny fizarana 6, andro 1 ao amin’ny boky fandalinana ho an’ny mpianatra.)

  • Amin’ny fomba ahoana ny hahafahan’ny fahatakaranareo fa ny Tompo dia mahafantatra ny zavatra rehetra ho avy hanome finoana anareo mba hankatò ny bitsiky ny fanahy izay azonareo?

Raha tsapanao fa mila mandany fotoana misimisy kokoa amin’ity ampahany ity amin’ny lesona, dia anontanio ireo mpianatra raha toa izy ireo ka afaka mizara ny zavatra niainany tamin’ny nahatsapan’izy ireo ho notaomin’ny Fanahy hanao zavatra iray ary tsy nahafantatra ny tanjona tao amin’izany fitaomana izany raha tsy taty aoriana.

Môsià 1

Niantso ny olona hivory miaraka i Benjamina Mpanjaka

Hazavao fa ireo takelaka kelin’i Nefia dia mahafaoka ny tantaran’ny Nefita nanomboka tamin’ny asa fanompoan’i Lehia ka hatramin’ny fotoana nampiraisan’ny Mpanjaka Môsià ny olon’i Nefia sy ny olon’i Zarahemlà ary ny tamin’ny fotoana nitondran’i Benjamina, zanakalahin’i Môsià ny fanjakana tamim-pahamarinana. Nasaina niandraikitra ireo rakitsoratra masina i Benjamina Mpanjaka. (Jereo ny Ômnia 1:23, 25.)

Rehefa nanakaiky ny fetr’andro niainan’i Benjamina Mpanjaka, dia nasainy i Môsià zanany lahy hamory ny olona. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 1:10–11 ary hikaroka ireo antony nanirian’i Benjamina Mpanjaka hiresaka tamin’ny olona. (Naniry ny hilaza ampahibemaso izy fa i Môsià no ho mpanjaka manaraka, ary hanome anarana ireo vahoaka.)

Môsià 2–6

Nampianatra mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tamin’ny olony i Benjamina Mpanjaka

Asehoy ny mpianatra ny sary mitondra ny lohateny hoe Ny Mpanjaka Benjamîna Manao Filazana ho an’ny Vahoakany (62298; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 74). Vakio amin’ny mpianatra ny Môsià 2:12–19. Asao ireo mpianatra hanangana ny tanany rehefa mahita andian-teny maneho ny toetran’i Benjamina Mpanjaka. Rehefa manangana ny tanany ireo mpianatra dia ajanony ny famakiana ary asao izy ireo hanazava ny zavatra hitany sy ny fomba hanehoan’izany ny toetran’i Benjamina Mpanjaka.

Azonao atao ny manontany ireo mpianatra mikasika ny zavatra nianarany momba ny asa fanompoana ao amin’ny Môsià 2:17. (Ny valintenin’ireo mpianatra dia tokony ahitana taratra ny fahatakarany fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’Andriamanitra.) Azonao atao ihany koa ny mangataka ny iray kilasy hamerina avy ao an-tsainy ny Môsià 2:17, izay andinin-tsoratra masina fehezina. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba nanompoany an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoany ny hafa tato ho ato.

Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ireto andinin-tsoratra masina ireto. Aza soratana ireo valiny ao anaty fonon-teny. Omeo andraikitra ny mpianatra tsirairay hamerina hijery ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina. Ampahatsiahivo azy ireo fa mifantoka amin’ity lohahevitra ity ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka hoe: “tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ ny famonjena amin’ ny zanak’ olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ ny alalan’ ny anaran’ i Kristy ihany, Ilay Tompo Tsitoha” (Môsià 3:17). Ireo andinin-tsoratra masina tsirairay ireo dia mampianatra zavatra mikasika io lohahevitra io.

  1. Môsià 2:20–25, 34. (Rehefa miaiky ny maha raiki-trosa antsika amin’Andriamanitra isika dia mitombo ny fankasitrahantsika.)

  2. Môsià 3:7–11, 17–18. (Nijaly i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahotantsika. Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana dia afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotantsika.)

  3. Môsià 3:12–16, 19–21. (Raha mihaino ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia afaka handresy ny maha olona araka ny nofo sy ho tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

  4. Môsià 4:5–8, 19–21, 26. (Raha manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika sy miezaka mampitombo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia afaka mitana ny famelana ny fahotantsika.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy an’ireo mpianatra ianao dia avelao izy ireo hanao tatitra amin’ny mpiara-mianatra aminy rehetra na ao anatin’ny vondrona kely maromaro mikasika ny zavatra nianarany. Avy eo dia angataho ny mpianatra maromaro hifidy ny iray amin’ireo fitsipika ary hanazava ny fomba hampiharan’izy ireo izany eo amin’ny fiainany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 4:1–3. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hitady ny fomba namalian’ny olona ny tenin’i Benjamina Mpanjaka. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môsià 5:1–2, 5–8. Asao ny iray kilasy hikaroka ny fomba hitondrantsika ny anaran’ny Tompo eo amintsika. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ity fitsipika ity: Mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika isika rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina. Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny iray amin’ireo antony namorian’i Benjamina Mpanjaka ny olona dia ny hampianatra azy ireo mikasika ny fanaovana fanekempihavanana. Nanokana an’i Môsià zanany lahy ho mpanjakan’ny vahoaka ihany koa izy (jereo ny Môsià 6:3).

Hamaranana izany dia anontanio ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara ny zavatra tsapany mikasika ny nitondran’izy ireo ny anaran’i Jesoa Kristy tamin’ny batisa. Angataho izy ireo hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba hahafahanao mampihatra ireo fitsipika tao amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka?

  • Midika inona aminao izany hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao izany?

Azonao atao koa ny mijoro ho vavolombelona mikasika ny fifaliana izay azo avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fianteherana amin’ny Sorompanavotany.

Fizarana manaraka (Môsià 7–17)

Anontanio ireo mpianatra hoe: Moa ve ianareo hijoro hiaro an’i Jesoa Kristy na dia hoe hovonoina ho faty aza ianareo noho ny fanaovana izany? Ampahafantaro ireo mpianatra fa handalina ny fampianaran’ny mpaminany Abinadia izy ireo amin’ny herinandro ho avy. Amporisiho izy ireo hikaroka ny hafatra nirian’i Abinadia ampitaina tamin’ny Nefita na dia efa fantany aza fa hovonoina ho faty izy noho izany.

Hamoaka printy