Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 32


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Môrônia 7:2010:34 (Fizarana 32)

Fitaovana Fanomanana Ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona Isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Môrônia 7:2010:34 (fizarana 32) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (Môrônia 7:20–48)

Rehefa nanohy ny fandalinany ny lahateny nataon’i Môrmôna tamin’ny olona tao amin’ny sinagoga ny mpianatra dia nianatra ny maha zava-dehibe ireo fitsipika momba ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana izy ireo manao hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mihazona ny zavatra tsara rehetra. Raha mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany fa hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha mivavaka amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo isika ary miaina amin’ny maha mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho feno fiantrana.

Andro 2 (Môrônia 8–9)

Rehefa nandalina ilay epistily avy amin’i Môrmôna ho an’i Môrônia voarakitra ao amin’ny Môrônia 8 ny mpianatra dia nianatra fa ilain’ny rehetra izay tompon’andraikitra sy afaka manota ny fibebahana sy ny batisa. Izy ireo ihany koa dia nandalina ilay fotopampianarana milaza hoe avotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zaza madinika. Ny mpianatra dia nianatra tamin’ny alalan’ny fandalinana ny epistily voarakitra ao amin’ny Môrônia 9 fa tokony hiasa amim-pahazotoana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika na dia tsy mandray tsara izany aza ireo izay tompointsika. Ankoatra izay dia nianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna sy i Môrônia ny mpianatra fa raha mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy isika dia hampahery antsika izy na dia hodidinin’ny zava-tsarotra sy ny faharatsiana aza isika.

Andro 3 (Môrônia 10:1–7, 27–29)

Rehefa nandalina ny fijoroana ho vavolombelona famaranana nataon’i Môrônia ny mpianatra dia nampahatsiahivina azy ireo fa raha mangataka amin’Andriamanitra amim-pinoana sy amin’ny tena finiavana isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Nianatra ihany koa izy ireo fa hampamoahin’Andriamanitra mikasika ny fomba fandraisany ny Bokin’i Môrmôna ireo izay nandray izany.

Andro 4 (Môrônia 10:8–26, 30–34)

Nianatra ny mpianatra fa manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba hahasoa ireo zanany Andriamanitra. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha manam-pinoana isika dia ho afaka ny hanao izay tian’ny Mpamonjy hataontsika. Nianatra ny tenin’i Môrônia farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa ny mpianatra, izay mampianatra fa afaka ny hodiovina sy hatao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika rehefa manatona an’i Jesoa Kristy.

Fampidirana

Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe mihazona ny zavatra tsara rehetra ity lesona ity. Omena fahafahana hanazava ny fomba ahafahan’ny olona iray mahafantatra amin’ny tenany samirery fa marina ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra. Ho afaka ny hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy hifanakalo hevitra mikasika ny fomba nahazoan’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona tanjaka tamin’ity taona ity koa izy ireo. Ny Môrônia 7–9 dia mirakitra ireo epistily na taratasy avy amin’i Môrmôna izay nampidirin’i Môrônia tao anatin’ny bokiny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 7:20–48

Noraketin’i Môrônia an-tsoratra ireo fampianaran’i Môrmôna momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ary ny fiantrana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe mikasika sy mihazona. Asao ny mpianatra iray ho eny aloha ary haneho amin’ny iray kilasy ny dikan’ny hoe mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Angataho avy eo io mpianatra io haneho ny dikan’ny hoe mihazona ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 7:19 ary hitady ilay nolazain’i Môrmôna fa tokony hohazonintsika. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no nolazain’i Môrmôna fa tokony hohazonintsika?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mihazona ny zavatra tsara rehetra”? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa mety ho tafiditra ao anatin’ny “zavatra tsara rehetra” ireo tanjona, asa, eritreritra, fitsipika ary zavatra tsara.)

Hazavao fa nanohy nampianatra ny fomba ahafahantsika “mihazona ny zavatra tsara rehetra” i Môrmôna. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 7:20–22, 25. Asao ny iray kilasy hitady ny torohevitr’i Môrmôna mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba “hihazonana ny zavatra tsara rehetra.”

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara misy banga manaraka ity: Rehefa … isika , dia afaka mihazona ny zavatra tsara rehetra.

Anontanio hoe: Ahoana no hamenoanareo io teny nambara io rehefa avy namaky ireo andininy ireo ianareo? (Valinteny iray mety omen’ny mpianatra ny hoe Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mihazona ny zavatra tsara rehetra.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nijoro ho vavolombelona ihany koa i Môrmôna tao anatin’ity toko ity fa afaka ny ho feno ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Môrônia 7:48). Asao ny iray kilasy hiezaka ny hanao tsianjery ny Môrônia 7:45, 47–48 izay andinin-tsoratra masina fehezina. Afaka mamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ihany koa ny mpianatra.

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andian-teny tianao indrindra ao amin’ny Môrônia 7:45, 47–48? Nahoana no manan-danja aminao izany andian-teny izany?

  • Oviana ianao no nahita olona iray niantra olona, na oviana ianao no nahatsapa fa nanampy anao hiantra olona ny Tompo? (Azonao atao ny mizara ny valinteninao manokana amin’ireo fanontaniana ireo.)

Môrônia 10

Namporisika antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy hanatona an’i Kristy i Môrônia

Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny tanjon’ny vato ifaharana ao amin’ny andohalambo iray. Ifanakalozy hevitra ny zavatra ifandraisan’ny vato ifaharana amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ilay sary ao amin’ny fizarana 1, andro 3 ao amin’ny boky fandalinany.) Asao ny mpianatra hizara ny fomba maha vato ifaharan’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny mpianatra iray hamaky ny Môrônia 10:3–5. Asao ny mpianatra rehetra hieritreritra ny antony maha manan-danja ny hizarana ireo andininy ireo amin’ny olona rehetra, na mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika izy ireo na tsia. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreritr’izy ireo ary avy eo dia anontanio hoe: Inona no nolazain’i Môrônia fa tokony hataontsika mba hahafantarana ny fahamarinana? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Hamafiso fa fomba hikatsahantsika amim-pinoana ny hahafantatra “ny fahamarinan’ny zavatra rehetra” ireo valinteny ireo.)

Asao ny mpianatra hamaky ny Môrônia 10:6–7 ary anontanio avy eo hoe: Ankoatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna dia inona koa no azontsika fantarina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina? (Ny Fanahy Masina dia hanamafy fa i Jesoa no Kristy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manontany an’Andriamanitra amim-pinonana sy omban’ny tena finiavana isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i môrmôna sy momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa namela fanasana farany ho an’ny olona rehetra izay hamaky ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Asao ny mpianatra iray hamaky ny fanasan’i Môrônia izay hita ao amin’ny Môrônia 10:30, 32–33. Asao ny mpianatra rehetra ao an-dakilasy hikaroka ireo fomba ahafahantsika “[manatona] an’i Kristy.” (Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.) Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no fanasana nataon’i Môrônia tamintsika any amin’ny faran’ity rakitsoratra masina ity?

  • Andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no manampy anareo hahafantatra ny fomba “[hanatonana] an’i Kristy”?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo? (Mety ahitana ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’ny mpianatra: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hodiovina sy hatao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe.)

  • Midika inona aminareo ny hoe tsy afaka atao tanteraka ianareo raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany?

Asao ny mpianatra tsirairay hifidy ny iray amin’ireto fanontaniana ireto ary hieritreritra valiny ho an’izany. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe na manomana izany amin’ny taratasy hozaraina alohan’ny fotoam-pianarana.) Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no nahafantaranareo fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anareo ho lasa tsaratsara kokoa mihoatra izay mety ho azonareo natao samirery?

  • Rehefa manao jery todika mikasika ny fandalinanareo ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity ianareo dia inona no zavatra izay tianareo hatao mba hanatsarana ny fandalinanareo soratra masina?

Rehefa avy nizara ny valinteniny ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ho fanampin’izay dia zarao amin’ny mpianatra ny fankasitrahanao azy ireo sy ny ezaka nataon’izy ireo mba handalina sy hianatra tao amin’ny seminera tamin’ity taona ity. Amporisiho izy ireo hanohy hamaky soratra masina isan’andro sy hiezaka ny hampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo teo amin’ny fiainany.

Hamoaka printy