Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 6


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

2 Nefia 4–10 (Fizarana 6)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika manaraka ity izay nianaran’ny mpianatra rehefa nandalina ny 2 Nefia 4–10 izy (fizarana 6) izy ireo dia tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo fotsiny. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (2 Nefia 4–5)

Rehefa nandalina ny 2 Nefia 4 ny mpianatra, dia nifantoka izy ireo tamin’ilay fitsipika hoe, manohana ireo izay mametraka ny fahatokiany eo Aminy Andriamanitra, (jereo ny 2 Nefia 4:12–35) ary nanoratra tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba iray tian’izy ireo hampitomboana ny fahatokiany an’Andriamanitra. Hitan’izy ireo tao amin’ny 2 Nefia 5 ireo ohatra mikasika ireto fahamarinana manaraka ireto: Tonga amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fanambaran’Andriamanitra ny fahazoana fiarovana (jereo ny 2 Nefia 5:1–8). Rehefa lasa fomba fiainana arahintsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hitombo ny fifaliantsika (jereo ny 2 Nefia 5:9–18, 26–27). Nandinika ny fiainany ny mpianatra ary nanapa-kevitra ny hanao zavatra iray mba hiainana bebe kokoa “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”

Andro 2 (2 Nefia 6–8)

Ny mpianatra tao anatin’io lesona io dia nianatra fa maneho famindram-po amin’ireo izay miverina Aminy ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 6). Nisaintsaina ny nanehoan’ny Tompo famindram-po taminy izy ireo. Nianatra koa izy ireo fa maniry ny hanavotra ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Mpamonjy ary manana ny hery hanaovana izany (jereo ny 2 Nefia 7–8).

Andro 3 (2 Nefia 9)

Rehefa nanomboka ny fandalinany ny 2 Nefia 9 ny mpianatra dia nianatra ny zavatra hitranga raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana. Nianatra ireto fahamarinana manaraka ireto koa izy: Manavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy nentin’ny Fahalavoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 9:1–22). Afaka mandresy ny vokatry ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka, sy atao batisa ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny 2 Nefia 9:14–27). Nanoratra andinin-tsoratra iray ny mpianatra mba hanehoana ny zavatra tsapany momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Andro 4 (2 Nefia 9–10)

Rehefa nandalina ny ambin’ny 2 Nefia 9 sy nandalina ny 2 Nefia 10 ny mpianatra dia nisaintsaina izy ireo hoe inona avy ireo safidy izay mampisaraka azy ireo amin’ny Tompo ary inona avy ireo safidy izay manampy azy ireo hanakaiky kokoa Azy. Nianatra izy ireo fa rehefa misafidy ny hanakaiky ny Tompo sy hiaina araka ny sitrapony isika dia hahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana.

Fampidirana

Ao anatin’ireo fahamarinana manan-danja maro izay nianaran’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity dia hamafiso ny maha manan-danja ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mivavaha mba hahazo fitarihana mikasika ny fomba ahafahantsika manampy azy ireo hahatakatra sy hiantehitra amin’ny Sorompanavotana. Rehefa mampianatra ianao dia amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra tokony hataony mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Fanamarihana: Rehefa manomana ombam-bavaka ny lesonao ianao dia eritrereto ireo zavatra ilain’ny mpianatrao—indrindra ny zavatra ilain’ireo izay mety ho sahirana. Rehefa mivavaka ho an’ny mpianatra tsirairay ianao sy mivavaka mba hahazo fitarihana mikasika ny fomba tena tsara hampianarana azy ireo ny fotopampianarana sy ny fitsipika hita ao amin’ny soratra masina dia hanentana ny fanahinao ny Fanahy Masina mba hahafantatra ny fomba hanomezana izay zavatra ilain’ny mpianatra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 4–5

Naneho ny fahatokiany ny Tompo i Nefia. Nosarahan’ny Tompo tamin’ny Lamanita ny Nefita. Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana ny Nefita

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fampahalalana ao anatin’ity tabilao manaraka ity, na omano mba hatao ao anatin’ny taratasy zaraina izany.

2 Nefia 4

2 Nefia 5

  1. Vakio ny sasin-teny ary miomana hamintina ny toko amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana.

  2. Vakio ny 2 Nefia 4:19 ary hazavao izay eritreretinao ho dikan’ny hoe “fantatro izay efa nitokiako.”

  3. Vakio ny zavatra nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny andro 1, asa ampanaovina 4 ary miomana hizara fomba iray izay tianao hampitomboana ny fahatokianao ny Tompo.

  1. Vakio ny sasin-teny ary miomana hamintina ny toko amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana.

  2. Vakio ny 2 Nefia 5:27 ary hazavao izay eritreretinao fa dikan’ny hoe miaina “ao amin’ny toetry ny fahasambarana.”

  3. Vakio ny zavatra nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny andro 1, asa ampanaovina 6. Miomana mba hizara ny iray amin’ireo zavatra nataon’ny Nefita na ny toetrany ary ny fiantraikan’ny fanaovanao ny zavatra tahaka ny azy ireo na ny fanehoanao toetra tahaka ny azy ireo teo amin’ny fahasambaranao.

Zarao ho roa ny mpianatra. Asao hiomana hampianatra ny zavatra hita eo ambanin’ny 2 Nefia 4 ny antsasaky ny mpianatra ary ilay antsasany iray hafa hiomana hampianatra ny zavatra hita eo ambanin’ny 2 Nefia 5.

Ny mpianatra manao ny 2 Nefia 4 dia ampiaraho amin’ny mpianatra manao ny 2 Nefia 5 ka miara-miasa tsiroaroa izy ireo. Asao ny mpianatra mba hizara miaraka amin’ilay mpiara-miasa aminy ny zavatra nomanin’izy ireo mikasika ilay asa nampanaovina azy ireo.

2 Nefia 6–8

Naminany mikasika ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely i Jakôba ary nanambara ny faminaniana nataon’i Isaia momba ny fahatokiana asehon’ny Mpamonjy amin’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny 2 Nefia 6–9 no andro voalohan’ny toriteny nomen’i Jakôba ny olony. Ny andro faharoan’ny fampianarany dia mitohy ao amin’ny 2 Nefia 10. Ao amin’ny 2 Nefia 6, i Jakôba dia naminany fa holavin’i Jiosy ny Tompo ary hiely patrana. Asaivo vakian’ny mpianatra ny 2 Nefia 7:1–2, ary asao izy ireo hamerina hilaza ny dikan’izany amin’ny alalan’ny teniny manokana.

2 Nefia 9

Ampianarin’i Jakôba ny fomba hanavotan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fiantraikan’ny Fahalavoana sy ny vokatry ny fahotana

Zarao ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

“Toy ny tsy hitadiavan’ny olona iray sakafo raha tsy efa noana izy no tsy haniriany ny famonjen’i Kristy raha tsy efa fantany ny antony ilany an’i Kristy.

“Tsy misy na iza na iza mahafantatra tsara sy araka ny tokony ho izy ny antony ilany an’i Kristy raha tsy efa takany sy ekeny ny fotopampianaran’ny Fahalavoana sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny olombelona. Ary tsy misy boky hafa eto an-tany izay manazava tsara kokoa izany fotopampianarana lehibe izany noho ny Bokin’i Môrmôna” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, Mey 1987, 85).

Asao ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nisy namana iray nanontany hoe: “Nahoana no ilaintsika ny Mpamonjy?” Asao ny mpianatra mba hiomana hamaly ity fanontaniana ity mifototra amin’ny zavatra nianarany ao amin’ny 2 Nefia 9. Asao izy ireo hamerina hijery ny 2 Nefia 9:7–10, 19–22 mba hahitana ny valiny. Angataho ny mpianatra mba hizara ny valinteniny mikasika izany fanontaniana izany.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mamonjy antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana dia vakio ilay fifanahafana nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ao amin’ny fitaovana enti-mampianatra ho an’ny 2 Nefia 9:10–27, ao amin’ny Fizarana 6: Andro 3, ao amin’ny bokin’ny mpianatra. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hanao sary eny amin’ny solaitrabe na eo amin’ny taratasy iray mikasika ny zavatra nofaritan’ny Filoha Smith. Raha toa ka misafidy ny hangataka mpianatra iray hanao sary eo amin’ny solaitrabe ianao na eo amin’ny taratasy iray dia azonao atao koa ny manasa ilay mpianatra mba hanazava ilay sary.

Asao ny mpianatra mba hieritreritra mikasika ny zavatra tsapany manokana raha tafahitsoka ao anatin’ny lavaka lalina iray izy ireo ary tafasaraka amin’Andriamanitra noho ireo safidy nataony. Hazavao fa raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy ho nisy ny fahafahana hibebaka ary tsy ho nisy ny fanantenana ary tsy ho nisy na iza na iza afaka nisoroka ireo vokatry ny fahotana ireo.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 9:21–23 ary angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hanazava izany amin’ny alalan’ny fampiasany ny tenin’izy ireo manokana. Na dia lazainy amin’ny fomba hafa aza izany dia ataovy izay hampazava ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mandresy ny vokatry ny fahotana isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hazavao fa ny iray amin’ireo tombontsoa lehibe azo avy amin’ny fiarahana ao anatin’ny vondrona iray dia ny fahafahana mizara ny zavatra tsapa sy ny fijoroana ho vavolombelona. Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra tsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Raha sahirana izy ireo mizara izany dia azonao angatahina izy ireo mba hamaky ny zavatra nosoratany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina ho an’ny andro 3, asa ampanaovina 4. Afaka mizara ny fijoroanao ho vavolombelona ianao hanampiana ny azy ireo.

Asaivo maka sary an-tsaina ny mpianatra hoe misy olona iray tratran’ny areti-mandoza. Dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Nahoana no zava-dehibe ny hahatakaran’ilay olona ny filana fitadiavana fanampiana?

  • Nahoana no zava-dehibe koa ny hahatakaran’ilay olona ny zavatra tokony hatao mba hahazoana fanampiana?

  • Inona no vokany raha toa ka mahatakatra ny filany fanampiana ilay olona saingy tsy mahatakatra ny zavatra tokony hataony mba hahazoany izany?

Anontanio ny mpianatra raha fantatr’izy ireo ny zavatra tokony hataony mba hahazoany ireo fitahian’ny Sorompanavotana. Ampahatsiahivo izy ireo fa nandalina ny 2 Nefia 9:23, 42–52 ary nahita zavatra atao sy toetra maro izay manampy antsika hanatona an’i Kristy sy manasa ny herin’ny sorompanavotany ho ao amin’ny fiainantsika. Asaivo jeren’izy ireo indray ireo soratra masina nasian’izy ireo marika sy ilay lisitra nataon’izy ireo tao anatin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ireo zavatra izay mitondra antsika any amin’ny Mpamonjy (andro 4, asa ampanaovina 1). Asao ny mpianatra mba hizara ny fomba nitondran’ny zavatra natao iray na toetra iray na maro azy ireo mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanarahana ireo fitsipika nampianarina ao anatin’ireo andininy ireo dia hanampy antsika hahazo ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana.

2 Nefia 10

Namporisika ny vahoakany i Jakôba mba hifaly sy hanatona ny Tompo

Vakio miaraka amin’ny mpianatra ny 2 Nefia 10:23–24. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao anatin’ny andro 3, asa ampanaovina 6, dia nasaina izy ireo mba hieritreritra zavatra iray ho ataony mba hoentina hampihavanana ny tenany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Amporisiho izy ireo mba hanatanteraka izany fanasana izany.

Angataho ny mpianatra mba hizara zava-baovao fanampiny izay azon’izy ireo avy amin’ireo toko nohalalin’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Raha ampy ny fotoana dia farano amin’ny fihirana na fiarahana mamaky ny tonon’ny hira “Endrey Mahagaga ahy” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 44) ity lesona ho an’ity herinandro ity na hira iray hafa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny maha zava-dehibe ny fiavian’ny Mpamonjy sy ny tena fisian’ireo fitahian’ny Sorompanavotana.

Fizarana Manaraka (2 Nefia 11–25)

Rehefa mandalina ny 2 Nefia 11–25 ny mpianatra amin’iny herinandro ho avy iny dia hahita ny sasany tamin’ireo teny nambaran’i Isaia izy ireo sy ny fomba fahitany izao androntsika izao ary ny fampitandremany antsika izay mifototra amin’ny zavatra hitany. Ny sasany amin’ireo fampitandremany dia mifandray amin’ny fampitam-baovao jerentsika na vakiantsika, ny fitafiantsika, ny fomba fiainantsika ary ny toetrantsika. Amporisiho ny mpianatra mba hamaky ny 2 Nefia 11–25 sy hanangom-pahalalana araka izay vitany avy amin’izany na dia tsy takatr’izy ireo aza ny teny rehetra.

Hamoaka printy