Tahirim-pitaovana
Lesona 102: Almà 49–51


Lesona 102

Almà 49–51

Fampidirana

Tena nilaina tamin’ny fiarovana ny Nefita tamin’ireo fahavalony ny fanomanana toeram-piarovana nataon’i Môrônia. Nahomby tamin’ny fiarovany ny tenany tamin’ny Lamanita ny Nefita mandra-pisian’ny fiokoana sy ny faharatsiana teo anivon’ny vahoakan’izy ireo izay nanomboka nampalemy azy ireo. Nikatsaka ny hampisy fizarazarana i Môriantôna sy ireo mpomba ny mpanjaka ary nampisy fifandirana teo anivon’ny vahoaka. Niezaka nanafoana ny fizarazarana i sy ny fifandirana i Môrônia ary nametraka ny fandriampahalemana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 49; 50:1–24

Nanangana fefy fanamafisana ny Nefita dia niroborobo ary nahatazona ny fahafahany

Vakio amin’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity ary apetraho ireo fanontaniana miaraka amin’izany (na mamoròna manokana rafi-tantara sy andiam-panontaniana):

Nahatsapa ho reraka ny zatovolahy iray fa tsy te handeha hatory ka nanomboka nanao fikarohana tao amin’ny Internet izy. Nanjary nalaim-panahy hijery ireo tranonkala misy sary mamoa fady izy.

  • Inona avy ireo fiomanana tokony nataon’io zatovolahy io mba hialana tamin’io fakam-panahy io?

  • Inona no azony hatao hialana amin’ny fakam-panahy any aoriana?

Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ny Almà 49–51 izy ireo dia afaka hikaroka ny fomba hampitahana ireo fiomanana nataon’ny Kapiteny Môrônia hiarovan-tena tamin’ny Lamanita amin’ny fiomanana tokony hataontsika hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana amin’izao fotoana izao izy ireo.

Hazavao fa rehefa namoky ny fon’ny tafika Lamanita handeha hiady i Amalikià dia nanamafy ireo tanànan’ny Nefita kosa ny Kapiteny Môrônia. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 49:1, 6–7. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba azo hampifanahafana ny fiomanana nataon’ny Kapiteny Môrônia hanoherana ny Lamanita amin’ny zavatra ilaintsika mba hiomanana amin’ny fanafihana ataon’i Satana amintsika. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 49:2–4; 50:1–6 ary hikaroka ny fomba niomanan’ny Nefita tamin’ny fanafihana mety ho ataon’ny Lamanita.

  • Raha miaramila Lamanita ianao dia mety ho inona no tsapanao rehefa nahita ireo fanamafisana ireo tamin’ny voalohany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 49:8–12. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hikaroka ny fihetsiky ny Lamanita tamin’ny fiomanana nataon’ny Nefita.

  • Inona no nataon’ny Lamanita rehefa nahita fa nohamafisina i Amônihà? (Nisintona izy ireo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“I Satana no fahavalontsika lehibe indrindra ary miasa andro aman’alina izy hanimbana antsika. Kanefa tsy tokony halemin’ny tahotra noho ny herin’i Satana isika. Tsy afaka manana fahefana amintsika izy raha tsy mamela azy isika. Tena olona sarotahotra izy ary raha miorina tsara isika dia hisintona izy” (“Be Not Afraid,” Ensign, Ôkt. 2002, 4).

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 49:18–20, 23. Asao ny iray kilasy hamaky sy hanaraka izany ary hieritreritra ny fomba hampiasantsika ny fiomanan’ny Nefita tamin’ny ady ho toy ny maodely arahana hanampiana antsika hiomana amin’ireo ady ara-panahy amin’i Satana.

  • Niasa mafy mba hiaro ny Nefita tamin’ny Lamanita ny Kapiteny Môrônia. Amin’ny fomba ahoana no hiasan’ireo mpitarika antsika mba hiarovana antsika amin’ny fahavalo?

  • Inona no azontsika atao hananganana rindrina avo be ara-panahy hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana? (Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe vavaka atao amin’ny fo isan’andro, fandalinana soratra masina isan’andro, fandehanana tsy tapaka any am-piangonana, fanompoana ny hafa ary fifadian-kanina.)

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no hamaritanareo ny ezaka ataonareo isan’andro mba hanamafisana ireo rindrina ara-panahinareo?

  • Misafidiana zavatra iray ataonareo mba hampatanjahanareo ny tenanareo na zavatra iray tsy ataonareo. Inona no azonareo atao hampitomboana ny fahombiazan’izany zavatra atao izany mba hampatanjahanareo ny tenanareo hanohitra ny ratsy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 49:28–30. Asao ny iray kilasy hamantatra hoe iza, ankoatra an’i Môrônia no niasa mafy mba hiaro ny Nefita tamin’ny Lamanita. Hamafiso fa nanampy ny Nefita handray ireo fitahiana sy ny fiarovan’ny Tompo i Helamàna sy ireo rahalahiny tamin’ny alalan’ny fanampiana ny Nefita hijanona ho marina.

Omeo fotoana ny mpianatra handalinana ny Almà 50:10–12. Aorian’izay dia asao izy ireo hifanakalo hevitra mikasika ireto rafi-tantara manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray. (Raha azo atao dia omany ao anatin’ny taratasy hozaraina ireo rafi-tantara ireo alohan’ny fotoam-pianarana. Raha tsy afaka manao izany ianao dia vakio tsirairay ireo rafi-tantara ireo mba hanomezana fotoana ampy hiresahana izany tsirairay.)

  1. “[Nanoka-monina] ny toeram-pamaharan’ny Lamanita” i Môrônia. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zatovovavy iray “[manoka-monina]” ny fotoana iray hifosana olona rehefa tafaraka amin’ireo namany mandritra sy sakafo antoandro izy?

  2. Nanamafy ny faritra nanelanelana ny Nefita sy ny Lamanita i Môrônia. Amin’ny fomba ahoana no hanamafisan’ny zatovolahy iray sy ny zatovovavy iray ny faritra manelanelana ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fiampitana izany mba hiditra ao amin’ny fahalotoam-pitodrantena?

  3. Nanangana fanamafisana ny tafik’i Môrônia mba hiarovana ny vahoakany tamin’ireo fahavalony. Nahatsapa ny zatovolahy iray fa nandany fotoana be loatra tamin’ny fampiasana tambazotra ifaneraserana (en-ligne na tamin’ny alalan’ny hafatra an-tsoratra.) Toa mampihena ny firaharahiany ireo fianakaviany akaiky izany fitondrantena izany ary manao tsinontsinona ny andraikiny ao an-trano izy. Inona no azony atao hanamafisana sy hiarovana ny fifandraisany amin’ny fianakaviany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra nataon’ny Kapiteny Môrônia mikasika ny fomba hiarovantsika tena amin’ny fanafihan’ny fahavalo. Ataovy izay hahazoana antoka fa ny mpianatra dia mahatakatra hoe afaka manohitra ny fanafihana (fakam-panahy) avy amin’ny fahavalo isika raha manomana ny tenantsika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 50:1. Anontanio ny mpianatra hoe:

  • Koa satria hitantsika fa nahomby tamin’ny fiomanana nataony ny Kapiteny Môrônia dia inona no hevi-baovao fanampiny azontsika hianarana avy amin’io andininy io? (“Tsy nitsahatra” ny nanao fanomanana i Môrônia; nanohy nanamafy ny toeram-piarovany izy eny fa na dia tamin’ny fotoana nisian’ny loza nitatao aza.)

Mba hanampiana ny mpianatra ho tia ny filana ny fanohizana fanamafisana ara-panahy dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Rehefa mihamatanjaka ireo hery manodidina antsika dia na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tanjaka ara-panahy ampy teo aloha dia tsy ho ampy izany. Ary na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fitomboana ara-panahy noeritreretintsika fa azontsika nananana teo aloha dia hisy fitomboana lehibe kokoa natao ho antsika. Samy hitombo amin’ny hafainganam-pandeha izay tsy homentsika lanja ka hizakantsika ny vokany ny filàna tanjaka ara-panahy sy ny fahafahana mahazo izany” (“Always,” Ensign, Ôkt. 1999, 9).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Hiomana ny hanohitra fakam-panahy aho amin’ny alalan’ny …

Tsy ho voahozongozona aho rehefa …

Asao ny mpianatra hameno ireo fehezanteny ireo ao amin’ny kahie ao an-dakilasy na diary fandalinana soratra masina. Rehefa avy manoratra ny mpianatra dia vakio ity teny nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson ity. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io teny voalaza io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 50:10–12.)

“Tsara kokoa ny miomana sy misoroka toy izay manonitra sy mibebaka” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 285).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no marina io teny nambara io? Oviana ianao no nahita ohatra tamin’ny fitsipika ampianarin’io teny nolazaina io?

Hazavao fa nitondra tamin’ny taona vitsivitsy nisian’ny firoboroboana sy fandriampahalemana lehibe ny fiomanana nataon’ny Nefita. Lazao amin’ny mpianatra fa raha nanozona an’Andriamanitra noho ny fahareseny i Amalikià, ny Nefita kosa dia “nisaotra ny Tompo Andriamaniny” (Almà 49:28).

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa manana namana mipetraka amin’ny faritra hanjakan’ny ady izy ireo. Mahatsapa io namana io fa tsy azo heverina ny hahatsapana fiadanana sy fahasambarana noho ireo faharavana manodidina azy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Almà 50:18–23. Asao ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo sy hamolavola ny valinteny azon’izy ireo omena ilay namany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo. Ny fahamarinana iray mety hampidirin’izy ireo ao anatin’ny valinteniny dia ny hoe mitondra fahasambarana na dia eo anivon’ny hotakotaka aza ny fahatokiana an’Andriamanitra. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.) Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy amin’ny ady ihany no mampitombina io fahamarinana io fa amin’ny olana atrehin’ny tena manokana ihany koa, toy ny tsy fananam-bola, ny fahaverezan’ny asa, ny fahafatesan’ny olon-tiana iray, ny fahasimban’ny fifandraisana amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, ary ny loza voajanahary.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 50:18–23 dia nahoana ny Nefita no niaina fotoam-pahasambarana?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fanomezan’ny Tompo hery sy fitahiana anao noho ny fankatoavanao sy ny fampatanjahanao ny tenanao hiadiana tamin’ny fakam-panahy?

  • Oviana ny Tompo no nanome anao na olona iray fantatrao tamin’ny firoboroboana, fiadanana, ary fahasambarana teo anivon’ny fotoan-tsarotra? (Mizarà ohatra avy amin’ny fiainanao rehefa avy mamaly ny mpianatra.)

Almà 50:25–40; 51

Nihanalemy ny fiarovan’ny Nefita ary nifanehitra tamin’ireo mpioko teo anivon’ny vahoakany i Môrônia

(Fanamarihana: Noho ny halavan’ity lesona ity araka izay hita izay dia azonao atao ny mamintina fohifohy ny ambin’ity lesona ity. Raha manao izany ianao dia hazavao fa ny Almà 50:25–40 dia mirakitra ny tantaran’ny fikomian’i Môriantôna sy ny fahafatesan’i Pahôrana, izay lohan’ny mpitsara voatendry. Ny Almà 51 dia mitantara mikasika ny andian’olona natsoina hoe mpomba ny mpanjaka izay niezaka nanova ny lalàna mba hamelana mpanjaka iray hitondra ny Nefita. Tsy nahomby tamin’ny ezaka nataony izy ireo. Nandà ny handray fitaovam-piadiana ireo mpomba ny mpanjaka noho ny fahatezeran’izy ireo tamin’ny tsy fahombiazany rehefa tonga hiady tamin’ny Nefita i Amalikià sy ny Lamanita. Nitaky azy ireo handray fitaovam-piadiana i Môrônia na ho voasazy araka ny lalàna. Nahasambotra Nefita marobe ny miaramilan’i Amalikià ary nahafaty Nefita marobe. Nifanehitra tamin’i Teankoma sy ny miaramilany i Amalikià rehefa nikatsaka ny hambabo ny tanin’i Soafeno. Namono an’i Amalikià i Teankoma ary nanakana ny fandrosoan’ny miaramila Lamanita.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Mahomby isika rehefa miray hina ary tsy mahomby isika rehefa misaraka.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 50:25–26 ary hikaroka ny teny ao amin’ny andininy tsirairay izay milazalaza ny antony nahatonga ny fisaraham-bazana teo anivon’ny Nefita.

  • Inona no nampisy fisaraham-bazana teo anivon’ny vahoaka?

Fintino ny sisa tavela amin’ny Almà 50 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niezaka nandao ny Nefita ary nitsoaka tany andafiavaratra i Môriantôna sy ny olony. Natahotra i Môrônia sao hitarika amin’ny fahaverezan’ny fahafahana ho an’ny Nefita ity fisaraham-bazana ity. Naniraka vondron-tafika iray notarihin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Teankoma izy mba hanakana ny vahoakan’i Môriantôna tsy handeha. Tsy navelan’ny miaramilan’i Teankoma ho tonga tany amin’izay tiany nahatongavana ny vahoakan’i Môriantôna ary novonoina i Môriantôna. “[Nanao] dina hitandrina ny fandriampahalemana” ny sisa tavela tamin’ny vahoakany” (Almà 50:36). Fotoana fohy taorian’ny fikomian’i Môriantôna dia nihanitombo teo anivon’ny vahoakan’i Nefia ny fisaraham-bazana ara-pôlitika nampatahotra. Te hanongana an’i Pahôrana teo amin’ny toeram-pitsarana ny Nefita sasany ary hametraka mpanjaka teo amin’ny toerany. Te hitazona ny rafi-pitondran’ny mpitsara ny sisa tavela tamin’ny vahoaka.

Asao ny mpianatra handalina ny Almà 51:5–6 ary hikaroka ireo anaran’ireo andian’olona mpifanohitra ireo (ny mpomba ny mpanjaka sy ny olona afaka). Omeo fotoana fohy ny mpianatra hamantarana ao amin’ny Almà 51:8 ny antony nandrisika ireo mpomba ny mpanjaka.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manimba ny fandriampahalemantsika ny fisaraham-bazana sy ny fifandirana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoana io fitsipika io ao amin’ny fitantarana ny fisaraham-bazana sy ny fifandirana voarakitra ao amin’ny Almà 50 sy 51?

  • Inona no azonao atao ao amin’ny fianakavianao, eo anivon’ny namanao, na ao amin’ny fiaraha-monina misy anao mba hamahana ny fifandirana?

  • Oviana ianareo no nahita ireo fitahiana avy amin’ny firaisan-kina nampatanjaka fianakaviana iray na kôlejy iray na kilasy iray?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay tsapanao fa tokony ho antitranterinao. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa hanome azy ireo fahafahana bebe kokoa hamantatra fitsipika maromaro sy hianatra lesona maromaro avy amin’ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ireo lesona vitsivitsy manaraka.

Hamoaka printy