Tahirim-pitaovana
3 Nefia


Fampahafantarana ny Nefia Fahatelo: Ny Bokin’i Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mandritra ny fandalinany ny 3 Nefia dia hianatra momba ny teny sy ny asan’ny Mpamonjy nandritra ny telo andro nanompoany teo anivon’ny Nefita ireo mpianatra. Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nampianatra hoe: “Ny 3 Nefia dia mirakitra ny sasany amin’ireo andininy mampihetsi-po sy mahery vaika indrindra amin’ny soratra masina rehetra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ary ireo fotopampianaran’ny famonjena izany” (“The Savior’s Visit to America,” Ensign, Mey 1987, 6). Rehefa hitan’ireo mpianatra ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy fangorahana ho an’ny olona “tsirairay,” dia ho hain’izy ireo ny mankasitraka bebe kokoa ny Fiahiany azy ireo tsirairay manokana (jereo ny 3 Nefia 11:15; 17:21). Afaka mianatra lesona manan-danja avy amin’ny ohatra tsara izay nasehon’ireo izay niomana ny hihaona amin’ny Mpamonjy izy ireo. Afaka mianatra avy amin’ny ohatra ratsy nasehon’ireo izay tsy niomana ny hihaona amin’ny Mpamonjy ihany koa izy ireo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Namintina rakitsoraka avy amin’ny takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna mba hahazoana ny bokin’i 3 Nefia. Nampitondraina ny anaran’i Nefia (zanak’i Nefia) ilay boky ary ny asa nataony dia mandrakotra ny vanim-potoana talohan’ny nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny vahoaka, sy ny vanim-potoana nitrangan’ izany, ary ny vanim-potoana taorian’izany. Nandritra ilay fotoana feno faharatsiana lehibe izay nialoha ny famangian’i Jesoa Kristy, dia nanompo “tamin-kery sy fahefana lehibe” i Nefia (3 Nefia 7:17). Ny ezaka nataony no nialoha ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy, ary ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny asany no ifantohan’ny 3 Nefia. Raha namintina ny rakitsoratr’i Nefia i Môrmôna, dia nampidirina tao ihany koa ny fanamarihany sy ny fijoroany ho vavolombelona (jereo ny 3 Nefia 5:8–26; 26:6–12; 29–30).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ho an’ny vondrona anankiroa no nanoratan’i Môrmôna ireo rakitsoratra ao amin’ny 3 Nefia. Voalohany, nazavainy fa nanoratra izany ho an’ireo taranak’i Lehia izy (jereo ny 3 Nefia 26:8). Faharoa, dia niresaka tamin’ireo Jentilisa amin’ny andro farany i Môrmôna ary nirakitra an-tsoratra ny fananaran’ny Tompo mba hanatonan’izy ireo Azy sy ho tonga ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany (jereo ny 3 Nefia 30). Ny bokin’i 3 Nefia dia manantitrantitra izany fanasana izany amin’ny alalan’ny fijoroany ho vavolombelona matanjaka momba an’i Jesoa Kristy ary manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanana.

Oviana ary taiza no nanoratana azy?

Ny rakitsoratra niaingana voalohany izay nampiasaina ho loharanon’ny bokin’i 3 Nefia dia mety ho nosoratana teo anelanelan’ny taona 1 talohan’i J.K. sy 35 taorian’i J.K.. Namintina ireo rakitsoratra ireo i Môrmôna, tokotokony ho teo anelanelan’ny 345 taorian’i J.K. sy 385 taorian’i J.K.. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’izy nanambatra ity boky ity.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ao amin’ny 3 Nefia no ahitana ny fahatanterahan’ny faminaniana mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 3 Nefia 1; 8; 11). Ny tantara hita ao momba ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita no maneho ilay antsoin’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “ny zavatra ifantohana indrindra, ny fotoana lehibe indrindra, amin’ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna manontolo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 250). Ny roapolo amin’ireo fizarana telopolo ao amin’ny 3 Nefia dia mirakitra ny fampianarana izay nomen’ny Mpamonjy mivantana ho an’ireo vahoaka (jereo ny 3 Nefia 9–28).

Topimaso ankapobeny

3 Nefia 1–5 Nandray ireo rakitsoratra avy amin’ny rainy i Nefia. Niseho ireo famantarana manambara ny fahaterahan’i Kristy, rava ny fikasan-dratsy handrava ireo izay mpino, ary maro ny olona niova fo. Niray hina ny Nefita sy ny Lamanita hanohitra ireo jirik’i Gadiantôna. Nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo ary nony farany dia nandresy ireo jirika teo ambany fitarihan’i Lakôneo sy Gidgidônia. Nanao fanamarihana momba ny anjara asany amin’ny maha mpianatr’i Kristy azy sy amin’ny maha mpitazona rakitsoratra azy i Môrmôna.

3 Nefia 6–7 Ny firoboroboana teo anivon’ny Nefita dia nitarika ho amin’ny fieboeboana, faharatsiana, ary tsikombakomba miafina. Niongana ny fitondram-panjakana ary nizarazara ho foko ny vahoaka. Nanao asa fanompoana tamin’ny hery lehibe i Nefia.

3 Nefia 8–10 Tafio-drivotra, faharavana, sy aizina no nanamarika ny fanomboana ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fahafatesany. Nitomany noho ny fahafatesan’ireo namoy ny ainy tao anaty faharavana ny vahoaka. Nanasa ireo izay sisa velona ny feon’i Kristy mba hibebaka sy hanatona Azy.

3 Nefia 11–18 Niseho tamin’ny valalabemandry teo amin’ny tempoly i Jesoa Kristy ary nanasa ny olona tsirairay hitsapa ireo diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony. Nanendry mpianatra roambinifolo Izy ary nanome azy ireo ny fahefana hanatanteraka ny ôrdônansy sy hitantana ny Fiangonana. Nampianatra ny fotopampianarany ny Mpamonjy, nametraka ny lalàn’ny fahamarinana Izy, ary nanazava fa notanterahany ny lalàn’i Mosesy. Nanasitrana ny rofin’ny vahoaka Izy, sy nivavaka ho azy ireo ary nitsodrano ny zanak’izy ireo. Rehefa avy nampiorina ny fanasan’ny Tompo sy nanome fanampim-pampianarana Izy dia lasa nandeha.

3 Nefia 19–26 Nanompo ny vahoaka ireo mpianatra roambinifolo, ary nirotsaka teo amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Niseho fanindroany i Jesoa Kristy ary nivavaka ho an’ireo rehetra izay hino Azy. Nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo Izy ary nampianatra ny fomba hanatanterahan’ny Ray ny fanekempihavanany miaraka amin’i Israely. Nandidy ny vahoaka mba hanadihady ny tenin’i Isaia sy ireo mpaminany rehetra ny Mpamonjy, ary nanome torolalana an’i Nefia izy ny mba hiraketany an-tsoratra ny fahatanterahan’ireo faminaniana nambaran’i Samoela ilay Lamanita. Nampita ireo teny izay nomen’ny Ray an’i Malakia Izy ary namelabelatra “ny zavatra rehetra … hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fotoana izay hahatongavany ao amin’ny voninahiny” (3 Nefia 26:3). Lasa Izy avy eo.

3 Nefia 27–28 Niseho tamin’ireo mpianatra roambinifolo sy nanome torolalana azy ireo hiantso ny Fiangonana amin’ny Anarany i Jesoa Kristy. Nametraka ny Filazantsarany Izy ary nanoro lalana ireo mpianany mba ho lasa toa Azy. Nanome an’ireo mpianatra roambinifolo araka izay fanirian’izy ireo i Jesoa Kristy.

3 Nefia 29–30 Nanazava i Môrmôna fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana iray fa efa nanomboka nanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany Andriamanitra. Nananatra ireo Jentilisa mba hibebaka sy ho tonga ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo.

Hamoaka printy