Tahirim-pitaovana
Lesona 121: 3 Nefia 11:18–41


Lesona 121

3 Nefia 11:18–41

Fampidirana

Rehefa avy nandroso sy nitsapa ny mariky ny ratra teo amin’ny tanana, sy tongotra, ary ny lanivoan’ny Mpamonjy ireo Nefita dia nomen’ny Tompo ny hery hanaovana batisa sy hanatanterahana ireo asa hafa an’ny fisoronana i Nefia sy ireo hafa. Nampitandrina ny vahoaka hiala amin’ny fifandirana ihany koa ny Mpamonjy ary nampanantena Izy fa ireo izay miaina araka ny fotopampianarany dia handova ny fanjakan’Andriamanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 11:18–27

Nomen’i Jesoa Kristy an’i Nefia sy ny hafa ny fahefana hanao batisa

Alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Iza no afaka manao batisa ahy? Ahoana ny fomba fanaovana batisa?

Raha toa misy mpianatra iray na mihoatra izany, izay vao haingana no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, dia azonao atao ny manomboka ity lesona ity amin’ny fangatahana azy ireo hizara ny zavatra sasantsasany niainan’izy ireo teo am-pianarana mikasika ny Fiangonana. Anontanio izy ireo raha toa ka nanontany tena mikasika ny valin’ireo fanontaniana roa eny amin’ny solaitrabe ireo tamin’izy ireo nanapa-kevitra ny hatao batisa.

Azonao atao koa ny manomboka ity lesona ity amin’ny fanasana ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe vao haingana no nanapa-kevitra ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny iray amin’ireo naman’izy ireo ary nametraka taminy ireo fanontaniana roa eny amin’ny solaitrabe ireo. Angataho ireo mpianatra hanazava ny fomba mety ho namaliany ireo fanontaniana ireo. Na azonao atao koa ny manasa mpianatra roa hilalao an-tsehatra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana iray miaraka amin’ny namany ary mampiasa ireo fanontaniana ireo ilay namany.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nianatra momba ny fisehoan’i Jesoa Kristy tamin’ny andiana Nefita izy ireo nandritra ny lesona farany. Nanasa azy ireo i Jesoa Kristy mba hahita maso ny Fitsanganany tamin’ny maty sy ny maha andriamanitra azy amin’ny fitsapàny ireo mariky ny ratra teo amin’ny tanany, sy ny tongony, ary ny lanivoany. Hazavao fa tao aorian’izany zava-niseho izany dia nampianatra avy hatrany tamin’ny vahoaka ny fotopampianarany ny Mpamonjy, dia ny hino Azy, ny ho atao batisa, ary ny handray ny Fanahy Masina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:18–22. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny valin’ilay fanontaniana hoe Iza no afaka manao batisa ahy? Mangataha mpianatra iray hanoratra ny ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fanontaniana. Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony hahita ity fahamarinana ity izy ireo: Ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny olona iray izay mihazona ny fahefana ilaina amin’izany. (Raha tsy mbola voasoratra eny amin’ny solaitrabe io hevitra io, dia azonao atao ny manampy izany amin’ireo valinteny efa voatanisa.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa izany fahamarinana izany dia azonao atao ny manazava fohifohy fa olona iray mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna ihany no afaka manatanteraka ny batisa (jereo ny F&F 20:46) na olona iray manana ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny F&F 20:38–39; 107:10–11). Ankoatra izany, io olona io dia tsy maintsy manao asa eo ambany fitarihan’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hanomezana lalana ny fanatanterahana ilay ôrdônansy (toy ny eveka, na ny filohan’ny sampana, na ny filohan’ny misiona).

  • Araka ny hevitrao, nahoana ny Tompo no mitaky ny hanatanterahana ny ôrdônansin’ ny batisa amin’ny alalan’ny mpihazona fisoronana iray izay nahazo lalana hanao izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 11:23–27. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny valin’ny fanontaniana hoe Ahoana ny fomba fanatanterahana ny batisa?Angataho ny mpianatra iray hanoratra ny valitenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ ilay fanontaniana.

  • Raha tsy voalaza ara-dalana ny tonom-bavaka amin’ilay ôrdônansy na raha tsy miroboka tanteraka ao anaty rano ilay olona atao batisa, dia inona ny zavatra mitranga? (Averina ilay ôrdônansy.) Inona no fahamarinana azo ianarana avy amin’izany? (Na dia mampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao: Ny batisa dia tsy maintsy tanterahina araka ny fomba napetraky ny Tompo. Azonao atao ny manoratra io fehezanteny io eny amin’ ny solaitrabe.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny fanatanterahana amin’ny antsipiriany ny batisa araka ny fomba napetraky ny Tompo?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana izay noresahinao tao amin’ny 3 Nefia 11:18–27, dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fahatsapana nanananao rehefa natao batisa ianao? Midika inona aminao ny mahafantatra fa olona mihazona ny fahefana ilaina sy araka ny fomba napetraky ny Tompo no nanao batisa anao?

  • Nanatrika batisa ve ianao tato ho ato? Inona no tsapanao tamin’izany?

Raha misy amin’ireo mpianatrao no mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna, dia anontanio hoe:

  • Rehefa mahafantatra ianao fa ny tenanao dia manana ny fahefana hanao batisa, dia inona no fiantraikan’izany eo aminao? (Azonao atao ny mamantatra raha misy amin’ireo mpianatrao no efa nanana fahafahana hanao batisa olona iray. Raha efa nanao izany ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara izay zavatra tsapany sy nianarany tamin’izany.)

Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao sy ny fahatsapana anananao mikasika ny ôrdônansy masin’ny batisa.

3 Nefia 11:28–30

Mampitandrina ny Tompo fa ny fifandirana dia avy amin’ny devoly

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fifandirana.

  • Inona no atao hoe fifandirana? (Ady hevitra, fifanoherana, na fifanjihirana.)

Asao ny mpianatra hanoratra fohifohy ao amin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina mikasika ny toe-javatra misy na zavatra atao izay mety hisehoan’ny fifandirana. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara nanoratana ireo mpianatra dia asao hamaky mafy ny 3 Nefia 11:28–30 ny mpianatra iray. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hamantatra ny zavatra nifandiran’ireo Nefita sasany.

  • Inona no hita fa nifandiran’ireo Nefita sasany? (Ny ôrdônansin’ny batisa [jereo koa ny 3 Nefia 11:22] sy ny fotopampianaran’i Kristy.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 11:29, avy aiza ny fanahin’ny fifandirana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Ny fanahin’ny fifandirana dia tsy an’Andriamanitra, fa an’ny devoly. Azonao tolorana hevitra ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny 3 Nefia 11:29.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny misoroka ny fifandirana rehefa mifanakalo hevitra mikasika ny filazantsara miaraka amin’ny hafa? Nahoana no fomba tsy mahomby ny fiadian-kevitra rehefa mampianatra ny filazantsara? (Mety hanome valinteny samihafa ireo mpianatra, kanefa ataovy izay hahatakarany fa rehefa mifanditra na miady hevitra amin’ny hafa mikasika ny filazantsara isika, dia tsy ho eo ny Fanahy Masina hanampy antsika hampianatra na hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana ao amin’ny fon’ireo izay ampianarintsika.)

Mba hanantitranterana ny vokatra iray manan-danja entin’ny fifandirana, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra izany ao min’ny soratra masiny eo akaikin’ny 3 Nefia 11:29. (Ilay teny dia hita ao amin’ny “What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, Mey 1996, 41).

“Rehefa misy ny fifandirana dia hiala ny Fanahin’ny Tompo, na iza na iza no diso” (Ny Filoha James E. Faust).

  • Oviana ianao no nahatsapa fa niala ny Fanahin’ny Tompo noho ny fifandirana? Ahoana no nahafantaranao fa niala ny Fanahy?

Hamafiso ilay tenin’ny Mpamonjy mikasika ny fifandirana ao amin’ny 3 Nefia 11:30: “Fa izao kosa no fotopampianarako, dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.”

  • Ahoana no ahafahantsika “mampitsahatra” ny fifandirana sy ny fifanjihirana? (Mety ahitana izao ny valinteny: Afaka miezaka ny ho mpampihavana isika [jereo 3 Nefia 12:9]. Afaka mivavaka isika mba hahazo fahendrena sy faharetana handresena ny fifandirana. Afaka miezaka ny hiala amin’ny toe-javatra izay mety hitaona antsika hifanditra amin’ny hafa isika.)

  • Oviana no nahatsapanao fitahiana noho ny ezaka nataonao hisoroka na handresy ny fifandirana?

  • Ahoana no hahazoanao fanampiana rehefa ao anatin’ny toe-javatra izay misy fifandirana na mety hiteraka fifandirana ianao amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30?

Azonao atao ny mizara ny traikefa iray nananao rehefa nahatsapa fa notahiana noho ny ezaka nataonao hisoroka na handresy ny fifandirana. Mba hamporisihana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ny 3 Nefia 11:28–30, dia asao izy ireo hijery indray ireo lisitry ny toe-javatra na zavatra atao izay mety hahatonga azy ireo hifanditra. Asao izy ireo hametraka sy hanoratra tanjona iray mikasika ny fomba hisorohany na handreseny ny fifandirana amin’ny toe-javatra na asa atao izay nataony lisitra.

3 Nefia 11:31–41

Manambara ny fotopampianarany i Jesoa Kristy

Mba hanomanana ireo mpianatra handalina ny 3 Nefia 11:31–41, dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Sary
Action

Asao ireo mpianatra hilaza fohifohy amin’ny mpiara-mianatra iray ny zavatra nataony tato ho ato ka nitondra vokany tsara, ary hanazava hoe inona io vokany io. Azonao atao ihany koa ny mangataka amin’izy ireo mba hitantara ny zavatra nataony na hitany izay niteraka vokany ratsy. (Ampitandremo ireo mpianatra mba tsy hizara zavatra izay tsy tokony horesahina na tena mahakasika be ny tenany manokana.)

Vakio mafy amin’ireo mpianatra ny 3 Nefia 11:31. Hazavao fa ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 11 dia ahitana ny fanambaran’i Jesoa Kristy ny fotopampianarany tamin’ny vahoakan’i Nefia. Io toko io koa dia mampisongadina ireo vokatry ny fanekena na ny fandavana ny fotopampianarany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 3 Nefia 11:32–34; 3 Nefia 11:35–36; 3 Nefia 11:37–38; 3 Nefia 11:39–40. Ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra, ary asao ny vondron’olon-droa tsirairay handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao izy ireo hamantatra ireo asa sy vokany izay nampianarin’i Jesoa Kristy. (Azonao tolorana hevitra ireo mpianatra mba hampitaha ireo fampianarana ireo amin’ny fanekempinoana fahefatra.)

Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo mpianatra, dia angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hanao tatitra momba ny asa sy ny vokany izay hitan’izy ireo tao amin’ny andinin-tsoratra masina nasaina novakiany. Asao izy ireo hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny teny hoe Asa na Vokany. Rehefa manao ny tatitra mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra, dia apetraho ny fanontaniana mifanaraka amin’izany etsy ambany:

Ho an’ilay vondron’olon-droa nomena ny 3 Nefia 11:32–34, dia manontania hoe:

  • Ahoana no hanampian’ny Fanahy Masina antsika hino an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any an-danitra? Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelon’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Oviana no nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao fa tena misy ary be fitiavana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ho an’ilay vondron’olon-droa nomena ny 3 Nefia 11:35–36, dia manontania hoe:

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, ahoana no hanasan’ny fisafidianana ny hino an’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika?

Ho an’ilay vondron’olon-droa nomena ny 3 Nefia 11:37–38, dia manontania hoe:

  • Inona no hitanao fa hitovian’ny 3 Nefia 11:37 sy 3 Nefia 11:38?

  • Inona avy ireo toetra tsara ananan’ny ankizy kely iray? Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny “ho tonga tahaka ny ankizy”?

Ho an’ilay vondron’olon-droa izay nomena ny 3 Nefia 11:39–40, dia manontania hoe:

  • Ahoana no hanantitranteran’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny maha-zava-dehibe ny safidintsika hankatò na tsy hankatò ny fotopampianarany?

Asaivo fintinin’ireo mpianatra ireo asa fototra nampianarin’i Jesoa Kristy fa tsy maintsy hataontsika mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, saingy tokony hilaza izao fahamarinana manaraka izao izy ireo: Mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, dia tsy maintsy mibebaka isika, mino an’i Jesoa Kristy, atao batisa, ary mandray ny Fanahy Masina. Azonao atao ny mamarana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io. Amporisiho ireo mpianatra mba hiaina araka ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy mba hahazoany mandova ny fanjakan’Andriamanitra. Azonao atao ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo ny hanatratra ireo tanjony mba hisoroka sy handresy ny fifandirana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 11:19–22. Nomen’i Jesoa Kristy fahefana hanao batisa ireo Nefita

Nahoana ny mpaminany Nefia sy ny hafa no nila nandray ny fahefana hanao batisa kanefa efa nanatanteraka io ôrdônansy io izy ireo talohan’ny nahatongavan’ny Mpamonjy? Saintsaino ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Na dia nanana ny fahefana hanao batisa aza ireo Nefita ireo nandritra ny fotoampitantan’i Mosesy fahiny, dia nanasa an’i Nefia handroso i Kristy mba hanambarana ny fahefan’ny fisoronany hanao batisa mandritra ilay fotoampitantanan’ny filazantsara vaovao, ary angamba mba handrosoana azy koa ho apôstôly. Avy eo izy dia niantso vondrona iray hafa mba handroso, ka nampianatra azy ireo ny fomba fanaovana batisa sy nanamarika fa tsy tokony hisy ‘fifandirana’ eo anivon’izy ireo mikasika ity fotopampianarana manan-danja ity” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 259–60).

3 Nefia 11:28. Aza mifanditra mikasika ireo lohahevitry ny fotopampianarana

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony maha zava-dehibe ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fisorohan’izy ireo ny fifandirana:

“Satria … ny hery dia mitoetra ao amin’ny Fanahin’ny Tompo, dia tsy tokony hiroboka amin’ny fifandirana mihitsy isika rehefa mifanakalo hevitra momba ny finoantsika. Araka ny efa nianaran’ny misiônera rehetra dia mampiala hatrany ny Fanahy Masina ny ady hevitra momba ny Baiboly. Hoy ny Mpamonjy hoe: ‘Izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy’ (3 Nefia 11:29). Mbola mampalahelo kokoa noho ny fanendrikendrehana atao amin’ny Fiangonana hoe tsy Kristiana ny famalian’ny mpikamban’ny Fiangonana izany fanendrikendrehana izany amin’ny fomba tsy araka an’i Kristy! Enga anie ny resaka ataontsika amin’ny hafa mba hahitana hatrany ireo vokatry ny Fanahy—‘fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, [ary]fahononam-po’ (Galatiana 5:22–23)” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 73).

3 Nefia 11:33–34. Tena ilaina ny ôrdônansin’ny batisa

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa tena ilaina ny ôrdônansin’ny batisa mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra:

“Ny batisa dia famantarana ho an’ Andriamanitra, ho an’ny anjely, ary ho an’ny lanitra fa manao ny sitrapon’ Andriamanitra isika, ary tsy misy fomba hafa ety ambanin’ny lanitra izay napetrak’ Andriamanitra ho an’ny olombelona mba hanatonana Azy mba ho voavonjy sy hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, afa-tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, sy ny batisa ho famelan-keloka, ary izay fomba hafa rehetra dia zava-poana; aorian’izay dia mahazo ny fampanantenana ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 91).

Hamoaka printy