Tahirim-pitaovana
Lesona 148: Etera 7–11


Lesona 148

Etera 7–11

Fampidirana

Nalahelo tamin’ny fangatahan’ny vahoakany mba hotarihin’ny mpanjaka ny rahalahin’i Jareda. Hoy izy: “Azoko antoka fa izany zavatra izany dia mitondra any amin’ny fahababoana” (Etera 6:23). Tanteraka taty amin’ny taranaka roa taty aoriana izany faminaniany izany. Nandritra ny fanjakan’ny mpanjaka maro dia nandalo fitsimbadimbadihana maro teo amin’ny fihainoana ireo mpaminany sy fiainana amim-pahamarinana ireo Jaredita ary avy eo dia ny fandavana ireo mpaminany sy fiainana ratsy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 7

Nanjaka tamim-pahamarinana i Ôrihà sy i Kiba. Nikomy sy naka ankeriny ny fanjakana i Kôrihôra ary naka izany indray ny rahalahiny Solè. Nanameloka ny fiainana am-paharatsian’ny olona ireo mpaminany

Manaova sary tsotran’ny tranomaizina iray eo amin’ny solaitrabe.

tranomaizina

Asaivo fariparitan’ireo mpianatra ny mety ho fahatsapan’ny olona rehefa ao anatin’ny fahababoana izy ireo. Tsindrio mafy fa mety hitarika ny vahoaka amin’ny fahababoana ara-panahy sy ara-batana ny toetra feno fahotana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitarihan’ny toetra feno fahotana amin’ny fahababoana?

Mety hilaza hevitra toy izao manaraka izao ireo mpianatra: Mitarika amin’ny fahababoana ara-piankinan-doha ny fisafidianana handika ny Tenin’ny Fahendrena na hijery pôrnôgrafia. Mampihena ny herin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ny endrika rehetran’ny fahotana. Hazavao fa hanampy ireo mpianatra hianatra ny fomba hialana amin’ny fahababoana ity lesona ity.

Hazavao fa rehefa nahafantatra ny rahalahin’i Jareda fa te hanana mpanjaka ny vahoaka dia nampitandrina izy fa hitarika amin’ny fahababoana izany safidin’izy ireo izany (jereo ny Etera 6:22–23). Na dia teo aza izany dia nisafidy ny hanana mpanjaka ihany ireo Jaredita. I Ôrihà no mpanjakan’izy ireo voalohany, izay iray amin’ny zanak’i Jareda. Ny zanakalahin’i Ôrihà, i Kiba, no mpanjaka faharoa.

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 7:1–2 ireo mpianatra mba hianarany raha toa ka tanteraka tamin’ny andron’i Ôrihà ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

  • Inona no holazainareo amin’ny olona izay niaina tamin’ny andron’ny Mpanjaka Ôrihà izay tsy nino fa ho tanteraka ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda?

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 7:3–7 ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba nanombohan’ny fahatanterahan’ny faminanian’ny rahalahin’i Jareda. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. Ataovy takatr’izy ireo fa lasa babo ny Mpanjaka Kiba sy ny vahoakany—“Nitoetra tao amin’ny fahababoana i Kiba, … ary ny vahoakany” (Etera 7:7).

  • Inona ireo fitsipika hitanareo ao amin’ny Etera 7 hatreto? (Ataovy izay hampazava tsara ity fitsipika manaraka ity, eo am-pizaran’ireo mpianatra ny zavatra nianarany: Mitarika amin’ny fahababoana ny fandavana ny tenin’ireo mpaminany.)

Asao hamaky ny Etera 7:8–13 ireo mpianatra mba hianarany momba an’i Solè, izay naterak’i Kiba fony izy tanatin’ny fahababoana. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asaivo maka sary an-tsaina izy ireo fa toy ny mpanao fanadihadiana nasaina nanangom-baovao mikasika ny tantara ao amin’ny Etera 7:8–13. Asaivo mizara ny zavatra mety omeny lanja ao amin’ny tantara amin’ny mpianatra iray hafa avy eo ny mpianatra tsirairay.

Fintino ny Etera 7:14–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy tonga mpanjaka i Solè sy rehefa nibebaka tamin’ny zavatra nataony i Kôrihôra dia nitarika fikomiana nanohitra an’i Solè sy i Kôrihôra i Noà zanakalahin’i Kôrihôra. Latsaka tanaty fahababoana i Solè. Nahavita namono an’i Noà sy nanafaka an’i Solè ny zanakalahin’i Solè, ary niverina ho mpanjaka teo amin’ny fanjakany i Solè. Na izany aza dia nihazona ny fanjakana izay nanjakan’i Noà i Kôrihôra zanakalahin’i Noà. Nizara ho mpanjaka roa sy vahoaka roa ny firenena mandra-pahavakian’ny ady izay namonoan’i Solè an’i Kôhôra. Nomen’i Nimrôda, zanakalahin’i Kôhôra an’i Solè ny ampahan’ny fanjakan’i Kôhôra.

Hazavao fa taorian’ny nanjakan’i Solè indray teo amin’ny fanjakana dia niverina teo anivon’ny vahoaka ireo mpaminany. Asaivo mamaky am-pahanginana ny Etera 7:23–25 ireo mpianatra ary mamantatra ny zavatra nolazain’ireo mpaminany sy ny fomba fihetsik’ireo vahoaka. Aorian’ny filazan’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia mametraha izao fanontaniana izao:

  • Ahoana no fihetsik’ireo vahoaka tamin’ny mpaminany? Ahoana no fihetsik’i Solè?

  • Ahoana no nitahiana ny vahoakan’i Solè noho ny fiarovany ireo mpaminany?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 7:26–27. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zava-nitranga rehefa nankato ny tenin’ireo mpaminany ny vahoaka. Eo am-pilazan’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Manomboka miroborobo isika rehefa manaraka ny torohevitr’ireo mpaminany sy mahatsiaro ny Tompo.

  • Ahoana no nitahiana anareo rehefa nankato ny torohevitr’ireo mpaminany ianareo?

Entano ireo mpianatra hieritreritra lalana iray izay ahafahan’izy ireo mihaino sy mankato tsara kokoa ny tenin’ny mpaminany.

Etera 8:1–9:13

Tonga mpanjakan’ny Jaredita tamin’ny alalan’ny tsikombakomba miafina i Jareda, ary avy eo i Akisa

Fintino ny Etera 8:1–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nahafatesan’i Solè dia i Ômera no mpanjaka. Nikomy nanohitra ny rainy i Jareda, zanakalahin’i Ômera ary nataony masaka tao am-pony ny ho tonga mpanjaka. Nahavita nahazo ny antsasaky ny fanjakana izy tao anatin’ny fotoana iray, kanefa resy taty aoriana ka voatery nanome ny antsasaky ny fanjakany. Avy eo dia nanomana tetika iray izay hahatongavan’i Jareda ho mpanjaka ny zanany vavy. Nampahatsiahiviny ny rainy ny tsikombakomba miafina fanao tamin’ny fahagola. Nilaza izy fa handihy eo anoloan’ny lehilahy antsoina hoe Akisa, izay fantany fa haniry ny hampiakatra azy ho vady. Rehefa nangataka azy i Akisa dia holazain’i Jareda amin’i Akisa ny tsy maintsy hamoanoany an’i Ômera mpanjaka. Notontosain’i Jareda sy ny zanany vavy ilay teti-dratsy. Nangataka ny zanakavavin’i Jareda ho vadiny i Akisa ary dia niditra tao amin’ilay tsikombakomba miafina niaraka tamin’ny namany mba hamonoana an’i Ômera mpanjaka.

Mariho fa noho ilay teti-dratsy dia nanomboka ary farany nahatonga faharavana teo amin’ireo Jaredita ny tsikombakomba miafina. Hazavao fa ny tsikombakomba miafina dia “vondron’olona mifamatotra amin’ny fianianana mba hanatanterahana ny tanjona ratsy izay kendreny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tsikombakomba miafina,” scriptures.lds.org). Ny jirik’i Gadiantona dia ohatra iray amin’ny vondron’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nampiasa tsikombakomba miafina mba hanatanterahana ireo tanjona ratsiny.

Asao hamaky amim-pahanginana ny Etera 8:15–19 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nataon’i Akisa ka nahatonga ny tsikombakomba miafina. Asaivo jeren’ny mpianatra ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny tsikombakomba miafina.

  • Inona no tanjona manosika ireo izay miditra amin’ny tsikombakomba miafina? (Mba hahazo fanjakana ka ahafahany manao ny asa ratsiny.)

  • Herin’iza no ao ambadiky ny tsikombakomba miafina? (Ny devoly.)

  • Andian-teny inona ao amin’ny Etera 8:18 no mampiseho ny fahatsapan’ny Tompo manoloana ireo tsikombakomba miafina? (“Tena maharikoriko sy ratsy indrindra noho ny rehetra.”)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Etera 8:20–22, 25. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ireo zavatra fanampiny azon’izy ireo hianarana mikasika ny tsikombakomba miafina. Asaivo mifantoka manokana amin’ny vokatry ny tsikombakomba miafina eo amin’ny fiarahamonina izy ireo. (Mariho fa ilay andiany-teny hoe “manorina” eo am-piandohan’ny Etera 8:25 dia miresaka ny fanorenana ireo tsikombakomba miafina.)

  • Inona araka ny vakiteny nataonareo no vokatry ny tsikombakomba miafina eo amin’ny fiarahamonina? (Ataovy izay hamantaran’ireo mpianatra ity fahamarinana manaraka ity eo am-panehoan’izy ireo ny heviny: Mitarika ny faharavan’ny fiarahamonina ny fanohanana ireo tsikombakomba miafina.)

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 8:23–24, 26 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra tian’i Môrônia ataontsika vokatry ny fampitandremany momba ny tsikombakomba miafina.

  • Inona no nasain’i Môrônia ataontsika? (Mitandrema amin’ireo tsikombakomba miafina ary ataovy izay tsy hisian’izany eo amin’ny fiarahamonina misy antsika.)

  • Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 8:26, inona no fanantenana nananan’i Môrônia ho antsika amin’izao andro farany izao?

Fintino ny Etera 9:1–13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa afaka nanjera ny fanjakan’i Ômera i Akisa sy ireo namany vokatry ny tsikombakomba miafina. Na izany aza dia nampitandrina an’i Ômera Andriamanitra fa tokony hitsoaka izy sy ny fianakaviany, mba hamonjeny ny ainy. Lasa mpanjaka i Jareda, zanakalahy ratsy fanahin’i Ômera ary nanome ny zanany vavy ho vadin’i Akisa. Nanohy ireo teti-dratsiny i Akisa sy ireo namany, ka namono an’i Jareda ary hatramin’ny zanakalahin’i Akisa koa aza. Nitarika tamin’ny ady teo amin’i Akisa sy ny zanany lahy ireo fihetsika ireo ary farany naharava saika ny Jaredita rehetra ary namerina an’i Ômera teo amin’ny fanjakana. Antitrantero fa ireo zava-nitranga roa ireo dia mampiseho fa mitarika amin’ny faharavan’ny fiarahamonina ny tsikombakomba miafina.

Etera 9:14–11:23

Nifandimby ireo mpanjaka, ny sasany nitondra tamim-pahamarinana ny sasany tamin’ny faharatsiana

Hazavao fa ny tokoni’i Etera 9–11 dia mirakitra fa nisy mpanjaka 24 hafa nanjaka teo anivon’ireo Jaredita taorian’i Jareda—tao ireo nitondra tamim-pahamarinana ary tao kosa ny tamin’ny faharatsiana. Ampahatsiahivo ireo mpianatra ity fitsipika manaraka ity, izay efa nodinihina teo aloha: Mitarika amin’ny fahababoana ny fandavana ny tenin’ireo mpaminany. Asaivo halalin’ny atsasak’ireo mpianatra ny Etera 9:26–35 (nandritra ny fitondran’i Heta), ary ny atsasa-manila hafa ny Etera 11:1–8 (nandritra ny fitondran’i Kôma sy i Siblôma). Asaivo mijery porofo mazava an’ity fitsipika ity ireo vondrona roa ireo. Asao hanao tatitra fohifohy ireo mpianatra.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany. Azonao atao ny mizara traikefa teo amin’ny fiainanao izay nampianatra anao ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 7:23–27; 9:28–31. Mazàna no lavina ireo mpaminany sy ny hafany

Nahoana no mizara hafatra izay tsy dia mahataitra ny ankamaroan’ny olona manerana izao tontolo izao ireo mpaminany? Nanazava ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Matetika tsy maintsy mampitandrina amin’ny vokatr’ireo fandikana ny lalàn’ Andriamanitra ireo mpaminany. Tsy mitory izay zavatra mahazatra an’izao tontolo izao izy ireo. … Nahoana no mitory didy tsy dia mahazatra sy miantso ny fiarahamonina hibebaka amin’ny fandavana, fanovana ary eny fa na dia ny tsy firahirahiana ny didy koa aza ireo mpaminany? Tsotra ny antony. Rehefa mandray fanambarana ireo mpaminany dia tsy manana safidy ankoatra ny fizarana na fanamafisana ny zavatra izay nomen’ Andriamanitra holazain’izy ireo an’izao tontolo izao” (“If Thou Wilt Enter into Life, Keep the Commandments,” Ensign, Mey 1996, 37).

Nampianatra ny Loholona L. Aldin Porter tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:

“Misy ny sasantsasany no mitaraina fa manaisotra ny fahafahantsika misafidy rehefa miteny zavatra mazava sy hentitra ireo mpaminany. Mbola manana safidy isika. Kanefa tsy maintsy manaiky ny vokatry ny fanapahan-kevitsika isika. Tsy manaisotra ny fahafahantsika misafidy ireo mpaminany. Mampitandrina fotsiny amin’ny ho vokatr’ireo safidintsika izy ireo. Adalana be ny fanomezana tsiny ireo mpaminany noho ireo fampitandremany” (“Our Destiny,” Ensign, nôv. 1999, 66).