Tahirim-pitaovana
Lesona 66: Môsià 26


Lesona 66

Môsià 26

Fampidirana

Nanditra ny nanjakan’i Môsià dia maro tamin’ireo taranaka vao misondrotra—ireo izay ankizy kely tamin’ny fotoana nanaovan’i Benjamina Mpanjaka ny lahateniny farany—no tsy nino ny fampianaran’ny Fiangonana ary tsy nanaiky ny hiantso ny Tompo. Nitaona mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana hanao fahotana lehibe ireo tanora tsy mpino ireo. Maro tamin’ireo mpandika lalàna ireo no nentina teo anatrehan’i Almà, ilay mpitarika ny Fiangonana. Tsy fantatr’i Almà izay tokony ho natao tamin’ny voalohany, kanefa tamin’ny farany dia nangataka ny fitarihan’ny Tompo izy mba hahalalany ny fomba hitsarana ireo mpikambana tsy mpankatò. Nampahafantarin’ny Tompo ny dingana tokony harahin’i Almà amin’ny fitanana ireo mpikamban’ny Fiangonana ho tompon’andraikitra amin’ny fahotan’izy ireo. Nianatra mikasika ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fahavononany hamela heloka ireo izay mibebaka koa i Almà. Nanaraka ny torohevitry ny Tompo i Almà ary nampisy lamina atao amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 26:1–6

Maro amin’ireo taranaka vao misondrotra no tsy mino ny filazantsara ary mitarika ny hafa hanota

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ireto fanontaniana manaraka ireto:

Mety ho toy ny ahoana no hamaritanao ny fijoroanao ho vavolombelona amin’izao fotoana izao?

Amin’ny fomba ahoana no tianao hampitombo ny fijoroanao ho vavolombelona?

Asao ireo mpianatra hamaly ireo fanontaniana ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia hazavao fa ny Môsià 26 dia mirakitra ny tantaran’ny andian’olona izay tsy nanao ny tokony ho nataony mba hikolokoloana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Vokatr’izany, dia tsy nitombo mihitsy ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra, ary nitarika ny maro tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana ho amin’ny fahotana sy ny fahadisoana izy ireo. Lazao amin’ny mpianatra fa rehefa mandalina ity tantara ity izy ireo, dia mieritreritra ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fampitomboana sy ny fampatanjahana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 26:1–3. Avy eo dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona no safidy nataon’ny maro tamin’ireo taranaka vao nisondrotra? (Nisafidy ny tsy hino ny fomban-drazan’ireo ray aman-dreniny izy ireo.)

  • Araka ny hevitrao, nahoana no manakantsakana ny fahafahan’ny olona “[m]ahatakatra ny tenin’Andriamanitra” ny tsy finoan’ny olona”? (Môsià 26:3).

Hazavao fa ny finoana (na ny fananana faniriana hino fotsiny aza) dia mitarika amin’ny asa izay mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona. Etsy ankilan’izay, rehefa mifidy ny tsy hino ny olona, dia mifidy ny tsy hanao ireo zavatra sasany izay hanampy azy ireo hampitombo fijoroana ho vavolombelona matanjaka ihany koa izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 26:3–4, 6. Asao ny antsasaky ny mpianatra hikaroka ny zavatra tsy ho nataon’ireo taranaka vao misondrotra noho ny tsy finoany. Asao ny antsasany iray hafa amin’ny mpianatra hikaroka ny vokatr’io tsy finoana io.

  • Inona no tsy neken’ireo taranaka vao misondrotra ho natao noho ny tsy finoany?

  • Inona no vokatry ny tsy finoan’izy ireo?

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity manaraka ity: Mba hampitomboana sy hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona, isika dia tokony …

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra hamenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe.

“Ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky ny fanolokoloana azy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, ny faniriana hivoky ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary ny fankatoavana ny fahamarinana izay noraisintsika. Miteraka voka-dratsy ny tsy firaharahiana ny vavaka. Mitondra voka-dratsy amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny fandalinana sy famakiana ny soratra masina amim-pahazarana fotsiny ihany. Sakafo mahavelona ilain’ny fijoroantsika ho vavolombelona izy ireo. …

Ny “fivokisana amin’ny tenin’i Kristy, ny vavaka avy amin’ny fo, ary ny fankatoavana ny didin’ny Tompo dia tsy maintsy ampiharina mandrakariva sy lalandava mba hitomboan’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy mba hiroboroboany” (“A Living Testimony,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 127).

  • Inona no fomba amam-panao nolazain’ny Filoha Eyring, izay hanampy antsika hanolokolo ny fijoroantsika ho vavolombelona? (Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fomba amam-panao ireo, dia ampidiro ao amin’ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe izy ireo: Mba hampitomboana sy hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona, isika dia tokony hivoky amin’ny tenin’Andriamanitra, hivavaka amim-pinoana, ary hankatò ny didin’ny Tompo.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no niantraikan’ireo fomba amam-panao ireo tamin’ny fijoroanao ho vavolombelona?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 26:5–6, mba hitady ny fomba nitaoman’ireo tanora tsy nino ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  • Eritrereto ity fehezanteny manaraka ity: “Nilaina ny hananaran’ ny fiangonana ireo izay nahavita fahotana, izay tao anatin’ ny fiangonana” (Môsià 26:6). Araka ny eritreritrareo, inona no hevitra fonosin’izany? (Nilain’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fahotana ny notsaraina sy noraisina ho tompon’andraikitra.)

Môsià 26:7–14

Nangataka ny fitarihan’ny Tompo i Almà mikasika ny fomba hitsarana ireo nahavita fahotana

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina izany hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe evekan’ny paroasy iray izay misy mpikambana maro nahavita fahotana lehibe nefa tsy mety mibebaka izany. Asao ireo mpianatra hisaintsaina amim-pahanginana ny zavatra mety ho ataon’izy ireo ao anatin’izany toe-javatra izany. Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny mba hitanana ireo mpikambana ho tompon’andraikitra amin’ny fahotany sy hanampiana azy ireo hibebaka? Hazavao fa i Almà, ilay mpitarika ny Fiangonana, dia niatrika fanamby mitovy amin’izany.

Fintino ny Môsià 26:7–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nentina teo anatrehan’i Almà ireo izay nahavita fahotana. Tsy mbola nisy zavatra tahaka izany nitranga tao amin’ny Fiangonana teo aloha, ary tsy nahafantatra izay tokony ho natao i Almà. Nanapa-kevitra izy ny handefa ireo mpandika lalàna tany amin’ny Mpanjaka Môsià mba hotsaraina. Naverin’ny Mpanjaka Môsià tany amin’i Almà izy ireo, izay nanana ny fahefana avy amin’Andriamanitra hitsara ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanota.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 26:13–14. Asao ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra tsapan’i Almà mikasika ny andraikiny hitsara ireo izany nanota.

  • Rehefa nahatsapa ho sahiran-tsaina tamin’ny andraikiny hitsara ireo mpandika lalàna i Almà dia inona no nataony?

  • Nahoana no manan-danja ny mahalala fa ireo eveka sy filohan’ny sampana dia mikatsaka ny hahazo ny fitarihan’ny Tompo rehefa manampy ireo izay nanota?

Môsià 26:15–32

Nampahafantatra an’i Almà ny fomba hitanana ireo mpikamban’ny Fiangonana ho tompon’andraikitra noho ny fahotany ny Tompo ary nanolotra ireo fepetra takiana amin’ny fibebahana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny votoatin’ny tantara ao amin’ny Môsià 26:15–32, dia lazao amin’izy ireo fa mirakitra ny valintenin’ny Tompo tamin’ny fanontanian’i Almà mikasika ny zavatra tokony ho ataony momba ireo mpandika lalàna ireo andininy ireo. Rehefa mandalina ny valintenin’ny Tompo ny mpianatra, dia amporisiho izy ireo hikaroka ireo fitsipika sy fotopampianarana izay manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny anjara asan’ireo mpitsara mpihazona ny fisoronana, toy ireo eveka sy filohan’ny sampany (ary ireo filohan’ny tsatòka sy ny distrika ary ny misiona ho an’ireo mpihazona ny fisoronana Melkizedeka). Asao koa izy ireo hitady ireo fitsipika sy fotopampianarana mikasika ny fikatsahana famelan-keloka.

Aso ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 26:17–28, mba hijery ny fotoana rehetra ampiasan’ny Tompo ny teny mpisolo tena tampisaka -ko na ny teny hoe Izaho. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo teny ireo isak’izay mipoitra izy ireo. Avy eo dia anontanio ny mpianatra hoe:

  • Ao amin’ny Môsià 26:17–28, inona no lazain’ny teny hoe Izaho sy ny mpisolo tena tampisaka -ko mikasika ny toeran’ny Tompo ao anatin’ny dingan’ny fibebahana? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara fehezanteny na andinin-tsoratra masina miavaka izay manohana ny valintenin’izy ireo.)

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy ao amin’ny Môsià 26:20–21 mikasika ny anjara asan’ny mpanompon’ny Tompo ao anatin’ny fizotran’ny fibebahana? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa misolo tena ny Tompo ireo mpitarika mpihazona ny fisoronana ary raha misy ny fahotana goavana natao, dia afaka manampy antsika hibebaka sy hahazo famelan-keloka ireo eveka sy filohan’ny sampana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny eveka sy ny filohan’ny sampana manampy ireo izay miady amin’ny fahotana sy ny fakam-panahy?

Hazavao fa nampianatra an’i Almà mikasika ny zavatra tsy maintsy ataon’ireo izay mikatsaka famelan-keloka mba hibebahana ny Tompo. Asao ireo mpianatra handalina tsiroaroa ny Môsià 26:29–32 ary hitady ireo fitsipika izay manampy azy ireo hahatakatra ny zavatra takian’ny Tompo amintsika rehefa mibebaka isika.

Rehefa avy nomena fotoana nandalinana ireo andininy ireo ny mpianatra, dia asao ny maro amin’izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe, amin’ny teniny manokana, ireo fitsipika hitan’izy ireo. Mety ahitana izao manaraka izao ny valintenin’izy ireo:

Mitondra amin’ny famelan-keloka ny fibabohana ny fahotana.

Hamela heloka ireo izay mibebaka amin-kitsim-po ny Tompo.

Tsy maintsy mamela ny hafa isika mba hahazoana ny famelan’ny Tompo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ireo fitsipika ireo, dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto, na izy rehetra:

  • Ao amin’ny Môsià 26:29, inona no dikan’ny fehezanteny hoe “miaiky ny fahotany eo anatrehanao sy eo anatrehako izy”? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe [i]anao ao amin’io andininy io dia manondro an’i Almà.)

  • Raha nanao fahotana lehibe ny olona iray, nahoana, araka ny eritreritrao, no takiana amin’io olona io ny hibabohany amin’ny Tompo sy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mifanentana amin’izany ny fahotany? (Ireo fandikan-dalàna goavana, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia mety hitera-doza amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray. Noho izany, raha tojo ny toe-javatra toy izany, dia mila miaiky ny fahotany amin’ireo roa ireo ny olona iray dia ny Tompo sy ny solontenany ao amin’ny Fiangonana izany. Mitana ny fanalahidin’ny fisoronana hanampiana ireo izay nahavita fahotana ka mikatsaka ny famelan-keloka ireo eveka sy filohan’ny sampana. Raha ny Tompo irery ihany no afaka mamela heloka, ny mpihazona ny fisoronana kosa dia manana ny anjara asa manohana eo amin’ny fanampiana ny olona hahazo izany famelan-keloka izany. Mitana ireo fiaiken-keloka ho tsiambaratelo izy ireo ary manampy ireo izay miaiky ny fahotany mandritra ny dingan’ny fibebahany.)

  • Aminao, inona no dikan’ny hoe mibebaka “amin’ny fahitsian’ny fony” ny olona iray? (Môsià 26:29).

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no mitaky antsika hamela ny hafa ny Tompo? Inona no hifandraisan’ny fibebahana sy ny famelana ny hafa? Inona no hifandraisan’ny fibebahana sy ny famelana ny hafa? (Jereo ny 3 Nefia 13:14–15; F&F 64:8–11.)

  • Inona ireo fehezanteny mety manome hery sy fampiononana ny olona iray izay maniry ny hibebaka ao amin’io andininy io, kanefa tsy mahatsapa izy fa mety ho voavela heloka?

Môsià 26:33–39

Nankato ny torohevitry ny Tompo i Almà, dia ny nitsara ireo izay nahavita fahotana ary nitondra filaminana tao amin’ny Fiangonana

Hazavao fa ny Môsià 26:33–37 dia mitantara ny fomba nanarahan’i Almà ny torohevitry ny Tompo, nitsara ireo mpikamban’ny Fiangonana nahavita fahotana, ary nampisy filaminana tao amin’ny Fiangonana. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 26:34–37, mba hitady ireo vokatry ny ezaka nataon’i Almà hanaraka ny torohevitry ny Tompo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa rehefa mibebaka sy miaina amim-pahamarinana isika, dia afaka manana fiadanana ao am-pontsika sy hiroborobo ara-panahy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 26:29–30. Ireo zavatra ilaina amin’ny fibebahana

Nampianatra mikasika ireo zavatra ilaina amin’ny fibebahana ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“[Nanome] fitarihana tena tsara hahazoana famelan-keloka amin’ny alalan’ny fibebahana i Spencer W. Kimball. Nanampy olona maro hahita ny lalana hiverenany izany. [Nanambara] zavatra dimy ilaina amin’ny fibebahana izy.

Alahelo noho ny ota. Mandalina sy misaintsaina mba hahafantarana ny fomba hamaritan’ny Tompo ny halehiben’ny fandikan-dalàna nataonao. Izay hitondra alahelo sy nenina manasitrana. Hitondra faniriana marina ny hiova ary fahavononana hanaiky ireo zavatra rehetra takiana mba hahazoana famelana koa izany. …

Fialana amin’ny fahotana. Fahatapahan-kevitra tsy azo hozongozonina sy maharitra tsy hamerina ilay fandikan-dalàna intsony izany. Tsy ilaina intsony ny hiaritra ilay ngidin’ny vokatr’io fahotana io amin’ny alalan’ny fankatoavana io fanoloran-tena io. …

Fibabohana ny fahotana. Mila miaiky hatrany ny fahotanao amin’ny Tompo ianao. Raha toa ka fandikan-dalàna mihoam-papana izany, toy ny fahalotoana ara-pitondrantena, dia ilaina hibabohana amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Aoka isika hahatakatra fa tsy fibebahana ny fibabohana. Dingana ilaina izany, fa tsy ampy raha izay fotsiny no atao. Ny fibabohana tsy feno, amin’ny alalan’ny filazana ireo fahadisoana kelikely kokoa dia tsy hanampy anao hibebaka amin’ny fandikan-dalàna lehibe kokoa izay nafenina. Ilaina amin’ny famelan-keloka ny fahavononana hilaza manontolo amin’ny Tompo, ary raha ilaina; dia amin’ny mpitsara mpihazona ny fisoranana miasa ho an’ny Tompo ny zavatra rehetra nataonao. …

Fanonerana noho ny fahotana. Tsy maintsy mamerina amin’ny laoniny araka izay tratra ireo zavatra nangalarina, nosimbaina, na nolotoina.ianao. Ny fanonerana an-tsitrapo dia porofo azo tsapain-tanana eo imason’ny Tompo fa vonona ny hanao izay rehetra azonao atao ianao hibebahana.

Fankatoavana amin’ny didy rehetra. Ny fankatoavana tanteraka dia mitondra ny herin’ny filazantsara iray manontolo eo amin’ny fiainanao miaraka amin’ny hery mba hifantohana amin’ny fialana tanteraka amin’ireo fahotana manana ny toetoetrany manokana. Anisan’izany ireo zavatra izay mety tsy eritreretinao any am-piandohana fa ampahan’ny fibebahana, tahaka ny fanatrehana fivoriana, fandoavana fahafolonkarena, fanatanterahana asa fanompoana, ary famelana ny hafa. …

“Tiako ampiana dingana fahaenina izany dia ny hoe: Faneken’ny Mpamonjy. Amin’ireo dingana rehetra ilaina amin’ny fibebahana, dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny tena manan-danja indrindra dia ny finoanao fa noho ny Mpanavotra dia tonga ny famelan-keloka. Zava-dehibe ny mahafantatra fa amin’ny fotoana voatendriny ihany ianao no afaka ny ho voavela heloka” (“Finding Forgiveness,” Ensign, Mey 1995, 76).

Hamoaka printy