Tahirim-pitaovana
Lesona 106: Helamàna 1–2


Lesona 106

Helamàna 1–2

Fampidirana

Rehefa nodimandry i Pahôràna dia nisy fifandirana teo anivon’ny Nefita mikasika ny hoe iza no tokony ho lohan’ny mpitsara manaraka. Voatendry handray izany toerana izany i Pahôràna zanany lahy tamin’ny alalan’ny feon’ny vahoaka. Saingy ilay lohan’ny mpitsara vaovao dia novonoin’i Kiskomena izay nanatanteraka izany tamin’ny naha tao anatin’ny tsikombakomba miafina azy. Nararaotin’ny Lamanita izany fifandirana sy fisaratsarahana izany ka notafihan’izy ireo ny renivohitr’i Zarahemlà. Azon’ny Nefita indray i Zarahemlà ary voavono ho faty i Kiskomena raha nikasa hamono an’i Helamàna (zanakalahin’i Helamàna), ilay lohan’ny mpitsara vaovao.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 1

Nampisaratsaraka ny Nefita ny fifandirana ary nanome fahafahana ny Lamanita haka an’i Zarahemlà

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao alohan’ny fotoam-pianarana:

Helamàna 1:1–4. Inona no nahatonga ny fifandirana sy ny fisaratsarahana teo anivon’ny vahoaka Nefita?

Helamàna 1:5–8. Iza no notendrena ho lohan’ny mpitsara ary ahoana no fihetsik’ireo rahalahiny anankiroa?

Mba hanombohana ny lesona dia angataho ny mpianatra mba hamaritra ny fahasamihafan’ny hoe mifanakalo hevitra momba ny olana iray sy ny hoe mifanditra mikasika ny olana iray. Raha toa ny mpianatra ka mila fanampiana eo amin’ny fahatakarana ireo fahasamihafana ireo dia angataho izy ireo mba handinika ireto toe-javatra manaraka ireto ary hamantatra hoe iza amin’izy ireo no ohatra maneho fifandirana. (Tokony hahafantatra izy ireo fa ny toe-javatra faharoa sy fahatelo izany.)

  1. Manazava ny hevitrao amin’ny alalan’ny fampiasana fampiaikena sy zava-misy amin’ny fomba feno fitiavana

  2. Maneho tsy fanajana olona iray izay tsy mitovy fomba fijery aminao

  3. Mahatsapa fa zava-dehibe kokoa ny mahazo rariny ao anatin’ny fifandirana iray noho ny fieritreretana izay zava-mahasoa ny olona iray

Asao ny mpianatra mba hitady ireo loza ateraky ny fifandirana rehefa mandalina ny Helamàna 1 izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra manokana fomba mety hisehoan’ny fifandirana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina nosoratanao eny amin’ny solaitrabe ary hitady ny valin’ireo fanontaniana mifandray amin’izany. Asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

Manaova sarin’ny lalana iray eo amin’ny solaitrabe ary soraty eo amin’izany ilay teny hoe fifandirana.

lalana

Hazavao fa ny fifandirana dia azo ampitoviana amin’ny lalana iray izay mitondra any amin’ny fahotana hafa sy zavatra misy voka-dratsy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 1:9.

Angataho ny mpianatra mba hitady hoe nitarika tany amin’ny inona ilay fifandirana teo anivon’ny Nefita tamin’ny farany. (Vono olona.) Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe vono olona eo amin’ny faritra iray amin’ilay lalana nataonao sary.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 1:10–12 ary hitady ny zavatra nataon’i Kiskomena sy ireo izay naniraka azy mba hanafenana ilay vono olona nataony.

  • Nahoana no tian’i Kiskomena sy ireo mpanara-dia azy hafenina ny zavatra nataony?

  • Manomeza ohatra vitsivitsy amin’izao fotoana izao izay ahitana olona miezaka ny manafina ny zavatra tsy mety ataony? (Ny valiny dia mety ahitana hoe ny fandaingana amin’ny ray aman-dreny na ao anatin’ny tafa sy dinika amin’ny eveka na ny filohan’ny sampana.)

  • Nahoana no tsy mety ny manampy olona iray hafa hanafina ny fahotany?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 1:18–21. Angataho ny mpianatra ambiny mba hanaraka izany ary hitady ireo vokany hafa nateraky ny fifandiran’ny Nefita. Rehefa manao tatitra mikasika ny zavatra hitany ny mpianatra dia asaivo soratan’izy ireo eo amin’ilay lalana eo amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hilaza na hanoratra ireo zavatra hafa ateraky ny fifandirana izay hitan’izy ireo.

Fintino ny Helamàna 1:22–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy naka an’i Zarahemlà ny Lamanita, dia resin’ny tafika Nefita izy ireo tao anatin’ny ady iray izay nahafaty olona maro.

Asao ny mpianatra hamintina fitsipika iray mikasika ny fifandirana izay nianaran’izy ireo avy amin’ny fandalinana ny Helamàna 1. Ny fitsipika iray mety ho hitan’ny mpianatra dia ny hoe mahatonga antsika ho tsy hahatohitra ny fitarihan’ny fahavalo ny fifandirana. Azonao atao ny manoratra izany eo amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ity fitsipika ity sy hampihatra izany eo amin’ny fiainany dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha toa ka nifanditra tamin’ny ray aman-dreniny mikasika ireo namany ny zatovovavy iray dia mety ahoana no fiantraikan’izany amin’ny fihetsiny eo anatrehan’ny torohevitry ny ray aman-dreniny mikasika ireo lafin-javatra hafa eo amin’ny fiainany?

  • Raha toa ka niadiady ny mpiray tampo dia inona no mety ho fiantraikan’izany fihetsik’izy ireo izany eo amin’ny fifandraisany maharitra? Inona no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fianakaviana iray manontolo?

  • Ahoana no mety hahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana ho lasa tsy hahatohitra firy ny fanafihan’i Satana noho ny fifandirana ao anatin’ny paroasy na sampana iray?

  • Raha toa ka mahatsapa hatezerana amin’ny olona iray ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana ny tovolahy iray dia inona no mety ho fiantraikan’ireo zavatra tsapany ireo eo amin’ny zavatra ataony ao amin’ny fiangonana? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fandehanany miangona?

  • Ahoana no fomba mety handemen’ny toetra mpila ady antsika rehefa miatrika fakam-panahy isika?

Asao ny mpianatra mba hanolotra toe-javatra hafa izay ahitana fa mety hampalemy antsika sy hahatonga antsika tsy hahatohitra ny tetiky ny fahavalo ny fifandirana.

Omeo fotoana ny mpianatra mba hieritreritra lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay mety hiteraka fifandirana. Asao izy ireo mba hitady fihetsika iray manokana izay azon’izy ireo atao mba hisorohana ny fihetsika mila ady.

Helamàna 2

Lasa lohan’ny mpitsara i Helamàna ary voasakan’ny mpanompony i Kiskomena izay nikasa ny hanaisotra ny ainy

  • Nahoana no tsara kokoa ny mandamina ny tsy mety toy izay manafina izany?

  • Nahoana ny olona iray no mety manafina zavatra iray izay nataony?

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 2:3–4 sy F&F 58:43.

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no fahasamihafana misy eo amin’ny zavatra tian’ny Tompo ataontsika eo anatrehan’ny fahotana sy ny zavatra ataon’ny jirik’i Gadiantôna eo anatrehan’ny fahotana?

Hazavao fa hitantsika ao amin’ny Helamàna 2, ny fikasan’i Kiskomena hamono an’i Helamàna izay ho lohan’ny mpitsara manaraka. Angataho ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe mpanao gazety nasaina nanao tatitra mikasika ilay fikasana hamono ny lohan’ny mpitsara izy ireo. Asao izy ireo mba hamaky ny Helamàna 2:2–9 miaraka amin’ny mpianatra iray iarahany miasa ary hanoratra lohateny lehibe iray mba hamintinana ny zava-nitranga. Angataho ny mpianatra maromaro mba hamaky amin’ny mpianatra rehetra izay lohateny nataon’izy ireo.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 2:10–11 ka hitady ny zavatra nataon’i Helamàna tamin’ireo jirik’i Gadiantôna. Mangataha mpianatra iray mba hamintina ireo andininy ireo.

Hazavao fa ilay andian’olon’i Gadiantôna dia ohatra iray maneho ny tsikombakomba miafina. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 2:12–14. Angataho ny mpianatra rehetra mba hitady ny vokatry ny tsikombakomba miafina teo amin’ny Nefita.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny loza ateraky ny tsikombakomba miafina? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ataovy izay hampazava ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mitondra any amin’ny famongorana fiaraha-monina ny tsikombakomba miafina. Azonao atao ny manazava fa ankoatry ny fitondran’izany tsikombakomba miafina izany famongorana ny Nefita dia namongotra ny Jaredita koa izany, izay ho hitan’ny mpianatra ao amin’ny bokin’i Etera; jereo ny Etera 8:20–21.)

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo ohatry ny tsikombakomba miafina amin’izao fotoana izao:

Loholona M. Russell Ballard

“Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ireo tsikombakomba miafina izay nirotsaka tamin’ny fanaovana heloka be vava dia fanamby lehibe tokoa, tsy ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana ihany fa ho an’ny fiarahamonina iray manontolo. Anisan’ireo tsikombakomba miafina ankehitriny ireo andian-jiolahy, ireo tambazotran’ny zava-mahadomelina, ary ireo fianakaviamben’ny mpikotrika heloka bebe vava. …

“Raha tsy mitandrina isika dia afaka mahazo fahefana sy hery misarika haingana dia haingana sy tanteraka tahaka ny fanaon’izy ireo tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo tsikombakomba miafina amin’izao andro izao.” …

“… [Ny devoly] dia mampiasa tsikombakomba miafina, ka tafiditra ao anatin’izany ireo jiolahy, ’avy amin’ny taranaka iray ho an’ny taranaka iray, arakaraka ny ahafahany mahazo vahana ao am-pon’ny zanak’olombelona.’ [Helamàna 6:30.] Ny tanjony dia hamotika ny olona tsirairay, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny firenena. [Jereo ny 2 Nefia 9:9.] Nahita fahombiazana ihany izy nandritra ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna. Ary diso mahita fahombiazana loatra izy amin’izao fotoana izao. Izany no antony maha zava-dehibe ny … fifikirantsika mafy amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fanaovana izay azontsika atao mba hiarovana ny fiaraha-monintsika” (“Standing for Truth and Right,” Ensign, Nôv. 1997, 38).

Asao ny mpianatra mba hieritreritra fomba ahafahany mampihatra ny fampianaran’ny Loholona Ballard. Asao izy ireo mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina ny zavatra hataon’izy ireo mba hisorohana izay mety ho endriky ny tsikombakomba miafina ary ny zavatra hataon’izy ireo mba “hifikirana mafy amin’ny fahamarinana” eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 1:1–21. Manimba ny fifandirana

Ny bokin’i Helamàna dia mitantara fotoana iray izay nisian’ny faharatsiana teo anivon’ny Nefita. Nirongatra ny jirik’i Gadiantôna ary nandalo toe-javatra maro ny vahoaka toy ny faharatsiana, ny famongorana ary ny fibebahana saingy niverina tamin’ny faharatsiana ihany. Nanomboka tamin’ny fifandirana ny ankamaroan’ireo olana ireo araka ny voafaritra ao amin’ny toko voalohan’i Helamàna. Misy olona sasany izay mandray ny fifandirana ho toy ny fahotana kely. Kanefa ireto fanambarana roa manaraka nataon’ny mpaminanin’ny andro farany anankiroa ireto dia manamafy ny maha zavatra lehibe ny fahotana:

Nampitandrina ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rehefa misy ny fifandirana dia miala ny Fanahin’ny Tompo na iza na iza diso” (“What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, Mey 1996, 41).

Nampitandrina ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy tongatonga foana eto ireo fahotana miendrika kolikoly, tsy fahamarinan-toetra, ady, fifandirana ary ireo zavatra ratsy hafa eto amin’izao tontolo izao. Porofon’ny ezaka mafy ataon’i Satana sy ireo izay manaraka azy izany. Ampiasainy ny fitaovana rehetra misy eo am-pelatanany mba hamitahana sy hampisavorovoroana ary hamarinana an-kady” (“Deep Roots,” Ensign, Nôv. 1994, 76).

Zavatra mifanohitra amin’ilay voka-dratsin’ny fifandirana izay manimba kosa no nentin’ny Filohan’ny Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia ny fanamafisany ny firaisan-kina sy ny filaminana entin’ny Fanahin’ny Tompo izany:

“Rehefa manana ny Fanahy miaraka amin’izy ireo ny olona any amin’ny toerana misy azy dia afaka manantena filaminana isika izay. Mametraka ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana ao am-pontsika ny Fanahy izay mampiray hina ireo izay miray saina amin’izany fijoroana ho vavolombelona izany. Tsy mba mitondra fifandirana velively ny Fanahin’ Andriamanitra (jereo ny 3 Ne. 11:29). Tsy mba mitondra velively toetra manavakavaka eo anivon’ny olona izany izay miteraka ady (jereo ny Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, boky navoaka faha-13 [1963], 131). Mitondra filaminan-tsain’ny tena manokana izany ary fahatsapana ho iray amin’ny hafa. Mampiray ny fanahy izany. Miankina amin’ny fanahy miray hina ny hisian’ny fianakaviana anankiray miray hina, ny Fiangonana anankiray miray hina ary ny tontolo anankiray milamina” (“That We May Be One,” Ensign, Mey 1998, 67).