Tahirim-pitaovana
Lesona 44: Jakôba 2:12–35


Lesona 44

Jakôba 2:12–35

Fampidirana

Nahatoky tamin’ny andraikiny tamin’ny naha mpitarika azy tao amin’ny fisoronana i Jakôba, ka niantso ny olona ho amin’ny fibebahana, ary nampitandrina azy ireo tamin’ny fahotan’ny avonavona sy ny fahavetavetana. Nampianatra mikasika ireo loza sy vokatra aterak’ireo fahotana roa mahazo ny maro ireo izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 2:12–21

Nohelohan’i Jakôba ny vahoakany noho ny avonavon’izy ireo

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: vola, fahaizana, namana, talenta, fahalalana ny filazantsara. Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ireo fitahiana nomen’ny Tompo azy ireo raha ireo lafiny ireo no resahina. Amporisiho izy ireo handinika ny zavatra tsapan’izy ireo momba ireo fitahiana ireo rehefa mandalina ny Jakôba 2.

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy tsara ny Jakôba 2:12–13. Asao ireo mpianatra hafa hanaraka ny vakiteny ary hamantatra hoe inona no katsahin’ny ankamaroan’ireo Nefita.

Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia mariho manokana fa nilaza tamin’ny vahoakany i Jakôba fa tamin’ny alalan’ny “fitondran’Andrimanitra” no nahazoan’izy ireo harena be.

  • Fa nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mahatsiaro fa ny fitahiana rehetra azontsika dia avy amin’ny Ray any An-danitra avokoa?

  • Araka ny ao amin’ny Jakôba 2:13, fa nahoana no tafasondrotra tao amin’ny avonavon’ny fony ny maro tamin’ireo Nefita?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity filazana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity izay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asaivo henoin’ny mpianatra izay hevi-baovao mikasika ny hevitry ny hoe tafasondrotra ao amin’ny avonavon’ny fo:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny tena fotony dia otan’ny fampitahana ny fieboeboana, satria matetika izany no miantomboka amin’ny hoe ’Jereo anie ny hatsarako sy ny zavatra goavana vitako e!’ Ary matetika izany miafara amin’ny hoe ’Tsara lavitra noho ianao aho.’ …

“… Izany ilay fahotana mampanao hoe: ’Misaotra an’Andriamanitra aho fa miavaka noho ianao.’ Efa ivon’izany ota izany mihitsy ny faniriana te hoderaina sy hotsiriritina. Otan’ny fideraderan-tena izany” (“Ny Fieboeboana sy ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 56).

Amporisiho ireo mpianatra handinika amim-pahanginana raha toa izy ireo efa sendra meloka noho ny fahotana hoe mihevitra ny ho tsara kokoa noho ny olona iray hafa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 2:14–16. Asao ireo mpianatra hitady ireo andian-teny izay maneho ny vokatry ny avonavon’ny fo. Asao izy ireo hanao tatitra mikasika izay zavatra hitan’izy ireo.

  • Fa nahoana hoy ianao ny avonavon’ny fo no manana hery “handrava[na] ny fanahin[tsika]”? Jakôba 2:16).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 2:17–21. Asao izy ireo hitady ireo andian-teny izay mampianatra ny fomba ahafahantsika mandresy ny avonavona sy ny toe-tsaina tsy mety raha ny mikasika ny harena ara-nofo. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo andian-teny izay hitan’izy ireo. Rehefa avy nandalina ireo andininy ireo izy ireo dia asao hisafidy andian-teny iray izay hitan’izy ireo. Omeo fahafahana ny mpianatra maromaro hanazava ny fomba ahafahan’ilay andian-teny izay nosafidiany manampy antsika handresy ny avonavona na ny toe-tsaina tsy mety mikasika ny harena ara-nofo. (Mandritra io asa atao io dia azonao atao koa ny manoro hevitra ireo mpianatra hamaky ireto andinin-tsoratra masina ireto: 1 Mpanjaka 3:11–13; Marka 10:17–27, tafiditra amin’izany ny DJS Marka 10:26; 2 Nefia 26:31; Almà 39:14; F&F 6:7.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitr’izany hoe mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra izany? Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe mahazo fanantenana ao amin’i Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahazoana fanantenana ao amin’i Kristy hisy fiantraikany eo amin’ny toe-tsaintsika eo anatrehan’ny harena sy ny fananana ara-batana?

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina izay fomba azon’izy ireo hamintinana ny venti-kevi-dehiben’ny Jakôba 2:12–21 ho an’ny mpianatra iray izay tsy manatrika ny fampianarana androany. Omeo fahafahana hizara izay mety holazain’izy ireo ny mpianatra roa na telo. Mety hilaza fitsipika marina maro samihafa ireo mpianatra. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tokony hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra isika alohan’ny zavatra hafa rehetra mety ho tiantsika. Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy ny mikasika ny fomba iray azon’izy ireo hampiasana ireo fitahiana sy fahafahana nomen’ny Tompo azy ireo hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy hitahiana ny fiainan’ny hafa.

Jakôba 2:22–35

Helohin’i Jakôba ireo olona izay nandika ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantena

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity filazana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:

“Ny fahotana izay miendrika valan’aretina mahazo an’ity taranaka ity dia …”

Asao ireo mpianatra hieritreritra izay mety ho fomba namaranan’ny Filoha Benson io fehezanteny io. Avy eo dia vakio ity fanambarana manaraka ity:

“Ny fahotana izay miendrika valan’aretina mahazo an’ity taranaka ity dia ny fahavetavetana. Io fahotana io, hoy ny Mpaminany Joseph, no hanjary loharanon’ny fakam-panahy misimisy kokoa, fijaliana misimisy kokoa, ary olana sarotsarotra kokoa ho an’ireo loholon’i Isiraely raha oharina amin’izay mety ho fahotana hafa” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 277).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 2:22–23, 28, sady mamantatra ireo teny sy andian-teny izay nampiasain’i Jakôba hamariparitana ny maha zava-doza ny fahavetavetana. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe fijangajangana dia miresaka momba ny fahotana mikasika ny filana ara-nofo.) Asao ireo mpianatra hizara ireo teny na andian-teny izay hitan’izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia vakio ity fanambarana ity izay hita ao amin’ny bokikely hoe Jeunes, Soyez Forts! (Ry Tanora, Mahereza!) Asao ireo mpianatra hihaino ireo fomba fanao izay tokony hosorohin’izy ireo.

“Ny fenitry ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena ara-nofo dia mazava ary tsy miovaova. Aza manao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana, ary hajao tanteraka ny vadinao aorian’ny fanambadiana. …

“Aza manao mihitsy na inona na inona zavatra izay mety hitarika amin’ny fandikan-dalàna mikasika ny fahadiovam-pitondrantena ara-nofo. Hajao ny hafa eo amin’ny fifandraisanao aminy, fa aza atao toy ny fitaovana ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny filana feno fitsiriritana sy fitiavan-tena. Alohan’ny fanambadiana dia aza mifanoroka amim-pirehetampo fatratra, na mandry eo ambonin’ny olona iray hafa, na mikasika ny faritra fady sy masina eo amin’ny vatan’ny olona iray hafa na miakanjo izy na tsia. Aza manao na inona na inona izay mety hanaitra ny filana ara-nofo. Aza fohazina ao amin’ny vatanao koa ireo filana ireo” (Jeunes, Soyez forts! (Ry Tanora Mahereza) [bokikely, 2001], 27).

Tsindrio fa araka ny ao amin’ny Jakôba 2:23–24, dia niezaka ny hanamarina ny fahalotoam-pitondrantenany ara-nofo ny olona sasany tamin’ny andron’i Jakôba.

  • Fomba ahoana indraindray no hiezahan’ny olona hanamarinana ny fahavetavetana amin’izao andro izao?

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay azon’ny tanora atao mba tsy ho azon’ny fakam-panahy mikasika ny filana ara-nofo? (Mety ahitana ireto ny valiny: mivavaka mba hahazo hery, fiarahana amin’ny namana tsara, fisafidianana fialam-boly mahasoa, ary fialana amin’ny toe-javatra sy ny toerana izay maha-mora ny hisian’ny fakam-panahy.)

Azonao atao ny manamarika fa hita fa ny iray tamin’ireo fahotan’ireo Nefita dia ny fampiharana tsy nahazoan-dalana ny fanambadiana maro. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 2:27–30. Alohan’ny hamakiana dia mety ilaina ny hanazavanao fa ilay teny hoe vaditsindrano dia milaza vehivavy iray izay vita fanambadiana ara-dalàna tamin’ny lehilahy iray saingy nanana saranga ambany kokoa raha oharina amin’ny hoe vady.

  • Araka ny ao amin’ny Jakôba 2:27, dia inona no “tenin’ny Tompo” mikasika ny fananana vady mihoatra ny iray? (Ataovy izay hampazava ny hoe, hatrany am-boalohany dia efa nandidy ny Tompo fa ny lehilahy iray dia tokony hivady amin’ny vehivavy iray. Jereo koa ny F&F 49:15–16.)

Hazavao fa ny fanambadiana maro tsy nahazoana lalana dia ohatra iray amin’ny fijangajangana na ny fahotana miendrika fahalotoam-pitondrantena ara-nofo. Amin’Andriamanitra dia tena fahotana lehibe ny fahalotoam-pitondrantena ara-nofo.

  • Araka ny Jakôba 2:30, rahoviana no mahazo lalana hanao fanambadiana maro ny vahoakan’ny Tompo? (Rehefa ny Tompo no mandidy izany.)

Mariho fa nisy fotoana teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona izay nandidian’ny Tompo ny vahoakany hampihatra ny fanambadiana maro. Ohatra, tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha dia nampihatra ny fanambadiana maro i Abrahama sy Sara (jereo ny Genesisy 16:1–3; F&F 132:34–35, 37) sy i Jakôba zafikelin’izy ireo (jereo ny F&F 132:37), ary nampiharina koa izany nandritra ny fotoana iray tany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’i Joseph Smith (jereo ny F&F 132:32–33, 53).

Mba hanamafisana fa mitondra faharavana eo amin’ny fianakaviana ny fahavetavetana dia vakio mafy ny Jakôba 2:31–35. Asao ireo mpianatra hanaraka, sady hitady ireo vokatry ny fahalotoam-pitondrantena. Mariho fa na dia ny lehilahy ihany aza no hiresahan’i Jakôba, dia mitovy amin’izany ihany koa ny lanjan’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ho an’ireo vehivavy.

  • Arak’i Jakôba, inona no fiantraikany eo amin’ny fianakaviana rehefa misy olona iray ao amin’io fianakaviana io mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Amin’ny lafiny ahoana no ahafahan’izany manampy eo amin’ny fanazavana ny antony mahatonga ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ho fahotana lehibe tahaka izany?

  • Ny tanora sasantsasany dia manamarin-tena hoe azon’izy ireo atao ny mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena satria tsy mandratra na iza na iza ny zavatra ataony. Ahoana no ahafahan’ny fahalotoam-pitondrantenan’ny olona iray hisy fiantraikany amin’ny olon-kafa?

Mba hamaranana io fifanakalozan-kevitra mikasika ny vokatry ny fahotana ara-pitondrantena ara-nofo io dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino ireo vokatry ny fahavetavetana.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Miteraka ratra goavana ara-pihetseham-po sy ara-panahy izy ireny. Na dia tsy tonga saina amin’izany aza ireo mpandray anjara amin’izao fotoana izao, dia ho tsapan’izy ireo izany any aoriana. Ny fahavetavetana dia miteraka sakana ho an’ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fahafahana rehetra entiny izay mampiorina sy mitondra fahazavan-tsaina ary mitondra hery. Miteraka fanairana ara-batana sy ara-pihetseham-po mahery vaika izany. Rehefa ela ny ela izany dia miteraka filana tsy hay tohaina izay mitondra ilay mpanota mankamin’ny fahotana vao mainka lehibe kokoa. Miteraka fitiavan-tena izany ary afaka mamokatra fihetsika mahery toy ny herisetra, ny fanalan-jaza, ny fanolanana ara-nofo, ary ny heloka bevava feno herisetra. Ny fanairana toy izany dia mety hitondra mankamin’ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy, ary izany dia ratsy ary tena diso tanteraka” (“Making the Right Choices,” Ensign, Nôv. 1994, 38).

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny fiantombohan’ny Jakôba 2:28 ary hamantatra hoe inona no zavatra maha finaritra ny Tompo. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izay zavatra hitan’izy ireo. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.)

  • Raha mifototra amin’izay noresahintsika androany, nahoana hoy ianao no finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo?

Asehoy ny sarin’ny fianakavianao. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana izay azonao sy ny fianakavianao rehefa niaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo ianareo. Antitrantero fa fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Raintsika any An-danitra ny fahefan’ny fananahana rehefa ampiasaina ao anatin’ny fifamatorana izay efa napetrany. Entano ireo mpianatra mba hadio mba hahafahan’ny Tompo ho “finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’[izy ireo]” (Jakôba 2:28).

Mba hanampiana ireo mpianatra hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny fanarahana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • (Rehefa mamaly an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitahiana noho ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, fa tsy ny amin’ny loza ateraky ny tsy fankatoavana azy io fotsiny.)

Lazao amin’ireo mpianatra fa azonao antoka fa afaka ny ho madio ara-pitondrantena izy ireo. Antitrantero fa raha toa ka efa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo dia tokony hikatsaka fanampiana avy amin’ny evekan’izy ireo na ny filohan’ny sampana misy azy ireo, izay afaka manampy azy ireo hibebaka sy ho tonga madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakôba 2:7. “Aoka ianareo ho malala-tànana amin’ ny fanananareo”

Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika dia manolotra ny fanatitry ny fifadian-kanina mba hanampiana ireo sahirana. Mamporisika antsika ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba halala-tanana amin’ny fanaovana fanatitra. Ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome torohevitra mikasika ny habetsaky ny anjara biriky tokony entintsika:

“Ohatrinona no tokony haloantsika amin’ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina? Ry rahalahiko sy anabaviko isany, ny refin’ny fanatitra ataontsika entina hanampiana ny mahantra no refin’ny fankasitrahantsika ny Ray any An-danitra. Moa ve isika, izay notahiana be dia be tokoa, hanodina ny lamosintsika eo anoloan’ireo izay mila ny fanampiantsika? Ny fandoavana fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina amim-palalahan-tanana dia refin’ny finiavantsika hanokan-tena hanamaivana ny fahorian’ny hafa.

“Rahalahy Marion G. Romney, izay evekan’ny paroasinay tamin’ny fotoana niantsoana ahy hanao asa fitoriana, ary lasa nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany taty aoriana, dia nampianatra hoe: ‘Aoka ianao halalaka rehefa manome, mba hahafahan’ny tenanao hitombo. Aza manome hoe mba ho tombotsoan’ireo mahantra fotsiny, fa manomeza mba ho tomombana tsara koa ianao. Manomeza ny ampy mba hahafahanao manolotra ny tenanao ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanokanana ampahany amin’ny fanananao sy ny fotoananao’” (“The Law of the Fast,” Ensign, mey 2001, 75; quoting Marion G. Romney, “The Blessings of the Fast,” Ensign, jolay 1982, 4).

Jakôba 2:23–30. Ny fanambadiana vady maro

Tamin’ny andron’i Jakôba dia nanomboka nirotsaka tamin’ny fananana vady maro ireo Nefita sasantsasany, izay nilaza fa nanaraka ny ohatra nasehon’i Davida sy i Solomona. Nohelohin’i Jakôba io fomba io noho ny antony roa raha kely indrindra:

  1. Ny Tompo, tamin’ny alalan’i Lehia, dia nandidy an’ity vahoaka ity tsy handray anjara amin’ny fananana vady maro (jereo ny Jakôba 2:27, 34).

  2. Tsy ohatra mendrika i Davida sy Solomona. Na dia nifanaraka tamin’ny didin’ny Tompo tamin’ny andron’izy ireo aza ny nanambadiany ny sasantsasany tamin’ireo vadiny maro, dia nanao fahotana lehibe koa izy ireo teo amin’ny lafin’ny fitondrantena ara-nofo (jereo ny Jakôba 2:24; F&F 132:38–39).

Mikasika ny fananana vady maro, dia nanambara ny Tompo hoe: “Fa raha sitrako … ny hanangana taranaka iray ho Ahy, dia handidy ny oloko Aho; fa raha tsy izany kosa dia hitandrina ireo zavatra ireo izy” (Jakôba 2:30). Amin’ny teny hafa, ny didin’ny Tompo raha amin’ny ankapobeny dia ny tsy handraisana anjara amin’ny fananana vady maro. Saingy mety handidy ny vahoakany Izy handray anjara amin’ny fanambadiana maro mandritra ny fotoana iray voafetra rehefa mahatsapa Izy fa ilaina ny “hanangana[na] taranaka” ho Azy—amin’ny teny hafa, rehefa tiany ny vahoakany, mandritra ny fe-potoana iray voafetra, hitondra zanaka be dia be kokoa ho eto amin’izao tontolo izao izay ho teraka ao anatin’ny fanekempihavanana ary ho voataiza ao anatin’ny tokantrano mifantoka amin’ny filazantsara. Ho fankatoavana ny torolalana avy tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanambarana iray tamin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanaraka an’io fomba io ny Olomasin’ny Andro Farany sasantsasany nandritra ny taona maro tamin’ny taonjato 1800 (jereo ny F&F 132). Tamin’ny 1890, rehefa niova ny toe-javatra nisy tato amin’ny Fiangonana sy teo amin’ny lalàna velona tao Etazonia, dia nesorin’ny Tompo ny fankatoavany an’io fomba fanao io tao anatin’ny fanambarana iray tamin’ny Filoha Wilford Woodruff, izay Filohan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany (jereo ny F&F, Filazana Ôfisialy 1). Nanomboka tamin’io fotoana io dia tsy nankatoavin’ny Tompo ny fananana vady maro ary tsy nanome lalana ny hisian’izany Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na iza na iza Olomasin’ny Andro Farany mandray an’io fomba io dia hiharan’ny fanafoanana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

“Te-hilaza mazava tsara aho fa ity Fiangonana ity dia tsy manana na inona na inona ifandraisana amin’ireo izay mampihatra ny fananana vady maro. Tsy mpikamban’ity Fiangonana ity izy ireo. Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mbola mpikambana mihitsy hatrizay. Mandika ny lalàna sivily izy ireo. Ary mahafantatra izy ireo fa mandika ny lalàna. Ary hiharan’ny sazy ao amin’izany lalàna izany izy ireo. …

“Raha misy mpikambana ato aminay hita fa mampihatra ny fananana vady maro, dia voaroaka tsy ho mpikambana izy, izay sazy henjana indrindra azon’ny Fiangonana ampiharina. Tsy vitan’ny hoe mandika tsotra izao ny lalàna sivily ireo izay voakasik’izany, fa mandika ihany koa ny lalàn’ity Fiangonana ity. Mamatotra anay ny andininy iray ao amin’ny fanekem-pinoanay. Izany dia milaza hoe, ‘Mino ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara, amin’ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna’ (Fanek 1:12). …

“Zato taona lasa mahery izay no nanambaran’ Andriamanitra mazava tsara tamin’i Wilford Woodruff Mpaminaniny fa tokony hatsahatra ny fampiharana ny fanaovana fanambadiana maro, midika izany fa ankehitriny dia mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra izany. Na dia any amin’ny firenena izay hoe eken’ny lalàna sivily na ny lalàna ara-pivavahana aza ny fananana vady maro, dia mampianatra ny Fiangonana fa ny fanambadiana dia tsy maintsy amin’ny vady iray ihany ary tsy ekeny ho mpikambana ireo izay mampihatra ny fananana vady maro” (“What Are People Asking about Us?” Ensign, nôv. 1998, 71–72).

Hamoaka printy