Tahirim-pitaovana
Lesona 36: 2 Nefia 26


Lesona 36

2 Nefia 26

Fampidirana

Naminany i Nefia fa hovangian’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty ny taranany indray andro any ary aorian’izany zavatra hiseho izany dia hiaina ao anatin’ny fahamarinana izy ireo ao anatin’ny taranaka telo mifandimby. Saingy nalahelo i Nefia satria hisy olona sasany hiala amin’ny fahamarinana ao anatin’ny taranany fahefatra ary hofongorana amin’ny farany. Nampitandrina ireo izay miaina amin’ny andro farany amin’ny fiavonavonana, ny tsikombakomba miafina ary ny komiberaky ny mpisorona i Nefia. Nampianatra izy fa tian’ny Tompo ny olon-drehetra ary asainy izy ireo mba hanatona Azy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 26:1–13

Naminany i Nefia fa hofongorana ny olony satria handà an’i Jesoa Kristy izy ireo

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Fitsaran’Andriamanitra.

  • Inona no eritreritra tonga ao an-tsainao rehefa mahita na mandre io andian-teny io ianao?

Hazavao fa na dia maro aza ny olona mieritreritra zavatra ratsy rehefa mahita ireo teny ireo dia hitondra fitahiana ho an’ny olona maro raha ny marina ny fitsaran’Andriamanitra.Hitantsika ao amin’ny 2 Nefia 26 ny vokatra ateraky ny fahamarinana eo amin’ny olon-dratsy sy ny olo-marina.

Mba hamoahana ilay hevitra manodidina ilay hafatra lehibe ao anatin’ny Toko 2 Nefia 26, dia hazavao fa maro ireo famantarana hiaraka amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany amin’ny maty. Naminany izy fa maro ny olona hofongorana aoriana kelin’ny fahafatesan’ny Mpamonjy satria handroaka ireo mpaminany sy ireo mpanara-dia mahatokin’i Jesoa Kristy izay niaina teo anivony izy ireo. Naminany koa izy fa na dia aorian’ny famangian’ny Mpamonjy aza dia maro amin’ireo taranany no “hifidy ny asan’ny haizina toy izay ny mazava” ary hofongorana. (Jereo ny 2 Nefia 26:1–11.)

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny 2 Nefia 26:7. Angataho ny mpianatra mba hikaroka ny fihetsika nasehon’i Nefia teo anatrehan’ny fahitana ilay famongorana ny vahoaka. Asao ny mpianatra mba hizara izay hitany. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ny zavatra nolazain’i Nefia any amin’ny faran’ilay andinin-tsoratra masina hoe: “Mahitsy ny lalanao.”

  • Midika inona ho anao ilay filazana hoe “mahitsy ny lalanao”? (Azonao atao ny manazava fa ny olona mahitsy iray dia hifampiraharaha ara-drariny amin’ny olona foana.)

Rehefa avy nampianao ny mpianatra hahatakatra fa mitaky ny hanasaziana ny olon-dratsy noho ny zavatra nataony ny fahamarinan’Andriamanitra, dia hazavao fa takian’ny fahamarinan’Andriamanitra koa ny hamaliana soa ny olo-marina noho ny zavatra nataony. Azonao atao rehefa manome io fanazavana io ny manasa ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21. Asaivo vakian’ny mpianatra ny 2 Nefia 26:8–9, 13, ka tadiaviny ao anatin’izany ireo fitahiana izay nolazain’i Nefia fa ho tonga eo amin’ireo taranany marin-toetra.

  • Inona avy ireo andian-teny mamaritra ireo zavatra nataon’ny olo-marina ao amin’ny andininy 8 sy 13?

  • Oviana ianao no nahita ireo fitahiana voalaza ao amin’ny andininy 13? Inona avy ireo fomba samihafa entin’ny Tompo hanehoany ny Tenany amintsika?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia maneho ny tenany amintsika Izy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana izany fahamarinana izany mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

2 Nefia 26:14–33

Naminany mikasika ny andro farany i Nefia ary nanasa ny olona rehetra hanatona an’i Kristy

Fintino ny 2 Nefia 26:14–19 amin’ny alalan’ny fanazavana hoe naminany i Nefia fa ho avy amin’ny andro farany ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny fotoana iray izay hahitana olona maro miavonavona ary tsy mino.

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nahatafintohina tamin’ny zavatra iray (na azonao atao ny mangataka azy ireo haka sary an-tsaina hoe voafingan’ny zavatra iray nanakana azy izy ireo tao anatin’ny haizina). Ampio izy ireo hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 26:20–21 ary hitady ireo sakana mety hahatafintohina ny olona amin’ny andro farany.

  • Araka ny 2 Nefia 26:20–21, inona avy ireo sakana hitan’i Nefia izay hahatonga ny Jentilisa ho tafintohina?

  • Inona avy ireo karazana sakana hafa izay ampiasain’i Satana mba hitarihana ny olona ho tafintohina?

Hazavao fa ankoatry ny fametrahana “vato fahatafintohinana” eo amin’ny lalantsika mivantana any amin’Andriamanitra, dia mikatsaka ny hamatotra antsika i Satana. Mihazòna tapa-kofehy iray ary asao ny mpianatra mba hamaky haingana ny 2 Nefia 26:22, ary hitady ny zavatra nosoratan’i Nefia mikasika ny zavatra iray mitovy amin’izany. Miangavia ankizy iray mba handroso eny aloha. Fatory moramora amin’ny tapa-kofehy iray mba hitambatra ny hatotanan’ilay mpianatra. Angataho izy mba hanapaka ilay tady. Avereno indray amin’ny alalan’ny fanodinkodinana imbetsaka ilay kofehy eo amin’ny hatotanany. Aza ajanona izany raha tsy rehefa tsy afaka manapaka ilay tady intsony ilay mpianatra—ka ampitandremo ilay mpianatra mba tsy handratra ny tenany. (Raha tsy manana kofehy ianao dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba haka sary ao an-tsainy izany fampisehoan-javatra izany.) Asaivo mandalina ny 2 Nefia 26:22 ireo mpianatra ary mikaroka ny fifandraisan’izany andinin-tsoratra masina izany amin’ny fampisehoan-javatra.

  • Inona no maha zava-dehibe ilay andian-teny hoe “mandra-pamatorany” azy ao amin’ny 2 Nefia 26:22? Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny fomba fiasan’i Satana?

  • Tamin’ny fomba ahona no efa nahitanao an’i Satana nitaritarika olona tamin’ny “tadin-drongony malefaka”? (Ny rongony resahana eto dia karazan-kazo madinidinika anavoana lamba.)

  • Iza amin’ireo fahotana (tadin-drongony malefaka) ireo araka ny eritreritrao no tena mampidi-doza ny olona mitovy taona aminao?

Ampahatsiahivo fa misarika antsika hanao ny asan’ny maizina i Satana mba hahafahany mamatotra antsika sy manala antsika eo amin’ny lalan’ny fahamarinana. Hazavao fa ireo andinin-tsoratra farany ao amin’ny 2 Nefia 26 dia mampiseho ny tsy fitovian’ny fomban’i Satana sy ny fomban’Andriamanitra. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 26:23–24.

  • Ahoana no fomba fiasan’ny Tompo araka ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona no tanjon’ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ilay ampahany ao amin’ny 2 Nefia 26:24 izay mampianatra fa ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia mba ho tombontsoan’izao tontolo izao.)

Anontanio ny mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo hakiviana na nahatsapany fa nanalavitra ny Tompo izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa fa miantefa amin’ny fiainan’izy ireo ilay hafatr’i Nefia momba ny fitiavan’ny Tompo dia asao izy ireo mba handinika ny 2 Nefia 26:24–28, 33. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ny teny hoe rehetra, misy efa ary na iza na iza. Asaivo mamerina mamaky mandritra ny minitra vitsy ireo fehezanteny ahitana ireo teny ireo ny mpianatra.

Angataho ny mpianatra tsirairay mba hitodika any amin’ny olona iray ao amin’ny kilasy ary hifanakalo hevitra fohifohy mikasika ny zavatra azontsika takarina avy amin’ireo andininy ireo. Rehefa avy nifampizara ny heviny ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo hevi-dehibe nivoaka avy tamin’ny fifampiresahan’izy ireo. Ny iray amin’ireo hevi-dehibe tokony hivoaka avy amin’ilay fifanakalozan-kevitra dia ny hoe Tia ny olona rehetra ny Tompo ary manasa ny olona rehetra mba hanatona Azy sy hahazo anjara amin’ny famonjeny. Azonao atao ny manoratra io fehezanteny io eo amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy:

  • Oviana no nahatsapanao ny hatsaran-toetran’ny Tompo teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hahafantatra fa tia ny olona rehetra ny Tompo ary manasa ny rehetra hanatona Azy?

Ho famaranana dia asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 26:25, 33. Alohan’ny hamakiany dia toroy hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay manome famporisihana ho azy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hahita zavatra fanampiny azo ampiharina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia vakio ity zavatra manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Manantena aho fa raisintsika tsara sy tiavintsika ny zanak’Andriamanitra rehetra ka tafiditra ao anatin’izany ireo izay mety tsy mitovy amin’ny an’ny tena ny fiakanjony, ny bika aman’endriny, ny fiteniny na ny fomba fanaovany zavatra fotsiny. Tsy tsara ny manao izay hahatsapan’ny hafa fa misy tsy fahampiana ao amin’izy ireo. Ndeha isika hankahery ireo izay manodidina antsika. Ndeha isika hanolotra tanana feno fitiavana. Ndeha isika hanolotra hatsaram-panahy, fangorahana ary fiantrana tonga lafatra ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo mahatsapa fa nahita ilay fonenany ihany izy ireo nony ela. …

“Toa rariny tokoa raha toa isika ka manolotra ho an’ny hafa izay zavatra iriantsika mafy ho an’ny tenantsika.

“Tsy milaza akory aho hoe ekentsika ny fahotana na tsy raharahiantsika ny ratsy eo amin’ny fiainantsika manokana na eo amin’izao tontolo izao. Kanefa matetika isika ao anatin’ilay hafanam-pontsika mampifangaro ny fahotana amin’ny mpanota ary manameloka haingana loatra isika ary zara raha maneho fangorahana. …

“… Aoka ny fontsika sy ny tanantsika haneho fangorahana ny hafa satria samy manana ny lalan-tsarotra diaviny ny tsirairay” (“You Are My Hands,” Ensign, Mey 2010, 68–69).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampihatra ny 2 Nefia 26:33 sy ny fampianaran’ny Filoha Uchtdorf?

Asao ny mpianatra handinika ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana ireo sahirana sy hanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo.

Hamoaka printy