Lesona 94
Almà 37
Fampidirana
Nanohy ny fananarany an’i Helamàna zanany lahy i Almà ary nanome azy andraikitra hitana ireo rakitsoratra masina. Nampahatsiahiviny an’i Helamàna fa efa fitaovana nitondrana Lamanita an’arivony ho ao amin’ny Tompo ny soratra masina ary naminany izy fa manana fikasana lehibe maro ho an’ireo rakitsoratra ireo ny Tompo amin’ny hoavy. Nampianatra ny zanany lahy ny zavatra tokony hampianarina ny olona i Almà. Rehefa nampitaha ny tenin’i Kristy tamin’ny Liahona izy dia nanamafy tamin’i Helamàna ny maha zava-dehibe ny fitodihana amin’izy ireo mba hahazo fitarihana.
Fanamarihana: Manome fahafahana mpianatra telo hampianatra ny iray kilasy ity lesona ity. Mba hanampiana ireo mpianatra ireo hampianatra dia omeo ny tahadikan’ilay fizarana asaina ampianariny mpianatra tsirairay iray na roa andro mialoha. Na afaka mifidy ny hampianatra ireo fizarana ireo koa ianao.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 37
Nanankina ireo rakitsoratra tamin’i Helaman i Almà, nananatra an’i Helamàna hitandrina ny didy izy, ary nampahatsiahy an’i Helamàna fa miasa amin’ny alalan’ny finoana ny Liahona
Adikao eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary manaraka ity:
Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zava-madinika sy tsotra nitondra fiantraikany maharitra teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanazava ny valinteniny.
Hazavao fa ny Almà 37 dia mirakitra ny fananaran’i Almà mba hanampiana an’i Helamàna zanany hiomana mba handimby azy hitana ny rakitsoratra masina. Nampianatra azy mikasika ny anjara asan’ireo zava-madinika sy tsotra eo amin’ny asan’ny Tompo i Almà. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 37:6–7.
Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny lanjan’ireo “zava-madinika sy tsotra”? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa izy ireo dia tokony hilaza ny fahamarinana hoe miasa amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra ny Tompo mba hanatanterahany ireo fikasany mandrakizay.)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 37:1–5 ary hikaroka ohatra amin’ny zava-madinika sy tsotra izay manana fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona (ny rakitsoratra masina ny ny soratra masina). Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Soratra Masina eo ambanin’ny hoe Zava-madinika sy tsotra.
Asao ny mpianatra handalina ny Almà 37:8–10 hikaroka ireo fomba nitaoman’ny soratra masina ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eo ambanin’ny hoe FIANTRAIKANY MAHARITRA.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny fiantraikan’ny soratra masina teo amin’ny fiainanao?
Fintino ny Almà 37:11–32 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampianatra an’i Helamàna i Almà fa haneho ny heriny ny Tompo amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Nanome andraikitra an’i Helamàna hanaraka ny didin’Andriamanitra izy ary hihazona amim-pitandremana ireo rakitsoratra. Nanome toromarika an’i Helamàna hampiasa ireo rakitsoratra ihany koa izy mba hampianarana ny vahoaka sy hitana ny antsipirian’ny faharatsian’ny Jaredita sy ny nahafongotra azy ireo vokatr’izany mba tsy ho hitan’ny olona.
Asao ny mpianatra handalina mangina ny Almà 37:13–16 mba hikaroka ireo fitsipika nampianarin’i Almà an’i Helamàna rehefa nomeny andraikitra hitana ny rakitsoratra izy. (Mety hizara fitsipika samihafa ny mpianatra fa ataovy izay hahazoana antoka fa ny valintenin’izy ireo dia ahitana taratra fa hanampy antsika hamita ny adidintsika ny Tompo raha mitandrina ny didiny isika. Azonao atao ny manontany ny hifandraisan’io fitsipika io amin’ny filazana fa afaka manana fiantraikany maharitra ny zava-madinika sy tsotra.)
Natao mba hampianarin’ny mpianatra miisa telo ny ambin’ity lesona ity. Raha malalaka ny efitrano fianarana dia angataho ireo mpianatra mpampianatra mba hifindra amin’ny toerana telo samy hafa ao anatin’ny efitrano. Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay handray ny soratra masin’izy ireo, ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina, ary penina sy pensilihazo; ary hivondrona miaraka amin’ny iray amin’ireo mpianatra mpampianatra. Rehefa mahavita ny lesony ireo mpianatra mpampianatra dia handalo hianatra eo amin’ny mpianatra mpampianatra tsirairay ny vondrona tsirairay. Raha kely ny efitrano fianarana dia afaka mifandimby mampianatra ny iray kilasy ireo mpianatra mpampianatra. Fito minitra eo ho eo no tokony holanian’ny mpianatra mpampianatra tsirairay isaky ny mampianatra mba hampianarana ny leson’izy ireo sy hanaovana fifanakalozan-kevitra.
Mpianatra Mpampianatra 1—Almà 37:33–34
Asao ireo mpiara-mianatra aminao hieritreritra mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana na Manampahefana Ambony izay nampianatra azy ireo zavatra iray izay nanova ny fiainan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nampianarin’io mpitarika io sy ny fiantraikan’izany teo amin’izy ireo. Azonao atao ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao.
Asao ny mpianatra roa hifandimby hamaky mafy ny Almà 37:33–34. Asao ny mpianatra sisa hanaraka sy hihaino izany ary hitady ny zavatra natoron’i Almà an’i Helamàna mba hampianariny ny vahoaka. Azonao atao ny miteny azy ireo hanisy marika ireo andian-teny hoe “ampianaro izy,” sy hoe “torio aminy” rehefa mamaky izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ny hoe Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany rehefa avy mamaky ireo andininy ireo. Soraty eo ambanin’ny hoe Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny valintenin’izy ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ireo fampianarana ireo antsika amin’izao fotoana izao? Nahoana?
Asao ireo mpiara-mianatra aminao hijery ny fehezanteny farany ao amin’ny Almà 37:34 mba hahitana hoe inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka hahita fitsaharana ho an’ny fanahintsika isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Anontanio azy ireo izay heveriny fa dikan’ny hoe “[m]ahita fitsaharana ho an’ny fanahiny.” (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe tsy iharan’ny vokatry ny fahotana, mandray fiadanana avy amin’ny Fanahy omena hery hiaretana sy handresena ireo zava-tsarotra.)
Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nahamarina io fitsipika io teo amin’ny fiainanao. Raha mbola manana fotoana fanampiny ianao dia asao ny hafa hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba io fitsipika io.
Mpianatra Mpampianatra 2—Almà 37:35–37
Hazavao amin’ny mpiara-mianatra aminao fa zavatra iraisan’ny olona mamboly hazo ny mamatotra na manisy tady ny zana-kazo amin’ny tsatòka ary manaisotra ilay tohana rehefa matoy ilay hazo. Anontanio azy ireo izay heveriny fa antony hanaovana izany. Vakio avy eo ity tantara manaraka mikasika ny hazo iray izay novolen’ny Filoha Gordon B. Hinckley tao an-tokotaniny ity:
Namboly zana-kazo teo akaikin’ny tranony ny Filoha Gordon B. Hinckley fotoana fohy taorian’ny nanambadiany. Tsy dia niraharaha firy ilay hazo izy raha nandeha ny fotoana. Indray andro dia tsikariny fa nivilana sy nitongilana nankany andrefana ilay hazo. Niezaka nanosika ilay hazo mba hahitsy izy, kanefa efa natevina loatra ny vatan’izany. Niezaka nampiasa tady sy bolaky (poulie) izy hanitsiana izany, kanefa tsy nety niolaka izany. Farany dia naka ny tsofany izy ary nanapaka ireo sampana mavesatra tany amin’ny ilany andrefana, izay namela holatra ratsy tarehy iray. Hoy izy taty aoriana momba ilay hazo hoe:
“Mihoatra ny dimampolo taona izay no lasa hatramin’ny namboleko izany hazo izany. … Nijery ilay hazo indray aho indray andro izay. Lehibe ilay izy. Tsara kokoa ny endriny. Tombony lehibe tokoa ho an’ilay trano izany. Kanefa tena lehibe tokoa ny ratra nahazo azy tamin’ny fahatanorany ary henjana fikarakarana nampiasaiko nanitsiana izany.
“Fony vao novolena ilay izy dia tokony ho nihazona izany tamin’ny toerany tsy voahozongozon’ny herin’ny rivotra ny tady kely iray. Afaka nanisy aho, ary tokony nanisy izany tady kely izany, tsy nila ezaka firy akory. Kanefa tsy nataoko izany, ary dia nitongalina nanaraka ny hery izay nanohitra azy ilay hazo” (“Bring Up a Child in the Way He Should Go,” Ensign, Nôv. 1993, 59).
Asao ny olona iray hamaky ny torohevitr’i Almà ao amin’ny Almà 37:35. Asao izy ireo hieritreritra ny fomba ifandraisan’io andininy io amin’ny zavatra niainan’ny Filoha Hinckley momba ilay hazo.
Asao ny mpianatra hamintina ny Almà 37:35 amin’ny teniny manokana. (Ny valintenin’izy ireo dia tokony hilaza fa tokony hianatra hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ny fahatanorantsika isika.) Asao ihany koa izy ireo hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe na mamaky miadana azy ireo mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany.)
-
Inona araka ny eritreritrareo no mampiavaka ny fiainan’ny olona iray rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra dieny mbola tanora?
-
Misy olona azonao eritreretina ve, izay notahiana nandritra ny androm-piainany satria nianatra nankatò ny didy tamin’ny fahatanorany izy ireo? Manorata mikasika ny fomba nitahiana azy ireo.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra nosoratany. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 37:36–37. Asao ny mpianatra sisa hanaraka sy hihaino izany ary hikaroka torohevitra manokana izay afaka manampy azy ireo hitandrina ny didy amin’ny fahatanorany.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanarahana isan’andro io torohevitra io anao hitandrina ny didy?
-
Amin’ny fomba ahoana no hametrahanao ny Tompo ho lohalaharana ao amin’ny eritreritrao, ny teninao, ny asanao, ary ny fitiavanao? (Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hivoaran’izy ireo.)
Zarao ny zavatra tsapanao mikasika ny fomba nanampian’ny filana hevitra tamin’ny Tompo anao hitandrina ny didy. Amporisiho ireo mpiara-mianatra aminao hila hevitra amin’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra ataony.
Mpianatra Mpampianatra 3—Almà 37:38–45
Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Liahona (62041; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 68). Ampahatsiahivo ireo mpiara-mianatra aminao ilay kompà izay nampiasain’ny Tompo nanampiana ny fianakavian’i Lehia hanao dia lavitra ho any amin’ny tany nampanantenaina. Mianatra isika ao amin’ny Almà 37:38 fa nantsoina hoe Liahona ilay kompà. Hazavao fa niresaka mikasika ny Liahona i Almà mba hampianarana an’i Helamàna ny fitsipika iray manan-danja mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ireo zanany.
Hazavao amin’ireo mpiara-mianatra aminao fa hametraka fanontaniana amin’izy ireo ianao ary avy eo dia hanasa azy ireo hifandimby hamaky mafy andininy vitsivitsy ary ny hafa kosa dia hitady ireo valiny. Asao izy ireo hamaly ny fanontaniana tsirairay rehefa voavaky ireo andinin-tsoratra masina rehetra.
-
Ahoana no fiasan’ilay Liahona? (Jereo ny Almà 37:38–40.)
-
Nahoana ilay Liahona no nitsahatra tamin’ny asany? (Jereo ny Almà 37:41–42.)
-
Ahoana no hampitahantsika ny Liahona amin’ny tenin’i Kristy? (Jereo ny Almà 37:43–45.)
Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe tandindona ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana “olona, zava-nitranga, na fomba misy itovizana amin’ny olona, zava-nitranga, na fomba iray hafa manan-danja lehibe kokoa izay tokony harahana. … Ny tandindona tena izy dia hahitana zavatra itovizana, maneho ny porofon’ny fanendren’Andriamanitra, ary maminany ireo zavatra hitranga amin’ny hoavy” (Joseph Fielding McConkie, Gospel Symbolism [1985], 274). Ny safidy ny hanaraka na tsia ny Liahona dia mitovy amin’ny safidintsika mikasika ny fomba fihetsitsika manoloana ireo torolalana azo avy amin’ny tenin’i Kristy.
-
Aiza no ahitantsika ny Tenin’i Kristy? (Ny valinteny dia mety ahitana hoe ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany, tsodranon’ny patriarika, ary ny bitsiky ny Fanahy.)
Asao ireo mpiara-mianatra aminao hamintina ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 37:38–45, indrindra fa ao amin’ny andininy 44–45. Tokony hahitana ity fahamarinana manaraka ity ao amin’io fifanakalozan-kevitra io: Hitarika antsika hahazo ny fiainana mandrakizay ny tenin’i Kristy raha manaraka izany isika.
Zarao ny fomba nitaoman’ny tenin’i Kristy anao ara-panahy sy ny fomba nanampian’izany anao handroso ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hieritreritra ny haka ny tsodranon’ny patriarika na hamaky izany foana sy amim-bavaka raha efa nahazo izany izy ireo.
Fanamarihana ho an’ny mpampianatra: Misaora ireo mpianatra rehefa vitany ny fampianarana ny ampahan-desona nomena azy, ary raha mbola misy ny fotoana dia asao ny mpianatra vitsivitsy hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitsipika iray nianaran’izy ireo androany. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika ireo. Farano amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hihaino anao rehefa mamaky mafy ny Almà 37:46–47 ianao.