Tahirim-pitaovana
Lesona 91: Almà 33


Lesona 91

Almà 33

Fampidirana

Naniry ny hahafantatra ny fomba hanarahana ny torohevitr’i Almà ny andiana Zôramita iray mba hamboly ny tenin’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo sy hampihatra finoana. Nampiasa soratra masina i Almà raha nampianatra ny olona mikasika ny fitsaohana, ny vavaka, ary ny famindram-po azontsika raisina avy amin’Andriamanitra noho ny Mpamonjy. Namporisika ny vahoaka hitady an’i Jesoa Kristy sy hino ny herin’ny Sorompanavotany izy.

Fanamarihana: Ny lesona 94 dia manome fahafahana mpianatra telo hampianatra. Azonao atao izao ny mifidy mpianatra telo ary manome azy ireo ny tahadikan’ny ampahan’ny lesona nofidiana ao amin’ny lesona 94 mba hahafahan’izy ireo manomana. Amporisiho izy ireo handalina amim-bavaka ny fitaovana fanomanana ny lesona sy hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantaran’izy ireo ny fomba ampifanarahana ny lesona amin’ny zavatra ilain’ireo mpiara-mianatra aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 33

Nampianatra ny Zôramita hanomboka hino an’i Jesoa Kristy i Almà

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe fanazarana.

  • Inona no hevitry ny hoe manazatra zavatra iray? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny mangataka mpianatra iray haneho ny fomba hanazarany ny sandriny, mety amin’ny alalan’ny fanaovana ’pompes,’ na ny tongony, mety amin’ny alalan’ny fihazakazahana tsy mihetsika eo amin’ny toerana ijoroany.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mangina ny Almà 33:1 ary hikaroka ny fampiharana tian’ny Zôramita hotakarina. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hampiharantsika finoana? Asao ireo mpianatra hitady valinteny telo farafahakeliny ho an’io fanontaniana io rehefa mandalina sy mifanakalo hevitra momba ny Almà 33 izy ireo.

Hazavao fa nanitsy ny fiheveran-diso nananan’ny Zôramita mikasika ny fitsaohana i Almà rehefa nanomboka namaly ny fanontanian’izy ireo mikasika ny fomba hampiharana finoana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 33:2. Asao ireo mpianatra hamantatra ny fiheveran-dison’ny Zôramita mikasika ny fitsaohana an’Andriamanitra.

  • Nahoana ireo Zôramita ireo no nihevitra fa tsy afaka nitsaoka an’Andriamanitra izy ireo? (Satria tsy navela hiditra tao amin’ny sinagogany izy ireo.)

Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 31 mikasika ny fomba fitsaohan’ny Zôramita. (Jereo ny Almà 31:22–23. Nanolotra vavaka nitovy indray mandeha isan-kerinandro tao amin’ny sinagoga ny Zôramita ary tsy niresaka na oviana na oviana ny momba an’Andriamanitra indray izy ireo mandra-pahatapitry ny herinandro.)

  • Nahoana no ampahany manan-danja amin’ny fitsaohana ny fandehanana any am-piangonana? Inona avy ireo fomba ahafahantsika mitsaoka an’Andriamanitra ankoatra ny fanatrehana ny fivoriantsika any am-piangonana isan-kerinandro?

Hazavao fa namerina nilaza ny fampianaran’ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenôsa i Almà mba hanitsiana ny fiheveran-dison’ny Zôramita momba ny fitsaohana an’Andriamanitra. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 33:3 mba hikaroka ilay teny nampiasain’i Almà izay nampifanolosoloiny tamin’ny teny hoe fitsaohana. (Ilay teny dia hoe vavaka.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 33:4–10 mba hamantatra ireo toe-javatra nilazan’i Zenôsa fa nivavahany.

  • Oviana ary taiza i Zenôsa no nivavaka?

  • Inona no nampianarin’i Almà mikasika ny fitsaohana rehefa namerina nilaza ny tenin’i Zenôsa izy? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mitsaoka an’Andriamanitra tsy an-kiato amin’ny alalan’ny vavaka isika.)

Resaho ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe hoe: Ahoana no hampiharantsika finoana? Soraty eo ambanin’izany fanontaniana izany ny hoe Mivavaka mandrakariva.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-fampiharana ny finoana ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny vavaka?

  • Oviana ianao no nivavaka tao anatin’ny toe-javatra tahaka izay nolazain’i Zenôsa? Ahoana no namaliana ny vavaka nataonao? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy ilaina ny hizaran’izy ireo zavatra izay tena mikasika loatra ny tena manokana.)

Asao ireo mpianatra hamerina hijery mangina ny Almà 33:4–5, 8–9. Angataho izy ireo hitady fehezanteny miresaka ny famindram-pon’Andriamanitra (toy ny hoe “Ianao dia feno famindram-po” sy ny hoe “Ianao dia feno famindram-po [tamiko]”).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny zavatra mampifandray ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pon’ny Ray any an-danitra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 33:11–16. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino izany ary hitady fehezanteny iray izay miseho inefatra ao amin’ireo andininy ireo. (Ilay fehezanteny dia hoe “noho ny Zanakao.” Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika io fehezanteny io.)

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Zenôsa holazaina rehefa nilaza izy hoe “Efa nampihodina ny famalianao hiala ianao noho ny Zanakao”? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fahamarinana manaraka ity: Mahazo ny famindram-pon’ny Ray any an-danitra isika, ao anatin’izany ny famelana ny fahotantsika, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fahamarinana ity ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Almà 33:11–16.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny famindram-po mety ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia zarao ity tantara manaraka naverin’ny Filoha Gordon B. Hinckley notantaraina ity:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Hoy ny mpampianatra hoe: “Manahoana ianareo ry zazalahy, hametraka ny fitsipika ato an-tsekoly isika.’ Nihikiaka izy ireo ary nitabataba mafy nananihany. ’Te hanana sekoly tsara aho, kanefa tiako ny hilaza aminareo fa tsy fantatro ny fomba hanaovana izany raha tsy manampy ahy ianareo. Andeha atao hoe manana fitsipi-pifehezana vitsy isika. Ianareo miteny izany amiko ary izaho manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe.’

“Niteny mafy ny mpianatra iray hoe: ’Tsy mahazo mangalatra!’ Niteny mafy ny iray hafa hoe: ’Manaja fotoana.’ Nisy fitsipi-pifehezana folo hita teny amin’ny solaitrabe tamin’ny farany.

“’Izao ary,’ hoy ilay mpampianatra, ’tsy tsara ny lalàna iray raha tsy misy sazy miaraka amin’izany. Inona no tokony hataontsika amin’ny olona iray izay mandika ireo fitsipika?’

“’Kapohy im-polo tsy misy palitao ny lamosiny,’ hoy ireo mpianatra namaly izany.

“’Henjana be izany ry zazalahy a! Mino ve ianareo fa vonona ny hizaka izany?’ Niteny mafy ny iray hafa hoe: ’manohana izany fanapahan-kevitra izany aho,’ ary hoy ilay mpampianatra hoe: ’Eny ary fa dia hanaraka ireo fitsipika sy sazy ireo isika! Hajao amin’izay ary ny fahanginana!’

“Indray andro dia nahatsikaritra i ’Tom Be’ fa nisy nangalatra ny sakafo antoandrony. Tratra ilay mpangalatra—namana kely iray teo amin’ny folo taona teo, izay noana. ’Fantatray ilay mpangalatra ary tsy maintsy saziana izy araka ny fitsipika napetrakao—kapoka folo ao an-damosina. Jim, mankenesa ety ianao!’ hoy ilay mpampianatra.

“Nanatona tsimoramora sady nangovitra ilay mpianatra kely izay nanao palitao be tonga hatreny amin’ny hatony ary nitalaho hoe: ’Mpampianatra ô! Afaka mively ahy mafy araka izay tianao ianao, kanefa miangavy aho, aza esorina tompoko ny palitaoko!’ [Fanamarihana: Azonao atao ny manazava fa ato anatin’ity tantara ity, ny teny hoe mively dia midika hoe mikapoka olona iray.]

“’Esory ny palitaonao,’ hoy ilay mpampianatra. ’Nandray anjara tamin’ny fametrahana ireo fitsipika ianao!’

“’Mpampianatra ô! Aza asaina manala izany aho!’ Nanomboka namaha bokotra izy, ary inona no hitan’ilay mpampianatra? Tsy nanao lobaka ilay zazalahy ary vatana kely malemilemy ahitana taolana mitrakitraky no hita teo.

“’Amin’ny fomba ahoana no hikapohako ity zaza ity?’ hoy izy nieritreritra. Kanefa tsy maintsy, tsy maintsy manao zavatra aho raha te hitandro ny filaminan’ity sekoly ity.’ Nangina tanteraka ny rehetra.

“’Nahoana ianao no tsy manao lobaka ry Jim?’

“Hoy izy namaly hoe ’Maty ny raiko ary mahantra tokoa ny reniko. Lobaka iray ihany no ananako ary sasan’i Neny izany androany, dia ny palitao ben’ny rahalahiko no anaovako mba hampafana ahy.’

“Nisalasala ilay mpampianatra izay nihazona rotsa-kazo. Tamin’izay indrindra dia nitsangana haingana i ’Tom Be’ ary niteny hoe ’Mpampianatra ô! Raha tsy mampaninona anao dia hozakaiko ny kapoka ho an’i Jim.’

“’Tsara tokoa izany, misy lalàna iray izay milaza fa afaka misolo toerana olona iray hafa ny olona iray. Manaiky izany avokoa ve ianareo?’

“Nesorina ny palitaon’i Tom ary taorian’ny kapoka dimy dia tapaka ilay rotsa-kazo! Nanondrika sy nitana ny lohany tamin’ny tanany ilay mpampianatra ary nieritreritra hoe ’Ahoana no hamitako ity asa mahatsiravina ity?’ Taorian’izay dia reny nisentosento ny iray kilasy, ary inona no hitany? Nanatona sy namihina an’i Tom teo amin’ny hatony tamin’ny sandriny roa i Jim kely. ’Tom a! Mifona aho tamin’ny fangalarako ny sakafo antoandronao fa tena noana mafy aho. Tom a! Ho tiako mandra-pahafatiko ianao noho ny nitondranao ny kapoka ho ahy! Eny, ho tiako mandrakizy ianao!’” [Mpanoratra tsy mitonona anarana.]

Rehefa avy nitantara io tantara io ny Filoha Hinckley dia nilaza hoe: “Raha mampiasa teny avy amin’io tantara tsotra io dia, i Jesoa, ilay Mpanavotra ahy, dia nitondra ’ny kapoka ho ahy’ sy nitondra ny anao ho anao” (“The Wondrous and True Story of Christmas,” Ensign, Des. 2000, 4).

  • Inona no ifandraisan’io tantara io amin’ny fampianaran’i Almà mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (Hazavao araka izay ilàna izany fa ny fahavononan’i Tom “hitondra ny kapoka ho an’i Jim” dia maneho ny Sorompanavotana. Nentin’ny Mpamonjy teo amin’ny tenany ny sazy noho ny fahotantsika mba tsy hiaretantsika izany sazy izany raha mibebaka isika.)

Hazavao fa rehefa avy namerina nilaza ny tenin’i Zenôsa i Almà dia namerina nilaza ny tenin’i Zenôka, izay mpaminany iray hafa. Vakio mafy amin’ny mpianatra ny Almà 33:15–16. Antitrantero ny fahasorenan’Andriamanitra rehefa mandà ny hahatakatra ny zavatra nataon’ny Zanany Lahy ho azy ireo ny olona.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Almà 33:12–14 ary hikaroka ireo loharano nampiasain’i Almà rehefa nizara ireo fampianarana ireo izy.

  • Nahoana i Almà no nahafantatra tsara ireo tenin’i Zenôsa sy i Zenôka? (Satria tao anatin’ny soratra masina ireo teny ireo. Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra fa ny tenin’i Almà ao amin’ny adininy 12 sy 14 dia milaza fa afaka nampiasa ireo soratra masina ireo koa ny Zôramita. Antitrantero fa mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina.)

Soraty eo ambanin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mandalina sy mino ny soratra masina.

Mosesy sy ny Menarana Varahina

Lazao amin’ireo mpianatra fa niresaka tantara iray hafa ao amin’ny soratra masina i Almà mba hanampiana ny Zôramita hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy. Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mosesy sy ny Menarana Varahina (62202; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 16). Fintino ity tantara ity amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nitarika ny Isiraelita tany an-tany foana i Mosesy dia olona maro no nanomboka nikomy taminy sy tamin’ny Tompo. Ho valin’izany tsy fankatoavana izany dia nandefa bibilava misy poizina ny Tompo, izay nanaikitra ny vahoaka. Nandeha tany amin’ny Mosesy nangataka fanampiana ny olona. Nivavaka i Môsesy ary nomena toromarika mba hanao sarina bibilava teo amin’ny hazo iray mba hojeren’ny vahoaka. Nankatò izy ary nanamboatra bibilava tamin’ny varahina. (Jereo ny Nomery 21:4–9.) Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 33:19–20. Asao ny iray kilasy hamantatra ny zavatra nitranga tamin’ireo izay nijery ilay bibilava varahina sy ny zavatra nitranga tamin’ireo izay nifidy ny tsy hijery.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 33:20, nahoana ny maro no nisafidy ny tsy hijery?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina raha toa ka nijery izy ireo na tsia raha tao anatin’ity toe-javatra ity.

Ny Fanomboana

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Fanomboana (62505; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 57). Hazavao fa “tandindona” ilay menarana varahina teo amin’ilay hazo (Almà 33:19). Izany hoe ohatra maneho zavatra iray izay hitranga amin’ny ho avy. Naneho an’i Jesoa Kristy teo ambonin’ny hazo fijaliana izany (jereo ny Jaona 3:14).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 33:21–23 mba hikaroka ny fomba nampiharan’i Almà ity tantara ity tamin’ny Zôramita. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra dia avereno apetraka indray ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe manao hoe: Ahoana no hampiharantsika finoana?

  • Inona no azon’ilay tantara momba ny Isiraelita sy ilay menarana varahina ampianarina mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho sitrana ara-panahy?

  • Ahoana no hamalian’ny Almà 33:22–23 io fanontaniana io? (Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ireo mpianatra: Mampihatra finoana amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika.)

Soraty eo ambanin’ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Inona ireo asa na fihetsika hitanao ataon’ireo olona mino ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Mba hanamafisana fa safidy ataontsika ny finoana an’i Jesoa Kristy dia sariho amin’ity fehezanteny manaraka ao amin’ny Almà 33:23 ity ny sain’ny mpianatra: “Ary na dia izany rehetra izany aza dia hainareo atao raha sitrakareo.” Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ity fehezanteny ity.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity ary amporisiho ireo mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo. (Ilay fanambarana dia hita ao amin’ny “Inquire of the Lord” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 2 Feb. 2001], 1, si.lds.org.)

“Misafidy ny finoana na ny tsy finoana ny ankizy tsirairay ao anatin’ny taranaka mifandimby tsirairay. Tsy lova ny finoana fa safidy” (Filoha Henry B. Eyring).

Asao ireo mpianatra hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana, na manomana taratasy hozaraina misy ireo fanontaniana, na mamaky miadana ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra manoratra izany.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no niantraikan’ny safidinao hino ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao isan’andro?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny fandalinana samirery ny soratra masina ny finoanao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy ny fitsaohana ny finoanao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any an-danitra hataonao hampiharana finoana lehibe kokoa?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha zava-dehibe ny fisafidianana ny hino ny Mpamonjy.