Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera


Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera

Ny Tanjontsika

Ny Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manambara fa:

“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ho mendrika ireo fitahian’ny tempoly, ary hanomana ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany ary ny hafa amin’ilay fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainy any An-danitra.”

Mba hahatratrarana ny tanjontsika, dia ampianarintsika ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia ampianarina amin’ny fomba izay mitarika any amin’ny fahatakarana sy fampiorenana. Manampy ireo mpianatra isika mba hanatontosan’izy ireo ny andraikiny ao anatin’ny dingan’ny fianarana sy hanomana azy ireo hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa.

Mba hahatanteraka ireo tanjona ireo, dia entanina ianao sy ireo mpianatra izay ampianarinao mba hifehy ireto Fototry ny Fampianarana sy ny Fianarana ny Filazantsara manaraka ireto rehefa miara-mandalina ny soratra masina ianareo.

  • Mampianatra sy mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

  • Manorina tontolo fianarana hanjakan’ny fitiavana sy ny fifanajana ary ny tanjona.

  • Mandalina ny soratra masina isan’andro ary mamaky ny lahatsoratra mifandray amin’ny lesona. (Ahitana rindran-damina hanarahana maso ny famakiana ny soratra masina any amin’ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky ity)

  • Mahatakatra ny zava-miseho ao amin’ireo soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany ary ny votoatin’izany.

  • Mamantatra sy mahatakatra ary mahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe an’ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary mampihatra izany.

  • Manazava, sy mizara ary mijoro ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara.

  • Mifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja sy ireo Fotopampianarana Fototra.

Ity boky torolalana ho an’ny mpampianatra ity dia nomanina mba hanampy anao hahomby amin’ny fanatontosana ireo tanjona ireo.

Fanomanana ny Lesona

Nandidy ireo izay mampianatra ny Filazantsarany ny Tompo mba “hampianatra ny fitsipiky ny Filazantsarako, izay ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, izay ao aminy no misy ny fahafenoan’ny Filazantsara” (F&F 42:12). Nampianatra koa izy fa ireo fahamarinana ireo dia tokony hampianarina araka izay “fitarihan’ny Fanahy,” izay “homena … amin’ny fivavaky ny finoana” (F&F 42:13–14). Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao dia katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampy anao hahatakatra ny soratra masina sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay ao anatiny. Araho tahaka izany koa ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa manao drafitra ianao amin’izay fomba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny soratra masina, sy ho ampianarin’ny Fanahy Masina, ary hahatsapa faniriana hampihatra izay zavatra nianarany.

Ny Bokin’i Môrmôna no lahatsoratra voalohany ho anao rehefa miomana sy mampianatra ianao ao anatin’ity lesona ity. Alalino ombam-bavaka ireo toko na andininy izay ho ampianarinao. Katsaho ny hahatakatra ny zava-miseho sy ny votoatin’ny andian-tsoratra masina izay ho alalinina, anisan’izany ny fizotry ny tantara voarakitra sy ny olona ary ny toerana sy ny zava-mitranga. Rehefa manomboka mifankazatra amin’ny zava-miseho sy ny votoatin’ny soratra masina tsirairay ho alalinina ianao, dia katsaho ny hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ao anatin’izany ary manapaha hevitra hoe iza amin’ireo fahamarinana ireo no manan-danja indrindra ho an’ireo mpianatrao ny mahatakatra sy mampihatra azy. Raha vantany vao voafaritrao ny zavatra hifantohanao, dia azonao faritana izay fomba hampianarana sy ny lalana ho arahina, ary ny asa atao izay hanampy indrindra ireo mpianatrao hianatra sy hampihatra ireo fahamarinana masina izay hita ao amin’ny soratra masina.

Ity boky ity dia novolavolaina mba hanampiana anao amin’izany lamina izany. Avereno jerena tsara ireo ny votoatin’ny lesona mifandray amin’ny soratra masina izay ho ampianarinao. Azonao atao ny misafidy ny sosokevitra rehetra na ny sasany amin’izany ho an’ny andian-tsoratra masina iray, na azonao atao ihany koa ny mampifanaraka ireo hevitra naroso amin’ny toe-javatra sy ny zavatra ilain’ireo mpianatra izay ampianarinao. Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka . Raha toa isika ka miorina tsara ao amin’ilay lesona izay voatondro omentsika, dia afaka manaraka ny Fanahy avy eo mba hampifanaraka izany amin’izay ilaina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Seminaries and Institutes of Religion Satellite Broadcast, 7 Aog. 2012], 6, si.lds.org).

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Ampifanaraho ireo asa atao sy ny zavatra takiana mba hanampiana azy ireo hahomby. Ny fifandraisanao amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitondra dia hanampy anao hahazo an-tsaina ny zavatra ilain’ireo mpianatra ary hanampy anao hahomby amin’ny fampiainana zavatra manan-danja sy mampivoatra azy ireo.

Sary
fanomanan’ny mpampianatra miaraka amin’ny soratra masina sy ny boky torolalana

Fampiasana ny Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Isan’Andro

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fampahafantarana ny Boky

Ireo fampahafantarana ny boky dia manome famintinana ny boky tsirairay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ankoatra ireo zavatra hafa dia voazava ao hoe iza no nanoratra ny boky tsirairay, voasoritsoritra ny tanjon’ny mpanoratra teo am-panoratana, ary manome famintinana ny votoatin’ny boky tsirairay izy ireo.

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Teny Fanolorana ny Andian-tsoratra masina ho alalinina

Ny fampahafantarana ny andian-tsoratra masina ho alalinina dia manome famintinana fohy ny zava-miseho ao anatin’ny andian-tsoratra masina sy ny votoatiny ho an’ny lesona tsirairay.

Fampitambarana ireo Andinin-tsoratra masina sy Famintinana Araka ny Zava-miseho

Ny andian-tsoratra masina dia matetika mizara ho fizarana na vondron-tsoratra masina kelikely kokoa izay ahitana fiovana eo amin’ny ventin-kevitra na ny zava-mitranga. Ny toko sy andininy ho an’ny andininy navondrona tsirairay dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-nitranga na fampianarana ao anatin’io vondron-tsoratra masina io.

Fanampiana amin’ny Fampianarana

Ny fanampiana amin’ny fampianarana dia manazava ireo fitsipika sy fomba fampianarana ny filazantsara. Afaka manampy anao izy ireo eo amin’ny ezaka ataonao mba hampivoatra anao amin’ny maha-mpampianatra anao.

Ny Vataben’ny Lesona

Ny vataben’ny lesona dia ahitana torolalana ho anao rehefa mianatra sy mampianatra ianao. Mandroso hevitra enti-mampianatra izany izay ahitana fanontaniana, asa atao, teny nindramina, kisary ary tabilao maro.

Fotopampianarana sy Fitsipika

Koa satria ireo fotopampianarana sy fitsipika dia mivoaka ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina, dia natao endrin-tsoratra matevina miavaka izy ireo mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataonao miaraka amin’ireo mpianatra.

Sary

Ny sarin’ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana sy ireo zava-mitranga ao amin’ny soratra masina dia azonao ampiasaina ho fanampiana rehefa mampianatra ianao raha toa ka misy izany.

Soratra masina fehezina

Ireo andinin-tsoratra masina fehezina miisa 25 izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nolokoina miavaka ao amin’ny votoatin’ny lesona izay ahitana azy ireo. Ny tsirairay amin’ireo lesona ireo ihany koa dia ahitana hevitra enti-mampianatra ho an’ireo andinin-tsoratra masina tsirairay ireo. Mba ho fanampiana anao haharaka tsara ny fampianarana ny soratra masina fehezina, dia misy ireo asa atao Famerenana ny Soratra Masina Fehezina miparitaka any anatin’ity boky ity. Mba hahitana hevitra fanampiny enti-mampianatra ny soratra masina fehezina, dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Faritra Malalaka

Ny faritra malalaka dia azonao ampiasaina amin’ny fanomanana ny lesona, anisan’izany ny fanoratana fanamarihana, fitsipika, traikefa na hevitra hafa, araka izay hibitsihan’ny Fanahy Masina anao.

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Omena any amin’ny faran’ny lesona sasantsasany ny teny nindramina sy fanazavana fanampiny mba hanomezana fanampim-pahatakarana ho anao momba ny lohahevitra na andinin-tsoratra masina manokana. Ampiasao ny fampahalalana ato amin’ity fizarana ity mba hiomanana amin’ny famaliana fanontaniana na amin’ny fanomezana hevi-baovao fanampiny rehefa mampianatra ianao.

Hevitra Fanampiny Enti-mampianatra

Misy hevitra fanampiny enti-mampianatra any amin’ny fiafaran’ny lesona sasantsasany. Izany dia hanome sosokevitra entina mampianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay mety tsy voalaza na tsy nifantohana tao amin’ny vataben’ny lesona. Mety hanome sosokevitra ihany koa izany mikasika ny fampiasana fitaovan-tserasera jeren’ny maso toy ny fampisehoana DVD.

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fandaharam-pampianarana Seminera Mianatra Isan’Andro (Izay Fotoana Ahafahana sy Vao Maraina)

Ity boky torolalana ity dia ahitana ireto singa manaraka ireto ho an’ny mpampianatra seminera isan’andro: lesona miisa 160 ho an’ny mpampianatra isan’andro, fanampiana amin’ny fampianarana ary loharano ho fampianarana ny soratra masina fehezina sy ny Fotopampianarana Fototra.

Lesona ho an’ny Mpampianatra Isan’Andro

Endriky ny Lesona

Ny lesona tsirairay ato amin’ity boky ity dia mifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina ho alalinina fa tsy amin’ny fahamarinana na fotopampianarana na fitsipika iray manokana. Io endriky ny lesona io dia hanampy anao sy ireo mpianatrao handalina ny soratra masina araka ny filaharany sy hiresaka mikasika ny fotopampianarana sy ny fitsipika rehefa miseho ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina izany. Rehefa mianatra ny zava-miseho nahitana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ireo mpianatra, dia afaka mihalalina ny fahatakaran’izy ireo an’io fahamarinana io. Ankoatra izany dia afaka mahita sy mahatakatra bebe kokoa ny endrika fenon’ireo hafatra izay tian’ireo mpanoratra soratra masina nentanim-panahy ho ampitaina ireo mpianatra. Ny fampianarana ny soratra masina amin’io fomba io dia hanampy ihany koa ireo mpianatra hianatra ny fomba ahitana sy hampiharana ireo fahamarinana mandrakizay eo amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.

Tsy ny fizarana rehetra ao anatin’ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny lesona tsirairay akory dia ifantohana avokoa. Ny fizarana sasantsasany dia tsy nomena lanja firy noho izy ireo tsy tena ivon’ny hafatr’ilay mpanoratra nentanim-panahy na noho izy ireo tsy dia azo ampiharina loatra amin’ireo tanora. Andraikitrao no mampifanaraka ireo fitaovana ireo arakaraky ny zavatra ilain’ireo mpianatra na ny mahaliana azy ireo. Azonao atao ny manamboatra ireo hevitra hanolorana ny lesona ato amin’ity boky torolalana ity amin’ny alalan’ny fisafidianana ny hifantoka bebe kokoa amin’ny fitsipika na fotopampianarana iray manokana noho izay omena ao amin’ilay lesona, na koa amin’ny alalan’ny fisafidianana ny tsy dia hanomezana lanja loatra ny fizarana iray ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay novelabelarina amin’ny antsipiriany ao amin’ny boky torolàlana. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hanao ireo fanamboarana ireo rehefa manomana sy mampianatra ianao.

Fotopampianarana sy Fitsipika

Ao anatin’ny lahatsoratry ny lesona tsirairay, dia ho hitanao fa nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina miavaka tsara ny fotopampianarana sy fitsipika tena manan-danja maromaro. Navahana tao anatin’ny fandaharam-pampianarana ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo satria (1) maneho hafatra iray lehibe ampitain’ilay ampahan-tsoratra masina ho alalinina, na (2) azo ampiharina manokana amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra sy ny toe-javatra iainany, na (3) ireo no fahamarinana manan-danja izay afaka manampy ireo mpianatra hanatevina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Tompo. Mariho fa ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fahamarinana betsaka ankoatra ireo izay avohitra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa ny soratra masina dia ahitana “fifangaroam-pahamarinana maro tsy hita lany izay hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay amin’ny toe-javatra rehetra mety hisy” (“The Great Plan of Happiness” [CES Symposium on the Doctrine and Covenants/Church History, Aog. 10, 1993], 2, si.lds.org).

Rehefa mampianatra ianao dia omeo fahafahana hatrany ireo mpianatra hamantatra ny fotopampianarana sy ny fitsipika ao amin’ny soratra masina. Rehefa manambara ireo fahamarinana izay hitan’izy ireo ireo mpianatra dia matetika izy ireo no mety hampiasa teny izay tsy mitovy amin’ny fomba nanambarana ny fotopampianarana na ny fitsipika iray ato amin’ity boky torolalana ity. Mety hahita ihany koa izy ireo fahamarinana izay tsy voaresaka ato amin’ny votoatin’ny lesona. Mitandrema mba tsy hilaza fa hoe tsy marina ny valintenin’ireo mpianatra satria fotsiny hoe tsy mitovy amin’ireo teny izay nampiasaina tao amin’ny boky torolalana ny teny izay nampiasain’izy ireo na koa hoe fahamarinana tsy voaresaka tao amin’ny boky no hitan’izy ireo. Na izany aza anefa, raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarana ny zavatra ambaran’ny mpianatra iray, dia andraikitrao ny manampy ilay mpianatra amim-pitiavana hanitsy ny zavatra voalazany sady manao izay hihazonana tontolo iray feno fitiavana sy fifampitokisana. Ny fanaovana izany dia hanome traikefam-pianarana manan-danja ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasinao.

Hafainganam-pandeha

Ity boky torolalana ity dia misy leson’ny seminera isan’andro miisa 160, izay tokony hamela ny hisian’ny fitsaharana eo amin’ny fandaharam-potoan’ireo mpianatra any an-tsekoly sy any anivon’ny fiaraha-monina, ary hanokana ihany koa andro maromaro hamerenana hijerena ny votoatin’ny soratra masina na hianarana soratra masina fehezina. Azonao atao ny manamboatra ny lesona sy ny hafainganam-pandeha araka izay ilaina mba hifanaraka amin’ny halavan’ny fotoana anananao hampianarana ilay lesona. (Jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity ho an’ny karazana torolalana handrindrana ny taom-pianarana.)

Enti-mody Hanenjehana ny Asa tsy Vita

Ny Bokin’i Môrmôna: Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra Seminera amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano dia azo ampiasaina amin’ny fandaharam-pianaran’ny seminera isan’andro ho toy ny loharano hanaovana enti-mody hanenjehana ny asa tsy vita. Ny lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia mifanindran-dalana amin’ireo izay atolotra ato amin’ity boky ity. Ireo mpianatra izay im-betsaka loatra no tsy tonga dia azo asaina mamita ireo asa ampanaovina ao amin’ny boky fandalinana izay mifanaraka amin’ny lesona izay tsy natrehan’izy ireo. Ireo asa ampandraiketina ireo dia azo atao printy avy ao amin’ny tranonkalan’ny S&I, noho izany dia tsy voatery ianao hanome ny boky manontolo ho an’ireo mpianatra izay mila manao enti-mody. Misy fanampim-panazavana mikasika ny Bokin’i Môrmôna: Boky Fandalinana ho an’ireo mpianatra Seminera amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano ao amin’ny fizaràna mitondra ny lohateny hoe “Fandaharam-pianaran’ny Seminera ho an’ny Mpianatra manaraka Fandaharam-pianarana any An-trano.”

Fanampiana ho an’ny Fampianarana

Ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia hita eny an-tsisiny amin’ity boky ity. Ireo fanampiana ho an’ny fampianarana ireo dia manazava sy mamelabelatra amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba hampiharanao sy ireo mpianatrao ny Fototry ny Fianarana sy Fampianarana Filazantsara eo amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna. Manolotra sosokevitra ihany koa izy ireo ny amin’ny fomba ampiasana amim-pahombiazana ireo fomba fampianarana sy fahaiza-manao ary paikady samihafa. Rehefa takatrao tsara ireo fitsipika voalaza ao amin’ny fanampiana ho an’ny fampianarana dia mitadiava fomba hizarana sy hampiharana azy ireo hatrany rehefa mampianatra ianao.

Soratra masina fehezina sy Fotopampianarana Fototra

Mba hanampiana ireo mpianatra hankamamy ny fahamarinana mandrakizay sy hampitombo ny fahatokian’izy ireo amin’ny fianarana sy fampianarana avy amin’ny soratra masina, dia nifantina andinin-tsoratra masina maromaro ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara mba hofehezin’ireo mpianatra mandritra ny taranjam-pianarana tsirairay. Ankoatra izany, dia hita ao ihany koa ny lisitry ny Fotopampianarana Fototra mba hampisongadina ireo fotopampianarana manan-danja izay tokony ho takatr’ireo mpianatra, sy inoan’izy ireo ary hiainan’izy ireo mandritra ireo efa-taona lanian’izy ireo amin’ny seminera sy ho an’ny androm-piainany sisa. Ny boky torolalana ho an’ny taranjam-pianarana tsirairay dia nomanina mba hampisongadina ireo Fotopampianarana Fototra rehefa miseho izy ireny mandritra ny fandalinana soratra masina ataon’ny mpianatra iray ankisesy. Tao an-tsaina ireo Fotopampianarana Fototra tamin’ny nisafidianana ny ankamaroan’ireo andinin-tsoratra masina fehezina, noho izany rehefa mampianatra ny andalan-tsoratra masina fehezina amin’ireo mpianatra ianao dia mampianatra ihany koa ny Fotopampianarana fototra.

Rehefa mirakitra ny fahamarinana mandrakizay ao an-tsainy sy ao am-pony ny tsirairay, dia ny Fanahy Masina no hampahatsiahy azy ireo ireo fahamarinana ireo amin’ny fotoana ilàny azy, ary hanome herimpo azy ireo hiasany amim-pinoana (jereo ny Jaona 14:26). Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe:

“Manentana anareo mafy aho mba hampiasa ny soratra masina eo amin’ny fampianaranareo sy hanao izay rehetra tratry ny herinareo mba hanampiana ireo mpianatra hampiasa azy ireo ary hahazo aina tsara miaraka amin’izy ireo. Tiako ireo tanorantsika mba hanana fitokisana amin’ny soratra masina. …

“… Tiantsika ireo mpianatra mba hanana fitokisana amin’ny hery sy ny fahamarinan’ny soratra masina, fitokisana fa ny Rainy any An-danitra dia tena miteny amin’izy ireo amin’ny alalan’ny soratra masina, ary fitokisana fa izy ireo dia afaka mitodika any amin’ny soratra masina sy mahita valiny ho an’ny olana mianjady amin’izy ireo sy ny vavaka nataony. …

“… Manantena izahay fa tsy hisy amin’ireo mpianatrareo handao ny efitrano fianarana ao anatin’ny tahotra na ny fahafaham-baraka na ny henatra fa tsy afaka nahita ny fanampiana izay nilainy noho ny tsy fahalalan’izy ireo tsara ny soratra masina ka tsy nahafahany nahita ireo andinin-tsoratra masina tokony ho tadiavina” (“Eternal Investments” [teny ho an’ireo mpanabe ao amin’ny DFF, 10 Feb.1989], 2, si.lds.org).

Jereo ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ny boky raha mila fanampim-panazavana mikasika ny soratra masina fehezina sy ny Fotopampianarana Fototra.

Fampiasana ny Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famintinana ireo Leson’ny Mpianatra

Ny famintinana dia hanampy anao hifankazatra amin’ny zava-miseho sy ny fotopampianarana ary ny fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra nandritra ny herinandro tao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra.

Fampidirana ny Lesona

Ny fampidirana ny lesona dia hanampy anao hahafantatra hoe ampahany iza ao amin’ilay andian-tsoratra masina ho alalinina no hifantohana ao amin’ny lesona.

Ny Vataben’ny Lesona

Ny Vataben’ny Lesona dia hanome fitarihana ho anao rehefa mandalina sy mampianatra ianao. Manolotra sosokevitra enti-mampianatra izany, izay ahitana fanontaniana sy asa atao, teny nolazain’olona, sary ary tabilao.

Sary
ohatra amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fampivondronana ireo Andininy sy Famintinana araka ny Zava-miseho

Ireo andininy dia navondrona arakaraky ny hitrangan’ny fiovana eo amin’ny zava-miseho sy ny votoatiny ao amin’ilay andian-tsoratra masina ho alalinina. Ny toko sy andinin’ireo andininy navondrona ireo dia arahin’ny famintinana fohy an’ireo zava-mitranga na fampianarana ao anatin’izany vondron’andininy izany.

Fotopampianarana sy Fitsipika

Koa satria ny fitsipika sy ny fotopampianarana dia mipoitra ho azy avy amin’ny fandalinana ny lahatsoratry ny soratra masina dia natao soratra miavaka matevina izany mba hanampiana anao hamantatra sy hanantitrantitra azy ireny ao anatin’ny fifampiresahanao miaraka amin’ireo mpianatra.

Teny Fampidirana ny Fizarana Manaraka

Ny andininy farany amin’ny lesona tsirairay dia ahitana topimaso kely hahalalana ny fizarana manaraka. Zarao amin’ireo mpianatrao io andininy farany io ho toy ny famaranana ny lesona tsirairay mba hanampiana azy ireo ho tsindrindaona hianatra ny soratra masina mandritra ny herinandro ho avy.

Fandaharam-pampianarana Seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any An-trano

Ny fandaharam-pampianarana Seminera ho an’ireo mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any An-trano dia ahafahan’ireo mpianatra mameno ny fepetra takiana amin’ny seminera amin’ny alalan’ny famitana ireo lesona tsirairay any an-trano fa tsy amin’ny alalan’ny fanatrehana ny kilasy mandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia hita ao amin’ny boky iray hafa antsoina hoe Bokin’i Môrmôna: Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra Seminera amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano. Mihaona indray mandeha isan-kerinandro amin’ny mpampianatra seminera azy ireo mpianatra mba hanaterany ny asan’izy ireo ary mba handraisany anjara amin’ny lesona any an-dakilasy. Ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra sy ny lesona any an-dakilasy isan-kerinandro dia hazavaina misimisy kokoa etsy ambany.

Boky fandalinana ho an’ny mpianatra amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano

Ny Bokin’i Môrmôna: Boky Fandalinana ho an’ny Mpianatra Seminera amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano dia natao mba hanampiana ilay mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano hahazo traikefa amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna mitovitovy amin’ny an’ireo mpianatra manatrika kilasy andavanandro. Noho izany dia mifanindran-dalana amin’ny zavatra hita ao amin’ity boky ity ny lamina fandrosoana ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra sy ireo fotopampianarana sy fitsipika antitranteriny. Ny boky fandalinan’ireo mpianatra dia ahitana ihany koa torolalana mikasika ny soratra masina fehezina. Ny andinin-tsoratra masina fehezina dia resahina ao anatin’ny zava-miseho araka izay hipoirany ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina. Ahitana asa atao fanampiny any amin’ny faran’ireo lesona izay miresaka momba ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Isan-kerinandro ireo mpianatra seminera manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hamita lesona efatra avy ao amin’ny boky fandalinan’ny mpianatra ary mandray anjara amin’ny lesona indray mandeha isan-kerinandro izay omen’ny mpampianatra seminera azy ireo. Vitain’ireo mpianatra ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ireo asa ampanaovina misy laharam-pamantarana ao amin’ny boky fandalinana. Tokony hanana diary fandalinana soratra masina roa ireo mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mametraka ny iray any amin’ny mpampianatra ary manohy miasa ao anatin’ilay iray hafa. Rehefa mihaona amin’ny mpampianatra isan-kerinandro ireo mpianatra, dia omena ny mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ny diary iray ary ny iray hafa averina any amin’ireo mpianatra mba ho ampiasaina amin’ny lesona mandritra ny herinandro manaraka. (Ohatra, mandritra ny herinandro iray dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 1 ny asa ampanaovina azy. Avy eo dia entin’ilay mpianatra any amin’ny kilasy io diary io ary omeny ny mpampianatra. Mandritra ny herinandro manaraka dia vitain’ilay mpianatra ao anatin’ny diary 2 ny asany. Rehefa mitondra ny diary 2 ilay mpianatra dia haverin’ny mpampianatra ny diary 1. Avy eo ilay mpianatra dia mampiasa ny diary 1 mba hamitana ny asa ampanaovina ho an’ny herinandro manaraka.)

Ireo mpianatra seminera rehetra dia amporisihina mba handalina ny soratra masina isan’andro ary hamaky ny lahatsoratra ho an’ilay lesona, kanefa ireo mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano dia tokony hahatakatra fa izy ireo dia antenaina mba handany 30 ka hatramin’ny 40 minitra fanampiny amin’ny tsirairay amin’ireo lesona efatra ao anatin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano isaky ny fizarana ary hanatrika ny lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano isan-kerinandro.

Lesona Isan-kerinandro ho an’ny Mpampianatra Seminera ny Mpianatra manaraka ny Fandaharam-pianarana any An-trano

Ny fizarana tsirairay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Boky Fandalinana ho an’ny mpianatra Seminera amin’ny Fandaharam-pianarana any An-trano dia mifanaraka amin’ireo lesona dimy anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra isan’andro. Any amin’ny faran’ny tsirairay avy amin’ireo lesona dimy ato anatin’ity boky torolalana ity, dia ahitanao lesona iray isan-kerinandro ho an’ny mpampianatra mpianatra manaraka ny fandaharam-pianarana any an-trano. Ireo lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano dia hanampy ireo mpianatra hamerina hijery sy hanatevina ny fahatakaran’izy ireo ary hampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’izy ireo rehefa nahavita ireo lesona ao amin’ny boky fandalinana ho an’ireo mpianatra izy ireo nandritra ny herinandro. Ireo lesona ireo dia mety hamakafaka ihany koa fahamarinana fanampiny izay tsy resahina ao amin’ny boky fandalinan’ireo mpianatra. (Mba hanampiana anao hanomana ny drafitry ny lesonao dia jereo ny lamina Torolalana Handrindrana ny Taom-pianarana ho an’ireo mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky ity.

Amin’ny maha-mpampianatra mpianatra manaraka fandaharam-pianarana any an-trano anao, dia tokony hanana fahatakarana lalina ianao mikasika ny zavatra izay halalinin’ireo mpianatrao any an-trano isan-kerinandro mba hahafahanao mamaly ny fanontaniany sy mamorona fifanakalozan-kevitra manan-danja rehefa mihaona amin’izy ireo. Angataho ireo mpianatra mba hitondra ny soratra masin’izy ireo sy ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ary ny boky fandalinan’ireo mpianatra rehefa manatrika ny fotoam-pianarana isan-kerinandro izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mijery azy ireny mandritra ny lesona. Ampifanaraho amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra ampianarinao ny lesona ary araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Azonao atao ihany koa ny mijery ny lesona ho an’ny mpampianatra isan’andro ao amin’ity boky ity rehefa manomana sy mampianatra ianao. Ny fandalinana ny fanampiana ho an’ny fampianarana sy ireo fomba ampiasaina ao anatin’ny lesona isan’andro dia afaka manatsara ny fampianarana ataonao isan-kerinandro. Atreho izay mety ho zavatra manokana ilain’ireo mpianatra ampianarinao. Ohatra, raha toa ny mpianatra iray manana olana amin’ny fanoratana, dia mamelà azy hampiasa fitaovana fandraisam-peo na hanonona izay ao an-tsainy amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray izay afaka mirakitra an-tsoratra ny valinteniny.

Rehefa mifarana ny lesona isan-kerinandro dia angony ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ary amporisiho hatrany izy ireo handalina tsy tapaka. Omeo diary fandalinana soratra masina izy ireo ho an’ny asa ampanaovina amin’ny herinandro manaraka. Noho ny fahateren’ny fotoana dia tsy mila mifantoka loatra amin’ny soratra masina fehezina ianao mandritra ny lesona isan-kerinandro. Rehefa mamaky ny asa nampanaovina ao anatin’ny diary fandalinan’ireo mpianatra soratra masina ianao, dia valio matetitetika ny asa ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fanoratana fanamarihana kely amin’ny fotoana manaraka hihaonanao amin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mikaroka fomba hafa hanomezana fanohanana sy valinteny manan-danja. Izany dia hanampy ireo mpianatra ahafantatra fa miraharaha ny asan’izy ireo ianao ary hanampy azy ireo harisika hanao valinteny mafonja rehefa mamaly.

Ireo Loharano Hafa

Afaka mitsidika ny tranonkalan’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara ireo mpampianatra (si.lds.org) raha mila fanampiana amin’ny fanomanana lesona ary mba handraisana hevitra fanampiny ho enti-mampianatra. Azo jerena amin’ny Internet ireto loharano manaraka ireto, amin’ny alalan’ny mpiandraikitra anao sy ny toeram-pivarotam-boky sy fanapariaham-bokin’ny Fiangonana Fiangonana eo an-toerana, ary ny fivarotan’ny Fiangonana ao amin’ny Internet (store.lds.org):

  • Sary
    Fonon’ny DVD

    Ireo DVD ahitana fitaovana manampy ho an’ny Seminera

  • Sary
    fonon’ny boky

    Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara

  • Sary
    fonon’ny diary

    Diary fandalinana soratra masina

  • Sary
    fanamarihan-pejy

    Fanamariham-pejy ho an’ny seminera (izay ahitana tsipika hanarahana ny vanim-potoana sy ny lisitry ny toko sy andininy ary ny teny manan-danja ao amin’ireo soratra masina fehezina)

  • Sary
    santionany amin’ny karatra

    Karatra misy ny soratra masina fehezina

  • Sary
    fonon’ny boky

    Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara (36863)

  • Sary
    fonon’ny bokikely

    Ry Tanora, Mahereza

  • Sary
    fonon’ny peta-drindrina

    Sary Peta-drindrina ahitana ny tsipika fanarahana ny vanim-potoana

Hamoaka printy