Tahirim-pitaovana
Lesona 110: Helamàna 8–9


Lesona 110

Helamàna 8–9

Fampidirana

Rehefa avy nanambara i Nefia fa tokony hibebaka ny olona raha tsy izany dia hofongorana, dia nambosy ny olona hanohitra azy ireo mpitsara lomorina. Niaro azy tamim-pahasahiana ny olona sasany. Nampianatra i Nefia fa ny olona izay nandà ny fijoroany ho vavolombelona dia nandà koa ny fijoroan’ireo mpaminany rehetra ho vavolombelona izay nialoha azy ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy daholo izy ireo. Mba ho fijoroana ho vavolombelona fa mpaminany iray izy dia nambaran’i Nefia fa nisy namono ny lohan’ny mpitsara. Rehefa voamarina ny tenin’i Nefia dia nanaiky azy ho mpaminany ny olona sasany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 8:1–10

Nambosy ny olona hanohitra an’i Nefia ireo mpitsara lomorina

  • Inona ireo hery misarika sasantsasany izay miezaka ny mandresy lahatra anao mba tsy hino ny tenin’ny mpaminany?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray mba hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hitady hevi-baovao mikasika ny zavatra tokony hataon’izy ireo rehefa eo anatrehan’ny hery misarika toy ny hovakiany ao amin’ny Helamàna 8 izy ireo.

Ampahatsiahivo fa nizara tamim-pahasahiana hafatra momba ny fibebahana tamin’ny vahoakany i Nefia (jereo ny Helamàna 7). Asao ny mpianatra maromaro mba hifandimby hamaky ny Helamàna 8:1–6. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ny fihetsika nasehon’ireo mpitsara teo anatrehan’ny fampianaran’i Nefia. Azonao atao ny manazava fa ny sasany tamin’ireo mpitsara dia anisan’ny jirika miafin’i Gadiantôna.

  • Inona no hafatr’ireo mpitsara tamin’ny olona? (Niezaka ny namporisika ny vahoaka izy ireo mba ho tezitra amin’i Nefia.)

  • Araka ny Helamàna 8:4, dia nahoana no tsy nosazian’ireo mpitsara i Nefia?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra hataon’izy ireo raha toa ka misy olona iray miezaka mandresy lahatra azy ireo mba tsy hiraharaha ny tenin’ny mpaminany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa nisy olona sasantsasany izay nihiaka nanohitra ny hevitr’ireo mpitsara. Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 8:7–9. Hazavao fa toy ireo olona sasany tao anatin’ilay vahoaka dia afaka mampiakatra ny feontsika isika mba hanohanana ny mpaminany na dia tsy dia zavatra fanao loatra aza izany.

  • Moa ve efa nisy fotoana teo amin’ny fiainanao izay nampiakaranao ny feonao mba hanohanana ny mpaminany velona na dia tsy dia be mpitia aza ny fampianarany? Inona no fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainanao? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny hafa?

Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny Helamàna 8:10 mba hitady ny fiovana nentin’ny tenin’ireo olona ireo.

  • Inona no fiovana nitranga rehefa nisy olona sasany nanohana ny mpaminany? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fanaovana izany amin’izao fotoana izao?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Mila mahatsiaro ny teny nolazain’i Edmund Burke isika: ’Ny hany zavatra ilaina mba hahombiazan’ny ratsy dia ny tsy fanaovan’ny olona tsara na inona na inona.’ [Natolotra ho ao anatin’ny asa soratra nangonina Familiar Quotations, izay nosoratan’i John Bartlett, boky navoaka faha 15 (1980), ix.] Mila mampiakatra ny feontsika isika miaraka amin’ireo olom-pirenena manana ahiahy manerana an’izao tontolo izao mba hanoherana ny fironana misy amin’izao fotoana izao. Mila miteny amin’ireo mpiantoka ireo fampitam-baovao manafintohina isika fa ampy antsika izay. Mila manohana ireo fandaharana na zavatra vokarina izay tsara sy mahasoa isika. Afaka mandefa hafatra mazava tsara ho an’ireo tompon’andraikitra ireo isika miaraka amin’ny mpifanolobodirindrina sy namana izay mitovy hevitra amintsika” (“Let Our Voices Be Heard,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 18).

  • Ahoana no ahafahantsika manohitra ireo hery misarika antsika izay miezaka ny mandresy lahatra antsika hanohitra ny tenin’ny mpaminany?

  • Inona avy ireo fomba tsara sasantsasany entina hanehoana ny fanoherana ireo fisarihana ratsy ary hanohanana ny tenin’ny mpaminany?

Asao ny mpianatra mba hiresaka momba ny fotoana iray izay nanoheran’izy ireo na olona izay fantany ny fisarihana toy izany.

Helamàna 8:11–24

Nampianatra i Helamàna fa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany rehetra

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 8:13. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ary hitady ny zavatra nolavin’ny olona araka ny nolazain’i Nefia. Asehoy ilay sary hoe Mosesy sy ny Menarana Varahina (62202; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], faha 16). Angataho izy ireo mba hamaky ny Helamàna 8:14–15 ary hitady ny zavatra nampianarin’i Mosesy momba ny Mpamonjy.

Sary
Mosesy sy ny Menarana Varahina
  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny olona iray “hiandrandra ny Zanak’Andriamanitra amin’ny finoana”?

  • Ny hoe manana “fanahy manenina,” izay hita ao amin’ny Helamàna 8:15, dia midika hoe manetry tena, mibebaka, ary mahay mandray ny sitrapon’ny Tompo. Nahoana no zava-dehibe izany toetra izany rehefa miandrandra ny Mpamonjy isika?

  • Ahoana no ahafahan’ny asa nanirahana ny Mpamonjy manampy antsika mba hanohitra ny ratsy?

Angataho ny mpianatra mba hamerina hilaza ny fampianarana hita ao amin’ny Helamàna 8:15, amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana. Ohatra, mety hiteny izy ireo hoe raha mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika sy mampihatra ny finoana Azy dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 8:16. Asao ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ireo olona hafa izay nampianatra ilay hafatra nambara ao amin’ny Helamàna 8:15. Dia angataho ny mpianatra mba hikaroka haingana ao anatin’ny Helamàna 8:17–22 ny anaran’ireo mpaminany hafa izay nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. Asao ny mpianatra mba handinika ireo fijoroana ho vavolombelona maro momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo mpaminany fahiny na mpaminanin’ny andro farany izay novakiany na henony.

Hazavao fa olona maro no nandà an’i Nefia sy ny hafany. Asao ny mpianatra mba hamaky ny Helamàna 8:24–26 ary hitady hoe inona avy ireo vokany ratsy nianjady tamin’ny Nefita noho ny fandavan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpaminany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ianjadian’ny vokany tena ratsy toy izany ireo izay mandà foana ny fahamarinana ary mikomy amin’Andriamanitra?

  • Oviana no nanampy anao hitodika tany amin’ny Tompo ny hafatry ny mpaminany iray?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manatsara ny ezaka ataony eo amin’ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo mba hifantoka amin’ny fomba iray izay ho hatsarain’izy ireo mandritra ny herinandro ho avy.

Helamàna 8:25–9:41

Nambaran’i Nefia fa nisy namono ny lohan’ny mpitsara

Fintino ny Helamàna 8:25–28 amin’ny alalan’ny fanazavana fa mba hanaporofoana hoe ao anatin’ny toetry ny fahotana ny vahoaka ary milaza ny tenin’Andriamanitra i Nefia dia nambarany fa nisy namono ny lohan’ny mpitsara. Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny vondron’olon-droa tsirairay mba mody hieritreritra hoe mpanao fanadihadiana izy ireo ao anatin’io toe-javatra io ka mitady ilay namono ny lohan’ny mpitsara. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto na ataovy ao anatin’ny taratasy zaraina ho an’ny vondron’olon-droa tsirairay.

Andro Voalohan’ny Fanadihadiana:

  1. Rehefa nanao fanadihadiana ny zavatra nambaran’i Nefia ny olona dimy, dia inona no hitan’izy ireo? Nahoana no lavo tamin’ny tany izy ireo? (Jereo ny Helamàna 9:1–5.)

  2. Iza no noeritreretin’ny olona fa namono azy? (Jereo ny Helamàna 9:7–9.)

Andro Faharoan’ny Fanadihadiana:

  1. Iza no nafahana? (Jereo ny Helamàna 9:10–13, 18.)

  2. Iza no voampanga? (Jereo ny Helamàna 9:16–17, 19.)

  3. Inona no fampahalalana fanampiny nozarain’i Nefia? (Jereo ny Helamàna 9:25–36.)

  4. Iza ilay mpamono olona? (Jereo ny Helamàna 9:37–38.)

Asao ireo vondron’olon-droa mba hitady ny valin’ny fanontaniana 1 sy 2. Rehefa nanana fotoana ampy izy ireo dia anontanio hoe:

  • Oviana no hitan’ireo olona dimy ilay lohan’ny mpitsara nisy namono ary inona ilay zavatra ninoan’izy ireo? Inona no zavatra natahoran’izy ireo? (Jereo ny Helamàna 9:5.)

Asao ireo vondron’olon-droa mba hamaly ny ambin’ny fanontaniana mba hamenoana ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Dia anontanio hoe:

  • Arak’i Nefia dia inona no holazain’i Seantoma aorian’ny fibabohany fa meloka izy? (Jereo ny Helamàna 9:36.)

  • Araka ny Helamàna 9:39–41, dia nahoana no nino an’i Nefia ny olona sasany?

Asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Helamàna 9 mikasika ireo tenin’ny mpaminany. Afaka maneho hevitra samihafa ny mpianatra saingy ataovy izay ahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany. Mba hanamafisana io fahamarinana io dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38.

  • Inona ireo zavatra niainana izay nanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona fa manana mpaminany marina isika eto an-tany amin’izao fotoana izao?

Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona izany fa ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 8:14–15. “Ilay menarana varahina”

Rehefa niresaka momba an’i Mosesy nanandratra “menarana varahina” iray i Nefia dia ilay fotoana iray izay nanafihan’ireo “menaran’afo” ny zanak’ Isiraely no tiany holazaina (jereo ny Nomery 21:6–9). Ny niantombohan’ny olana nitranga teo amin’ny Isiraelita dia ny filazan’izy ireo zavatra ratsy momba an’ Andriamanitra sy ny mpaminaniny (jereo ny Nomery 21:5). Ireo izay nijery ilay menarana varahina dia sitrana ary ireo izay nisafidy tsy hijery izany dia maty (jereo ny Nomery 21:9; 1 Nefia 17:41).

Toy ireo Isiraelita ireo dia olona maro tamin’ny andron’i Nefia no nanaratsy an’ Andriamanitra sy ny mpaminany. Rehefa nampiasain’i Nefia ilay tantaran’ny bibilava varahina dia nohamafisiny fa “tokony hiandrandra ny zanak’ Andriamanitra amin’ny finoana” ny vahoakany ary hiaina (Helamàna 8:15; jereo koa ny Jaona 3:14–15, izay ahitana an’i Kristy mampiasa ilay bibilava varahina ho toy ny tandindon’ny fiavian’ny Fanomboana Azy). Dia nampahatsiahivin’i Nefia ny vahoaka fa nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny mpaminany rehetra (jereo ny Helamàna 8:16–23).

Hamoaka printy