Tahirim-pitaovana
Fandalinana Isan-kerinandro Fizarana 3


Lesona amin’ny Fandalinana Isan-kerinandro

1 Nefia 7–14 (Fizarana 3)

Fitaovana Fanomanana ho an’ny Mpampianatra Mampianatra Isan-kerinandro

Famintinana ireo Lesona amin’ny Fandalinana Isan’andro ao An-trano

Ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra manaraka ity rehefa nandalina izy ireo 1 Nefia 7–14 (Fizarana 3) dia tsy natao ho tafiditra ao amin’ny lesona ampianarinao. Ireo lesona ampianarinao dia hifantoka fotsiny ihany amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ireo bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra izay ilain’ny mpianatra ianao.

Andro 1 (1 Nefia 7)

Rehefa nandalina mikasika ny fomba niverenan’ireo zanakalahin’i Lehia tany Jerosalema mba hitondra ny fianakavian’i Ismaela niaraka taminy tany amin’ny tany nampanantenaina ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa mandidy antsika ny Tompo mba hanambady sy hanangana taranaka ao Aminy ary Andriamanitra dia mamaly vavaka arakaraka ny finoantsika.

Andro 2 (1 Nefia 8)

Nandalina mikasika ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina ny mpianatra. Nianatra izy ireo fa ny fanatonana an’i Jesoa Kristy sy ny fandraisana ny Sorompanavotany dia mitondra fahasambarana sy fifaliana. Rehefa namaky mikasika ireo vondron’olona samihafa tao anatin’ilay nofy sy ny fahombiazana na ny tsy fahombiazan’izy ireo tamin’ny fihazoana nankeo amin’ny hazon’aina sy nihinana ilay voan’ny hazo ireo mpianatra dia nianatra ihany koa mikasika ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: ny fieboeboana, sy ny toetra araka izao tontolo izao, ary ny fileferana amin’ny fakam-panahy dia afaka manakana antsika tsy hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Raha mihazona mafy ny tenin’Andriamanitra isika dia hanampy antsika handresy ny fakam-panahy sy ireo fitaomana araka izao tontolo izao izany. Ny fihazonana mafy ny tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hanakaiky bebe kokoa ny Tompo sy handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana.

Andro 3 (1 Nefia 10–11)

Ny mpianatra dia nianatra mikasika ny zava-niseho rehefa nikatsaka ny mba “hahita sy handre ary hahalala” (1 Nefia 10:17) ho an’ny tenany manokana momba ireo zavatra hitan’ny rainy i Nefia. Tamin’ny alalan’ny ohatra nasehon’i Nefia dia nahita izy ireo fa mampahafantatra ny marina amin’ireo izay mikatsaka Azy amim-pahazotoana Andriamanitra. I Nefia dia nahita fahitana izay nampianatra momba ny fitiavan’Andriamanitra antsika, izay nasehony tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany Lahy. Nanana fahafahana nandray an-tsoratra izay dikan’izany tamin’izy ireo ny mpianatra.

Andro 4 (1 Nefia 12–14)

Nahita ny fomba nanomanan’ny Tompo ny lalana ho an’ny Famerenana amin’ny Laoniny i Nefia tao amin’ny ampahany sisa tamin’ny fahitany. Nianatra izy fa ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy dia hoesorina ao amin’ny Baiboly saingy ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masin’ny andro farany dia hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay manampy antsika hahafantatra fa i Jesoa Kristy dia Zanakalahin’Andriamanitra ary manampy antsika hanatona Azy. Nahita ny andro farany ihany koa i Nefia. Ireo mpianatra dia nandalina ilay fitsipika izay milaza fa rehefa miaina amim-pahamarinana sy mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hanampy antsika handresy ny ratsy Andriamanitra.

Fampidirana

Ny zavatra hifantohan’ny lesona amin’ity herinandro ity dia ny fahitan’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 8. Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao dia hamafiso ny hafaliana izy afaka entin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika sy ny fomba hahafahantsika miaina ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny fiainana ny tenin’Andriamanitra. Hampiasa ny soratra masiny sy ny boky torolalana amin’ny fandalinana ho an’ny mpianatra ary ireo diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra mandritra ity lesona ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 7

Nandidy ny zanakalahin’i Lehia hiverina tany Jerosalema haka an’i Ismaela sy ny fianakaviany ny Tompo

Manehoa sarin’olon-droa mpivady sy ny zanany—mety ho sarin’ny fianakavianao na fianakavian’ny mpianatra iray izay nasainao hitondra sary.

Anontanio ireo mpianatra hoe: Nahoana no manan-danja eo amin’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fanavotana antsika ny fianakaviana?

Asao ireo mpianatra hamerina hijery sy hamintina ny 1 Nefia 7:1–5. Anontanio azy ireo ny fitsipika nianarany avy amin’ireo andininy ireo. (Afaka mizara fitsipika samihafa ireo mpianatra. Ireo fitsipika namafisina tao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra dia hoe ny Tompo dia mandidy antsika hanambady sy hanangana taranaka ho Azy.)

Tao amin’ny leson’izy ireo ho an’ny andro 1, dia nasaina nangataka ray na reny, na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na mpampianatra iray ireo mpianatra mba hanome fomba telo ahafahan’ny tanora ankehitriny miomana amin’ny fanambadiana sy manabe zanaka “ho an’ny Tompo.” Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra izay nianarany.

1 Nefia 8

Nahita fahitana momba ny hazon’aina i Lehia

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa avy nitondra an’i Ismaela sy ny fianakaviany tany an-tany foana i Nefia sy ireo rahalahiny dia nanofy i Lehia. Rehefa mamaky mafy ny 1 Nefia 8:10–13 ny mpianatra iray dia asao ny mpianatra iray hafa hanao sary eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy ny zavatra tantarain’ireo andinin-tsoratra masina. Raha tsapanao fa mety kokoa amin’ny kilasy tananao dia azonao atao ny maneho ny sary mitondra ny lohateny hoe Ny Nofin’i Lehia (62620; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 69) ary asao ireo mpianatra hamantatra ireo sary samihafa izay soritsoritana ao amin’ireo andininy.

Anontanio ireo mpianatra hoe: Inona amin’ny famaritana nataon’i Lehia no mahatonga ilay voankazo ho mampilendalenda aminao?

Ampahatsiahivo azy ireo fa ny voan’ilay hazo dia tandindon’izay “lehibe indrindra amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra” (1 Nefia 15:36)—ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Raha nanasa mpianatra iray hanao sary ianao dia azonao atao ny manisy anarana hilazana izay hasehon’ilay voankazo eo amin’ny sary.

Anontanio ny mpianatra hoe: Inona no lesona afaka tsoahitsika avy amin’ny 1 Nefia 8:10–13 mikasika ny fandraisana ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana? (Na dia mahazo mampiasa teny samihafa aza ireo mpianatra nentina nilazana izany, dia ataovy izy hahazoana antoka fa ity fitsipika manaraka ity dia mazava: Ny fanatonana an’i Kristy sy ny fandraisana ny Sorompanavotany dia mitondra fahasambarana sy fifaliana. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe.)

Tao amin’ny leson’izy ireo ho an’ny andro 2, ireo mpianatra dia nasaina namaly ny fanontaniana manao hoe: “Oviana no nitondra hasambarana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?” Asao ireo mpianatra hamadika ny diary fandalinany soratra masina sy hamaky am-pahanginana ny valinten’izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hizara fahamarinana manan-danja sy fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa dia amporisiho izy ireo hamaky na hiresaka mikasika izay nosoratany. Azonao atao ihany koa ny mitantara mikasika ny fotoana iray izay nitondran’ny Sorompanavotana fahasambarana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao.

Hazavao fa ny fahitan’i Lehia dia tsy mampianatra fotsiny ihany fa mitondra fifaliana lehibe ny Sorompanavotana fa izany ihany koa dia maneho izay tokony hataontsika mba handraisana ireo fitahian’ny Sorompanavotana. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny 1 Nefia 8:19–26 sy hanao sary ireo tandindona hafa avy amin’ny fahitan’i Lehia na asao hitady tandindona hafa ao amin’ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Nofin’i Lehia izy ireo. Rehefa manao sary na mitady ireo tandindona izy ireo dia asao mba hanazava ny dikan’ireo tandindona samihafa. (Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hampiasa ilay tabilao nofenoin’izy ireo tao amin’ny boky torolalana amin’ny fandalinana ho an’ny mpianatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 8:30. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no anjara andraikitry ny anja-by—ny tenin’Andriamanitra—ao amin’ny fahitan’i Lehia?

  • Rehefa nandalina ny 1 Nefia 8 ianareo, inona no zavatra nianaranao mikasika ny maha zava-dehibe ny tenin’Andriamanitra?

  • Inona avy ireo fehezanteny ao amin’ny 1 Nefia 8:30 izay milaza izay tokony hataontsika mba handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “[m]ibosesika hatrany [ianao], [m]ihazona mafy ny anja-by”?

Manorata fitsipiky ny filazantsara roa hafa eny amin’ny solaitrabe izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny boky torolalana amin’ny fandalinana ho an’ny mpianatra: Raha mihazona mafy amin’ny tenin’Andriamanitra isika dia hanampy antsika handresy ny fakam-panahy sy ireo fitaomana araka izao tontolo izao izany. Ny fihazonana mafy amin’ny tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hanakaiky bebe kokoa ny Tompo sy handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana.

Angataho ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa misiônera izy ireo ary manana fahafahana hijoro ho vavolombelona mikasika ny maha zava-dehibe ny fandalinana ny tenin’Andriamanitra sy ny fiainana araka ireo fitsipika ao anatiny. Asao izy ireo hizara izay mety holazainy miainga avy amin’ny zavatra niainany. Zarao ny fahatsapanao mikasika ny herin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny fanampiana anao hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy.

1 Nefia 10–14

Noho ny finoany sy ny fahazotoany dia nahazo fanambarana ho an’ny tenany manokana mikasika ireo zavatra nampianarin’ny rainy sy zavatra maro hafa i Nefia

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 10:17, 19. Asao ny iray kilasy hamantatra ireo fitahiana izay mirotsaka rehefa mitady amim-pahazotoana ny fitarihan’ny Tompo isika. Asao ny mpianatra iray na roa hizara izay eritreretiny fa dikan’ny hoe “mitady amim-pahazotoana.” (Nandritra ny lesona nianaran’ireo mpianatra tamin’ny andro 3 dia nangatahana izy ireo hanoratra ny dikan’izany tao anatin’ny boky torolalana amin’ny fandalinana ho an’ny mpianatra izay azy ireo.)

Fintino ny 1 Nefia 11–14 amin’ny alalan’ny filazana fa nahazo fanambarana ho an’ny tena manokana i Nefia satria nitady ny Tompo tamim-pahazotoana. Nahita ny asa fanompoana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy (1 Nefia 11), sy ny famongorana ireo vahoakany any amin’ny hoavy noho ny fieboeboany sy ny faharatsiany (1 Nefia 12), ireo jentilisa mpanjana-tany teo aloha tao amin’ny tany nampanantenaina sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy (1 Nefia 13), ary ireo olo-marina miady amin’ny asan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko amin’ny andro farany (1 Nefia 14).

Fanamarihana: Mba hanomanana ity hetsika manaraka ity dia azonao atao ny mamerina mijery ny lesona mifanandrify amin’izany ao amin’ity boky torolalana ity sy ireo zavatra atao ao amin’ny boky torolalana amin’ny fandalinana ho an’ny mpianatra ho an’ny andro 4 ao amin’ity fizarana ity.

Angataho ireo mpianatra hifidy iray amin’ireo toko ao amin’ny 1 Nefia 11–14 sy hanao izao manaraka izao. (Azonao atao ny manasa azy ireo hanao izany eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy.)

  • Manorata famintinana momba ilay toko voafidy.

  • Manorata iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara nampianarina tao amin’izany toko izany. (Mahazo mampiasa fitsipika namafisina tao amin’ny boky torolalana ho an’ny fandalinana izy ireo na hamantatra manokana fitsipika iray.)

  • Soraty ny fomba iharan’izany fitsipika izany amintsika ankehitriny.

Rehefa avy nomena fotoana ampy nanomanana ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay nosoratany. Asao ny mpianatra iray na roa hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ireo fitsipika nianarany rehefa nandalina ny ireo 1 Nefia 7–14 izy ireo tamin’ity herinandro ity.

Alohan’ny hampiravana ireo mpianatrao dia tadidio ny hanangona ireo diary fandalinany soratra masina sy hanara-maso ireo asa rehetra nasaina natao.

Fizarana manaraka (1 Nefia 15–19)

Handalina bebe kokoa momba ny fizahan-toetra an’i Lehia sy ireo olony rehefa nanohy ny diany nankany an-tany foana sy niondrana an-tsambo nankany amin’ny tany nampanantenaina ny mpianatra ao amin’ny fizarana manaraka. Alaivo sary an-tsaina ny fahagagan’izy ireo rehefa nifoha izy ireo indray maraina ary nahita “bola iray izay araka ny fahaizana asa kanto”—dia ny Liahona. Ahoana no fomba fiasan’ny Liahona ary ahoana no fomba nitarihan’izany azy ireo? Nahoana i Nefia no nibedy ireo rahalahiny teny ambony sambo? Ahoana no fomba namaritan’i Nefia ny tany nampanantenaina?

Hamoaka printy