Tahirim-pitaovana
Lesona 135: 3 Nefia 29–30


Lesona 135

3 Nefia 29–30

Fampidirana

Rehefa namarana ny fitantarany ny famangian’ny Mpamonjy teo anivon’ireo Nefita i Môrmôna dia nanazava izy fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia ho famantarana fa manatanteraka ny fanekempihavanana nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo. Nampitandrina ihany koa izy fa ireo izay handà ireo asan’Andriamanitra dia hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Farany dia noraketiny ny fanasana nataon’ny Tompo ho an’ireo olona rehetra mba hibebaka ka horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 29

Mijoro ho vavolombelona i Môrmôna fa ny Tompo dia hanatanteraka ny fanekempihavanany amin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana (na omano amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay izany):

  1. Jentilisa

  1. Misy heviny roa: (1) ) ny taranak’i Jakôba (Isiraely) mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanaovan’ny Tompo fanekempihavanana sy (2) ireo mpino marina an’i Jesoa Kristy izay nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra

  1. Mpianakavin’i Isiraely

  1. Fampanantenana amin’ireo mpino izay ahitana ireo fitahian’ny filazantsara, fahefan’ny fisoronana, fianakaviana mandrakizay, ary tany mba ho lova

  1. Mamingavinga

  1. Misy heviny roa: (1) olona tsy manana firazanana Isiraelita na Jiosy (2) olona tsy manana ny filazantsara

  1. Ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’i Isiraely

  1. Alahelo lalina sy nenina

  1. Loza

  1. Tsy miraharaha mandà amim-pankahalana na tsy fitiavana

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ireo mpianatra hampifandray ireo teny ao amin’ny tsanganana voalohany amin’ilay tabilao sy ireo famaritana marina ao amin’ny tsanganana faharoa (valiny: 1-d, 2-a, 3-f, 4-b, 5-e). Rehefa milaza ny valinteniny ny mpianatra dia ataovy izay hahatakarany ireo famaritana tsirairay. Azonao atao izany amin’ny fanasana ireo mpianatra hanazava ireo famaritana amin’ny teniny manokana na amin’ny fampiasana ny teny tsirairay na andianteny tsirairay ao anatin’ny fehezanteny iray. Ampahafantaro ny mpianatra fa ireo famaritana ireo dia hanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny 3 Nefia 29–30.

Hazavao fa taorian’ny nanoratan’i Môrmôna mikasika ny fitsidihan’ny Mpamonjy ireo Nefita dia naminany ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’ny Tompo amin’ny andro farany izy. Anontanio ny mpianatra raha efa nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana avy amin’Andriamanitra izy ireo, na tao amin’ny soratra masina, na nolazain’ny mpaminany, na amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, na amin’ny alalan’ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hitantara ny zavatra niainany, kanefa ataovy izay ampahatsiahivana azy ireo fa tsy tokony hizara traikefa izay diso mahakasika be loatra ny tenany izy ireo na momba ny tenany.

  • Nahoana, araka ny hevitrao, no misalasala ny olona sasany sao tsy hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafantaranao fa manatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Rehefa sy Dia. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 29:1–3 mba hitady ireo teny eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa ireo teny ireo dia hanampy azy ireo hahita zava-nitranga iray izay maneho fa ny Tompo dia manatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany. (Mety hanampy ny fanazavana fa ny andianteny hoe “ireto filazana ireto” ao amin’ny 3 Nefia 29:1 dia milaza ireo soratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

  • Ahoana no hamintinanao ny faminaniana voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa ny Tompo dia manatanteraka ny fanekempihavanana nataony mba hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika izany fahamarinana izany ao amin’ny famintinana ilay toko 3 Nefia 29.)

Asao ny mpianatra hanangana ho hita maso ny Bokin’i Môrmônan’izy ireo. Hazavao fa eny an-tanan’izy ireo ny fahatanterahan’ny faminanian’i Môrmôna ary afaka mahazo toky izy ireo fa ny Tompo dia manomana ny vahoakany amin’ny fiaviany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mivaingana fa ny Tompo dia efa nanomboka nanangona an’i Isiraely Zanany ao amin’ny fanekempihavanana. …

“Tena tsy nanadino tokoa ny Tompo! Nomeny ny Bokin’i Môrmôna isika sy ny olona hafa manerana izao tontolo izao. … Manampy antsika izy io hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra. Manasa antsika izy io hahatsiaro Azy sy hahafantatra ny Zanakalahiny Malala. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izy io” (“Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 88).

  • Nahoana ny fananantsika ny Bokin’i Môrmôna no porofo fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no liana amin’ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ireo Olomasin’ny Andro Farany? Asaivo mihaino ny valin’io fanontaniana io ireo mpianatra mandritra ny famakianao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ity, izay mitanisa ireo fampanantenana tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana ataon’ny Tompo amin’ny vahoakany. (Azonao atao ny manome ny tahadikan’ilay fanambarana ho an’ireo mpianatra tsirairay.)

“Ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ary nohamafisiny taty aoriana tamin’i Isaka sy Jakôba … hita tao amin’izany ny fampanantenana maromaro, anisan’izany ny hoe:

  • I Jesoa ilay Kristy dia ho teraka avy amin’ny taranak’i Abrahama.

  • Ny taranak’i Abrahama dia ho maro, ary natokana hitombo isa mandrakizay, ary natokana ihany koa hihazona ny fisoronana.

  • I Abrahama dia ho tonga rain’ny firenena maro.

  • Hisy tany sasany ho lovain’ny taranany.

  • Ny firenena rehetra maneran-tany dia hotahiana amin’ny alalan’ny taranany.

  • Ary io fanekempihavanana io dia haharitra mandrakizay—eny hatramin’ny ’taranaka arivo mandimby.’

“Ny sasany amin’ireo fampanantenana ireo dia efa tanteraka; ny sasany dia mbola andrasana ny fahatanterahany. …

“Ny sasany amintsika dia taranak’i Abrahama ara-bakiteny; ny hafa kosa dia voangona ho ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fananganana. Tsy manavakavaka ny Tompo na taranaka ara-bakiteny ianao na natsangana. Samy mandray ireo fitahiana nampanantenaina ireo isika—raha mikatsaka ny Tompo ary mitandrina ny Didiny. …

“… Hoy i Brigham Young hoe: ’Ireo Olomasin’ny Andro Farany rehetra dia miditra ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay rehefa miditra amin’ity Fiangonana ity’” (“Covenants,” 87–88; teny naverina nolazaina avy ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 62).

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny tenin’ny Loholona Nelson, ahoana no mety hamalianao ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe? (Mety hanome valinteny samihafa ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitany ity fahamarinana manaraka ity: Ny Olomasin’ny Andro Farany dia tafiditra ao anatin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, ary isika dia manana ny andraikitra ny hitahy ny firenena rehetra.)

  • Ahoana no hiezahan’ireo Olomasin’ny Andro Farany hitahy ireo firenena maneran-tany?

  • Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’izany ezaka izany?

Avereno jerena ny teny hoe mamingavinga sy loza avy amin’ilay asa fampifandraisana. Hazavao fa i Môrmôna dia nahafantatra fa any amin’ny andro farany dia hisy ireo izay hamingavinga ny Bokin’i Môrmôna sy ireo porofo hafa momba ny fahatanterahan’ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’ny vahoakany. Angataho ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 29:4–9 ary hitady ny zavatra hitranga amin’ireo izay mamingavinga ny Mpamonjy sy ny Asany. Rehefa avy manazava ny zavatra hitany ireo mpianatra, dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanoratra izao fahamarinana manaraka izao ao amin’ny soratra masiny Ho avy amin’ireo izay mandà an’i Jesoa Kristy sy ny asany ny alahelo.

  • Nahoana no tsy mahagaga hoe ny alahelo no vokatra voajanahary azo avy amin’ny famingavingana ny Mpamonjy sy ny Asany?

  • Ahoana no hamalianao olona iray izay milaza fa ny Tompo dia tsy miresaka amin’ny olombelona na manao fahagagana intsony?

  • Ahoana no ahafahantsika miaiky sy mankasitraka ny Mpamonjy sy ny Asany eo amin’ny fiainantsika?

3 Nefia 30

Mamporisika ireo Jentilisa hibebaka sy hanatona Azy ny Tompo

Avereno jerena ny teny hoe Jentilisa avy amin’ilay asa fampifandraisana. Ampahafantaro ny mpianatra fa i Môrmôna ao amin’ny 3 Nefia 30 dia manatanteraka didy iray avy amin’ny Tompo mba hanoratra ny fanasana iray nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo Jentilisa manokana, na ireo olona tsy manana ny filazantsara. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 30:1–2 mba hitady fanasana ho an’ireo Jentilisa faran’izay betsaka araka izay hitany. Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Iza amin’ireo fanasana ireo araka ny hevitrao no mamintina ny fanasana hafa rehetra? (Tafiditra ao anatin’ny fanasana hanatona an’i Kristy ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny fidirana ho isan’ny vahoakan’ny Tompo.)

  • Inona avy ireo fitahiana nampanantenain’i Jesoa Kristy tamin’ireo Jentilisa raha toa izy ireo ka hanatona Azy? (Ny famelana ny helony, ny fananany ny Fanahy Masina, ary ny fandraisana azy ireo ho isan’ny vahoakany.)

  • Nahoana no fitahiana ny fanisana anao ho isan’ny vahoakan’ny Tompo?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha manatona an’i Kristy isika dia horaisina ho isan’ny vahoakany. Hazavao fa na dia natao ho an’ireo tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonana aza ny 3 Nefia 30:2 dia azontsika ampiasaina ny fanasan’i Jesoa Kristy mba handrefesana ny ezaka ataontsika hitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’Andriamanitra. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika sy ireo didin’Andriamanitra.

Famerenana ny 3 Nefia

Makà fotoana hanampiana ireo mpianatra hanao famerenana ny bokin’ny 3 Nefia. Angataho izy ireo hieritreritra mikasika ireo zavatra nianarany tao amin’io boky io, na tamin’ny seminera na taminn’y fandalinanny manokana ny soratra masina. Raha ilaina, dia asao izy ireo hamerina hijery vetivety ny sasany amin’ireo famintinana ny toko ao amin’ny 3 Nefia mba hanampiana azy ireo hitadidy. Rehefa tapitra ny fotoana sahaza ho an’izany dia asao ny mpianatra maromaro hizara zavatra avy ao amin’ny 3 Nefia izay nanome hevitra vaovao ho azy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Omeo taratasy kely tsisy soratra ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hanoratra taratasy ho an’ny olona iray (na olona tsy tena misy na olom-pantany) izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Toroy hevitra izy ireo hitady ao amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina ireo fahamarinana azony ampiasaina hanasana ilay olona hanoratana hanatona an’i Kristy sy ho raisina ho isan’ny vahoakany. Asaivo mizara izay zavatra nosoratany ny mpianatra vitsivitsy.

Fanamarihana: Ny halavan’ity lesona ity dia mety hanome fotoana hanaovana ity asa ity. Ho an’ny asa atao hafa amin’ny famerenana ny soratra masina fehezina dia jereo ny pejy fanampiny ao amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 30:1–2. Ny fanangonana an’i Isiraely

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny fiangonana marina sy ny fahafantarany ilay Andriamanitra marina. … Na iza na iza, noho izany, no nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mitady ny hitsaoka ny Tompo amin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireo Olomasina any amin’ny firenena misy azy amin’izao fotoana izao, dia efa nanaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary izy dia mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 439).

Hamoaka printy