Tahirim-pitaovana
Lesona 126: 3 Nephi 17


Lesona 126

3 Nefia 17

Fampidirana

Rehefa nifarana ny andro voalohany niarahan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita dia hitany fa maro no tsy nahatakatra tanteraka ny teniny. Nampianariny azy ireo ny fomba hahazoany fahatakarana bebe kokoa, ary nantitranteriny ny maha-zava-dehibe ny vavaka sy ny fisaintsainana. Nitomany ny vahoaka rehefa nilaza Izy fa handeha. Feno fangorahana ny Mpamonjy ka nijanona kely Izy mba hanasitrana ireo marary sy hivavaka ho an’ny vahoaka ary hitsodrano ireo ankizy. Diboky ny hafaliana ireo Nefita.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 17:1–3

Nanome torolalana an’ireo Nefita i Jesoa mba hisaintsaina ny teniny sy hivavaka mba hahatakatra izany

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny tenany hoe ao anatin’ireto toe-javatra ireto izy ireo: Mipetraka eny aloha ianao sy ny namanao iray mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana na fihaonamben’ny vondromparitra izay hanaovan’ny mpaminany lahateny. Nandritra izany dia tafahaona taminy ianareo roa. Rehefa tapitra ilay fihaonambe dia lasa nody ianao sy ilay namanao.

  • Inona araka ny hevitrao no horesahinao sy ilay namanao aorian’ilay fivoriana?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa i Jesoa Kristy dia nampianatra ireo Nefita efa tokotokony ho nandritra ny iray andro maninjitra. Rehefa niomana ny handeha Izy dia hitany fa tsy nahatakatra tanteraka izay zavatra nampianariny ny vahoaka. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 17:1–3 mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tokony hataon’ireo Nefita mba hahazoany mahatakatra bebe kokoa. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika izay zavatra hitany.) Rehefa avy manao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra, dia manontania hoe:

  • Inona no atao hoe misaintsaina?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asaivo henoin’ny mpianatra izay ampianariny momba ny dikan’ny hoe misaintsaina.

Sary
Nataon’ny Filoha Henry B. Eyring

“Tsy mitovy ny mamaky, sy mandalina ary misaintsaina. Mamaky teny isika ary mety hahita hevitra. Mandalina isika ary mety hahita modely arahina sy fifandraisana eo amin’ny soratra masina. Fa rehefa misaintsaina kosa isika, dia manasa ny fanambaran’ny Fanahy. Amiko ny misaintsaina dia ny fieritreretana sy ny vavaka ataoko aorian’ny famakiako sy ny fandalinako amim-ptandremana ny soratra masina” (“Serve with the Spirit,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 60).

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fisaintsainana sy ny vavaka miara-miasa mba hanampy antsika hahatakatra izay zavatra ianarantsika ao am-piangonana na ao amin’ny seminera?

Hamafiso ny torolalana nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 17:3 fa tokony “[hanomana] ny sai[ny] ho amin’ny ampitso,” ireo Nefita rehefa hiverina hampianatra azy ireo indray Izy.

  • Inona no azon’ny olona iray atao mba hanomanany ny sainy alohan’ny handehanany any am-piangonana na any amin’ny seminera?

  • Inona no zavatra miova rehefa manomana ny saintsika amin’ny fahafahana mianatra tahaka izany isika?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fitsipika ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 17:1–3, dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezanteny tsy feno manaraka izao, ary asaivo fenoin’ireo mpianatra izany avy amin’izay zavatra nianarany.

Amin’ny alalan’ny fisaintsainana sy fivavahana amin’ny Ray dia afaka …isika.

Na dia mety hampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, dia tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Amin’ny alalan’ny fisaintsainana sy ny fivavahana amin’ny Ray dia afaka hahazo fahatakarana bebe kokoa isika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Manomana ny saiko alohan’ny handehanako any am-piangonana na any amin’ny seminera

Misaintsaina ny zavatra henoko tany am-piangonana na tany amin’ny seminera

Mivavaka momba ny zavatra henoko tany am-piangonana na tany amin’ny seminera

Asao ireo mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo asa atao izay voasoratra eny amin’ny solaitrabe. Omeo fotoana izy ireo hieritreretany momba (1) ny fomba nanaovany izany sy (2) ny fomba nanampian’izany azy ireo hianatra bebe kokoa avy amin’ny zavatra niainany tany am-piangonana na tany amin’ny seminera. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny rehetra. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra ny fomba mety hivoarany amin’ny iray amin’ireo sehatra telo ireo sy hanao drafitra amin’ny fomba hanaovany izany. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanoratra ny drafiny ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Lazao amin’ireo mpianatra fa ny ampahany manaraka amin’ny lesona dia hanome azy ireo fahafahana hizatra hisaintsaina.

3 Nefia 17:4–25

Nanasitrana ireo marary teo anivon’ny Nefita ny Mpamonjy, nivavaka tamin’ny Ray ho an’ny vahoaka ary nitsodrano ireo ankizy

Sary
Nampianatra tany amin’ny Ilam- bolatany Andrefana i Jesoa

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Mampianatra any amin’ny Ilam-bolantany Andrefana i Jesoa (62380; Boky Mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 82). Asao ny mpianatra iray hamaky ny 3 Nefia 17:4. Hamafiso ilay fehezanteny hoe “ankehitriny kosa aho dia hankany amin’ny Ray.” Asaivo alain’ireo mpianatra sary an-tsaina fa hoe avy niaraka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny andro iray izy ireo ary nilaza Izy fa tonga ny fotoana handehanany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny mety ho fahatsapana ananany ao anatin’io toe-javatra io. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 17:5, ary angataho ny iray kilasy hitady ny fomba fihetsik’ireo Nefita rehefa nilaza ny fikasany handao ny Mpamonjy.

Hazavao fa raha tsy noho ny faniriana tsara nananan’ireo Nefita, dia tsy ho nitranga ireo zavatra voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 17 sy 18. Ity asa atao manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fitiavan’i Jesoa Kristy ny vahoakany sy hanampiana azy ireo hitady samirery ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina momba ny toetran’i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina maraka ireto, ary asaivo adikan’ireo mpianatra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina izany:

3 Nefia 17:6–10

3 Nefia 17:11–18

3 Nefia 17:19–25

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny lehilahy manana fiainana manakaiky ny maodelim-piainan’i Kristy dia lehilahy lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina ahitana ny fahalebiazana, sy ny maha olona voatahy, ary ny fifaliana dia ny fanakaikezan’ny fiainana iray hitovy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary ny fiainana miroborobo” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Des. 1988, 2).

Omeo 5 na 10 minitra ny mpianatra mba handalinany mangina ireo andinin-tsoratra masina izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hitady ireo fahamarinana mikasika ny toetran’ny Mpamonjy. Rehefa mandalina izy ireo dia tokony hahita, farafahakeliny, fahamarinana iray isak’ireo andinin-tsoratra masina. Asaivo soratan’izy ireo ny fahamarinana hitany.

Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia asao ny maro amin’izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina mifanaraka amin’izany, ny fahamarinana iray izay nianarany momba ny Mpamonjy. Rehefa nahavita io asa atao io ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo?

  • Inona no porofo hitanao, izay manambara fa mihetsi-po amin’ny filantsika sy ny faniriantsika ny Mpamonjy?

  • Inona no ampahany nanaitra anao indrindra tamin’io tantara io? Nahoana?

  • Nahoana araka ny hevitrao no ankon’ny hafaliana ny vahoaka? (Jereo ny 3 Nefia 17:18.)

  • Nahoana araka ny hevitra no feno ny fifalian’ny Mpamonjy tamin’io andro io? (Jereo ny 3 Nefia 17:20.)

Angataho ny mpianatra hamintina izay zavatra nianarany tao amin’ny 3 Nefia 17:6–25. Mety hanome valinteny isan-karazany ireo mpianatra. Ny fahamarinana iray izay tokony ho hitany dia ny hoe mahatsapa fangorahana lehibe ho antsika ny Mpamonjy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany fahamarinana izany, na fahamarinana hafa izay hitan’izy ireo, eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 3 Nefia 17:6.

Mba hanampiana ny mpianatra hankasitraka ny fomba hanampian’ny fahatakarana ny toetran’i Jesoa Kristy antsika mba hampitomboana ny finoanatsika dia vakio izao teny manaraka izao:

“Afaka mampihatra ny finoanao an’i Kristy ianao rehefa azonao antoka fa misy Izy, sy rehefa mahazo an-tsaina ny tena toetrany marina, ary rehefa manana fahalalana fa miezaka miaina araka ny Sitrapony ianao” (Ancrés dans la Foi: Manuel de référence de l’Evangile [2004], 54).

  • Ahoana no hahazoanao fanampiana hampihatra ny finoanao ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahatakarana ny toetrany feno fangorahana?

Hamafiso ny fehezanteny hoe “nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany” ao amin’ny 3 Nefia 17:9.

  • Inona ireo karazan’aretina mety ho tafiditra ao amin’ny fijaliana “na manao ahoana na manao ahoana”? (Ny karazan’aretina rehetra ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsaina, sy ara-panahy.)

Angataho ireo mpianatra hisaintsaina ireo fomba mety “hijaliany” sy izay mety ho angatahiny amin’ny Mpamonjy mba hanasitrana azy ireo raha toa ka nitsodrano azy ireo manokana Izy. Ampahatsiahivo azy ireo fa na tsy eo aza ny tenan’ny Mpamonjy hanompo azy ireo dia afaka mahazo ny heriny entina mitsodrano sy manasitrana isika amin’ny alalan’ny fisoronana.

  • Iza no atoninao mba hahazoanao ireo tsodranon’ny fisoronana?

  • Oviana no nahatsapanao farany ny hery manasitran’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay fitsipika mikasika ny fisaintsainana izay nifanakalozany hevitra tamin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Lazao amin’ny mpianatra fa ny fomba iray ahafahany misaintsaina dia amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina ireo toe-javatra iainana voalazan’ilay tantara ao amin’ny soratra masina izay vakiany. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe teo anivon’ny Nefita izy ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ireo zavatra tantaraina ao amin’ny 3 Nefia 17 ireo. Omeo fotoana ny mpianatra hanoratany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika izay mety ho reny, hitany, tsapany, ary nianarany raha toa izy ireo ka niaraka tamin’ireo Nefita sy nifanerasera tamin’ny Mpamonjy tamin’io fotoana io. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanoratra mikasika ny fijaliana izay ho nangatahany mba hositranin’ny Mpamonjy. Rehefa avy manoratra izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky ny zavatra nosoratany amin’ny rehetra. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara zavatra diso mahakasika ny tenany manokana na an’ny tenany manokana izy ireo.

Rehefa avy mizara izay norosatany ny mpianatra vitsivitsy dia azonao atao ny manasa ny iray na roa amin’izy ireo mba hizara ny fomba nahafantarany fa tia sy mangokara azy ireo i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ity lesona ity sy hatoky ny fangorahan’ny Mpamonjy rehefa miantehitra Aminy izy ireo mba hanampy azy ireo amin’ny faniriany, ny fahalemeny, ny ratram-pony, ary ny fitsapana lalovany.

Hamoaka printy