Tahirim-pitaovana
Lesona 71: Almà 5:1–36


Lesona 71

Almà 5:1–36

Fampidirana

Rehefa notandindomin-doza ny Fiangonana noho ny disadisa sy faharatsiana avy tao anatiny (Jereo ny Almà 4:9–11), dia nafoin’i Almà ny toerana naha mpitsara azy mba hahafahany mampifantoka ny ezaka nataony amin’ny fanamafisana orina ny Fiangonana. Nirotsaka tamin’ny asa fitoriana izy mba hanavotana ny vahoakan’i Nefia amin’ny alalan’ny “filofosana tamin’ny fanambarana tsisy tsiny hanoherana azy ireo” (Almà 4:19). Nanomboka ny asa fitoriany i Almà tamin’ny alalan’ny fampahatsiahivana ireo vahoakan’i Zarahemla fa ny Tompo dia nanafaka ny razamben’izy ireo tamin’ny fahababoana ara-batana sy ara-panahy. Nankahery azy ireo izy mba hiomana ho amin’ilay andron’ny fitsarana farany amin’ny alalan’ny finoana ny tenin’Andriamanitra sy ny fanombantombanana ny toetoetra ara-panahin’ny fon’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 5:1–14

Notantarain’i Almà ny fiovam-pon’ny rainy sy ireo izay nanara-dia azy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fiovana. Asaivo mifampizara ohatra ireo mpianatra mahakasika ny fomba hahazoan’ny olona manova ny endriny na ny fomba fanaony. Asao izy ireo hanazava izay mety hitondra na hahatanteraka ny sasany amin’ireo fiovana ireo eo amin’ny olona.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa sahiran-tsaina i Almà mikasika ny faharatsiana izay nanomboka nihombo teo anivon’ireo Nefita. Tsinjony fa raha tsy miova izy ireo dia hahafoy ireo fitahiana nampanantenaina tamin’ny fanekempihavanana izay nataon’izy ireo. Nafoiny ny toerana naha mpitsara azy ary nanokan-tena tamin’ny fanompoana ny vahoaka sy ny fiantsoana azy ireo hibebaka izy. Nanomboka tamin’ny fampianarana ny vahoakan’i Zarahemla izy.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Almà 5:3–6. Asaivo manaraka ny iray kilasy sady mitady ireo zava-nitranga izay nantitranterin’i Almà raha nanomboka nampianatra ny olona izy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no mety nanampy ny vahoakan’i Almà ny fahenoana ny tantaran’ny fahababoan’i rain’i Almà sy ireo mpanara-dia azy, sy ny fanafahana azy ireo ary ny fiovam-pon’izy ireo?

  • Jereo ny Almà 5:7. Araka io andininy io, karazana fiovana manao ahoana no nitranga teo amin’ny fiainan’ny rain’i Almà sy ny vahoakany?

Eo amin’ny solaitrabe, amboary ka ampio hoe m-po ilay teny hoe fiovana, mba ho lasa hoe fiovam-po.

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe miaina “fiovam-po”? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao lazaina amin’izy ireo fa ny Loholona Gerald N. Lund ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ao amin’ny soratra masina ny teny hoe fo dia matetika milaza ilay “tena olona ao anatinao” [“Understanding Scriptural Symbols,” Ensign, Ôkt. 1986, 25].)

  • Inona no maha samy hafa ny fiovam-po sy ireo karazana fiovana izay noresahantsika tany amin’ny fiantombohan’ny lesona?

Hazavao fa ao amin’ny Almà 5:7–9, 14 i Almà dia nampiasa karazan’andian-teny samihafa izay mamaritra ny hoe toy ny ahoana izany atao hoe fiovam-po. Ampio ny soratra eny amin’ny solaitrabe mba ho lasa hoe Ny fiovam-po dia toy ny …

Asaivo mamaky mangina ny Almà 5:7–9, 14 ireo mpianatra ka mitady ny famariparitan’i Almà ny hoe toy ny ahoana izany atao hoe fiovam-po. Asao izy ireo hitatitra izay zavatra hitan’izy ireo. Rehefa manao tatitra ireo mpianatra dia ampio ny eo amin’ny solaitrabe. (Mety ho tahaka izao manaraka izao no endriky ny lisitrao: Ny fiovam-po dia toy ny … mifoha avy ao anatin’ny torimaso lalina; hoe heniky ny hazavana; hoe afaka amin’ny fatorana; fampivelarana ny fanahinao; mihira mikasika ilay fitiavana manavotra; hoe aterak’Andriamanitra; mandray ny endriky ny Tompo eny amin’ny endrikao.)

  • Manao ahoana ny fiovam-po izay toa ireo famariparitana voatanisa eny amin’ny solaitrabe?

  • Ahoana no mety ahafahana mahita ny fiovam-po eo amin’ny fihetsiky ny olona iray? Amin’ny fomba ahoana no hamantarana ny fiovam-po indraindray eny amin’ny endriky ny olona iray? (Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hamariparitra ny endrika na ny fihetsiky ny olona iray izay fantatr’izy ireo ka tsapan’izy ireo fa “ny endri[ky ny Tompo dia] efa nisoritra teo amin’ny tarehin[y].”)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 5:10 ary asaivo fantarin’ny mpianatra rehetra ireo fanontaniana telo napetrak’i Almà tamin’ny vahoaka. (Azonao atao ny mandroso hevitra amin’izy ireo mba hanisy marika ireo fanontaniana ireo.) Ny famakiana ireo fanontaniana ireo dia hanampy ireo mpianatra hamantatra ao amin’ireo andininy maromaro manaraka ireo fepetra izay nahatonga an’i Almà sy ny vahoakany hiaina fiovam-po mahery vaika.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 5:11–13 ary asaivo fantarin’ireo mpianatra izay zavatra nitarika ilay fiovam-po mahery vaika tao amin’i rain’i Almà sy ireo mpanara-dia azy. (Ny finoan’izy ireo ny tenin’Andriamanitra ary raha hitarina dia ny finoan’izy ireo sy ny fahatokian’izy ireo an’Andriamanitra. Azonao atao koa ny manamarika ny fiantraikan’ny tenin’Andriamanitra araka izay voalaza ao amin’ny Almà 5:5, 7.)

  • Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ny finoana ny tenin’Andriamanitra sy ny fiainana fiovam-po? (Ampio ireo mpianatra hamantatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mino ny tenin’Andriamanitra isika ka mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, dia afaka mahazo fiovam-po mahery vaika. Antitrantero fa ny tenin’Andriamanitra izay notorian’i Abinadia sy i Almà dia nifantoka tamin’ny fanavotana izay tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy [jereo ny Môsià 16:4–9; 18:1–2].)

Hazavao fa ny fomba iray hanehoana fa efa nandalo fiovam-po mahery vaika ny olona iray dia ny filazana fa efa nateraka indray izy. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny hoe “naterak’Andriamanitra” na “nateraka indray” dia ilazana ilay fiovana izay iainan’ny olona iray rehefa mandray an’i Jesoa Kristy izy ary manomboka fiainam-baovao amin’ny maha Mpianany azy. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa amin’ny ankapobeny ny fahazoana fiovam-po mahery vaika, na ny hoe ateraka indray dia zavatra mandeha tsikelikely, dia vakio ity fanambarana ity izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mety hanontany ianao hoe fa nahoana no tsy haingana kokoa noho izao no fitrangan’ity fiovana mahery vaika ity amiko? … Ho an’ny ankamaroantsika, dia mandeha tsikelikely kokoa ireo fiovana ary mitranga miandalana rehefa mandeha ny fotoana. Ny hoe ateraka indray … dia fizotran’ny dingana maro miandalana fa tsy zava-mitranga indray mandeha. Ary ny fidirana ao amin’izany dingana miandalana izany no ivon’ny tanjon’ny fiainana an-tany” (“Ateraka indray,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 78).

  • Oviana ianao no nahatsapa fiovana tao am-ponao rehefa niezaka ny hiaina araka ny tenin’Andriamanitra?

  • Ahoana no hamariparitanao ireo zavatra tsapa sy ireo fihetsika izay miaraka amin’ny fiovam-po?

  • Manao ahoana no fiovan’ny fonao rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao tato amin’ny seminera tamin’ity taona ity?

Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra hahafahany manoratra ao amin’ny kahie na ao amin’ny diary fandalinana soratra masina mikasika ny zavatra iray na roa izay ho ataon’izy ireo mba hiainana amin’ny fomba matotra kokoa araka ny tenin’Andriamanitra.

Almà 5:15–36

Nampianatra i Almà fa takiana mba hahafahana miditra ny fanjakan’ny lanitra ny fiovam-po mahery vaika

Omeo taratasy kely zaraina izay misy an’ity tabilao manaraka ity ny mpianatra tsirairay, na asehoy eo amin’ny solaitrabe io tabilao io mba ho adikan’ireo mpianatra.

Cardiogram

Hazavao fa ny électrocardiogramme (na ny fitiliana ny fiasan’ny fo) dia fitiliana iray izay indraindray ampiasain’ireo mpitsabo hanombantombanana na hanaraha-maso ny fiasan’ny fontsika ara-batana. Manampy azy ireo izany hamantatra ireo olana na aretina izay ilàna fitsaboana.

Lazao ireo mpianatra fa rehefa avy nampianatra i Almà fa ny tenin’Andriamanitra dia nahatonga ny rainy sy ny maro hafa hiaina fiovam-po mahery vaika, dia nametraka fanontaniana maromaro tamin’ireo vahoaka izy, izay hanampy azy ireo hanombantombana ny toetoetran’ny fon’izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:14 sady mitady ireo fanontaniana telo izay napetrak’i Almà tamin’ireo vahoaka. (Azonao atao ny mandroso hevitra amin’izy ireo mba hanisy marika ireo fanontaniana ireo.)

Hazavao fa nametraka fanontaniana maro fanampiny i Almà mba hanampiana ny vahoakany handinika ny toetoetran’ny fon’izy ireo. Asao ireo mpianatra hanokana minitra vitsivitsy handalinana sy handinihana ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ery ambony amin’ilay électrocardiogramme ara-panahy. Amporisiho izy ireo hanisy marika ireo efajoro ao amin’ilay tabilao izay tena mamariparitra tsara ny fahatsapan’izy ireo hoe manao ahoana izy ireo raha ny mikasika ireo fanontaniana ao amin’ireo andinin-tsoratra tsirairay. (Mariho fa ny andininy sasantsasany dia misy fanontaniana mihoatra ny iray.) Noho ity asa ampanaovina ity izay tena mahakasika ny tena manokana dia tsy tokony hasaina hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy ireo mpianatra.

Rehefa nahavita ny électrocardiogramme azy ireo ireo mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 5:29–31, ka hitady fanontaniana vitsivitsy fanampiny izay napetrak’i Almà mba hanampiana ny vahoakany hanombantombanany ny fon’izy ireo. (Azonao atao ny mandroso hevitra ny mba hanovan’ireo mpianatra kely fotsiny ireo teny ao amin’ireo fanontaniana mba hampiharan’izy ireo izany amin’ny tenan’izy ireo: “Moa ve aho niendaka tamin’ny fialonana?” “Moa ve aho maneso ny hafa?” “Moa ve aho manenjika ny hafa?”)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 5:17–18, 20–25. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ireo antony mahatonga ny fontsika ho tsy maintsy ovaina ho fiomanana ho amin’ny andron’ny fitsarana. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa amin’ny alalan’ny fiainana fiovam-po no hiomanantsika handray toerana iray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra:

  • Inona avy ireo teny nampiasain’i Almà ka mamariparitra ny toe-javatra izay tianao hisy anao rehefa mijoro eo anoloan’Andriamanitra ianao mba hotsaraina? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ireo mpianatra dia azonao atao ny misarika ny sain’izy ireo hifantoka amin’ny Almà 5:16, 19.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny fiainana fiovam-po ankehitriny manampy anao hiomana handray toerana iray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra azy ireo eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fiantombohan’ny fotoam-pampianarana.)

Inona no anasan’ny Tompo antsika mba ho ataontsika?

Inona avy no vokatry ny fanekena na ny fandavana io fanasana io?

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 5:33–36 ary mandritra izany ireo mpianatra sisa dia hitady valiny ho an’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hizara ireo valinteny izay hitan’izy ireo.

Farano amin’ny fanomezana minitra vitsivitsy an’ireo mpianatra hanoratany. Asaivo misafidy andininy iray na andian-teny iray ao amin’ny Almà 5:1–36 izy ireo. Asao izy ireo hanoratra mikasika ny dikan’io andininy io na ireo teny ireo ho azy ireo, sy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manao izay asain’izany atao eo amim-pikatsahan’izy ireo hanova ny fon’izy ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona fa raha miaina fiovam-po mandrakariva isika ka manatanteraka asa feno fahamarinana, dia ho vonona hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 5:14, 26. “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanazava fa ny fahatsapana “fiovam-po mahery vaika” dia matetika dingana mizotra miandalana:

“Ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy dia katsahana mandritra ny androm-piainana ary matetika tokoa no ahitana fitomboana sy fiovana izay miadana, zara raha tsikaritra. Ny soratra masina dia mirakitra tantara miavaka momba ireo lehilahy izay nanana fiainana niova tamin’ny fomba mahatalanjona, tao anatin’ny fotoana fohy, toy ny an’i: Almà Zanany, Paoly teo amin’ny lalana nankany Damaskosy, Enôsa nivavaka hatramin’ny alim-be, ny Mpanjaka Lamônia. Ny ohatra mahatalanjona toy izany mikasika ny hery ahafahana manova, eny fa na hatramin’ireo izay nilona tao anatin’ny fahotana aza, dia manome toky fa ny Sorompanavotana dia afaka mahatakara, eny fa na dia ireo ao anatin’ny fahadisoam-panantenana lalina aza.

“Saingy tsy maintsy mitandrina isika rehefa miresaka mikasika ireo ohatra mahatalanjona ireo. Na dia tena nisy sy mahery vaika azy izy ireo dia tranga maningana ireny fa tsy ireny no tena tokony ho fandehany. Isaky ny misy Paoly iray, isaky ny misy Enôsa iray, isaky ny misy Lamônia Mpanjaka iray, dia misy olona an-jatony sy an’arivony izay mahita fa ny fizotran’ny fibebahana dia tsotra lavitra kokoa, tsy mora tsikaritra lavitra kokoa. Isan’andro izy ireo dia manatona kokoa an’ny Tompo, tsy dia mahatsikaritra fa eo am-panorenana fiainana mitovy amin’Andrimanitra izy ireo. Miaina fiainana tsotra izy ireo, feno hatsarana sy asa fanompoana ary fanolorantena. Toa an’ireo Lamanita izy ireo, izay hoy ny Tompo hoe ‘natao batisa tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina, ary tsy fantany izany’ (3 Ne. 9:20; nampiana sora-mandry)” (“A Mighty Change of Heart,” Ensign, Ôkt. 1989, 5).

Almà 5:21–24, 27. “Tsy misy olona azo vonjena raha tsy efa fotsiana ny fitafiany”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza ny fomba nahatakarany ny lanjan’izany hoe madio ara-panahy:

“Dimampolo taona mahery lasa izay nandritra ny Ady Lehibe faha-II dia nisy zavatra niainako. Ireo vondrona mpandatsaka baomba dia nahazo fiofanana tany Langley Field, Virginia, hampiasa ny fitaovana faran’izay vaovao indrindra—ny radar. Nalefa tany amin’ny Morontsiraka Andrefan’i Etazonia aloha izahay ary avy eo tany amin’ireo nosy Pasifika.

“Nalefa tamin’ny fiarandalamby iray mpitatitra entana izahay, izay nisy wagon misy fandriana kely mikombona miankina amin’ny rindrina azo velarina rehefa alina ny andro. Tsy nisy wagon-restaurant. Fa nasiana lakozia natao peta-toko tao amin’ireo wagon izay feno loto ny gorodona.

“Nitafy fanamiana miloko mazava fentina amin’ny fahavaratra izahay. Niala tamin’ny lalana ilay wagon nisy ny entana, ka dia tsy nanana akanjo fisolo izahay nandritra ilay dia izay naharitra enina andro. Tena nafana be ny famakivakiana an’i Texas sy i Arizona. Ny setroka sy ny lavenina avy amin’ilay maotera dia nahatonga izany ho tena nahasorena. Tsy nisy fomba handroana na hanasana ireo fanamianay. Niditra tao Los Angeles izahay indray maraina—andiana miaramila toa naloto tokoa—ary nasaina niverina teny ambony fiarandalamby ny harivan’io.

“Sakafo aloha no neritreretinay voalohany. Ny miaramila 10 taminay dia nanakambana ny vola rehetra nanananay ary nandeha nitady ny toeram-pisakafoana tsara indrindra hitanay.

“Feno olona be ilay izy koa dia namonjy filaharana lavabe izahay mba hahazoana toerana. Izaho no voalohany, taorian’ny vehivavy vitsivitsy nanao fitafiana tsara. Tsy nila nitodika akory ilay vehivavy nihaja teo anoloako dia nahatsapa sahady fa tao izahay satria namofona loatra.

“Nitodika izy dia nibanjina anay. Avy eo izy dia nitodika taty amiko ary nandinika ahy avy eny an-tampon-doha ka hatreny amin’ny rantsantongotra. Indro aho nijoro teo nitafy ity fanamiana feno hatsembohana, sy loto, sy lavenina ary niforiporitra. Hoy izy tamin’ny feo feno rikoriko hoe: ‘Loza, mba lehilahy voretra koa ireto!’ Nitodika taty aminay daholo ny mason’ny rehetra.

“Tsy nisalasalana fa naniry izy hoe tsy ho teo izahay; mba naniry izany tahaka azy koa aho. Nahatsiaro ho tena naloto tokoa aho, tsy nahazo aina, ary menatra.

“Taty aoriana, rehefa nanomboka fandalinana matotra ny soratra masina aho, dia nahatsikaritra andininy maro miresaka momba ny hoe madio ara-panahy. Misy andininy iray milaza hoe: ‘Ho fadiranovana kokoa ianareo raha hiara-hitoetra amin’ilay Andriamanitra marina sy masina, noho ny fahatsapana ny fahalotoanareo eo anoloany, toy izay hiara-hitoetra amin’ny fanahin’ny voaheloka ao amin’ ny helo.’ [Môrmôna 9:4.]

“Azoko tsara izany. Tsaroako ny zavatra tsapako tamin’iny andro tany Los Angeles iny. Nosintoniko tamin’izay fa ny hoe maloto ara-panahy dia hitondra henatra sy baraka mahery lavitra noho izay tsapako tamin’izany. Nahita andininy aho—misy valo raha kely indrindra—izay milaza fa tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra eo anatrehan’ Andriamanitra [jereo ny 1 Nefia 10:21; 15:34; Almà 7:21; 11:37; 40:26; 3 Nefia 27:19; F&F 94:9; Mosesy 6:57]. Nony takatro fa tsy misy ifandraisany velively amin’ny fitafy na tanana maloto ireo andininy ireo, dia nanapa-kevitra aho fa te hijanona ho madio ara-panahy” (“Washed Clean,” Ensign, Mey 1997, 9).