Lesona 53
Môsià 3
Fampidirana
Rehefa nanohy ny lahateniny tamin’ny olony i Benjamina Mpanjaka, dia nampita ny teny izay nolazain’ny anjely iray taminy mikasika ny asa fanompoana ho ataon’i Jesoa Kristy izy. Nijoro ho vavolombelona i Benjamina Mpanjaka fa amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana dia afaka mahazo famonjena ireo izay nanota. Nampianatra koa izy fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny olona iray izay manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia “manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina” (Môsià 3:19).
Sosokevitra Enti-mampianatra
Fanamarihana: Raha toa ianao ka namporisika ireo mpianatra hifehy sy hampihatra ny Môsià 2:17 nandritra ny lesona teo aloha dia omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra niainany ao anatin’ny lesona androany. Tandremo sao dia mandany fotoana be loatra amin’izany famerenana izany. Manisà fotoana ampy hifanakalozana hevitra momba ny fotopampianarana sy ny fitsipika ao amin’ny Môsià 3.
Môsià 3:1–10
Nambaran’ i Benjamina Mpanjaka ny tenin’ny anjely iray mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Manehoa vera tsy misy na inona na inona sy tavy iray misy rano. Asao ny mpianatra iray haneho hoe toy ny ahoana no habetsahan’ny rano hararany ao anatin’ilay vera ho an’ny olona iray izay te hanandrana ny tsiron’ny rano fotsiny ihany. Avy eo dia asao ilay mpianatra haneho hoe toy ny ahoana no habetsahan’ny rano hararany ho an’ny olona iray izay te ho afaka hetaheta. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity:
-
Raha maneho ny fifaliana ilay rano, toy ny ahoana ny habetsahan’ny rano tianao atao ao amin’ny veranao?
Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny fampianarana ao amin’ny Môsià 3 dia hanampy azy ireo hahita ny fomba hananan’izy ireo fifaliana feno.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 3:2–5. Asao ny iray kilasy hamantatra ny loharano nahazoana ny hafatra napetrak’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môsià 3.
Antitrantero fa ny Môsià 3 dia mirakitra ny fanambaran’ny anjely iray mikasika ny “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” (Môsià 3:3). Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 3:5–10. Asao ireo mpianatra hikaroka teny na andian-teny izay manampy azy ireo hankasitraka bebe kokoa ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo teny na andian-teny ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny teny na andian-teny hitan’izy ireo.
-
Manampy anao ahatakatra inona amin’ny asa nanirahana ny Mpamonjy ny Môsià 3:7?
-
Araka ny eritreritrao, nahoana ilay anjely no nilaza fa hitondra fifaliana lehibe io hafatra io?
Asao ireo mpianatra hanoratra famintinana ao anatin’ny fehezanteny iray mikasika ny Môsià 3:5–10 ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na ny kahien’izy ireo ao an-dakilasy. Rehefa avy nomena fotoana ampy nanoratana izy ireo dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany. Ny famintinana nataon’ireo mpianatra dia tokony haneho ny fahatakarany ny fampianaran’ilay anjely hoe nijaly i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahotantsika.
Azonao atao ny manontany ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona no zavatra tsapanao rehefa mieritreritra mikasika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?
Mba hanampiana ireo mpianatra hanatevina ny fahatakaran’izy ireo ny fijalian’ny Mpamonjy dia zarao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona James E. Talmage ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny fijalian’i Kristy tao amin’ilay saha dia tsy takatry ny sain’olombelona, na ny hamafiny na ny antony. … Nitolona sy nitaraina Izy teo ambanin’ny zioga iray izay tsy vitan’ny olona hafa efa niaina teto an-tany akory ny misaintsaina izany hoe mety hisy. Tsy fanaintainana ara-batana izany, na fahorian-tsaina fotsiny no nahatonga azy hiaritra fijalijaliana toy izany izay nampivoa-dra ny mason-kodiny rehetra; fa fijaliana ara-panahy izay tsy azon’iza na iza niaretana afa-tsy Andriamanitra irery ihany. … Tao anatin’izany ora nijaliana izany dia natrehan’i Kristy ary noreseny ireo zava-doza rehetra azon’i Satana, ’ilay printsin’izao tontolo izao,’ atao amin’ny olona. … Raha lazaina amin’ny teny hafa dia, nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny enta-mavesatra sy ny fahotan’ny olombelona rehetra nanomboka tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, izay marina sy tena nisy na dia tsy takatry ny sain’olombelona aza” (Jésus le Christ, fanontana fahatelo. [1916], 613).
Môsià 3:11–27
Nijoro ho vavolombelona i Benjamina Mpanjaka fa afaka manaisotra ny maha olon’ny nofo isika ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Lazao amin’ireo mpianatra fa i Benjamina Mpanjaka dia nitatitra ny fitantaran’ilay anjely momba ireo andian’olona samy hafa sy ny fomba niharan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tamin’ny andiany tsirairay. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 3:11–13, 16 ka hikaroka ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo. (Mba hanampiana azy ireo hamaly ny fanontaniana voalohany dia azonao atao ny mampamaky azy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–10. Mba hanampiana azy ireo amin’ny fanontaniana fahatelo dia azonao atao ny mampamaky azy ireo ny Môrônia 8:8, 17 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–47.)
Vakio ity fanambarana ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, mikasika ny fiantraikan’ny Sorompanavotana eo amin’ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra:
“Hitantsika ao amin’ny soratra masina hoe ’ny rany koa dia manonitra noho ny fahotan’ ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàn’ i Adama, izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ ny tsy fahalalana’ (Môsià 3:11). Mitovy amin’izay ihany no ’anoneran’ ny ran’ i Kristy ny fahotan’ ny [ankizy madinika] amin’ ny sorompanavotana’ (Môsià 3:16). Ireo fampianarana ireo izay milaza fa ny herin’ny Sorompanavotana izay manangana amin’ny maty sy manadio dia natao ho an’ny rehetra, dia mifanohitra amin’ny filazana fa olona vitsy voafidy ihany no vonjen’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ho an’ny rehetra ny fahasoavany. Ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo dia mampivelatra ny fomba fijerintsika sy manitatra ny fahatakarantsika ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ny rehetra, sy ny fiantraikan’ny Sorompanavotany amin’ny olona rehetra na aiza na aiza misy azy” (“All Men Everywhere,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 77).
-
Inona ny fitsipika ianarantsika ao amin’ny Môsià 3:12 mikasika ny fomba fiasan’ny Sorompanavotana amintsika? (Ho voavonjy amin’ny fahotantsika isika rehefa mino an’i Jesoa Kristy sy mibebaka.)
-
Araka ny voalazan’io andininy io, inona no hitranga amin’ireo izay mifidy ny tsy hino an’i Jesoa Kristy sy tsy hibebaka?
Lazao amin’ireo mpianatra fa ny Môsià 3:19 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ity andininy ity amin’ny fomba miavaka mba hahafahan’izy ireo mahita mora foana ny toerana misy izany. Ao amin’ny Môsià 3:19, dia sariho ihany koa ny sain’izy ireo hifantoka amin’ny fampiasan’ilay anjely ny fomba fitenanana hoe “olon’ny nofo.” Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io andian-teny io, dia vakio ity fanazavana manaraka ity izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina:
Ny olona araka ny nofo dia “olona misafidy ny hotarihin’ny firehetampo, sy ny faniriana, sy ny filana ary ny fahatsapan’ny nofo fa tsy ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny olona toy izany dia afaka mahatakatra ny zavatra ara-nofo fa tsy ny zavatra ara-panahy. Ara-nofo, na hoe mety maty avokoa ny olon-drehetra noho ny fahalavoan’i Adama sy Eva. Tsy maintsy ateraka indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay” (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona araka ny Nofo,” scriptures.lds.org).
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny Môsià 3:19 amim-pahanginana izy ireo.
Lazao amin’ireo mpianatra fa ny olona iray, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manao mihoatra noho ny mitsahatra fotsiny ny tsy ho “olona araka ny nofo.” “Lasa olomasina” izy. Ankoatra ny famonjena antsika amin’ny fahotana, dia manova antsika ny Mpamonjy ho lasa olona tsaratsara kokoa noho izay mety ho vitan’ny tenantsika. Manampy antsika Izy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fotopampianarana ity, dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo :
“Tanana madio sy fo mahitsy no takiana mba hahafahana miakatra eny amin’ny tendrombohitry ny Tompo sy mitoetra ao amin’ny fitoerany masina [jereo ny Salamo 24:3–4].
“Mamelà ahy hilaza fa ny tanana dia lasa madio amin’ny alalan’ny dingan’ny fanaisorana ny maha olona araka ny nofo, sy amin’ny alalan’ny fandresena ny fahotana sy ny fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainantsika, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fo dia lasa madio rehefa mandray ny heriny mampahery hanao ny tsara sy ho lasa tsaratsara kokoa isika. Ny faniriana tsara rehetra ananantsika sy ny asa tsara rehetra ataontsika, na dia ilaina tahaka ny inona aza, dia tsy afaka miteraka tanana madio sy fo mahitsy na oviana na ovinana. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no sady manome hery manadio sy manavotra izay manampy antsika handresy ny fahotana no sady manome hery manamasina sy mampahery izay manampy antsika ho tonga tsaratsara kokoa noho izay azontsika atao amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny herin’ny tenantsika fotsiny ihany. Ilay Sorompanavotana tsy misy fetra dia sady natao ho an’ilay mpanota no natao ho an’ilay olomasina izay ao anatintsika tsirairay avy” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 82).
Mba hanampiana ireo mpianatra hamintina ireo fotopampianarana nianaran’izy ireo tao amin’ny Môsià 3:19, dia manontania hoe:
-
Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay hitanao ao amin’ny Môsià 3:19?
Mety hitanisa fotopampianarana maro avy amin’io andinin-tsoratra masina io ny mpianatra, anisan’izany ireto manaraka ireto:
Ny olona araka ny nofo dia fahavalon’Andriamanitra.
Rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika, dia manaisotra ny maha olona araka ny nofo.
Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy no ahafahantsika manaisotra ny maha olona araka ny nofo ary ho lasa olomasina.
Asao ireo mpianatra hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana, na ny manomana taratasy hozaraina misy ireo fanontaniana, na ny mamaky miadana ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra mandika azy ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)
-
Inona no azonao atao mba hanekena feno kokoa ny “fitaoman’ny Fanahy Masina”? Inona no ho ataonao mandritra ny herinandro manaraka mba hihatsara eo amin’izany sehatra izany eo amin’ny fiainanao?
-
Inona amin’ny toetran’ny ankizy voatanisa ao amin’ny Môsià 3:19 no tena ilainao ampitomboina? Inona no ho ataonao mandritra ny herinandro manaraka hanampiana anao hampitombo izany toetra izany?
Mba hanampiana ireo mpianatra hanana fankasitrahana lehibe kokoa noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia vakio amin’izy ireo ny Môsià 3:23–26. Hazavao fa ny teny hoe “kapoaky ny fahatezeran’Andriamanitra” ao amin’ny andininy faha 26 dia entina hilazana ny fijalian’ireo izay minia manota sy tsy mibebaka any amin’ny farany. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Asao ny mpianatra rehetra hihaino ny teny hoe kapoaka ao amin’ny andininy faha 18.
-
Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba tsy hahatonga antsika ho voatery hisotro “[amin’ny] kapoaky ny fahatezeran’Andriamanitra”? (Nisotro izany kapoaka izany ny tenany, nitondra ny fanasaziana noho ny otantsika. Raha mibebaka marina isika dia tsy ho voatery hiaritra izany fanasaziana izany.)
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra tato amin’ity lesona ity.