Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 20


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 39–44 (Fizarana 20)

Fitaovana Fanomanana Ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona Isan’andro Ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Almà 39–44 (fizarana 20) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Almà 39)

Rehefa nandalina ny tenin’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy mafy loha ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Nampianatra ny zanany ihany koa i Almà fa tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanekena sy ny fialana amin’ny fahotantsika ary ny fitodihana amin’ny Tompo amin’ny saintsika rehetra, ny herintsika rehetra, ary ny tanjatsika rehetra. Namaky ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona ny mpianatra fa tonga mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy.

Andro 2 (Almà 40–41)

Sahiran-tsaina momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany i Kôriantôna. Nianatra fotopampianarana samihafa mifandray amin’ny fitsanganana amin’ny maty avy amin’ny valintenin’i Almà tamin’ireo olana ireo ny mpianatra ary tao anatin’izany ny fahamarinana hoe haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany. Nanantitrantitra koa i Almà fa “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10).

Andro 3 (Almà 42)

Nanampy an’i Kôriantôna i Almà mba hahita fa mahatonga ny tsirairay hoesorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy fankatoavana. Ary ny mpianatra kosa dia nianatra fa mamela ny olona tsirairay handresy ny toetrany lavo ny drafitry ny fanavotana. Nanamafy ny fampianaran’i Almà fa nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ny fijalian’i Jesoa Kristy ka noho izany dia azo atolotra ireo izay mibebaka ny famindram-po.

Andro 4 (Almà 43–44)

Nianatra mikasika ny ady iray teo amin’ny Lamanita sy ny Nefita ny mpianatra. Lesona iray nianaran’izy ireo avy ao amin’ny Almà 43–44 ny hoe afaka manana fahafahana hiaro ny tenantsika bebe kokoa amin’ny fahavalo isika rehefa mikatsaka sy manaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany. Ankoatra izay dia nahita ny mpianatra fa hanampy antsika amin’ny fanatanterahana ireo fikasana sy faniriana marina ananantsika ny Tompo rehefa mivavaka Aminy mikasika izany isika.

Fampidirana

Araka izay voarakitra ao amin’ny Almà 39–42 dia nanampy an’i Kôriantôna zanany lahy i Almà hahatakatra ny maha zava-doza ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ireo fotopampianarana mifandray amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany ary ny vokatry ny lalàn’ny fahamarinana sy ny famindram-po. Hanome fahafahana ny mpianatra hifampianatra sy hifanome fanazavana ireo fotopampianarana ireo ity lesona ity.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Manomàna taratasy hozaraina izay mirakitra ireo torolalana ao amin’ity lesona ity alohan’ny fotoam-pianarana. Fantaro tsara ireo torolalana ireo mba hahafahanao hanampy ny mpianatra hahomby amin’ny ezaka ataon’izy ireo hifampianatra.

Almà 39–41

Nampianatra i Almà fa mitondra fahasambarana ny fibebahana

Atombohy amin’ny fanasana ny mpianatra hanao tsianjery miaraka ny Almà 39:9 ny fotoam-pianarana, izay andinin-tsoratra masina fehezina namporisihana azy ireo ho ataony tsianjery nandritra ny fandalinan’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Manontania raha misy olona iray afaka mampahatsiahy ny antony nananaran’i Almà an’i Kôriantôna zanany mba hibebaka sy hahafoy ny fahotany ao amin’io andininy io.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Almà koa ao amin’ny Almà 40–41 dia niresaka ny zavatra nanahiran-tsaina an’i Kôriantôna mikasika ny fananganana ny maty sy ny Fitsarana Farany. Mba hanampiana ny mpianatra hanazava ny zavatra nianaran’izy ireo sy hizara ny zavatra tsapany ary ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana hita ao amin’ny Almà 39–41 dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto alohan’ny hiatombohan’ny fotoam-pianarana:

  1. Nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Jereo ny Almà 39:1–9.)

  2. Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Inona no mampiavaka ny vatana mety maty sy ny vatana natsangana tamin’ny maty? Inona no mitranga aorian’ny hananganana antsika amin’ny maty? (Jereo ny Almà 40:21–26.)

  3. Hotsaraina amin’ny fomba manao ahoana aho amin’ny Fitsarana Farany? (Jereo ny Almà 41:1–7.)

  4. Toa hita ho sambatra ireo izay mandika ny didy. Marina ve izany? (Jereo ny Almà 41:10–15.)

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa misiônera izy ireo ary manana fotoana izy ireo hihaonana amin’ny olona iray izay mikatsaka ny valin’ireo fanontaniana ireo. Ampahafantaro azy ireo fa homena fotoana hiomanana izy ireo ary aorian’izay dia omena fahafahana hamaly ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 39–41.

Raha mamela ny hanaovana izany ny isan’ny mpianatrao dia ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra izay maneho misiônera mpiara-mitory. Omeo iray amin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny mpiara-mitory tsirairay. (Raha kelikely ny isan’ny mpianatrao dia azonao omena ny mpianatra tsirairay ireo fanontaniana.) Omeo ny tahadikan’ireo torolalana etsy ambany ny mpiara-mitory tsirairay avy ary asao izy ireo hampiasa ireo andinin-tsoratra masina omena eo amin’ny fiafaran’ny fanontaniana nomena azy ireo mba hamaliana ny fanontanian’ny naman’ny Fiangonana ampianarin’izy ireo. Omeo fotoana ny mpianatra hamakiana ireo andinin-tsoratra masina sy hanomanana lesona fohy ho an’ny naman’ny Fiangonana ampianariny. Amporisiho ny mpiara-mitory tsirairay handray fanapahan-kevitra ny amin’ny ampahan’ny torolalana hiandraiketan’ny tsirairay avy amin’izy ireo mba hampianarina.

Rehefa miomana ny mpianatra dia azonao atao ny mandehandeha eny anivon’ny mpianatra mba hahafahanao mihaino sy manome fanampiana araka izay ilaina. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hitady ireo fotopampianarana avy ao amin’ny Almà 39–41 izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana nomena azy ireo. Ampiasao ho fitarihana ireto fotopampianarana ireto:

Fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Almà 39:1–9).

Fanakambanana ny fanahy sy ny vatana ny fitsanganana amin’ny maty, ary haverina amin’ny laoniny avokoa amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra (jereo ny Almà 40:21–26).

Haverina amin’ny laoniny isika na amin’ny fahasambarana na amin’ny fahoriana arakaraka ny asantsika sy ny faniriantsika teto amin’ny fiainana an-tany (jereo ny Almà 41:1–7).

Ny fahatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana (jereo ny Almà 41:10–15).

Torolalana

Aoka ianao ho vonona hanao izao manaraka izao rehefa mampianatra:

  1. Manomeza fampahalalana momba ny tantara mikasika ireo andininy (toy ny fanazavana hoe iza no niteny, niresaka tamin’iza izy ireo ary nahoana).

  2. Vakio ny ampahany amin’ireo andinin-tsoratra masina nomena mba hanampiana anao hamaly ny fanontaniana nomena anao.

  3. Manorata fotopampianarana na fitsipika nampianarina ao amin’ireo andininy izay nohalalininao ka misy hifandraisany ny fanontaniana nomena anao.

  4. Hazavao ny fomba hanampian’ny fotopampianarana na fitsipika nosoratanao hamaliana ny fanontaniana nomena anao. Azonao atao ny miteny amin’ireo ampianarinao mba hanoratra io fotopampianarana na fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  5. Zarao hoe nahoana no manan-danja aminao io fotopampianarana na fitsipika io ary mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nampianarinao.

Rehefa avy niomana ny hamaly ireo fanontaniana nomena azy ny mpianatra dia ataovy ao anaty vondrona kely maromaro izy ireo mba hahafahany mifampianatra. (Raha vitsy ny mpianatrao dia asao ny mpiara-mitory tsirairay hampianatra ny mpianatra iray manontolo.) Rehefa avy mifampianatra ny mpianatra dia apetraho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Rehefa mieritreritra ny fahotan’i Kôriantôna ianareo, nahoana araka ny eritreritrareo no hanampy azy ny fahatakarana ireo fotopampianarana ireo?

  • Nahoana no ho manan-danja ny fahafahana manazava ireo fahamarinana ireo amin’ireo izay hifaneraseranao eo amin’ny fiainanao?

  • Nahoana no manan-danja ny hahatakaranao sy hiainanao ireo fahamarinana ireo?

Almà 42

Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny fahamarinana sy ny famindram-po i Almà

Manaova sarina loviam-pandanjana roa eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra iray hampianatra ireo hevitra fonosin’ny fahamarinana sy famindram-po amin’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ilay sary sy ny zavatra nianarany avy amin’ny torolalana nomen’i Almà an’i Kôriantôna ao amin’ny Almà 42. Asao ny mpianatra hamadika soratra masin’izy ireo ao amin’ny Almà 42 ary hitady ireo andian-teny sy fehezanteny mikasika ny fahamarinana sy ny famindram-po izay nasian’izy ireo marika na notsipihiny.

Sary
fandanjana

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fepetra hanomezana ny famindram-po dia apetraho amin’izy ireo ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no tsy maintsy nataon’i Jesoa Kristy mba hahatonga ny famindram-po ho azo omena antsika?

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana famindram-po?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny antony hankasitrahan’izy ireo ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Almà 43–44

Miaro antsika amin’ny fahavalo ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminany

Raha misy fotoana tavela dia asao ny mpianatra hamerina hijery ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 43–44 amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra nosoratan’izy ireo tao amin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fanaovan’izy ireo ny adiny ara-panahy (andro 4, asa ampanaovina 3 sy 4). Mijoroa ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny heriny mba hanolotra famindram-po rehefa mibebaka isika ary hiaro antsika rehefa manatona Azy isika.

Fizarana manaraka (Almà 45–63)

Nahoana ny Nefita no nahomby tokoa tamin’ny ady tamin’ny fahavalony? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’izy ireo niady tamin’ny herin’ny Tompo? Afaka mahazo ny valin’izay isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny ohatra nasehon’ny Kapiteny Môrônia sy i Helamàna ary ireo zatovolahy mpiadiny.

Hamoaka printy