Tahirim-pitaovana
Lesona 99: Almà 42


Lesona 99

Almà 42

Fampidirana

Namarana ny fananarany an’i Kôriantôna zanany lahy i Almà tamin’ny alalan’ny fanazavana fa nanomana lalana ho an’ireo izany manota ny Ray any an-danitra mba hahazoana famindram-po. Nampianatra izy fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitaky ny fanesorana ireo mpanota hiala eo anatrehan’Andriamanitra. Nijoro ho vavolombelona izy fa “hanefa ny fitakian’ny fahamarinana” (Almà 42:15) i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fijaliana ho an’ireo rehetra izay nanota ary amin’ny fanomezana famindram-po amin’ireo izay mibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 42:1–14

Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny fahamarinan’Andriamanitra i Almà

Manaova sarin’ny mizana tsotra eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana araka izay hita eo amin’ny pejy manaraka. (Aza asiana soratra eo amin’ny sary mandra-panomezan’ny lesona torolalana hanao izany. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra handika io sary io ao anatin’ny kahie na ny diary fandalinana soratra masina. )

Soraty eo ambonin’ireo mizana ity fehezanteny manaraka ity: Tiako ho ara-drariny ny Fitsarana Farany.

Asao ny mpianatra hanangan-tanana raha manaiky ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe.

  • Nahoana no tianareo ho ara-drariny ny Fitsarana Farany?

  • Inona no dikan’ ny teny hoe: ara-drariny?

Lazao fa ny hoe ara-drariny dia mety midika hoe mahazo izay mendrika ho anao. Ny hevitry ny hoe ara-drariny dia mifandray amin’ilay tena fampiasa ao amin’ny soratra masina hoe fahamarinana. Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay mizana ny teny hoe Fahamarinana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitry ny hoe fahamarinana dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Manana heviny maro ny Fahamarinana. Fifandanjana ny iray. Mari-pamantarana fanta-dazan’ny fahamarinana ireo loviam-pandanjana amin’ny mizana. Rehefa nodikaina noho izany ny lalàn’ny olombelona dia matetika ny fahamarinana no mitaky ny hametrahana fanasaziana, izay sazy hamerina amin’ny laoniny ilay mizana [mba hifandanja]. …

“[Ny] lalàn’Andriamanitra koa dia misy ifandraisany amin’ny fahamarinana tahaka izany. Ny fahamarinana amin’ilay heviny manao hoe mahazo izay mendrika ho anao no hevitra fototra manan-danjan’ny soratra masina rehetra izay miresaka mikasika ny hoe hotsaraina araka ny asany ny olona” (“Sins, Crimes, and Atonement” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra ny filazantsara eo anivon’ny DFF, 7 Feb 1992], 1, si.lds.org).

Hazavao fa nanana tebiteby mikasika ny fahamarinan’ny Fitsarana Farany i Kôriantôna zanakalahin’i Almà. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 42:1 ary ny iray kilasy kosa dia hikaroka izay noheverin’i Kôriantôna fa tsy rariny na tsy marina mikasika ny Fitsarana Farany.

  • Inona no tsapan’i Kôriantôna fa tsy rariny? (Ny mpanota dia halefa na hapetraka ao amin’ny toetry ny fahoriana.)

  • Inona no mety ho antony nanirian’i Kôriantôna hino fa tsy rariny ho an’ireo izay nanota ny hofaizina? (Raha ilaina ny mampahatsiahy ny mpianatra fa nanana olana tamin’ny fahotana isan-karazany i Kôriantôna dia asao izy ireo hamaky ny Almà 39:2–3.)

  • Raha toa ny fahamarinana ka midika hoe mandray izay mendrika ho antsika isika ary saziana noho ny fahotantsika, nahoana izany no mety hampitebiteby antsika koa? (Samy manota avokoa isika rehetra ary iharan’ny fitakian’ny fahamarinana.)

Fintino ny Almà 42:2–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa noresahin’i Almà ny zavatra nanahiran-tsaina an’i Kôriantôna. Nampianatra ny Fahalavoan’i Adama izay nitondra ny olona rehetra ho amin’ny toetry ny fahalavoana izy, toetra izay tsy maintsy handalovan’izy ireo amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy (jereo ny Almà 42:9). Nanazava koa izy fa raha tsy nisy fomba nanavotana tamin’izany toetry ny fahalavoana izany dia ho fadiranovana avokoa ny fanahin’ny olona rehetra ary nesorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay (jereo ny Almà 42:11).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 42:12. Hazavao fa ity andininy ity dia manazava fa ny fahalavoana sy ny vokatr’izany, ao anatin’izany ny fanesorana hiaina eo anatrehan’Andriamanitra, dia tonga noho ny tsy fankatoavan’i Adama ny didin’Andriamanitra. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa tsy mankatò ny didin’Andriamanitra isika—rehefa manota isika—dia manalavitra kokoa ny tenantsika ara-panahy amin’Andriamanitra ary mametraka ny tenantsika eo ambanin’ny fitakian’ny fahamarinana. (Azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ny Fanekem-pinoana 1:2.) Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 42:14 mba hikaroka ny vokatra takian’ny fahamarinana noho ny tsy fankatoavana.

  • Inona no dikan’ny hoe “esorina hiala” eo anatrehan’Andriamanitra? (Sarahana amin’Andriamanitra ary tsy afaka miverina miara-monina Aminy. Azonao atao koa ny milaza fa rehefa manota isika dia misintona ny tenantsika tsy hanana ny Fanahy Masina ho namana, izay mpikambana ao amin’ny Andriamanitra.)

Ampio ireto andian-teny ireto eo amin’ny fanehoana an-tsary eny amin’ny solaitrabe Tsy fankatoavana na fahotana sy Esorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra araka izay aseho eto ambany.

Sary
fandanjana

Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Almà 42:1–14, ahoana no hamintinanao amin’ny fehezanteny iray ny zavatra takian’ny lalàn’ny fahamarinana rehefa tsy mankatò ny olona iray? (Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fandanjana ity fahamarinana manaraka ity: Mitaky ny hanesorana antsika hiala eo anatrehan’Andriamanitra ny lalàn’ny fahamarinana noho ny tsy fankatoavantsika. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 42:1–14.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 42:18 mba hikaroka vokatry ny fahotana iray hafa.

  • Inona no dikan’ny hoe mahatsapa fanenenan’ny fieritreretana?

Asao ny mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo nenina sy alahelo na tsy fananana ny Fanahy Masina satria nanota izy ireo. Asao izy ireo haka sary an-tsaina izany fahatsapana izany raha ampitomboina amin’ny isan’ny zava-drehetra tsy nety nataon’izy ireo. Asao izy ireo avy eo haka sary an-tsaina izany fahatsapana izany mijanona ao anatin’izy ireo mandrakizay.

Azonao atao ny mametraka ity fanontaniana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny filana famindram-po:

  • Miainga avy amin’ny zavatra nianaranareo tao amin’ny Almà 42:1–14, tianareo hifototra amin’ny fahamarinana fotsiny ihany ve ny Fitsarana Farany?

Almà 42:15–31

Nampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny drafitry ny famindram-po i Almà

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tsy maintsy efaina ny fitakian’ny fahamarinana dia tondroy ilay lafiny misy hoe famaizana eo amin’ny fandanjana eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny mitazona famafana solaitrabe toy ireny hoe handeha hamafa ny fitakian’ny fahamarinana ireny ianao. Manontania hoe:

  • Misy fomba hanafoanana na hanesorana ny fitakian’ny fahamarinana ve? (Tsia: Rehefa voadika ny lalàn’Andriamanitra dia mitaky famaizana ny fahamarinana. Tsy maintsy efaina ny fitakian’ny fahamarinana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.)

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tsy rariny ny hamafa ireo vokatra izay takian’ny fahamarinana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 42:25.

  • Araka ny voalazan’i Almà, inona no hitranga raha esorina ireo vokatry ny fahotana ary navela tsy ho voaefa ny fitakian’ny fahamarinana?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hanomezana azy ireo ny andinin-tsoratra masina hitadiavana ny valiny:

  • Raha tsy azo fafana ny fitakian’ny fahamarinana dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo izay nanota (ny tsirairay avy amintsika) hanana fiadanan’ny fieritreretana sy haverina amin’ny laoniny ho eo anatrehan’Andriamanitra? (Rehefa avy omena fotoana hisaintsainana ilay fanontaniana ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ny Almà 42:15. Mety hanampy ny hanazavana fa ny fehezanteny hoe “hanefa ny fitakian’ny fahamarinana” dia midika hoe manonitra na miaritra fanasaziana izay takian’ny fahamarinana.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 42:15, amin’ny fomba ahoana no hanatanterahana ny famindram-po amintsika?

Miainga avy amin’ny valintenin’ny mpianatra dia fafao ilay fehezanteny hoe “esorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra” eny amin’ny solaitrabe ary manorata hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy Famindram-po. Soraty eo ambanin’ny fandanjana ity fahamarinana manaraka ity: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nanefa ny fitakian’ny fahamarinana mba hahafahana manolotra famindram-po amintsika.

Sary
fandanjana
  • Midika inona aminao ny ahafantatra fa vonona ny hijaly eo amin’ny toeranao ny Mpamonjy mba hahafahana manolotra ny famindram-po aminao?

Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 42:22–24 sy hitady ny zavatra takiana mba hahafahana manolotra amintsika ny famindram-po.

  • Inona no takiana amintsika mba hahazoana famindram-po ary hisorohana ny fitakian’ny fahamarinana amin’ny fahafenoany? (Rehefa avy mahita ny mpianatra fa ny fibebahana dia fitaovana ahafahantsika mahazo famindram-po dia soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay fandanjana ity fitsipika manaraka ity: Mahazo famindram-po amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika raha mibebaka. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Almà 42:22–24.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay andian-teny hoe “mivalo marina”? (Mibebaka amin-kitsimpo.)

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra fa nisolo toerana antsika niaritra ireo fanasaziana noho ny fahotantsika ny Mpamonjy?

Hazavao fa i Jesoa Kristy no Mpanalalana antsika. Ny mpanalalana dia olona mijoro eo anelanelan’ny olona na vondrona roa mba hanampy amin’ny famahana fifandirana iray. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ireo antony mahatonga ilay olona fahatelo ho ilaina mba hanolorana famindram-po amin’ilay mpanota:

“Noho ny lalàna mandrakizay dia tsy azo omena ny famindram-po raha tsy hoe misy olona iray izay sady vonona no afaka ny hanonitra ny trosantsika sy handoa ny sarany ary handamina ireo fepetra takiana ho an’ny fanavotana antsika.

“Raha tsy misy ny mpanalalana, raha tsy misy ny namana iray, dia hihatra tanteraka amintsika tsy misy fanamaivanana ny fepetra takian’ny fahamarinana. Ny fanonerana feno ireo fandikan-dalantsika rehetra, na kely izany na be, dia tsy maintsy hotakiana amintsika ambaram-pandoa[ntsika] ny variraiventy farany indrindra.

“Kanefa fantaro izao: Ny fahamarinana, ny fahamarinana be voninahitra dia manambara fa misy ny Mpanalalana. …

“Amin’ny alalany dia azo omena antsika tsirairay tanteraka ny famindram-pony kanefa tsy mandika ny lalàna mandrakizain’ny fahamarinana izany. …

“Tsy mandeha ho azy anefa ny fanomezana ny famindram-po. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao Aminy no hahatanteraka izany. Hatao amin’ny alalan’ny fepetra takiany izany, ireo fepetra takiany feno falalahan-tanana” (“The Mediator,” Ensign, Mey 1977, 55–56).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 42:29–31 ary hikaroka ny zavatra nirian’i Almà ho an’i Kôriantôna. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mamela ny fahamarinana sy ny famindram-po ary ny fijalian’ny Tompo “hahazo vahana ao am-ponao”?

Asao ny mpianatra hanoratra fomba hitondrana lesona fohy izay maneho ny fomba hampianaran’izy ireo ny hevitra fonosin’ny fahamarinana sy ny famindram-po amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo hampianatra ny fianakaviany ny zavatra nianarany androany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny zavatra nanahiran-tsaina an’i Kôriantôna mikasika ny maha ara-drariny ny fahamarinan’Andriamanitra. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona fa ho ara-drariny ny Fitsarana Farany ary hahazo izay mendrika antsika isika amin’ny farany araka ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Azonao atao koa ny manamafy fa nibebaka tamin’ny fahotany i Kôriantôna ary nitondra fiantraikany tsara teo amin’ny firoboroboan’ny Fiangonana (jereo ny Almà 49:30). Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba tokony hanatanterahany ny dingan’ny fibebahan’ny tenany manokana.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fankasitrahany sy fijoroany ho vavolombelona ny amin’ny fahavononan’ny Mpamonjy hanonitra ny fahotantsika sy hisolo toerana antsika hanefa ny fitakian’ny fahamarinana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny famindram-po sy ny fanavotana azo tanterahina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 42:1. Ny fahamarinan’ Andriamanitra

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson a amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tsy afaka ny ho azo afa-tsy amin’ny alalan’ny fibebahana ny fahasambarana:

“Ny tena fifaliana dia tsy miankina amin’ny fandavana ny fitsaran’ Andriamanitra, na amin’ny fanandramana hanodina ny vokatry ny ota, fa miankina amin’ny fibebahana sy famelan-keloka amin’ny alalan’ny sorompanavotana tamim-pamindram-po nataon’ny Zanakalahin’ Andriamanitra” (“Ny Fitahiana avy amin’ny Soratra Masina,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 34).

Almà 42:15. “Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao”

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny filazana hoe “Izy Andriamanitra tenany” manonitra ho an’ny fahotantsika dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Tsy mpanalalana fotsiny i Kristy fa mpitsara koa. Amin’io anjara asa amin’ny maha mpitsara io no ahitantsika heviny lehibe kokoa amin’ny fitenenana hoe “ho avy hanavotra ny vahoakany ‘Izy Andriamanitra tenany.’ Izany dia toy ny hoe ilay mpitsara ao amin’ilay efitranom-pitsarana any an-danitra, izay tsy vonona ny hangataka an’iza na iza afa-tsy ny tenany ihany mba hitondra ny enta-mavesatr’ireo olo-meloka mijoro eo amin’ny toerana natokana ho an’ny olo-meloka, no manala ny akanjo maha mpitsara azy ary midina ety an-tany mba hiaretan’ny tenany manokana ny mafy tokony hiaretan’izy ireo. Ny mieritreritra an’i Kristy amin’ny maha mpitsara be indrafo azy dia tena kanto sy mahatalanjona tahaka ny mieritreritra an’i Kristy amin’ny maha mpanolotsaina, mpanalalana, ary mpisolo vava Azy” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 81).

Hamoaka printy