Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano Fizarana 17


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Almà 17–24 (Fizarana 17)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka an’ireo fotopampianarana sy fitsipika ity izay nianaran’ireo mpianatra tamin’izy ireo nandalina ny Almà 17–24 (fizarana 17) dia tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona izay ampianarinao dia mifantoka amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ihany. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Almà 17–18)

Avy amin’ny ohatr’i Amôna sy ireo rahalahiny nampianatra ireo Lamanita no nianaran’ireo mpianatra fa amin’ny alalan’ny fikarohana ny soratra masina, sy ny fivavahana ary ny fifadian-kanina no ahafahantsika mandray ny Fanahy Masina sy mampianatra ny hafa amin-kery. Ny asa fanompoana nataon’i Amôna ho an’i Lamônia Mpanjaka dia mampianatra ihany koa lafiny iray manan-danja amin’ny asa fitoriana—dia ny hoe: rehefa maneho ohatra tsara isika dia ataon’ny Tompo tonga fitaovana eo am-pelatanany. Ireo mpianatra dia afaka nahita fa ny asa fanompoan’i Amôna ho an’i Lamônia dia nanomana ireo mpitondra fanjakana Lamanita sy ny hafa hanaiky ny filazantsara. Ny fiovam-pon’i Lamônia Mpanjaka dia mampianatra fa rehefa mahatakatra ny antony ilantsika ny Mpamonjy isika dia hanam-paniriana ny hibebaka.

Andro 2 (Almà 19–20)

Nianatra ireo mpianatra fa ny teny vavolombelon’i Amôna sy ny ohatra feno fahamarinana nasehony dia nanampy ny rain’i Lamônia hitodika any amin’Andriamanitra. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny asa feno fitiavana ataontsika dia afaka mitarika ny hafa hanalefaka ny fony sy hikatsaka ny hahalala ny fahamarinana.

Andro 3 (Almà 21–22)

Ny fitantarana ny asa fitoriana nataon’i Aharôna dia nanampy ireo mpianatra hahita fa raha toa isika mijanona ho mahatoky hatrany eo anatrehan’ireo fitsapana mahazo antsika dia hanampy antsika ny Tompo hanao ny Asany. Nanampy ny rain’i Lamônia Mpanjaka i Aharôna mba hahatakatra fa amin’ny alalan’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy ihany no ahafahany mahazo famonjena. Tahaka io mpanjaka io, isika ihany koa dia tsy maintsy vonona ny hamoy ny fahotantsika rehetra mba hiova ara-panahy sy ho aterak’Andriamanitra.

Andro 4 (Almà 23–24)

Ireo Lamanita an’arivony izay nanaiky ny filazantsara dia naneho fa ny fiovam-po dia fiovana ara-panahy—ka lasa olom-baovao amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Nianaran’ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny ohatr’ireo Lamanita izay lasa Antia-Nefia-Lehia fa rehefa manao izay azontsika atao isika mba hibebahana, dia Andriamanitra no hanafaka ny fahamelohantsika sy hanampy antsika hitoetra ho madio. Ny fiovam-pon’ireo Lamanita dia maneho fa afaka manampy ny hafa hiova fo isika rehefa mahatoky.

Fampidirana

Nahafoy fotoana sy harena tao an-trano ireo zanakalahin’i Môsià efatra mba hahafahan’izy ireo mitory ny filazantsara any anivon’ny Lamanita. Ny tantaran’ireo misiônera efatra ireo dia maneho ny fomba ahafahan’ireo mpianatra miomana hampianatra amim-pahombiazana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 17–22

Nampianatra mpanjaka Lamanita roa i Amôna sy ireo rahalahiny

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny banga ity mialoha ny fiantombohan’ny fotoana, na amin’ny taratasy: “Ny hany zavatra tokana manan-danja indrindra azonao atao mba hiomanana ho amin’ny antso hoe hanompo [hanao asa fitoriana] dia ny …”

Manasà mpianatra vitsivitsy hilaza hoe toy ny ahoana ny fahitan’izy ireo ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na ny namana iray niverina avy nanompo tamim-pahatokiana nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno. Anontanio avy eo ny mpianatra hoe: Inona ny fiovana nisy teo amin’io olona io taorian’ny asa fitoriana nataony? Inona no heverinao fa antony nahatonga io fiovana io?

Anontanio ireo mpianatra ny mety hamenoan’izy ireo an’io teny eo amin’ny solaitrabe io. Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia zarao aminy ny fomba namenoan’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’io teny io: “Ny hany zavatra tokana manan-danja indrindra azonao atao mba hiomanana ho amin’ny antso hoe hanompo [hanao asa fitoriana] dia ny ho tonga misiônera fotoana ela mialoha ny handehananao any amin’ny sahan’ny misiôna” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 45).

Anontanio hoe: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy manaraka ny torohevitry ny Loholona Bednar ka ho tonga misiônera mialoha ny hanaovan’izy ireo asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

Zarao ity teny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

“Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be. Ry zatovolahy, manentana anareo aho mba hiomananareo amin’ny asa fitoriana. Meteza ho madio sy masina ary mendrika [ny] hisolo tena ny Tompo. Kolokoloy ny fahasalamanareo sy ny tanjakareo. Halalino ny soratra masina. Mandraisa anjara amin’ny seminera na institiota amin’ny toerana izay hisian’izany. Fantapantaro ilay boky torolàlana ho an’ireo mpitory ny filazantsara hoe Torio ny Filazantsarako.

“Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny anananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa amin’izany asa izany izahay” (“Eo Am-pihaonana Indray Isika Izao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 4).

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Hotahian’ny Tompo isika homeny ny Fanahiny Masina sy ny hery hahafahana mampianatra ny Teniny raha toa isika …

Zarao ho andiany efatra ny mpianatra. Ampandraiketo ny vondrona tsirairay ireto andalan-tsoratra masina ireto: Almà 17:1–4; Almà 17:9–13; Almà 17:19–25; 18:1–9; Almà 17:26–30. (Raha vitsy ny mpianatrao dia amboary hifanaraka amin’izany ity asa atao ity.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo, ary hitady ny zavatra izay nataon’ireo zanakalahin’i Môsià nahafahana nitahy azy ireo tamin’ny Fanahy sy ny hery rehefa nampianatra ny filazantsara izy. Hazavao fa rehefa vita ny azy ireo dia hiangavy azy ireo ianao hizara ny zavatra izay hitany sy ny fomba hamenoany ny fehezanteny eny amin’ny solaitrabe.

Rehefa ampy ny fotoana nomena azy ireo dia manasà olona iray isaky ny vondrona mba hanazava ny zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môsià sy ny fomba namenoan’izy ireo ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe. Mety ho toy izao manaraka izao no havalin’ireo mpianatra: mandalina ny soratra masina, mivavaka sy mifady hanina, manam-paharetana, maneho ohatra tsara, mahatoky ny Tompo, manompo ny hafa amin-kitsim-po, ary mitia ny hafa toy ny rahavavy sy ny rahalahy. Rehefa mizara ny valiny ireo mpianatra dia tanisao eny amin’ny solaitrabe izany. Anontanio ireo mpianatra hoe ahoana ny fomba mety hanampian’ireo asa sy toetra tsirairay ireo ny olona iray hizara ny filazantsara amim-pahombiazana kokoa.

Raha toa misy amin’ireo mpianatra olona niova fo tamin’ny filazantsara rehefa nampianarin’ny misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno, dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny zavatra tsapany tamin’izy ireo nianatra ny filazantsara.

Ampatsiahivo ny mpianatra fa taorian’ny niarovan’i Amôna ny andian’ondrin’ny mpanjaka, dia talanjona i Lamônia Mpanjaka tamin’ny hery sy ny fankatoavana ary ny fahatokian’i Amôna teo am-panatanterahana ny didiny (jereo ny Almà 18:8–10). I Lamônia dia efa vonona hihaino ny hafatra izay hozarain’i Amôna taminy. Asao ireo mpianatra hifandimby hamaky mafy ny Almà 18:24–29. Asao ireo mpianatra hijery ny fomba niaingan’i Amôna tamin’ny zavatra efa takatr’i Lamônia mikasika an’Andriamanitra mba hahafahany manomana an’i Lamônia hahatakatra fotopampianarana marina.

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha toa ka mifampiresaka amin’ny namana iray hafa finoana ianao mikasika an’Andriamanitra dia ahoana no fomba ampiasanao ireo zavatra inoana iraisana, tahaka ny nataon’i Amôna? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izany ezaka izany hanampy an’ilay namanao?

  • Inona ihany koa ny lohahevitra hafa mikasika ny filazantsara izay azonao resahina amin’ireo namanao mba hahitana fomba ahafahana mizara ny filazantsara amin’izy ireo?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Lamônia Mpanjaka dia lasa mora nihaino mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, tahaka ny nataon-drainy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 18:39–41—Ny fihetsik’i Lamônia teo am-pianarana mikasika an’i Jesoa Kristy. Manasà mpianatra iray hafa hamaky ny Almà 22:14–18—Ny fihetsiky ny rain’i Lamônia. Asao ny mpianatra mba hanaraka tsara ao amin’ny soratra masin’izy ireo ary hitady ny fitoviana nisy teo amin’ny fihetsik’ireo lehilahy ireo.

Anontanio hoe: Inona no tian’ireo lehilahy roa ireo hatao rehefa nianatra mikasika an’i Jesoa Kristy izy ireo?

Hazavao fa i Lamônia sy ny rainy dia nokasihin’ny Fanahy nandritra ny fampianaran’ireo misiônera. Vokatr’izany dia naniry ireo fitahian’ny filazantsara izy ireo, ary naniry ny hamoy ny fahotany sy ny hibebaka. Ampahatsiahivo an’ireo mpianatra ny mikasika ny fahamarinana izay nianaran’izy ireo tamin’ity herinandro ity: Tsy maintsy mivonona ny hamoy ny fahotantsika rehetra isika raha te hiova ara-panahy sy ho aterak’Andriamanitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ity izay hita ao amin’ny boky fandalinan’izy ireo: “Manome fanamby antsika mba hiova ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny hoe ’Mibebaha’ no hafatra matetika indrindra hita ao aminy, ary ny hoe mibebaka dia midika hoe mahafoy ireo fombantsika rehetra—na an’ny tena manokana, na an’ny mpianakavy, na an’ny foko, na an’ny firenena—izay mifanohitra amin’ireo didin’Andriamanitra. Ny tanjon’ny filazantsara dia ny hanova ireo olombelona tsotra ho lasa olona selestialy, ary mitaky fanovana izany” (“Repentance and Change,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 37).

Asao ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fiainan’izy ireo, ary handinika raha toa ka misy fahotana ilain’izy ireo ialana mba hahafahany hiova ara-panahy tahaka an’i Lamônia sy ny rainy. Farano amin’ny fizarana ny famporisihana sy ny fijoroanao ho vavolombelona fa raha mivonona hiala amin’ny fahotantsika isika dia hanampy antsika ny Tompo hiova sy hivoatra.

Fizarana Manaraka (Almà 25–32)

Asao ireo mpianatra handinika ity fanontaniana ity: Inona no zavatra holazainao amin’ny olona iray izay antikristy? Any amin’ny fizarana manaraka ny mpianatra dia hianatra ny fomba namalian’i Almà ny fanontaniana sy ny fandrabirabian’i Kôrihôra izay antikristy. Ankoatra izany izy ireo dia hianatra misimisy kokoa mikasika ny finoana rehefa mamaky mikasika ny asa nataon’i Almà sy ny olon-kafa mba hampianarana ireo Zôramita izay nandiso ny lalàn’ny Tompo.

Hamoaka printy