Tahirim-pitaovana
Lesona 122: 3 Nefia 12


Lesona 122

3 Nefia 12

Fampidirana

Nampianatra ny Nefita ny fomba handraisana ireo fitahian’ny Filazantsarany i Jesoa Kristy ary nanome torolalana azy ireo mba hitarika ny hafa ho amin’ny tsara. Nanambara Izy fa notanterahiny ny lalàn’i Mosesy, ary nanome lalàna ambonimbony kokoa ho an’ny vahoaka Izy mba hanomanana azy ireo ho tonga tahaka Azy sy ho tahaka ny Ray any an-danitra.

Sosokevitra Enti-Mampianatra

3 Nefia 12:1–2

I Jesoa Kristy dia mampianatra ny valalabemandry mikasika ireo fitahiana azontsika rehefa miaina ny Filazantsarany isika

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pampianarana:

Miandry antsika ho tanteraka ve ny Ray any an-danitra?

Mila tonga tanteraka ve isika mandritra ity fiainana ity mba hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy?

Mety ho tonga tanteraka ve isika?

Eo am-panombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fanontaniana ireo. Asaivo mieritreritra momba ireo fanontaniana ireo izy ireo mandritra ny lesona.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:48. Hamafiso fa andinin-tsoratra masina fehezina izany. Azonao atao ny manome sosokevitra mba hanisian’ireo mpianatra marika amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ny fomba miavaka mba hahafahany mahita izany mora foana.

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ilay didy ny mba ho tanteraka:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka ka toy ny manahirana [sarotra] sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Ny fahatanterahana dia andrasana. Tsy afaka ny ho azo tanteraka izany raha tsy aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo irery ihany. Izany no andrandrain’ireo rehetra izay tia azy sy mitandrina ireo didiny” (“Perfection Pending,” Ensign, Nôv. 1995, 88).

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy azo ny fahatanterahana raha tsy “amin’ny alalan’ny Tompo irery ihany”?

Avereno jerena ireo fanontaniana telo ao amin’ny fiantombohan’ny lesona. Anontanio ireo mpianatra raha te hanova ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo izy rehefa avy namaky ny 3 Nefia 12:48 sy nahare ny fanazavan’ny Loholona Nelson. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny Ray any an-danitra dia tsy manantena antsika ho tanteraka mandritra ny fiainantsika ety an-tany, fa rehefa miezaka am-pahazotoana isika hitandrina ireo didy sy miantehitra amin’ny Sorompanavotana, dia afaka ny ho tanteraka isika any am-parany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe hotahiana. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 12:1–12, ary hitady ireo toetra asain’ny Mpamonjy ampitombointsika sy ireo fitahiana izay ampanantenainy antsika ho valin’izany.

  • Inona avy ireo fitahiana azonao tamin’ny fiainanao vokatry ny fiainanao ireo fampianaran’i Jesoa Kristy 3 Nefia 12:1–12?

Hamafiso hoe impiry no hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny teny hoe notahiana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nahazoanao fitahiana rehefa niaina araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ianao.

Angataho ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny fitahiana iray irian’izy ireo ka voalaza ao amin’ny 3 Nefia 12:1–12. Asao izy ireo hanoratra ny toetra tokony hitombo ao anatiny mba hahazoany izany fitahiana izany. Avy eo dia asao izy ireo hanoratra izay zavatra tian’izy ireo hatao mba hampitomboana izany toetra izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany sy ny antony nanoratany izany.

3 Nefia 12:13–16

Namporisika ny valalabemandry ny Mpamonjy mba ho ohatra marina ho an’izao tontolo izao

Manehoa fitoeran-tsira iray. Angataho ny iray kilasy hamantatra tombon-tsoa azo avy amin’ny sira. Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia ataovy izay hampahazava tsara ny hoe mampatsiro ny sakafo ny sira ary izy io koa dia fitaovana fiarovana ampiasaina mba hitehirizana ny hena tsy ho simba. Azonao atao koa ny manazava fa nodidiana ireo mpisorona teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy mba hanolotra sira miaraka amin’ireo fanatitra nataony sorona (jereo Levitikosy 2:13). Noho izany, ny sira dia tandindon’ny fanekempihavanana eo amin’ny Tompo sy ny vahoakany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 12:13 mba hamantatra hoe iza no nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny sira. Rehefa mamaly ny mpianatra dia hazavao fa tsy ny valalabemandry tao amin’ny tempoly tamin’io andro io ihany no noresahin’ny Mpamonjy fa ireo rehetra izay natao batisa mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana sy niaina ny Filazantsarany.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho toy ny sira amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika? (Isika dia natao hiaro na hamonjy olona ary hanatsara izao tontolo izao amin’ny fitaomantsika ny hafa ho amin’ny tsara.)

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe manary ny tsirony ny sira?

Rehefa mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ireo mpianatra, dia azonao atao ny mamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Fitopololahy:

“Tsy hanary ny tsirony ny sira na dia ao anatin’ny taona maro aza. Ny fifangaroana sy ny fifindran’ny loto aminy no mahavery ny tsirony. … Mandositra miala amin’ny olona ny hanitra sy ny hatsarana rehefa voaloton’ny eritreritra maloto ny sainy, rehefa simbainy amin’ny fitenenana izay tsy marina ny vavany, ary rehefa mampiasa amin’ny tsy tokony ho izy ny heriny izy amin’ny fanaovana asa ratsy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, Mey 1980, 42).

  • Nahoana isika no tokony hadio mba ahafahantsika mitaona ny hafa ho amin’ny tsara?

Hazavao fa nampiasa sariohatra iray hafa ny Mpamonjy hampianarany ny fomba tokony hitaoman’ireo mpikamban’ny Fiangonany izay nanao fanekempihavanana ny hafa ho amin’ny tsara. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:14–16. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny fahazavana hoentiny mampianatra mikasika ny anjara asan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany eo amin’izao tontolo izao. Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny vata famarana dia harona.

  • Ahoana no mety hahatonga ireo mpikamban’ny Fiangonana ho fahazavana ho an’ny hafa? Inona araka ny hevitra no dikan’ny hoe mampamiratra ny fahazavantsika? (Rehefa mamaly ity fanontaniana ity ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita ny fomba hanampiany ny hafa amin’ny alalan’ny ohatra asehony amin’ny fiainany amim-pahamarinana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanaronan’ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany ny fahazavany?

  • Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 12:16, nahoana no tian’ny Mpamonjy ny hampamiratantsika ny fahazavantsika? Rehefa maneho ohatra feno fahamarinana isika dia afaka manampy ny hafa hankalaza ny Ray any an-danitra. Azonao tolorana hevitra ireo mpianatra mba hanoratra izany fitsipika izany amin’ny teniny manokana ao amin’ny soratra masiny.)

  • Iza no naneho ohatra feno fahamarinana taminao ka nanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any an-danitra sy hanamafy ny fanirianao hiaina ny filazantsara?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny ohatra izay asehon’izy ireo amin’ny olona manodidina azy. Amporisiho izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahany manampy bebe kokoa ny hafa mba hanana fitia lalim-paka kokoa ho an’ny Ray any an-danitra sy faniriana lalim-paka kokoa hanaraka Azy.

3 Nefia 12:17–48

Mampianatra ny valalabemandry mikasika ny lalàna ambonimbony kokoa izay hanampy azy ireo ho tonga tahaka Azy sy ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy

Hazavao fa tohizan’ny Mpamonjy ny fampianarany ireo Nefita ny fomba hanatonana Azy sy hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:19–20. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady teny iray miverimberina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Inona ilay teny manan-danja izay ampiasain’ny Mpamonjy in-telo ao amin’io fanasana hanatona Azy io? (Didy)

Hazavao fa ny 3 Nefia 12:21–47 dia ahitana didy miavaka vitsivitsy izay nomen’ny Mpamonjy mba hanampy antsika hanatona Azy sy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Rehefa nampianatra ireo didy ireo tamin’ny Nefita Izy dia niresaka momba ny fitsipika izay tao anatin’ny lalàn’i Mosesy ary avy eo dia nampianatra lalàna ambonimbony kokoa. Niresaka momba ny fomba mahazatra nahatakarana ny lalàn’i Mosesy Izy rehefa nampiasa fehezanteny toy ny hoe “efa voalazan’ireo tamin’ny fahagolan-tany” sy “voasoratra.” Rehefa niteny Izy hoe “Nefa lazaiko aminareo,” dia nampahafantatra ny fomba tiany hitandremantsika ny didiny ankehitriny Izy.

Mba hanampiana ny mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra. Omeo andalana iray amin’ilay tabilao ny vondrona tsirairay, ary asao izy ireo hamaky ny andinin-tsoratra masina miaraka amin’izany sy mamaly ireo fanontaniana.

Inona ilay fomba mahazatra nahatakarana ny lalàn’i Mosesy?

Ahoana ny fomba fiainana hatoron’ny Mpamonjy antsika?

Inona no mety hataon’ny zatovolahy na zatovovavy iray mba hampiharany ny fampianaran’ny Mpamonjy?

3 Nefia 12:21

3 Nefia 12: 22–26

3 Nefia 12:27

3 Nefia 12:28–30

3 Nefia 12:38

3 Nefia 12: 39–42

3 Nefia 12:43

3 Nefia 12: 44–46

Mba ho tombony ho an’ireo mpianatra izay mamaky ny 3 Nefia 12:22, dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe Olom-poana dia teny fihantsiana na fanesoana izay maneho fankahalana na fihomehezana (jereo ny Matio 5:22, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy d). Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny Loholona David E. Sorensen ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ny fehezanteny hoe “mihavàna faingana amin’ny fahavalonao” (3 Nefia 12:25) dia midika hoe “vahao haingana ireo disadisantsika, fandrao ireo hafanam-po amin’izao fotoana izao hiharatsy ka ho lasa halozana ara-batana na ara-pihetseham-po, ary ho lasa voagejan’ny hatezerantsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, Mey 2003, 11).

Rehefa mahavita ny fandalinana ny andinin-tsoratra masina nomena azy ireo mpianatra, dia asao ny vondrona tsirairay hanao tatitra momba ny valinteniny. Azonao atao ny mampanoratra azy ireo ny valinteniny eo amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no toa niova teo amin’ny lalàn’i Mosesy raha oharina amin’ny lalàna ambonimbony kokoa izay nampianarin’i Jesoa Kristy?

Azonao atao ny manamafy fa ny lalàna ambonimbony kokoa dia mifantoka bebe kokoa amin’ny faniriantsika, sy ny eritrerintsika, ary ny zavatra mamporisika antsika toy izay ny amin’ny zavatra ataontsika ety ivelany.

  • Rehefa miezaka ny ho tanteraka isika dia nahoana no tena manan-danja ny mifantona amin’ny faniriantsika sy ny eritrerintsika ary ny zavatra mamporisika antsika?

Asao ireo mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12 sy andiam-pehezanteny iray mikasika ny fomba hivoarany ao amin’io sehatra iray io.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:19–20. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fiezahana am-pahazotoana hitandrina ireo didy nampianarin’ny Mpamonjy, dia afaka ny ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ary “hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra” (3 Nefia12:20).

Rehefa vitan’ireo mpianatra ireo asa nampanaovina ireo dia asao izy ireo hizara ny zavatra nanan-danja indrindra taminy. Fintino ity toko ity amin’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Rehefa manatona an’i Kristy isika ary mitandrina ny didiny dia afaka ny ho lasa tahaka Azy sy ny Ray any an-danitra bebe kokoa, izay tanteraka. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mba hahazoana ambaratonga iray amin’ny fahatanterahana dia tsy maintsy miantehitra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Asao ireo mpianatra hanoratra mikasika ny fomba iray na roa izay tian’izy ireo hampiharana ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay nianarany androany. Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ilay fitsipika izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe.

Andinin-tsoratra Masina Fehezina—3 Nefia 12:48

Asao ireo mpianatra hanokatra ny soratra masiny ao amin’ny 3 Nefia 12:48. Asaivo miara-mamaky mafy ilay andinin-tsoratra masina izy ireo. Omeo fotoana hamakiana ilay andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, ary avy eo dia asaivo akatony ny soratra masiny ary averiny lazaina araka izay vitany ilay andinin-tsoratra masina. Asaivo averiny indray ilay mijery ilay andinin-tsoratra masina sy manakatona ny soratra masiny, ary avy eo dia manao tsiajery ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ahoana no nivoaranareo tamin’ny fiezahana?

  • Ahoana no nanampian’ity asa natao ity anareo hahatakatra ny dianareo mankany amin’ny fahatanterahana?

Hamafiso fa ireo ezaka ataontsika eo amin’ny fiainana dia tena manan-danja. Ampahatsiahivo anefa ireo mpianatra fa ny Tompo dia tsy manantena antsika ho tanteraka amin’ny zavatra rehetra mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy ireo ezaka ataontsika am-pahazotoana hanaraka ny Mpamonjy dia afaka ny ho atao tanteraka isika any am-parany. Asao ireo mpianatra hieritreritra fomba iray ahafahany miezaka hanaraka ny Mpamonjy.

Fanamarihana: Noho ny halavan’ity lesona ity, dia azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro hafa, rehefa manana fotoana bebe kokoa ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 12:28–30. Ny fahotana amin’ny fanirian-dratsy

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Fa maninona ny fanirian-dratsy no fahotana mahafaty? Eny, ankoatry ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ny fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ity fiainana an-tany ity—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny faniriana ananan’ny mpivady mba hitondra zaza ao anaty fianakaviana iray izay antenaina ho mandrakizay. … Ny fitiavana dia mahatonga antsika hitodika ho azy any amin’ Andriamanitra sy ny hafa. Etsy ankilany, ny fanirian-dratsy dia izay zavatra rehetra ankoatry ny zavatra araka an’ Andriamanitra ary ny fanirian-dratsy koa dia izay zavatra mamporisika ny famelana ny tena hanao izay tiana atao. Ny fitiavana dia tonga miaraka amin’ny tanana sy fo misokatra, ny fanirian-dratsy kosa dia tonga miaraka amin’ny filàna lehibe fotsiny ihany” (“Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny Fanahiko,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 44–45).

3 Nefia 12:43–44. “Tiavo ny namanareo” ary “tiavo ny fahavalonareo”

Ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo Nefita mba hifankatia sy hitia ireo fahavalony dia tonga tamin’ny fotoana nilàna azy tokoa. Taorian’ny ady nandritra ny taonjato maro nifanaovan’ny Nefita sy ny Lamanita sy ireo taona maro nisian’ny ady an-trano, dia mety ho lasa fahazarana ny fisian’ny fifandirana eo amin’ny vondrona roa mpifahavalo. Ohatra, milaza ny Mosià10:17 fa ireo Lamanita dia “nampia[natra] ireo zanany mba hankahalany azy [ireo Nefita], satria tokony hovonoiny izy, satria tokony horobainy sy hobaboiny ny fananany ary hataony izay rehetra azony atao hamongorana azy.” Raha toa ny vahoaka ka tsy nijanona niaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 12:43–44 dia ho voatazon’izy ireo hatrany ny fandriam-pahalemana ary ho tapitra tanteraka ilay fombafomba diso izay nampianatra ny zanaka hankahala ny fahavalony. Na izany aza, ireo taona maro nisian’ny fandriam-pahalemana taorian’ny famangian’ny Mpamonjy dia rava satria ny sasany tamin’ny vahoaka dia nisafidy ny “[h]ikomy an-tsitrapo kosa tamin’ny filazantsaran’i Kristy; ary nampianariny an-janany ny tsy tokony hinoany.” Izy ireo dia nisafidy ny hanao “ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny razany, dia tahaka ny tany am-piandohana. Ary nampianariny azy ny hankahala ny zanak’ Andriamanitra, dia tahaka ny nampianarana ny Lamanita hankahala ny zanak’i Nefia hatrany am-piandohana” (4 Nefia 1:38–39).

Hamoaka printy